Fifampiraharahana mba Hisian’ny Vodiondry Araka ny Antoniny
AMIN’IZAO andro izao, tahaka ny tamin’ny andron’ny Baiboly, dia takin’ny kolontsaina sasany ny handoavana vodiondry alohan’ny hahafahan’ny lehilahy iray hampakatra vehivavy iray. “Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy”, hoy i Jakoba tamin’i Labana, ilay ho tonga rafozany. (Genesisy 29:18). Noho ny fitiavan’i Jakoba an-dRahely, dia zava-tsarobidy no natolony: Ny mitovy sanda amin’ny karama fito taona! Nanaiky ilay fanoloran-kevitra i Labana, saingy nampiasa fitaka izy mba hahatonga an’i Jakoba hanambady an’i Lea, zanany vavimatoa, aloha. Niharo hafetsifetsena hatrany ny fomba nifampiraharahan’i Labana tamin’i Jakoba taorian’izay. (Genesisy 31:41). Nanjary tsy nisy hajany tamin’izy mirahavavy intsony ilay rainy satria ny tombony ara-nofo ihany no masaka tao an-tsain’izy io. “Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? fa efa namidiny izahay sady nohaniny làlandava ny volanay rehetra”, hoy ny fanontanian’izy mirahavavy. — Genesisy 31:15.
Mampalahelo fa ray aman-dreny maro no sahala amin’i Labana, eto amin’itỳ tontolo miahy fatratra ny zavatra ara-nofo itỳ. Mbola ratsy lavitra aza ny sasany. Araka ny gazety afrikanina iray, dia namboarina ny fanambadiana sasany “mba hahafahan’ireo ray matim-bola hanararaotra fotsiny”. Ny anton-javatra iray dia ny fahaterena ara-bola, hany ka azon’ny fakam-panahy hihevitra ny zanany vavy ho toy ny fitaovana hampihenana ny fahasahiranana ara-bola, ny ray aman-dreny sasany.a
Tsy mamela ny zanany vavy hanambady ny ray aman-dreny sasany, satria izay olona sahy hanome vola be indrindra no andrasan’izy ireo. Mety hiteraka olana lehibe izany. Nanoratra toy izao ny mpanao gazety iray, izay namita iraka nandritra ny fotoana kelikely tatsy Afrika andrefana: “Aleon’ny tanora mandositra ka manatanteraka mangingina ny fanambadiany, mba hialana amin’ny haren-jazavavy tafahoatra takin’ny havan’ny lahy tsy mety milefitra.” Fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy no iray amin’ireo olana ateraky ny fitakiana vodiondry mihoa-pampana. Ankoatra izany, dia mahavita mividy vady ihany ny tovolahy sasany, saingy bokan-trosa avy eo. “Tokony hahalala ny antoniny ny ray aman-dreny”, hoy ny fampirisihan’ny olona iray mpanao asa sosialy atsy Afrika Atsimo. “Tsy tokony hitaky vola be izy ireo. Mba mila mivelona koa ange ny mpivady vao e! (...) Koa nahoana no avela ho bankirompitra ilay zazalahy?”
Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny kristianina mamela ohatra eo amin’ny fahalalana ny antoniny, rehefa mifampiraharaha momba ny fandoavana na ny fandraisana vodiondry? Raharaha lehibe izany, satria mandidy toy izao ny Baiboly: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fahalalanareo ny antoniny.” — Filipiana 4:5, NW.
Foto-pitsipika araka ny antoniny ao amin’ny Baiboly
Fanapahan-kevitry ny ray aman-dreny kristianina manokana ny hoe hifampiraharaha momba ny vodiondry ve izy ireo sa tsia. Raha mifidy ny hanao izany izy ireo, dia tokony hotarihina mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika ara-baiboly ny fifampiraharahana toy izany. “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 13:5). Raha tsy hita miharihary io foto-pitsipika io ao amin’ny fifampiraharahana ara-panambadiana, dia mety hampiharihary ny ray na reny kristianina iray fa tsy ohatra tsara ny tenany. Ireo lehilahy manana andraikitra ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina dia tokony “hahalala ny antoniny”, “tsy tia vola” na “tsy mierina amin’ny tombony azo amin’ny tsy marina”. (1 Timoty 3:3, 8, NW ). Ny Kristianina iray izay sady mierina no tsy mibebaka amin’ny fanararaotana maka vodiondry mihoa-pampana, dia mety ho voaroaka mihitsy tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna. — 1 Korintiana 5:11, 13; 6:9, 10.
Noho ireo olana ateraky ny fierenana, ny fitondram-panjakana sasany dia nanao lalàna izay manisy fetra tsy azo ihoarana momba ny vodiondry. Milaza, ohatra, ny lalàna iray any Togo, firenena iray atsy Afrika Andrefana, fa “azo aloa amin’ny alalan’ny zavatra na vola na izy roa miaraka” ny vodiondry. Hoy ny tohin’ilay lalàna: “Na ahoana na ahoana dia tsy tokony hihoatra ny 10 000 F CFA (110 000 FMG) izany.” Imbetsaka ny Baiboly no mandidy ny Kristianina mba ho olom-pirenena mankato lalàna. (Titosy 3:1). Na dia tsy ampiharin’ny fitondram-panjakana aza ny lalàna toy izany, ny Kristianina marina kosa dia haniry hankato. Hihazona fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra izy amin’izany, ary tsy hahatonga fahatafintohinana ho an’ny hafa. — Romana 13:1, 5; 1 Korintiana 10:32, 33.
Iza no tompon’andraikitra momba ny fifampiraharahana?
Any amin’ny kolontsaina sasany, dia mety hifanohitra amin’ny foto-pitsipika lehibe hafa iray ny fomba anaovana ny fifampiraharahana momba ny vodiondry. Araka ny Baiboly, dia ny raim-pianakaviana no tompon’andraikitra amin’ireo raharaha mahakasika ny ankohonany. (1 Korintiana 11:3; Kolosiana 3:18, 20). Tokony ho lehilahy “hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany”, araka izany, ireo olona manana andraikitra ao anatin’ny kôngregasiôna. — 1 Timoty 3:12.
Mety ho fanao mahazatra eo anivon’ny fiaraha-monina anefa ny hoe avela ho an’ny havan’ilay loham-pianakaviana ny fifampiraharahana lehibe ara-panambadiana. Mitaky ampahany amin’ny vodiondry ireny havana ireny. Fitsapana ho an’ny ankohonana kristianina izany. Noho ny fomba amam-panao, dia mamela havana tsy mpino hitaky vodiondry mihoa-pampana ny loham-pianakaviana sasany. Indraindray izany dia nitarika zazavavy kristianina hanambady tsy mpino. Mifanohitra amin’ilay fananarana ny amin’ny tokony hanambadian’ny Kristianina “ao amin’ny Tompo ihany” izany. (1 Korintiana 7:39). Ny loham-pianakaviana iray izay mamela havana tsy mpino handray fanapahan-kevitra hita fa manimba ny fahasalamana ara-panahin’ny zanany, dia tsy azo heverina ho “manapaka tsara ny ankohonany”. — 1 Timoty 3:4.
Ahoana raha tsy mandray anjara mivantana amin’ny fifampiraharahana ara-panambadiana ho an’ny iray amin’ireo zanany ny raim-pianakaviana kristianina iray, toa an’i Abrahama, patriarika natahotra an’Andriamanitra? (Genesisy 24:2-4). Raha olon-kafa no tendrena hanao izany, dia tokony hanao izay hahazoana antoka ilay raim-pianakaviana kristianina fa manaraka ireo toromarika mifanaraka amin’ny foto-pitsipika araka ny antoniny ao amin’ny Baiboly, ilay olona anankinana ny fifampiraharahana. Ankoatra izany, alohan’ny hanaovan-javatra na inona na inona mahakasika ny fifampiraharahana momba ny vodiondry, dia tokony handinika amim-pitandremana ireo ray aman-dreny kristianina ary tsy tokony hamela ny tenany ho sodokan’ny fomba amam-panao na ny fitakiana tsy araka ny antoniny. — Ohabolana 22:3.
Halaviro ny lafin-toetra tsy kristianina
Melohin’ny Baiboly ny rehaka sy ny “fampideraderana ny fananan’ny tena”. (1 Jaona 2:16, NW; Ohabolana 21:4). Ny olona sasany eo anivon’ny kôngregasiôna kristianina anefa dia nampiseho ireo lafin-toetra ireo, teo amin’ny fifampiraharahana ara-panambadiana. Manahaka an’izao tontolo izao ny sasany, amin’ny fampideraderana fa nandoa na nahazo vola be izy tamin’ny vodiondry. Etsy an-danin’izany, dia manao izao tatitra izao ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Afrika: “Tsy naneho fanajana ny lehilahy sasany rehefa araka ny antoniny ny zavatra notakin’ny fianakavian’ny vavy. Ny antony dia satria mihevitra ny vadiny ho voavidy tamin’ny vidin’ny ‘osy’ iray izy ireny.”
Resin’ny fierenana amin’ny vodiondry mihoa-pampana ny Kristianina sasany ka nitarika ho amin’ny vokany nampalahelo izany. Diniho, ohatra, itỳ tatitra avy any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower hafa iray itỳ: “Amin’ny ankapobeny dia sarotra ho an’ireo rahalahy mpitovo ny mahazo vady ary sarotra ho an’ny anabavy ny mahita vady. Ny vokany dia mitombo isa hatrany ny olona voaroaka noho ny fahalotoam-pitondran-tena. Mandeha any amin’ireo toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny rahalahy sasany mba hitadiavana volamena na diamondra azony amidy mba hananana vola ampy hanambadiana. Mety ho herintaona na roa taona, na maherin’izany, ny fotoana ilainy amin’izany, ary mazàna izy ireny no mihaosa ara-panahy satria nandao ny fifaneraserana tamin’ireo rahalahy sy ny kôngregasiôna.”
Mba hisorohana ny vokany mampalahelo toy izany, dia tokony hanaraka ny ohatr’ireo olona matotra ao amin’ny kôngregasiôna ny ray aman-dreny kristianina. Na dia tsy raim-pianakaviana aza ny apostoly Paoly, dia nahalala ny antoniny izy teo amin’ny fifampiraharahana tamin’ireo mpiray finoana taminy. Nitandrina izy mba tsy hametraka enta-mavesatra ara-bola tamin’iza na iza. (Asan’ny Apostoly 20:33). Namela ohatra tsy nisy fitiavan-tena i Paoly ka azo antoka fa tokony handinika izany ny ray aman-dreny kristianina, rehefa miditra amin’ny fifampiraharahana momba ny vodiondry. Raha ny marina, dia nomen’Andriamanitra tsindrimandry i Paoly mba hanoratra hoe: “Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy hianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho [ohatra, NW ].” — Filipiana 3:17.
Ohatra eo amin’ny fahalalana ny antoniny
Raha ny fifampiraharahana ara-panambadiana no asian-teny, dia ray aman-dreny kristianina maro no mamela ohatra tsara dia tsara momba ny fahalalana ny antoniny. Diniho ny amin’i Joseph sy Mae, vadiny, izay samy mpitory manontolo andro.b Any amin’ny iray amin’ireo Nosy Salomon izy mivady no mipetraka. Any anefa dia olana indraindray ny fifampiraharahana momba ny vodiondry. Mba hisorohana ny fahasahiranana toy izany, dia nataon’izy mivady izay hanaovana ny fampakaram-badin’i Helen, zanany vavy, tany amin’ny nosy iray akaiky azy ireo. Izany ihany koa no nataony tamin’ny an’i Esther, zanany vavy, hafa iray. Neken’i Joseph koa ny handoavan’i Peter, vinantolahiny, vodiondry izay latsaka ambany be noho izay azo ekena ho antoniny. Rehefa nanontaniana ny antony nanaovany izany i Joseph, dia hoy ny fanazavany: “Tsy tiako ny hametraka enta-mavesatra amin’ny vinantolahiko izay mpisava lalana.”
Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika koa no namela ohatra tsara dia tsara momba ny fahalalana ny antoniny. Any amin’ny faritra sasany, dia mazàna no manantena homena vola be alohan’ny fifampiraharahana momba izay tena ho vodiondry, ny mpianakavy sasany anisan’ilay fianakaviambe. Raha tiana ho azo antoka ny fahazoana ny vehivavy iray, dia mety hasaina hampanantena razazalahy fa izy koa no handoa ny lany amin’izay ho vodiondrin’ny zandry lahin’ilay fofombadiny.
Mifanohitra amin’izany, dia diniho ny ohatr’i Kossi sy i Mara, vadiny. Tsy ela izay dia nanambady mpiandraikitra mpitety faritany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Beboko, zanak’izy ireo vavy. Talohan’ny fampakaram-bady, dia nanery mafy azy mivady ray aman-dreny ireo havana, ny amin’izay anjaran’izy ireo amin’ny vodiondry mihoa-pampana. Tsy laitra nohozongozonina anefa izy mivady ka tsy nety nanaiky izany fitakiana izany. Nifampiraharaha nivantana tamin’ilay ho vinantolahiny kosa izy mivady, ka vodiondry faran’izay kely no nangatahiny mahakasika ilay zanany vavy, ary avy eo dia naveriny tamin’izy roa kely ny antsasak’ilay izy mba hampiasainy hikarakarana ny fampakaram-badiny.
Vavolombelona tanora antsoina hoe Itongo ny ohatra hafa iray ao amin’io tany io ihany. Nangataka vodiondry araka ny antoniny ny mpianakaviny teo am-boalohany. Nangataka ny hampitomboana ilay vola anefa ireo havany. Nihenjana ny roa tonta, ary toa nety ho tonga tamin’ilay niriny ihany ireo havany ireo. Na dia saro-kenatra aza i Itongo, dia nitsangana izy ka nilaza tamim-panajana fa efa tapa-kevitra ny hanambady Kristianina be zotom-po iray atao hoe Sanze izy, araka ny efa nifanarahana. Niteny tamin-kerim-po izy avy eo hoe: “Mbi ke” (midika hoe: “Izay ny amin’iny”), ary nipetraka. Nanohana azy i Sambeko, reniny kristianina. Tsy nitohy intsony ilay resaka, ary dia nivady araka ny nikasana azy tany am-boalohany izy ireo.
Bebe kokoa noho ny tombontsoa manokana entin’ny vodiondry no ahin’ireo ray aman-dreny kristianina be fitiavana. Manazava toy izao ny lehilahy iray any Cameroun: “Manararaotra ny fahafahana rehetra ny rafozambaviko mba hilazana amiko hoe na inona na inona tiako homena azy ho vodiondry, dia tokony hampiasaiko mba hikarakarana izay ilain’ilay zanany vavy.” Miahy ny amin’izay hahasoa an-janany eo amin’ny lafiny ara-panahy koa ireo ray aman-dreny be fitiavana. Diniho, ohatra, ny amin’i Farai sy i Rudo, izay mipetraka any Zimbabwe, ary nandany fotoana be dia be teo amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Na dia tsy mandray karama aza izy ireo, dia vodiondry tsy ampy ampahafirin’ny fangataka akory no nangatahiny, rehefa nandefa ny zanany roa vavy hanambady izy ireo. Inona no antony? Satria tiany handray soa avy amin’ny fanambadiana lehilahy tena tia marina an’i Jehovah, ny zanany vavy. “Ny fahasalamana ara-panahin’ireo zanakay vavy sy ireo vinantolahinay no noheverinay ho zava-dehibe kokoa”, hoy ny fanazavany. Hafa kely tokoa izany! Tokony hoderaina fatratra ny rafozana izay mampiseho fiahiana feno fitiavana ny amin’izay hahasoa an’ireo zanany manambady, na soa ara-panahy izany na soa ara-nofo.
Ireo soa entin’ny fahalalana ny antoniny
Nandray fitahiana i Joseph sy i Mae, avy any amin’ireo Nosy Salomon, noho ny fahalalahan-tanana sy ny fitandremana nasehony teo amin’ny fomba nikarakarany ny fanambadian’ireo zanany vavy. Tsy nidi-trosa, araka izany, ny vinantolahin’izy ireo. Afaka nandany taona maro tamin’ny asa manontolo andro fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana kosa aza ireo mpivady roa ireo. Hoy i Joseph, raha nitodika ny lasa: “Nitondra fitahiana manana amby ampy ireo fanapahan-kevitra noraisinay mianakavy. Marina aloha fa indraindray dia misy fanerena mafy avy amin’ireo tsy mahafantatra, nefa sady manana feon’ny fieritreretana madio aho no afa-po mahita ny zanako be atao sy matanjaka eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Sambatra koa izy ireo, ary vao mainka sambatra aza izahay mivady.”
Ny soa hafa iray dia ny fifandraisana tsara eo amin’ny havan’ny lahy sy ny havan’ny vavy. I Zondai sy i Sibusiso, ohatra, izay manambady mpirahavavy iray tam-po, dia samy miaraka amin’ny vadiny avy manao asa an-tsitrapo ao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Zimbabwe. I Dakarai, rafozandahin’izy ireo dia mpitory manontolo andro no sady tsy mandray karama. Nandritra ireo fifampiraharahana momba ny vodiondry, dia nilaza izy fa hekeny avokoa izay zakan’izy roa lahy. “Tianay fatratra ny rafozandahinay”, hoy i Zondai sy i Sibusiso, “ary hanao araka izay fara herinay izahay mba hanampiana azy raha tojo fahasahiranana izy.”
Eny, mandray anjara amin’ny fisian’ny fahasambaram-pianakaviana ny fahalalana ny antoniny eo amin’ny fifampiraharahana momba ny vodiondry. Tsy ho bokan-trosa, ohatra, ireo mpivady vao, ka ho zatra mora foana amin’ny fiainam-panambadiana. Izany dia nahatonga mpivady tanora maro hikatsaka fitahiana ara-panahy, toy ny fanompoana manontolo andro eo amin’ilay asa ilaina maika, dia ny fitoriana sy ny fanaovana mpianatra. Mitondra voninahitra ho an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny fanambadiana, koa izany. — Matio 24:14; 28:19, 20.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mifamadika amin’izany ny any amin’ny kolontsaina sasany. Manantena haren-jazavavy avy amin’ny ray aman-drenin-drazazavavy ny fianakavian-drazazalahy.
b Nosoloana ny anarana ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.
[Efajoro, pejy 27]
Namerina ny Vodiondry Izy Ireo
Eo anivon’ny fiaraha-monina sasany, dia hamavoina ravehivavy sy ny ray aman-dreniny raha kely ny vodiondry. Araka izany, dia ny rehaka sy ny faniriana hampideradera ny laza amam-boninahitry ny fianakaviana, indraindray, no manosika ny olona hiady varotra hahazoana vola be. Hafa kely kosa anefa ny fifanoheran’izany amin’ny fianakaviana iray any Lagos, any Nizeria. Manazava toy izao i Dele, vinantolahin’izy ireo:
“Ny fianakavian’ny vadiko dia nanamaivana ahy tamin’ny maro tamin’ireo fandaniana entin’ny fombafomba nentim-paharazana fanao amin’ny fanaterana vodiondry. Anisan’izany ny fividianana akanjo lafo vidy natao isolosoloana. Na dia fony nanolotra vodiondry tamin’izy ireo aza ny fianakaviako, dia hoy ilay mpitondra tenin’izy ireo: ‘Tianareo halaina ho vady sa ho zanaka izato tovovavy izato?’ Niara-namaly ny fianakaviako hoe: ‘Tianay halaina ho zanakay izy.’ Taorian’izay dia naverina taminay tao anatin’ilay valopy nisy azy iny ihany ilay vodiondry.”
“Hatramin’izao, dia mankasitraka ny fomba nikarakaran’ny havam-badiko ny fanambadianay aho. Nahatonga ahy hanaja fatratra azy ireo izany. Mahatonga ahy hihevitra azy ireo ho toy ny havana tena akaiky ahy, ny fahitana ara-panahy matsilo ananan’izy ireo. Nisy vokany lehibe teo amin’ny fomba fiheverako ny vadiko koa izany. Nihalalina hatrany ny fankasitrahako azy noho ny fomba nitondran’ny fianakaviany ahy. Rehefa misy tsy fifanarahana eo aminay, dia tsy avelako ho lasa zava-manahirana ilay izy. Raha vao mitamberina ao an-tsaiko ilay fianakaviana nipoirany, dia zary faran’izay kely ilay tsy fifanarahana.”
“Nanjary nisy fisakaizana nampifamatotra ny fianakavianay roa tonta. Na dia ankehitriny aza, roa taona atỳ aorian’ny fampakaram-badinay, dia mbola mandefa fanomezana sy sakafo any amin’ny fianakaviam-badiko foana ny raiko.”