Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Ray Vonona ny Hamela Heloka
ILAY tantara kely tsara indrindra nosoratana hatramin’izay no niantsoana azy — tsy napetapetaka fotsiny akory izany fa misy antony tsara kosa. Ilay fanoharan’i Jesosy ny amin’ny fitiavan’ny ray iray ny zanany very dia toy ny varavarankely izay mahatonga antsika ho tena hahita tsara ny fangorahan’Andriamanitra an’ireo mpanota mibebaka.
Very dia hita indray
Nanana zanaka roa lahy ny lehilahy iray. Hoy ilay zandriny taminy: ‘Tiako ho azo izao ny lovako, fa tsy hiandry ny hahafatesanao aho.’ Nanaiky ilay ray, ka azo inoana fa nanome azy ny ampahatelon’izay rehetra nananany — ny anjara noferan’ny lalàna ho an’ny zandriny amin’ny zanaka roa lahy. (Deoteronomia 21:17). Niolomay nanangona ny fananany ilay tovolahy ka nandeha tany an-tany lavitra, ary nandany ny volany rehetra tamin’ny filibana izy tany. — Lioka 15:11-13.
Nisy mosary mafy avy eo. Namoy fo ilay tovolahy ka nanaiky hiasa tamin’ny naha-mpiandry kisoa — asa nohamavoin’ny Jiosy. (Levitikosy 11:7, 8). Tena tsy ampy ny sakafo ka nanomboka nitsiriritra ireo voankazo fihinan’ny kisoa izy! Tamin’ny farany, dia nody ny sain’ilay tovolahy. ‘Misakafo tsara kokoa noho izaho ireo mpanompon’ny raiko!’ hoy izy anakampo. ‘Handeha hody aho, hiaiky ny fahotako, ary hangataka mba ho tonga toy ny iray amin’ireo olona karamain’ny raiko.’a — Lioka 15:14-19.
Nivikiviky nandeha nody ilay tovolahy. Tsy isalasalana fa niova be ny fisehoany ivelany. Na dia izany aza, dia fantatry ny rainy izy “raha mbola lavitra”. Onena azy ny rainy ka nihazakazaka nankeny amin-janany, namihina azy, sy “nanoroka azy”. — Lioka 15:20.
Io fandraisana mafana io dia nanamora ny famborahan’ilay tovolahy ny tao am-pony. “Raiko ô”, hoy izy, “efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony. [Ataovy toy ny iray amin’ireo olona karamainao aho, NW ].” Nampiantso ny mpanompony ilay ray. Nanome baiko izy hoe: “Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; ary ento etỳ ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.” — Lioka 15:21-24.
Nanetriketrika ny fanasana nisy hanim-pito loha, anisan’izany ny mozika sy ny dihy. Ren’ilay zokiny ilay fikoranana rehefa niverina avy tany an-tsaha izy. Rehefa fantany fa niverina nody ny rahalahiny ary izany no anton’ilay fankalazana, dia nanjary tezitra izy. ‘Nanompo anao nandritra ny taona maro aho, ary tsy nisy mihitsy fotoana tsy nankatoavako anao, kanefa dia mbola tsy nanome ahy zanak’osy iray akory ianao mba hiarahako mifaly amin’ny namako’, hoy ny fitarainany tamin-drainy. ‘Izao anefa, raha vantany vao niverina io zanakao io, izay nandany ny fanananao, dia manao fanasana ho azy ianao.’ ‘Anaka’, hoy ny rainy namaly azy tamim-pitiavana, ‘ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa tsy maintsy miravoravo isika; fa itỳ rahalahinao itỳ dia efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.’ — Lioka 15:25-32.
Fianarana ho antsika
Ilay ray tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy dia mampiseho an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be famindram-po. Toa an’ilay zanaka very, ny olona sasany dia nandao nandritra ny fotoana kelikely ilay tsy fananana ahiahy hita ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, fa niverina kosa anefa tatỳ aoriana. Ahoana no iheveran’i Jehovah ny olona toy izany? Ireo izay miverina amin’i Jehovah noho ny fibebahana amim-pahatsorana dia afaka mahazo antoka fa “tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay”. (Salamo 103:9). Tao amin’ilay fanoharana, dia nihazakazaka nitsena ilay zanany ilay ray. Toy izany koa fa i Jehovah dia tsy vitan’ny hoe vonona ny hamela ny helok’ireo mpanota mibebaka, fa dodona ny hanao izany koa izy. “Vonona ny hamela heloka” izy ary ‘mamela heloka dia mamela heloka tokoa’. — Salamo 86:5, NW; Isaia 55:7; Zakaria 1:3.
Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, ny tena fitiavan’ilay ray dia nanamora ny nanangonan’ilay zanany herim-po hiverenana. Hevero anefa izao: Inona no ho nitranga raha toa ilay ray ka nanilika ilay zatovolahy na niteny taminy tamim-pisafoahana mba tsy hiverenany intsony mihitsy? Ny fihetsika toy izany dia azo inoana fa ho nahatofoka tanteraka an’ilay tovolahy. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 2:6, 7.
Amin’ny heviny iray àry, ilay ray dia efa nametraka fototra ho amin’ny fiverenan’ilay zanany, tamin’ny fotoana nandehanan’io. Indraindray, ireo loholona kristiana amin’izao andro izao dia tsy maintsy manaisotra an’ireo mpanota tsy mibebaka hiala ao amin’ny kongregasiona. (1 Korintiana 5:11, 13). Amin’ny fanaovana izany, dia afaka manomboka manomana ny lalana hiverenan’ilay nanota izy ireo, amin’ny fanazavana amim-pitiavana ireo dingana azon’ilay olona atao mba handraisana azy indray amin’ny hoavy. Ny fitadidiana ny fiangaviana feno fahatsorana toy izany dia nanosika olona very ara-panahy maro mba hibebaka sy hiverina tao amin’ny ankohonan’Andriamanitra. — 2 Timoty 4:2.
Naneho fangorahana koa ilay ray rehefa niverina ilay zanany. Tsy ela dia tsapany ny fibebahan’ilay zanany tamim-pahatsorana. Noho izany, dia tsy nisisika nisikotra ny tsipiriany rehetra momba fandikan-dalàna nataon-janany izy, fa nandray tsara azy fotsiny, ary fahafinaretana lehibe ho azy ny nanao izany. Afaka manahaka an’io ohatra io ny Kristiana. Tokony hifaly izy ireo raha hita indray ny very. — Lioka 15:10.
Ny fihetsik’ilay ray dia tsy mamela ny hisian’ny fisalasalana ny amin’ny hoe efa nantenainy hatramin’ny ela ny hiverenan’ilay zanany naniasia. Mazava ho azy fa vao aloky ny tsy fahafoizan’i Jehovah an’ireo rehetra nandao ny ankohonany fotsiny ihany izany. “Tsy iriny hisy ho ringana fa iriny ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.” (2 Petera 3:9, NW ). Afaka mahazo antoka, noho izany, ireo mibebaka amin’ny fahotany fa handray fitahiana amin’ny “andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo”, izy ireo. — Asan’ny Apostoly 3:19.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Noheverina ho anisan’ny ankohonana ny andevo, fa ny mpanompo nokaramaina kosa dia mpiasa nandray karama isan’andro, izay azo noroahina na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona. Nanjohy hevitra ilay tovolahy hoe ho vonona izy ny hanaiky, na dia ny toerana ambany indrindra tao amin’ny ankohonan’ny rainy aza.