Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra isika dia tsy handao antsika na oviana na oviana izy
Nataon’i Grete Schmidt
TERAKA tany Hongria aho, tany Budapest, tamin’ny 1915. Nirehitra ny Ady Lehibe voalohany, ary ny raiko dia tany am-bava ady niaraka tamin’ny tafika aotrisiana sy hongria. Maty izy ny taona nanaraka, ary ny reniko dia niverina niaraka tamiko tany Iogoslavia, izay nisy ny fianakaviany.
Voatery nitady asa ny reniko satria tsy nanambady intsony izy; fa izaho kosa dia nankininy tamin’ny rahavaviny izay nitaiza ahy. Nanana toeram-piompiana ny rahavavin-dreniko tany amin’ny dimy kilaometatra teo ho eo avy eo Maribor, tany avaratr’i Iogoslavia. Nandany taona maromaro nahafinaritra aho tao, ary niandry isan-kerinandro ny fahatongavan’ny alahady, andro izay nitsidihan’i Neny anay. Ankoatr’izany, dia naniry mafy hanana ray iray aho.
Ny fifandraisako tamin’ny Ray iray
Katolika ny fianakaviako ary, satria mitana toerana lehibe ao amin’ny fivavahana katolika ny lanitra sy ny afobe, dia niteraka fifanoherana tao an-tsaiko izany. Tsy nahatsapa tena ho olona tsara aho ka ho any an-danitra, nefa tsy tena ratsy koa ka mendrika ny afobe. Niresahako ny amin’izany raharaha izany ny olona tsirairay, hatramin’ny renibeko ka hatramin’ny pretran’ny tanàna.
Satria ny reniko no sorena indrindra tamin’ireo zavatra nanahiran-tsaina ahy, dia nitondrany bokikely iray tamin’ny fiteny slovena aho, afaka volana vitsivitsy, izay azony tany an-tanàn-dehibe ary mitondra ny lohateny hoe Aiza moa ireo maty?.Tsy namaky azy io ny tenany, nefa nihevitra izy fa io boky kely io dia afaka hamaly an’ireo fanontaniako.
Tsy mbola nisy mihitsy teo amin’ny fiainako boky iray naverimberiko novakina tahaka an’io boky io. Tsy vitan’ny hoe namaly fotsiny an’ireo fanontaniako ny amin’ny fiainana sy ny fahafatesana izy io, fa nampiseho ahy koa ny fomba hanorenako fifandraisana akaiky tamin’ilay Raiko, izay any an-danitra. Nanafatra dimy tamin’ireo bokikely ireo aho tamin’ny fikasana ny hizara azy ireny teo am-baravaran’ny fiangonana.
Rehefa alahady, tao an-tanànanay, dia nanatrika ireo fotoam-pivavahana ny vehivavy, raha mbola nifanakalo hevitra tany ivelany ny lehilahy ny amin’ireo zavatra tiany kokoa: ny fiompiana, ny fambolena. Noho izany, raha mbola nitory tamin’ireo vehivavy ny pretra tao am-piangonana, izaho kosa, tany ivelany, dia nanomboka nitory tamin’ireo lehilahy. Vao 15 taona monja aho ary, hita fa nahafinaritra azy ireo ny fahazotoako tamin’ny naha-tanora ahy, satria novidiny tamiko ireo bokikely. Afaka nanavao ny tahiriko aho, tamin’ny vola nandraisana azy ireny.
Tsy ela dia nandre firesahana ny amin’ny faharisihako ilay pretra, ka tonga niresaka tamin’ny rahavavin-dreniko izy. Ny alahady nanaraka, dia izao no nambarany teny ambony polipitra: “Manantena aho fa tsy misy olona ato amin’ny tanànantsika ho tsotra loatra ka hino ireo anganon’ny zazavavy iray.” Vokatr’izany dia niamboho ahy ny iray tanàna. Na dia ny rahavavin-dreniko aza dia nanjary menatra ary nampahafantariny tamin’ny reniko fa tsy afaka ny hitazona ahy intsony izy.
Nahatsiaro tena ho nafoy tokoa aho. Nefa, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah aho, dia nahita fiononana ary nahazo hery indray. Nankany amin’ny reniko tany Maribor aho, ary tena sambatra tokoa izahay mianaka tao. Na dia tsy niray hevitra tamiko aza izy ny amin’ny finoako ara-pivavahana, dia namela ahy hanatrika ireo fivorian’ilay kongregasiona kely izy. Noho izany, ny 15 aogositra 1931, dia nampiseho ampahibemaso ny fanolorako tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa aho.
Azon’aretina tampoka izay nahafaty azy afaka herinandro vitsivitsy ny reniko. Tena nalahelo mafy aho noho izany. Nijanona voasoritra tao amin’ny fitadidiako ireo teniny farany tamiko: “Ry Gretel malalako, mifikira amin’ny finoanao. Matoky aho fa manana ny marina ianao.” Rehefa maty izy, dia nahatsiaro tena ho nafoy mafy indray aho. Nefa, nanohana ahy ny fifandraisako tamin’ilay Raintsika izay any an-danitra.
Nisy mpivady iray tsy nanan-janaka nandray ahy tao an-tranony, ary tonga mpianatra zaitra aho tao amin’ny toerana fanjairana izay niandraiketan’ilay vehivavy. Nandeha tsara ny zava-drehetra ho ahy, tamin’ny lafiny ara-nofo, nefa tao am-poko ny faniriana hanompo manontolo andro an’Andriamanitra. Niaiky avokoa izahay rehetra tao amin’ilay kongregasionanay kely tao Maribor, fa efa fohy ny fotoana sisa tavela ho an’ity fandehan-javatra ity (1 Korintiana 7:29). Tao amin’ireo vavaka mangina nataoko, dia nangataka tamin’i Jehovah aho mba hampihemotra ny fandraisany anjara mandra-pahavitako ny fianarako. Vitako izany ny 15 jona 1933, ary, ny ampitso ihany dia nandao ny trano aho mba hanomboka ny asako amin’ny maha-mpitory maharitra. Na dia ny anadahy sasany aza dia nanandrana ny nihazona ahy noho ny taonako — vao 17 taona monja aho — , nefa tapa-kevitra aho.
Ireo taona voalohany niasako
Nirahina nankany Zagreb aho aloha, tanàna tsy dia lavitra an’i Maribor ary misy mponina 200 000 izy io. Zara raha ampy enina ireo mpitory nahaforona ny kongregasiona. Nianatra zavatra be dia be aho tao rehefa niara-niasa tamin’ny anadahy Tuc̀ek, izy no mpitory maharitra voalohany nitory tany Iogoslavia. Tatỳ aoriana, dia nanatanteraka irery ny asako aho nandritra ny herintaona teo ho eo. Kanefa, araka ny fandehan’ny fotoana, dia bebe kokoa ny mpitory maharitra tonga avy tany Alemaina, izay nandraran’ny fitondram-panjakana nazia ny asa.
Nanampy mpivady mpitory maharitra maromaro aho tamin’ny naha-mpandika teny. Tena nahasoa ahy ny fiaraha-miasa tamin’ireny kristiana matotra ireny. Nahazo fahalalana tsaratsara kokoa sy fahatakarana tsaratsara kokoa ny Soratra Masina aho, ary tsy nitsahatra nitombo ny fankasitrahako ny tombontsoa nananako dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.
Araka ny fandehan’ny fotoana, dia tonga antoko lehibe izahay: nisy mpitory maharitra 20 izahay no nitory tany amin’ireo Balkans. Fatorana mahavariana teo aminay ny fiezahanay iombonana mba hampahafantatra ny Tenin’Andriamanitra. Vonona ny tsirairay avy taminay hanampy ny hafa raha ilaina izany. Ny nanosika anay dia ny faniriana hanome avy amin’ny tena, faniriana izay tsy hita afa-tsy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ihany. Ny fitiavana, io “fehy mampiray” maha-te-hidera io, dia mbola miharihary foana toy izany eo amin’ireo mpikambana amin’ny antokonay izay mbola velona. — Kolosiana 3:14, MN.
Fiainana be vidy ny fiainan’ny mpitory maharitra ary manolotra karazan-javatra samihafa. Nahita tany sy vahoaka maro izahay, ireo fomba amam-panaony sy ny fomba fiainany, izay tsy mbola fantatray mihitsy hatramin’izay, ary nitondra zavatra be dia be ho anay izany. Ankoatr’izany, dia hitanay koa hoe manao ahoana ny fiahian’i Jehovah an’ireo mpanompony mahatoky. Ao amin’ny Efesiana 3:20, Paoly dia manome toky antsika fa, ‘Andriamanitra dia mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika.’
Nanana ny porofon’ny fiantran’i Jehovah feno fitiavana izahay tamin’ny fitsidihan’ny anadahy Honegger, izay avy any Soisa. Voamariny fa voatery nandeha an-tongotra hatramin’ny 40 kilaometatra izahay mba hanatrarana an’ireo vohitra any amin’ny manodidina an’i Zagreb ary, mba tsy hahalany ny faladian-kiraronay, dia nesorinay ny kiraronay ary nahantonay tamin’ny sorokay, raha vao tafavoaka ny tanàna izahay. Nanapa-kevitra àry izy ny hividy bisikilety 12 ho anay. Niaiky taminay izy tatỳ aoriana fa, izany fihetsika izany, dia nandany ny vola rehetra nananany. Tsy isalasalana avy amin’izany, fa Jehovah dia miasa amin’ny fon’ny olona marina. Tahaka ny fanomezan’ny lanitra, ireny bisikilety ireny dia namana nahatoky ho anay nandritra ny 25 taona nanompoana.
Indray andro, dia tonga tao amin’ny vohitra kroaty iray izay lehibe ihany ny tenako niaraka tamin’i Willi sy Elisabeth Wilke. Nanomboka nitory àry izahay, ka ny tsirairay avy tamin’ny toerana samy hafa, avy teny amin’ny manodidina ho any afovoan’ny tanàna. Nampiseho bokikely iray mitondra ny lohateny hoe Le juste Souverain izahay; ary teo amin’ny fonony, dia nahitana ny sarin’i Jesosy Kristy. Tsahivina fa tamin’ny taona teo aloha, tamin’ny 1934, dia novonoin’ny olona ny mpanjakan’i Iogoslavia, Alexandre, ary ny zanany lahy, Pierre, no tokony handimby azy. Kanefa, naleon’ny mponina ao amin’io tanàna io ny fahaleovan-tena toy izay ny fitondrana serba misy mpanjaka (any atsimo kokoa no misy an’i Serbia).
Nitory nandritra ny adiny roa teo ho eo izahay raha nandre horakoraka avy tany amin’ny kianjan’ny tanàna. Raha nanatona izaho sy anadahy Wilke dia nahita an-drahavavy Wilke voahodidin’ny lehilahy sy vehivavy roapolo teo ho eo, ny sasany nirongo antsibe fijinjana, ny hafa sahirana nandoro ireo bokikelintsika. Tsy nahay tsara ny fiteny ny rahavavy Wilke ka tsy afaka nampitsahatra ny fiahiahian’ireo tambanivohitra.
“Tompokolahy sy tompokovavy, hoy aho niantso mafy, inona ity ataonareo?”
“Tsy mila ny mpanjaka Pierre izahay”, hoy izy ireo namaly saika indray niredona.
“Izahay koa”, hoy ny navaliko.
Taitra izy ireo ka nampiseho ilay sary teo amin’ny bokikely ary nanontany hoe: “Nahoana àry ianareo no manao fampielezan-kevitra ho azy?” Noheverin’izy ireo ho mpanjaka Pierre i Jesosy Kristy.
Nisava ilay tsy fahazoan-dresaka, ary nanao fanambarana ny amin’i Jesosy Kristy Mpanjaka izahay ka tsy nanadino na inona na inona intsony. Ny sasany tamin’ireo nandoro ireo bokikely dia nila hafa izao. Nandao tamim-pifaliana ilay vohitra izahay ary nahatsapa fa nomba anay ny tanam-piarovan’i Jehovah.
Tatỳ aoriana, dia nitarinay hatrany Bosnia, izay any afovoan’i Iogoslavia, ny fitorianay. Saika ny antsasaky ny mponina ao dia silamo avokoa. Tao koa izahay dia nahita fomba amam-panao samy hafa ary finoanoam-poana be dia be. Tsy mbola nahitana vehivavy nitaingina bisikilety mihitsy tany amin’ireo tanàna; noho izany dia nitafy endrika nahagaga ny fahatongavanay, izay nanaitra ny fahatalanjonan’ireo mponina. Nampiely tsaho àry ireo filoha ara-pivavahana fa ny vehivavy iray mitaingina bisikilety dia mety hitondra loza ho an’ny tanàna iray. Hatramin’izay, dia nanapa-kevitra izahay ny hamela ny bisikiletinay any ivelany ary handeha an-tongotra rehefa miditra ny tanàna.
Satria voarara izao ireo bokinay, dia matetika izahay no nosamborin’ny polisy. Amin’ny ankapobeny, dia nodidiana mba handao ny faritany izahay. Narahin’ny polisy roa lahy àry izahay hatrany amin’ny sisin-tany, izay misy halavirana 50 ka hatramin’ny 100 kilaometatra. Gaga izy ireo nahita fa mpitaingina bisikilety za-draharaha izahay; naharaka ny diany tokoa izahay, nefa sady nitondra niaraka taminay ny lambanay rehetra, ny bokinay rehetra ary fatana kely iray mandeha amin’ny solitany. Faly foana ireo polisy niaraka taminay ireo rehefa nahita tranom-bahiny iray teny amoron-dalana, ary matetika izy ireo no nanasa anay hisotro na hihinana kely mihitsy aza. Tena nahafinaritra tokoa ireny fotoana ireny, satria tsy namela anay hanaram-po toy izany ny fanampiana azonay ara-bola. Mazava ho azy fa nanararaotra ny fahafahana natolotra anay toy izany izahay mba hiresahana ny amin’ny fanantenanay, ary matetika ireny polisy ireny dia nanaiky handray ireo bokinay izay voalaza fa “voarara”. Ary matetika mihitsy no nifanaraka tsara izahay rehefa hisaraka.
Tamin’ny 1936, raha mbola nitory tany Serbia izahay dia renay fa hisy fivoriambe iraisam-pirenena halamina any Soisa, any Lucerne, amin’ny volana Septambra. Nisy fiarakodia manokana tokony hiainga avy any Maribor, izay any amin’ny 700 kilaometatra ny misy anay. Nampoizinay fa hanana fitsangatsanganana am-bisikilety tsara izahay. Na dia izany aza, dia nanomboka nanangom-bola izahay ary, tamin’ny fotoana nety, dia lasa izahay.
Toy izay handoa vola mba hahazoana efitrano iray amin’ny hotely, dia naleonay nangata-dalana tamin’ny tompon’ny toeram-pambolena iray mba hatory ao amin’ny trano fitehirizany vary. Ny maraina, dia nangataka tamin’izy ireo koa izahay mba hivarotra ronono kely ho anay; mazàna dia tsy nampandoaviny vola izahay, ary indraindray aza dia nanolotra sakafo maraina be dia be ho anay izy ireo. Tsara fanahy tokoa ny olona taminay, ary izany dia anisan’ny fahatsiarovana nahafinaritra ny amin’ny fiainanay tamin’ny naha-mpitory maharitra.
Farany dia tonga tany Maribor izahay. Niandry tao izahay talohan’ny handehananay ho any Lucerne ary, nandritra izany fotoana izany, dia nisy mpitory maharitra hafa tonga avy tany Alemaina. Anisan’izy ireo i Alfred Schmidt, izay tao amin’ny Betelan’i Magdebourg hatramin’ny valo taona. Tamin’ny taona nanaraka, dia tonga vadiny aho.
Saika ny ankamaroan’ireo mpitory maharitra tany Iogoslavia dia afaka nanatrika ilay fivoriambe tany Lucerne. Izany no fivoriambe voalohany natrehiko, ary talanjona aho nahita ny fitiavana sy fahamoram-panahy nasehon’ireo namanay soisa taminay. Ankoatr’izany, ilay tanàna koa dia tena nahafinaritra. Tsy nosaintsainiko akory fa hiverina ao aho, rehefa afaka 20 taona, mba hanohy ny asako amin’ny maha-mpitory maharitra.
Famerana ny asa
Voatery nandao an’io tany mahafinaritra io izahay ary niverina tany Iogoslavia, ka tsy ela tao dia niharan’ny fanenjehana mahery vaika izahay. Nosamborina izahay ary nalefa tao amin’ny fonja lehibe indrindra tao Belgrady. Nangata-dalana hitsidika anay ilay anadahy izay tompon’andraikitry ny asa tao Iogoslavia, nefa nolavina ny fangatahany. Kanefa, niresaka mafy tamin’ny anankiray tamin’ireo mpiambina izy hany ka renay, ary ny feony fotsiny dia efa nampahery be anay.
Afaka andro vitsivitsy, dia nentina tany amin’ny sisintany hongroa izahay, niaraka tamin’ny gadra an-tanana; notsoahina taminay ireo bokinay sy ny volanay. Noho izany, rehefa tonga tany Budapest izahay, dia saika tsy nanam-bola na dia ariary aza, nefa feno hao azonay tany am-ponja ho fahatsiarovana ny tany izahay. Nifankahalala haingana tamin’ireo mpitory maharitra hafa izahay, ary nandray anjara niaraka tamin’izy ireo tamin’ny asa fitoriana.
Isaky ny alatsinainy, dia nihaona tany amin’ireo toerana fandroana tiorka ireo mpitory maharitra tao Budapest. Tamin’izany, raha mbola nikarakara ny vatanay izahay, — ny anadahy sy rahavavy tamin’ny toerana samy hafa — , dia nisy teo aminay “fifampaherezana, ka ny tsirairay avy dia nampirisihin’ny finoan’ny hafa.” (Romana 1:12, MN ). Ireny fihaonana tsy tapaka ireny dia namela anay koa hamantatra sao nisy narary na nampidirina am-ponja.
Vao nanomboka zatra tamin’ny fari-piainanay vaovao izahay, rehefa afaka enim-bolana, dia tapitra ny fahazoanay lalana hipetraka tao Hongria. Teo anelanelan’izany, dia nivady izaho sy Alfred. Nahazo teny izahay fa tokony hangataka fahazoan-dalana ho any Biolgaria. Vao noroahina ireo mpitory maharitra mivady izay efa tany hatramin’izay, ary efa vonona ireo bokikely iray alina izay nafaran’ireo mpitory maharitra ireo tamin’ny fanontam-pirinty kely iray any Sofia. Nodorana teny imasom-bahoaka ireo bokin’ilay mpivady, noho izany dia fantatray tsara izay niandry anay.
Farany, dia nomena anay ny fahazoan-dalana hipetraka telo volana any Biolgaria. Nandalo sy namakivaky an’i Iogoslavia izahay tamin’ny alina; nisy anadahy tompon’andraikitra iray niandry anay tao amin’ny gara iray, tamin’ny toerana iray nifanarahana, niaraka tamin’ny volan’ireo bokikely. Farany dia tonga soa aman-tsara tany Sofia izahay, ary nahita efitrano iray izay antonona anay tsara.
Sofia dia tanàna iray araka ny toetr’andro, izay misy mponina eo amin’ny 300 000 eo ho eo, nefa tsy misy Vavolombelona. Ny ampitson’ny nahatongavanay, dia nankany amin’ilay fanontam-pirinty izahay. Fantatr’ilay tompony fa voarara izao ny bokinay ary noroahina ireo mpitory maharitra mpivady izay nanafatra taminy an’ireo bokikely; noho izany, rehefa nolazainay taminy fa tonga haka an’ireo boky ireo izahay, dia saika nanoroka anay mihitsy izy. Nataonay antontany tao anaty lasaka maromaro ireo bokikely ary nentinay. Matetika no nifanena tamin’ny polisy ny kalesinay; soa ihany fa tsy reny ny fidobodoboky ny fonay.
Nitady toerana hitahirizana an’ireo boky sisa no nataonay. Ankoatr’izany, dia telo volana monja no nanananay mba hizarana azy ireo, ary dia tena be dia be tokoa izy ireo. Nampatahotra ahy ireo bokikely ireo, satria tsy mbola nahita be dia be toy izany mihitsy aho. Kanefa, teo koa dia nanampy anay Jehovah. Nahita fahombiazana lehibe tokoa izahay; ary, rehefa afaka herinandro vitsivitsy, dia tonga nanampy anay ny anadahy sy rahavavy Wilke.
Indray andro, dia saika nivadika ho ratsy ny zavatra. Tao amin’ilay trano nitoriako, dia nisy takela-barahina, isaky ny varavarana, izay nisy soratra hoe: Maître (Mpisolovava) Ranona. Rehefa afaka adiny roa, dia nifanena tamin’ny lehilahy be taona iray aho, izay nandinika ahy tamim-piahiahiana, ary nanontany ahy raha fantatro hoe aiza no misy ahy.
“Tsy fantatro mazava tsara hoe inona ity trano ity, hoy ny navaliko azy, nefa voamariko fa ireo mpivaofy lalàna malaza rehetra dia toa namory ireo trano fiasany ato.”
“Hay, ato amin’ny ministeran’ny Atitany ianao”, hoy izy.
Saika nijanona ny fitepon’ny foko, nefa tony tsara ahy namaly hoe: “Hay izany no nahatonga ireny lehilahy ireny ho tsara fanahy erỳ tamiko!” Nanalefaka an’io lehilahy niresaka tamiko io izany fanamarihana izany, ary naveriny tamiko ny pasipaoroko, rehefa avy nodinihiny tamin’ny antsipiriany. Lasa aho sady nisento, ary velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny fiarovany.
Tamin’ny farany, dia voazaranay daholo ireo bokikely rehetra, ary tonga ny fotoana izay tokony handaozanay an’ilay “tanin’ny raozy”. Tsy mora ny nandao olona tsara fanahy tokoa tahaka an’ireo Biolgara, ary niraikitra lalina tao am-ponay ny fahatsiarovana azy ireny.
Satria nanana pasipaoro alemanina izahay dia afaka niverina tany Iogoslavia; kanefa tsy navela hijanona tao afa-tsy fotoana vitsivitsy izahay. Rehefa tapitra ilay fotoana, dia voatery natory tamin’ny toerana samy hafa isan’alina izahay mba tsy ho voasambotra. Naharitra enim-bolana teo ho eo izany. Avy eo, tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taona 1938, dia nahazo teny avy tamin’ny Fikambanana izahay, izay nalefan’ny biraon’i Berna: tokony hanandrana handeha ho any Soisa izahay. Vao haingana no notanan’ny tafika alemanina i Aotrisy, ary tsapa ho nihamafimafy kokoa ny fisakanana ara-politika. Efa nanolotra mpitory maharitra alemanina tamin’ireo Nazia ny governemanta iogoslavy.
Noho izany, dia nankany Soisa tamin’ny lalana samy hafa izaho sy ny vadiko: i Alfred nandalo tany Italia, ary izaho tany Aotrisy. Nihaona soa aman-tsara izahay avy eo, ary nirahina hiasa any amin’ny toeram-piompian’ny Fikambanana, tany Chanélaz; tatỳ aoriana, dia naverina tany amin’ny Betela, tany Berna, izahay. Zavatra tena vaovao tamiko izany satria, voatery nianatra nikarakara trano araka ny fomba soisa aho. Nihanankasitraka kokoa tsy misy toy izany ny fandaminan’i Jehovah aho.
Ny fanohanana maherin’i Jehovah
Niasa tao amin’ny Betela izaho sy Alfred nandritra ny Ady Lehibe faharoa ka hatramin’ny 1952; ary eo, dia nanohy indray ny asan’ny mpitory maharitra, izay asa namolavola ny fiainanay izahay. Tsy nanan-janaka mihitsy izahay, nefa araka ny fandehan’ireo taona, dia nandray taratasy sesehena izay nampisehoan’ireo zanakay ara-panahy ny fitiavan’izy ireo izahay. Ohatra, tamin’ny febroary 1975, dia tonga taminay ireto teny vitsivitsy ireto:
“Tadidiko ilay andro izay nitsidihan’ilay lehilahy hendry sy fotsy volo an’ilay mpanolo-tsaina mafy hatoka an’ny Fiangonana ara-pilazantsara izay nanolorany fampianarana Baiboly. Nanaiky izaho sy ny fianakaviako, nefa tsy niala tamin’ny fahamalinanay sy ny fisainanay manakiana izahay. Nodinihinay tsirairay, tahaka ny nataon’ireo Beriana, ny fampianarana azonay, mandra-pahatonganay ho voatery niaiky fa ny fahamarinana no nentinareo taminay. (...) Tena Ray miantra tokoa Jehovah Andriamanitra. Mendrika ny hoderaina, ny homena voninahitra ary hisaorana Izy noho ny hatsaram-pony sy ny famindram-pony. Na dia izany aza, dia irinay, ry Alfred sy Gretel malala, ny hisaotra anareo amin’ny fonay tokoa noho ny faharetana lehibe nasehonareo taminay. Enga anie Jehovah hitahy anareo be dia be ho valin’izany! Manantena amim-pahatsorana izahay fa hanome anay koa ny hery mba haharetana Izy.”
Tamin’ny novambra 1975, dia maty tampoka i Alfred noho ny aretim-po. Nandritra ny 38 taona, dia niaraka nanompo an’i Jehovah izahay sy nahita ireo fotoana mamy sy mangidy tamin’ny fiainan’ny mpitory maharitra; noho izany dia tena nifanakaiky tokoa izahay. Tamin’ny nahafatesany, dia tonga tamiko indray ilay fahatsapana fahabangana sy fahafoizana izay efa nahazo ahy taloha. Nefa, nialoka tamin’i Jehovah aho, ary nahita fampiononana indray aho.
Nanohana ahy ny fifandraisako tamin’ilay Raintsika any an-danitra nandritra ireo 53 taona laniko tamin’ny fanompoana manontolo andro. Tahaka an’i Jesosy Kristy, dia manohy mihevitra aho fa ‘tsy irery aho, fa ny Ray no ato amiko’. — Jaona 16:32.
[Sary, pejy 23]
Alfred sy Frieda Tuc̀ek, mpitory maharitra tany Iogoslavia tamin’izany fotoana izany, miaraka amin’ireo fitaovany ary fomba (1937).
[Sary, pejy 25]
Alfred sy Grete Schmidt, mpitory maharitra tao Mostar, ao amin’ny faritra misy ny miozilimana any Iogoslavia (1938).