‘Niakatra tahaka ny voromahery manana elatra aho’
Notantarain’i Ingeborg Berg
ZATO taona mahery izay aho no teraka, tamin’ny 5 jona 1889, teo akaikin’ny Lapan’andrianan’i Fredensborg, eo avaratra kelin’i Copenhague. Rehefa nanam-bahiny ny fianakavian’ny mpanjaka danoà, toy ireo mpanjaka sy emperoran’ireo tany eoropeana, ireo vehivavy avy tamin’ireo ankohonana nanankarenan’i Fredensberg dia nasaina mba hanampy teo amin’ny fikarakarana sy fandrosoana ny sakafo. Fony ankizivavy kely aho, dia nentina matetika tany amin’io lapa io ka navela hilalao sy hihazakazaka teny.
Ny tena tsaroako mazava indrindra dia ny “tsar”n’i Rosia Nicolas II sy ny fianakaviany. Nitsangana teo anoloan’ny efitranony ny mpiaro azy, dia “cosaque” iray nitana sabatra. Tia ankizy kely ireo “cosaques”, ary indray andro dia nanandrana ny namihina ahy teo an-tratrany ny iray tamin’izy ireo. Natahotra aho, indrindra noho ny volombavany be, ka nandositra teo amin’ireo lalantsara lava ben’ilay lapa.
Indray andro, ny “tsar” Nicolas II, ny emperoran’i Alemaina Wilhelm II ary ny zanakalahin’ny Mpanjakavavy Victoria, izay tonga ny mpanjakan’i Angletera Edward VII tatỳ aoriana, dia nitsidika an’i Christian IX, mpanjakan’i Danemark. Nandritra ny fitsangantsanganan’izy ireo teny amin’ny araben’i Fredensborg, dia niresaka tamim-pahatsaram-panahy tamin’ireo olona izy ireo, ary ny “tsar” Nicolas dia nitehitehika kely ny lohako raha niondrika tamim-panajana teo anatrehany aho. Nanjaka ny fandriampahalemana tamin’izay, ary tsy natahotra ny amin’ny ainy toy ny amin’izao andro izao ireo filoham-pirenena.
Nanjavona ny fandriampahalemana
Tamin’ny 1912 aho dia nanomboka niasa tamin’ny naha-mpanampy ny mpitsabo tany Jutland Atsimo, ka nanampy ireo olona niandany tamin’i Danemark tany amin’ny faritra alemanina teo amin’ny sisin-tany. Teo ambany fanapahan’i Alemaina i Jutland Atsimo nanomboka tamin’ny ady nifanaovan’i Danemark sy i Prusse tamin’ny 1864. Nanampy ireo renim-pianakaviana nanan-janaka kely aho ary nanjary nahafantatra tsara ny maro tamin’ireo fianakaviana tanora ireo.
Tamin’ny 1914 aho dia nanambady mpiandry ny sisin-tany danoà iray ka tonga nonina teo amin’ny faritra danoà teo amin’ny sisin-tany. Fotoana fohy taorian’izay, dia nipoaka ny ady. Nantsoina hoe ilay Ady Lehibe izy io tatỳ aoriana, ary avy eo dia ny Ady lehibe voalohany. Indray maraina, dia novelarina nanaraka ny sisin-tany ny tari-by misy tsilotsilony izay nanakantsakana ny fiampitana malalaka. Lasa ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy tsapanay hatramin’izay.
Tsapanay akaiky dia akaiky anay fa nahatsiravina sy nampiseho hadalana ny ady rehefa renay fa nantsoina ho any amin’ny ady avokoa ireo raim-pianakaviana tanora tao amin’ireo fianakaviana rehetra notsidihiko fony aho niasa tamin’ny naha-mpanampy ny mpitsabo. Ary izy rehetra ireo, afa-tsy ny iray taminy, dia maty tany andrefana avokoa tao amin’ny ady natao tany Marne! Nahatsiravina ny nieritreritra ireo renim-pianakaviana tanora maty vady nijaly noho ny namoizany ny vadiny ary ireo ankizy kely noho ny namoizany ny rainy. Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ireo vehivavy tanora ireo hikarakara ny tany famboleny sy fiompiany? “Aiza Andriamanitra?” hoy aho.
Nandritra ny ady, dia henjana dia henjana matetika ny tarehin-javatra teny amin’ny sisin-tany satria nisy mpitsoa-ponenana maro nitady hita azy io. Notendrena hisava ireo vehivavy nahiahina ho nampiditra entana an-tsokosoko aho. Sakafo mazàna no nentin’izy ireo, ary matetika aho dia nanakimpy ny masoko tamin’izany ka namela azy ireo handeha. Nifarana tamin’ny 1918 ny ady, ary tamin’ny 1920, dia tafaray tamin’i Danemark indray i Jutland Atsimo.
Nahita ny finoana an’Andriamanitra aho
Na dia nihena aza ny finoako an’Andriamanitra noho ireo tsy fahamarinana rehetra hitako, dia nikaroka ny hevitry ny fiainana aho. Nankany am-piangonana tsy tapaka izaho sy i Alfred vadiko, nefa dia tsy nahita valiny ireo fanontanianay.
Tamin’ny 1923 izahay dia nifindra nonina tany amin’ny tanàna kelin’ny mpanjono iray tany amin’ny helodranomasin’i Flensburg, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpanjono i Alfred. Tsy ela dia nahafantatra fianakaviana batista iray izahay. Na dia loterana aza izahay, indray andro dia nanaiky ny fanasana hanatrika lahateny ara-baiboly iray tao amin’ny Ferry Inn, hotely iray tany Egernsburg izahay. Talohan’ny handehananay ho any, dia nandohalika aho ka nivavaka hoe: “Raha misy Andriamanitra, dia miangavy anao aho mbà henoy ny fivavako!”
Niresaka ny amin’ilay vehivavy teo am-pantsakan’i Sykara ilay lahateny, ka nahatonga ahy haniry hamaky ny Baiboly. Ho vokatr’izany, dia toy ny tonga olom-baovao aho, raha azo atao ny milaza azy toy izany! Nanoratra toy izao tany amin-dreniko aho: “Ianao dia nilaza foana fa tokony hitodika any amin’Andriamanitra aho. Araka ny hevitro, dia tonga izany ankehitriny; natahotra ny hilaza izany taminao aho sao hanjavona vetivety ilay fifaliana tsapako. Kanefa mbola maharitra hatramin’izao izany!”
Fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny 1927, dia nahita bokikely iray nitondra ny lohateny hoe Fahafahana ho an’ireo firenena (danoà) tao amin’ny efitrano ambanin’ny tafontranonay aho. Nanintona ny fahalianako izy io, ary dia nitana ny saiko aoka izany ny zavatra noraketiny, hany ka hadinoko ny ora sy ny toerana nisy ahy. Rehefa nody avy tany am-pianarana ka nitady hanina ny ankizy vao afaka niala tamin’ny famakiana azy io aho.
Rehefa nody i Alfred ny harivan’io, dia notantaraiko taminy tamin-kafanam-po be izay novakiko. Nilaza taminy aho fa raha marina izay nolazain’ilay bokikely, dia tsy tranon’Andriamanitra ny fiangonana ka tsy maintsy namono ny anaranay tao ka niala avy tao tsy nisy hataka andro izahay. Nihevitra i Alfred fa toa maimaika loatra izany, ary dia izany koa no nolazainy. Nifanaraka ny hanoratra any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Copenhague anefa izahay mba hangataka zavatra vita an-tsoratra fanampiny.
Ho valin’ny fangatahanay, dia nirahina hitsidika anay i Christian Romer, mpiandraikitra mpitety faritany. Nomenay azy ny efitranon’ny ankizy ary nataonay tao amin’ny efitra ambanin’ny tafontrano ny fandrian’ireo. Ny maraina sy ny tolakandro, dia nandeha nitory isan-trano Ranadahy Romer, ary isan-kariva izy dia niara-nianatra taminay. Nijanona efatra andro tao aminay izy, ary nahafinaritra tokoa ny fiarahanay taminy. Taorian’ny nandehanany, dia nangataka tamin’i Alfred indray aho ny amin’ny hialanay avy tao amin’ny fiangonana. Tamin’ity indray nitoraka ity kosa izy dia nanaiky tamim-paharisihana.
Nankany amin’ilay pastera niaraka tamin’ny taratasy fialanay àry i Alfred. Nihevitra ilay pastera fa tonga mba hampanao batisa zaza anankiray hafa indray i Alfred. Kanefa, raha vao fantany ny antony nahatongavan’i Alfred, dia tsy nety hino izy. “Fa inona no maha-ratsy ny fiangonana?” hoy izy. Notononin’i Alfred ny fampianarana momba ny Trinite, ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny fampijaliana mandrakizay, ary hoy izy hoe: “Tsy mampianatra ireo zavatra ireo ny Baiboly.” Rehefa namaly tamin’ny fomba tsy nahafa-po ilay pastera fa tsy hiresaka intsony ny amin’ireo zavatra ireo amin’ny olona afaka ny hieritreritra ho an’ny tenany manokana izy, dia nilaza tamin’ny fomba hentitra i Alfred hoe: “Maniry ny hiala amin’ny fiangonana izahay!”
Vokatry ny fanjonoana tsy nampoizina sy batisa
Nisy fivoriambe hatao tany Copenhague, kanefa tsy ampy ny volanay mba handoavana ny saran-dalanay ho any. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hampisehoany anay ny fomba hahafahanay ho any, satria naniry ny hatao batisa izahay. Fotoana fohy talohan’ny fivoriambe, dia nandeha an-tsambo mba hanjono tao amin’ny helodranomasina i Alfred. Nahazo trondro betsaka aoka izany izy, hany ka feno ny sambony, ary afaka nandoa ny saran-dalanay izahay. Ireo mpanjono teo an-toerana dia gaga aoka izany, satria trondro vitsy no azo tany amin’io helodranomasina io tamin’io taona io. Raha ny marina, 50 taona mahery tatỳ aoriana, dia mbola niresaka ny amin’io “fahagagana” io ihany ireo mpanjono teo an-toerana. Izahay kosa dia niantso azy hoe ‘ny fanjonoan’i Petera trondro’. Ny 28 aogositra 1928 àry dia natao batisa izahay.
Tsy mitovy amin’izao andro izao ny fanaovana batisa tamin’izany. Tao ambadiky ny lambam-baravarana iray no nisy ny dobo fanaovana batisa. Rehefa nosokafana ilay lambam-baravarana, dia efa tao Ranadahy Christian Jensen vonona ny hanao ny fandrobohana. Nanao palitao nisy rambony izy, ary nitsangana teo afovoan’ny dobo izay nisy rano hatreo amin’ny valahany. Izahay hatao batisa kosa dia nanao akanjo lava fotsy. Ireo lehilahy aloha no natao batisa, dia izay vao ny vehivavy.
Nandritra io fivoriambe tany Copenhague io dia tany amin’ny ray aman-dreniko izahay no nipetraka. Rehefa nody aho ny harivan’iny, dia nanontany ny raiko hoe taiza izahay.
“Nanatrika fivoriana iray izahay”, hoy aho.
“Inona no nitranga tany?”
“Natao batisa izahay”, hoy ny navaliko
“Natao batisa hoe ianao? hoy izy nierona. “Fa angaha tsy ampy anao ny batisa natao anao fony ianao mbola zaza?”
“Tsy ampy, ry Dada”, hoy ny navaliko. Nofelahany tehamaina naharary tamin’izay ny sofiko, sady nikiakiaka izy hoe: “Hataoko batisa eo tokoa ianao!”
39 taona aho sady renin-jaza dimy tamin’izay nahazo ny tehamaina farany teo amin’ny sofiko tamin’ny raiko izay, izay olona nahafinaritra sy tsara fanahy tokoa ankoatr’izay. Tsy niresaka intsony mihitsy ny amin’iny zava-nitranga iny izy. Soa ihany fa mbola tsy tafody i Alfred tamin’izay, ary taona maro tatỳ aoriana vao nolazaiko taminy izay nitranga tamin’izay.
Fe-potoana fanasivanana
Rehefa tafody izahay, dia nandeha nitsidika olona iray noheveriko fa rahavavy aho ary niresaka taminy tamin-kafanam-po ny amin’ny fivoriambe sy ny batisanay. Nangina be izy nipetraka teo ary avy eo dia niteny hoe: “Mampalahelo ianao, ry rahavavy Berg. Tsy tokony hino izany intsony ianao. Indray andro any, dia hisy ranadahy ho tonga avy any Flensburg, dia izy no hanazava amintsika ny tena fahamarinana.”
Ankona tsy nahateny aho. Saika tsy nanan-kery hivoizana ny bisikiletako handehanana hody aho. Nisy lakolosim-piangonana naneno teo akaiky teo, ary isaky ny nisy feo nipaika dia toy ny hoe “maty, maty” foana no reko. Tao anatiko tao aho dia niantso vonjy tamin’i Jehovah, ary tonga tao an-tsaiko ireto teny ao amin’ny Salamo 32:8, 9 ireto: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy; fa tsy mety manakaiky anao izy.”
Rehefa tonga tany an-trano aho, dia naka ny Baiboliko ka namaky ny Vavaka nampianarin’ny Tompo. Nahazo toky indray aho. Tonga tao an-tsaiko ilay fanoharana ny amin’ilay perla sarobidy. (Matio 13:45, 46). Toy io perla io ilay Fanjakana. Naniry ny hanome izay rehetra nananako aho mba hahazoana azy. Nitondra fampiononana ho ahy ireo hevitra ireo. Ary nisy fitahiana maro hafa koa.
Tamin’ny 1930, dia nanomboka navoaka tamin’ny fiteny danòa ny gazety L’Age d’Or (antsoina hoe Réveillez-vous! ankehitriny), ka nomena ny anarana hoe Le monde nouveau. Ary ny taona nanaraka, dia faly izahay Mpianatra ny Baiboly nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Vitsy dia vitsy ihany izahay tao amin’ny faritra nisy anay tamin’izany fotoana izany, ary indraindray dia natao tao an-tranonay ny fivoriana. Koa satria nantsoina hoe The Staircase (Ny Tohatra) ilay lalana nisy anay, dia nantsoina hoe ny ‘Kongregasionan’ny Tohatra’ ny kongregasionanay.
Ny fiaretana fitsapana hafa
Tamin’ny 1934 aho dia nampiharana fandidiana lehibe izay nampahalemy tsy afa-nihetsika ahy. Nijanona tao am-pandriana nandritra ny roa taona sy tapany aho, ary ireo mpitsabo dia nihevitra fa ho voatery hampiasa seza mikorisa foana aho mandritra ny androm-piainako tavela. Sarotra dia sarotra tamiko io fotoana io, kanefa nanome fanampiana sarobidy ho ahy ny fianakaviako.
Nividianan’i Alfred Baiboly nisy sora-baventy aho, ary ny zanakay lahy farany dia nanamboatra fihazonana izany mba hahafahako hamaky azy na dia nandry teo am-pandriana aza aho. Naniry ny hitory koa anefa aho, koa nametraka filazana teo amoron-dalana i Alfred mba hampahafantarana ireo gazety vaovao. Ireo izay liana dia niditra nanatona ahy, ary dia niresahako izy. Ny vokatr’io filazana io dia ny fiantsoan’ny olona teo amin’ny faritaninay ny fianakavianay hoe ‘Ny izao tontolo izao vaovao’.
Vonona ny hitsidika ahy foana ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Tamin’izany fomba izany no nahafantarako tsara ireo anadahy matotra sy nanana fanandraman-javatra maro ireo, ka nahazoako fampirisihana be avy taminy. Nampiasa izany fotoana izany mba hianarana ny Baiboly koa aho, ary izany fahalalana izany dia nanohana ahy. Toy ny hoe ‘niakatra avo tahaka ny voromahery nanana elatra aho’. — Isaia 40:31.
Tamin’ny 1935, rehefa nazava ny hoe iza no mahaforona ny “olona betsaka”, ny ankamaroan’ireo anadahy sy rahavavy teo amin’ny faritra nisy anay, anisan’izany ny zanakay lahimatoa sy ny zanakay vavimatoa, dia nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ny mofo sy ny divay intsony tamin’ny Fahatsiarovana. Ny vitsivitsy taminay anefa dia tsy nanana fisalasalana mihitsy ny amin’ny fiantsoana anay ho any an-danitra. Faly ihany koa anefa izahay ny amin’ny fanazavana vaovao momba ny fikasana lehiben’i Jehovah mifandray amin’ny vahoaka betsaka sy ny valisoany hiaina mandrakizay eto an-tany. — Apokalypsy 7:9; Salamo 37:29.
Nihatsara tsikelikely ny fahasalamako, nifanohitra tamin’izay nandrasan’ireo mpitsabo, ary dia afaka nandray anjara feno tamin’ny asa lehibe fitoriana sy fampianarana indray aho.
Ny Ady Lehibe faharoa sy ny taorian’izany
Afaka nahita an’i Alemaina terỳ ampitan’ny helodranomasina izahay, ary nanomboka nahatsapa ny herin’ny nazisma. Tonga nazia ny sasany tamin’ireo mpiray tanàna taminay ary nandrahona anay hoe: “Andraso ange rehefa tonga eto i Hitler, raha tsy hiafara any amin’ny toby fitanana na any amin’ny nosy tsy misy mponina ianareo e!”
Nihevitra izahay fa tsaratsara kokoa ny mifindra monina. Nisy olona tsara fanahy nanampy anay hahita trano tany Sonderborg, tanàna lehibe kokoa tsy lavitra teo. Nanomboka tamin’ny septambra 1939 ny Ady Lehibe faharoa; nifindra monina tamin’ny marsa 1940 izahay; ary ny 9 aprily dia tonga naka an-keriny an’i Danemark ireo tafika alemanina. Nahagaga anefa fa tsy nanintona ny sain’ireo Alemanina ny Vavolombelon’i Jehovah teto Danemark.
Rehefa nanjavona tamin’ny farany ireo nofinofim-pandresen’i Hitler, dia nitarika fampianarana Baiboly tamina Alemanina very fanantenana maro be nonina tao Sonderborg aho. Endrey ny hafaliako nahita, tsy ny maro be tamin’ireo nianatra Baiboly ireo nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ihany, fa ny ankamaroan’ny zanako sy ny zafikeliko nandray anjara tamin’ny fanompoana kristiana koa!
Namoy ny vadiko tamin’ny 1962, ny iray tamin’ireo zafikeliko tamin’ny 1981 ary ny zanako vavimatoa tamin’ny 1984 aho. Ny fandraisana anjara tamim-paharisihana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah no nanampy ahy nandritra ireo fe-potoana feno alahelo ireo.
Mahatalanjona ny mahita ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana teto Danemark hatramin’ny fotoana nanombohako tamin’ny 1928. Tamin’izay dia tsy nisy afa-tsy teo amin’ny mpitory 300 teo ho eo, nefa ankehitriny dia efa maherin’ny 16000 izy ireo! Velom-pankasitrahana aho fa mbola afaka mandray anjara amin’ny fanompoana ihany amin’izao fahazato taonako izao. Tena hitako tanteraka tamiko marina ireto teny ao amin’ny Isaia 40:31 ireto: “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.”