Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Hita indray ilay zanakalahy nania
TAO amin’ilay fanoharan’i Jesosy, nanao ahoana ny fandraisana an’ilay zanakalahy nania — antsoina koa hoe zanaka adala — rehefa niverina tany amin’ny rainy izy? Aoka hohenointsika ny fitantaran’i Jesosy:
“Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.” Mampiseho tsara an’i Jehovah ilay Raintsika any an-danitra tokoa io ray mamindra fo sy be hafanam-po io.
Angamba nandre firesahana ny amin’ny faharatsiam-pitondrantenan’ny zanany io lehilahy io. Kanefa, tsy nanototra azy velively tamin’ny fanontaniana be dia be izy fa nandray azy tsara. Nampiseho izany toe-tsaina izany koa i Jesosy, satria an-tsitrapo no nankanesany tany amin’ny mpanota sy ny mpamory hetra izay, ao amin’ilay fanoharana, dia asehon’ilay zanaka adala.
Marina fa rehefa nahita ny endrika malahelo sy ketraky ny zanany lahy io ray mahira-tsaina izay noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana io dia angamba nampoiziny fa mahatsapa fanenenana izy. Kanefa, ny fiantsampiny feno fitiavana dia nanamora ny raharahan’ilay zatovolahy ary nanampy azy hiaiky ny fahotany. Nanohy toy izao ny fitantarany i Jesosy: “Ary ilay zanany nanao taminy hoe: ‘Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. [Ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho, MN.]’ ”
Zara raha vao tafavoaka ny vavan’ilay zanakalahy ireo teny ireo dia nandidy toy izao an’ireo mpanompony ilay ray: “Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tanany sy kapa ny tongony; ary ento etỳ ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.”
Nandritra izany fotoana izany, dia “tany an-tsaha ny zanany lahimatoa”. Aoka hohenointsika ny faran’ilay tantara ka hojerentsika hoe iza no asehon’io zanaka lahimatoa io. Hoy Jesosy ny aminy: “Ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’izany zavatra izany. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: ‘Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.’ Dia tezitra izy ka tsy nety niditra.
“Ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. Fa izy namaly azy ka nanao tamin-drainy hoe: ‘Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako; fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’omby nafahy hianao.’ ”
Iza moa, tahaka an’ilay zanaka lahimatoa, no nanohitra ny famindrampo sy ny fiheverana an’ireo mpanota? Moa ve tsy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo? Izy ireo no nanome tsiny an’i Jesosy ho mandray tsara an’ireny mpanota ireny, ka nitarika an’io fanoharana io ho valin’izany, izy ireo no asehon’ilay zanaka lahimatoa.
Namarana ny fitantarany tamin’izao teny mafana nataon’ilay ray tamin’ny zanany lahimatoa izao i Jesosy: “Anaka, hianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.”
Tsy nolazain’i Jesosy izay hataon’ilay zanaka lahimatoa. Fantatra fa tatỳ aoriana, taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany, dia ‘maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana’; angamba anisan’izy ireo ny sasantsasany tamin’ireo mpanontany azy, izay nahaforona ny kilasin’ilay “zanaka lahimatoa”.
Iza moa, amin’izao androntsika izao, no asehon’ireo zanakalahy roa ireo? Izany dia tsy mety afa-tsy ho ireo olona izay ampy fahalalana an’ireo fikasan’i Jehovah mba hanorina fifandraisana aminy. Ilay zanaka lahimatoa dia mampiseho mpikambana sasany amin’ny “ondry vitsy”, amin’ny “fiangonan’[kongregasionan’, MN ]ny lahimatoa voasoratra any an-danitra”. Ireny kristiana ireny dia nampiseho fihetsika sahala amin’ny an’ilay zanaka lahimatoa. Tsy nanana faniriana mihitsy izy ireny handray kilasy eto an-tany iray voaforon’ny “ondry hafa”, izay, araka ny fiheveran’izy ireo, dia nangalatra ny lazany.
Ilay zanaka adala kosa, raha ny aminy, dia mampiseho olona sasantsasany izay mandao ny vahoakan’Andriamanitra mba hifaly amin’ny fahafinaretana atolotr’izao tontolo izao. Atỳ aoriana anefa, ireny olona ireny dia mibebaka, miverina amin’Andriamanitra ary manatona ny laharan’ireo mpanompony am-perinasa. Marina tokoa fa mampiseho fitiavana sy famindrampo amin’ireo izay mahatsapa fa mila ny famelany sy miverina aminy ny Ray. Lioka 15:20-32; Asan’ny apostoly 6:7; Lioka 12:32; Hebreo 12:23; Jaona 10:16.
◆ Amin’ny ahoana moa Jesosy no nanaraka ny ohatr’ilay ray mamindra fo izay lazalazain’ilay fanoharana amintsika ny toetrany?
◆ Nanao ahoana no fahitan’ilay zanaka lahimatoa ny fandraisana natokana ho an’ilay rahalahiny, ary nahoana no azo lazaina fa nanao toy izany ireo Fariseo?
◆ Inona no fampiharana an’ilay fanoharan’i Jesosy amin’izao androntsika izao?