Iza no tena minisitr’Andriamanitra?
“AMIN’IZAO ora fanapahan-javatra izao, dia mananatra ireo miaramilantsika katolika izahay mba hanao ny adidiny ho fankatoavana ny Führer [Hitler].” — Ireo eveka katolikan’i Alemaina, teny nalaina avy ao amin’ny New York Times tamin’ny 25 septambra 1939.
“Fantatrao, mompera, ny anankiray amin’ny anisan’ny antokony amin’ny fiaramanidinay dia katolika, ary mitsodrano azy ianao rehefa miainga mba hanjera baomba amin’i Alemaina izahay. Any anefa, io fivavahana io ihany dia mitsodrano mpamily fiaramanidina katolika tonga mba handrava ny tanànantsika amin’ny fiaramanidina alemanina. Manontany tena toy izao àry aho: ‘Ary Andriamanitra, andaniny aiza no misy azy?’ ” Izany no nolazain’ny manamboninahitra amin’ny tafika ana habakabaka britanika atao hoe David Walker, tamin’ny fiaraha-midinika nataony tamin’ny pretra katolika iray, nandritra ny Ady Lehibe faharoa.
Mifamadika amin’izany, Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro no nandany taona maro tany amin’ireo toby fitanana nazia mahatsiravina noho izy ireny tsy nety nilaza ny Heil Hitler na niady tao amin’ny tafik’ilay mpitondra tsy refesi-mandidy. Tany amin’ireo tanin’ny mpiray dina, dia Vavolombelona maro no nampidirina an-tranomaizina noho ny tsy fetezany hanao ny raharaha miaramila.
Iza moa no tena minisitr’Andriamanitra, ary inona no takina amin’izy ireny?
Mino ny Baiboly izy ireo
Hita avy hatrany fa tokony hino mafy izay lazain’ny Baiboly ny tena minisitr’Andriamanitra. Tokony ho ampy fahalalana izany koa izy ireo mba hahafahana mampianatra izany ny hafa. Maro anefa ny anisan’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsy mahafeno ireo fepetra tsotra indrindra ireo. Atsy Afrika Atsimo, dia nanambara ny mpitsabo iray fa ireo minisitra ao amin’ny Fiangonana anglikana, fiangonana nisy azy teo aloha, dia tsy nampiasa firy ny Baiboly, ary nanampy teny izy fa toa famelabelarana ny hevitra manokan’ilay mpitory teny ny sermona. Nitaraina koa izy satria ny mpitondra fivavahana sasany, toy ny arsevekan’i Cap, Desmond Tutu, dia mitsabaka amin’ireo raharaha ara-politika.
Mifanohitra amin’izany fihetsika izany, ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah dia mino mafy ny Baiboly. Manokana tapany lehibe amin’ny fotoanany izy ireo mba hianarana sy hanazavana izany amin’ny namany. Lalina aoka izany ny fitiavana sy ny fahalianana atokany ho an’ny Tenin’Andriamanitra, hany ka nanonta aminy fandikan-teny nanaovana fikarohana mafy izy ireo, dia: Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. Mba hanaovana io fandikan-teny tena tsy niova io, dia nampiasaina ny soratanana amin’ny Baiboly malaza, amin’ny teny hebreo sy arameniana ary grika. Ny fanontana misy fizahan-teny amin’io Baiboly io dia mirakitra fanamarihana sy fanondroana an’arivony maro izay manampy ny mpamaky hahazo tsaratsara kokoa ny heviny ary mahatonga azy ho afaka hanazava izany amin’ny hafa. Ambonin’izany, io fandikana ny Soratra Masina miavaka io dia azo vakina, tapatapany na manontolo, amin’ny fiteny 11. Naely am-polo tapitrisany maro maneran-tany izy io.
Ny tena minisitra sy ny fitsipi-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy
Melohin’ny Baiboly amin’ny fomba hentitra izay rehetra mety ho fahadisoana amin’ny lafiny lahy sy ny vavy, na fanitsakitsaham-bady izany, na fijangajangana, na fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy na fandriana amin’ny biby (Levitikosy 20:10-15; Romana 1:26, 27; Galatiana 5:19). Ireo tena minisitra kristiana dia manohana tsy misy fepetra ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena naorin’Andriamanitra. Eny, heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho zava-dehibe tokoa ireo lalàn’Andriamanitra. Roahiny tsy ho eo anivony izay rehetra meloka ho manao fahadisoana toy izany ka tsy mampiseho fibebahana mihitsy. Miseho ho mamindra fo kosa anefa izy ireny amin’ireo izay mibebaka amim-pahatsorana amin’ny fitondrantenany maloto ka manadio ny fiainany. — 1 Korintiana 5:11-13; 2 Korintiana 2:5-8.
Toa hoe nilaza toy izao ny lehiben’ny anglikana any Cap, atsy Afrika Atsimo: “Tsaratsara kokoa indraindray ny firaisan’ny samy lehilahy noho ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Azoko antoka fa ny fitiavana lalina aseho toy izany dia mahatonga an’Andriamanitra ho faly kokoa.” Ny mifanohitra amin’izany no marina: Mahatsiravina an’Andriamanitra ny firaisana karazan’izany. — 1 Korintiana 6:9, 10.
Manao fampianarana marina ny tena minisitra
Manome fampianarana miorina mafy amin’ny Soratra Masina ireo tena minisitr’Andriamanitra. Ireo misandoka ho minisitr’Andriamanitra kosa dia mampianatra hevitra tsy misy fanamarinana na fototra avy amin’ny Baiboly. Aoka hojerentsika, ohatra, ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Izao no vakina ao amin’ny Encyclopédie britannique (fanontana faha-15): “Tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe Trinite. Tsy voambara mazava ao mihitsy ny fampianarana tondroiny. Azo antoka fa tsy naniry handa ny Shema ao amin’ny Testamenta Taloha Jesosy sy ireo mpianany, tsy naniry handa ny hoe: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. (Deoteronomia 6:4).” Tamin’ny taonjato faha-4 ny Trinite vao tonga fampianarana ofisialin’ny Eglizy. Raha ny marina, dia saika avy amin’ny laza sy ny fahefan’ny emperora romana Constantin no nanombohana namorona an’io fampianaran-diso io tao amin’ny konsilin’i Nicée tamin’ny 325 amin’ny fanisan-taona iraisana.
Noho ny fampianarana momba ny Trinite, dia mpivavaka maro izay nitady tamim-pahatsorana ny fahamarinana no tsy natoky ireo minisiny ara-pivavahana intsony. Izany no hita tamin’ny vehivavy tanora iray tatsy Afrika Atsimo izay nahita fa sarotra ny nino hoe ny fivavahany, ny Fiangonana nohavaozina holanday, dia afaka nampianatra hevitra nisafotofoto toy izany. Mandra-pahatongan’ny fotoana nampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray taminy, tamin’ny alalan’ny porofo voasoratra, fa tena izany tokoa no izy! Tao amin’io tany io ihany, ny mpisolovava iray, efa misotro ronono ankehitriny, dia niala tamin’ny Fiangonany. Inona no antony? Hoy ny navaliny: “Fampianarana henjana maromaro ampianarina ao amin’ireo Fiangonana no diso tanteraka sy mamitaka.”
Fampianaran-diso hafa iray koa ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny afobe mirehitra. Na dia tsy ampianarina be dia be sy ekena toy ny taloha intsony aza izy io, dia mbola hita ho fampianarana ofisialy ao amin’ny ankamaroan’ny Fiangonana ihany. Milaza ireo Fiangonana ireo fa rehefa maty isika, dia ny vatantsika no maty, fa tsy ny fanahy (âme) izay tsy mety maty; ireo izay ratsy fanahy fony fahavelony amin’izay dia ampijalina mandrakizay ao amin’ny afo mivaivay. Izany ve no inoanao? Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, izany ve no fahamarinana? Araka ny filazan’ny Baiboly, dia diso izany. Izao tokoa no lazainy: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4, 20). Ambonin’izany, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota”, fa tsy afobe mirehitra! — Romana 6:23.
Aoka hodinihintsika izao ireo toetra tokony hampiavaka ny tena minisitra kristiana.
Ireo fepetra araka ny Baiboly takina amin’ny tena minisitra
Ny teny malagasy hoe “minisitra” dia dikan’ny teny grika hoe “diakonos”, izay tsy azo antoka ny niandohany. Izany dia mihatra amin’ny olona iray izay manatanteraka baikon’olon-kafa, tompo indrindra. Ao amin’ny Baiboly, io teny io àry dia manondro mpanompo, ary ampiasaina izy io raha ny amin’ny olona iray tsy mety ketraka fa manana fandavantena amim-panetren-tena ho an’ny hafa. Nosoritan’i Jesosy fa ilaina ny manao toy izany, araka ny porofoin’izao ohatra manaraka izao.
Indray andro, taloha kelin’ny hahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, dia nanatona azy ny renin’i Jakoba sy Jaona ka niteny hoe: “Mandidia mba hipetrahan’ireto zanaka roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.” Rehefa nandre izany ireo mpianatra hafa dia tezitra. Tamin-katsaram-po tamin’izay no nampianaran’i Jesosy azy zava-dehibe. Namory azy ireo izy ka nilaza taminy hoe: “Izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.” — Matio 20:20, 21, 24-27.
Tao amin’ny anankiray tamin’ireo lahateniny nampahery voatahiry an-tsoratra, dia nampitandrina ireo mpihaino azy tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo i Jesosy. Nasongadiny koa ny sasany tamin’ireo kileman-toetra nahavaky vava nananan’ireny minisitra sandoka mpihatsaravelatsihy ireny. Nampiseho azy ireny ho toy ny olona sarotiny tokoa sy feno fiavonavonana izay nitady hiavaka foana izy. — Matio 23:1-7.
Amin’izao androntsika izao, dia mpitondra fivavahana maro, ireo pretra katolika indrindra sy ireo pastora anglikana amin’ny toe-javatra sasany, no mitaky ny hiantsoana azy ireny hoe “Ray”. Araka izany, tany Mozambika, rehefa nanontany ny pastoran’ny Fiangonana anglikana iray ny Vavolombelon’i Jehovah iray hoe nahoana izy no nampiasa io anarana io, dia hoy ny navaliny: “Satria ireharehako izany!” Ary aoka tsy hohadinointsika ny papa izay, araka ny fantatry ny rehetra, dia faly antsoina hoe “Ray Masina”, ka tsy niraharaha ny fameperana toy izao nataon’i Jesosy: “Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Ary dia nanampy izao fotopoto-pitsipika izao izy: “Fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.” — Matio 23:9-12, Fandikan-teny katolika.
Ary ny fanokanana vehivavy ho mpitondra fivavahana?
Tsy ela izay, dia nitombo ny isan’ny vehivavy notokanana ho mpitondra fivavahana. Izao anefa no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra ny hanapaka ny lehilahy.” (1 Timoty 2:12). Tsy milaza anefa akory izany hoe rarana ny hampianaran’ny vehivavy kristiana iray ireo zanany na ny olona amin’ny ankapobeny. Tsy tokony hampianatra ao anatin’ny kongregasiona kosa anefa izy.
Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy omen-dalana hilaza hevitra ny vehivavy amin’ireo fivoriana kristiana? Mianatra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny anankiray amin’ireo fivoriana fanaony isan-kerinandro. Mba hanaovana izany, dia dinihiny ireo lahatsoratra misy fehintsoratra ampiarahina amin’ny fanontaniana. Ny minisitra mitarika io fianarana io, lehilahy, rahalahy mandrakariva, dia mamaky ny fanontaniana ao amin’ny lahatsoratra amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona, anisan’izany ireo anabavy, mba hamaliana izany. Tsy fampianarana anefa ny valin-teny omen’ireo vehivavy. Raha ny marina, ireny vehivavy kristiana ireny dia tsy manao afa-tsy ny milaza amin’ny fomba fiteniny manokana ireo hevitra voarakitra ao amin’ilay lahatsoratra dinihina. Ampirisihina hamaly koa aza ny ankizy. Ny valin-teny omeny, tsotra sy fohy mandrakariva, dia matetika tokoa no manome vokatra tsara.
Izao koa no nambaran’i Paoly ny amin’ny vehivavy: “Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.” (1 Korintiana 14:35). Te-hilaza amin’izany izy fa raha tsy mahazo na mankasitraka fanambarana na inona izany na inona, atao na vakina mandritra ny fivoriana ny vehivavy kristiana iray, dia tsy tokony hanangana fiadian-kevitra eo anatrehan’ny kongregasiona izy. Hangataka fanazavana amin’ny vadiny ny amin’ilay raharaha kosa izy rehefa tonga any an-tranony.
Amin’ny toe-javatra sasany anefa, dia omen-dalana hitory amin-dehilahy ny vehivavy kristiana. Mandany fotoana maro ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampahafantarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana isan-trano. Rehefa tafahaona amin’ny lehilahy ny vehivavy kristiana iray ao anatin’ny faritry ny asany, tokony hiala tsiny fotsiny ve izy dia handeha? Azo antoka tokoa fa tsy izany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tsy mitory amin’ny kongregasiona izy fa angamba amin’ny tsy mpino. Toy izany koa, ao anatin’ny faritry ny fanompoany, ny vehivavy iray dia afaka mitarika fianarana Baiboly amin’ny fianakaviana tsy kristiana, na dia eo aza ny ray.
Jesosy Kristy, ohatra miavaka
Ohatra miavaka rariny raha tahafintsika araka izay azo atao i Jesosy! Izy no mpampianatra tsara indrindra, ny mpitory tsara dia tsara indrindra, ny mpiasa be zotom-po indrindra sy ny mpanoro hevitra tia indrindra teto an-tany. Tombontsoa lehibe ny fanarahana ny diany. Miezaka hanao izany ve ianao?
Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro no manao izay rehetra azony atao mba hanahafana azy, na dia amin’ny fomba tsy tonga lafatra aza. Hafa dia hafa noho ireo ampiasain’ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana amin’izao androntsika izao ireo fomba nampiasain’i Jesosy. Tsy nampanakoako ireo lakolosin’ny fiangonana iray izy mba hiandrasana rehefa avy eo, ny hanatonan’ny olona azy, na dia maro be aza no tena tonga araka ny safidim-pony tokoa. Nankany amin’ny olona kosa izy ireny ka nampianatra azy tany an-tranony, teny an-kalamanjana, teny an-tendrombohitra sy teo amoron’ny ranomasina Galilia. Indraindray izy dia nitodika tany amin’ny vahoaka voaforon’ny olona an’arivony maro, araka ny asehon’ny sary eto ambany. — Matio 9:35; 13:36; Lioka 8:1.
Manampy ny mahantra, ny marary ary ny be taona izy ireo
Firy no toy izany amin’izao androntsika izao? An-jato tapitrisany maro, ary mitombo haingana ny isany. Mikororosy haingana tokoa ny toe-piainana maneran-tany, ary manatona ny ora hanambaran’ny ady Hara-Magedona ny fahafatesan’ny fandehan-javatra ankehitriny (Apokalypsy 16:16). Mampitombo ny fahoriana sy ny loza mahazo ny olombelona ny loza aman’antambo araka ny natiora, ny mosary sy ny areti-mandringana. Tsy maintsy nisetra fahasahiranana karazan’izany koa ireo kristiana voalohany. Tany amin’ny taona 46 amin’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny andro nanjakan’i Claude, emperora romana, dia nitranga ny mosary lehibe iray. Inona no nataon’ireo mpianatra? “Ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia izy ireo.” — Asan’ny apostoly 11:27-30.
Amin’izao androntsika izao, dia matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no nandefa fanampiana tamim-pahalalan-tanana ho an’ireo izay mijaly na mahantra. Tsy ela izay, dia ravan’ny ady an-trano i Mozambika, ka izany dia niteraka tsy fahampian-tsakafo, fitafiana, fanafody ary zavatra hafa tena ilaina. Nanampy an’ireo rahalahiny tao anatin’ny fahoriana tamin’izay ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Afrika Atsimo, tany eo akaikiny. Sakafo be dia be sy fitafiana ary zavatra hafa no nangonina, avy eo dia nalefa tamin’ny kamiao lehibe nankany Maputo, renivohitr’i Mozambika.
Mahatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly izy ireo
Amin’izao androntsika izao, ny tena minisitr’Andriamanitra tokoa dia manana tombontsoa kanto mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Amin’ny fomba ahoana? Indray andro ireo mpianatra dia nanontany an’i Jesosy hoe: “Rahoviana no hitranga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Tamin’ny valiny fahatsiaro nomeny azy ireo, dia nambaran’i Jesosy fa ao anatin’ny fotoana hiavaka amin’ny ady lehibe, ny mosary, ny horohorontany sy ny tsy firaharahana lalàna, dia “hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”. (Matio 24:3, 14, MN.) Tamin’ny fitoriana “isan-trano”, ny apostoly Paoly dia nanome ho an’ny tena minisitr’Andriamanitra rehetra, ohatra tokony harahina. — Asan’ny apostoly 20:20.
Maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra tsara amin’ny zotom-po asehony eo amin’io asa fitoriana io. Angamba izy ireny efa tonga imbetsaka teo am-baravaranao. Nihaino azy ireny tamim-pitandremana ve ianao? Raha tsy izany no izy, nahoana raha manao izany amin’ny fitsidihanao manaraka? Mety ho faly sady gaga ianao!
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Araka ny sary U.S. Army iray