FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/6 p. 10-13
  • Jehovah no fialofako sy fiarovana mafy ho ahy hatrany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jehovah no fialofako sy fiarovana mafy ho ahy hatrany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fikarohana nisy vokany
  • Zazavavy kely iray teo anatrehan’ny eveka
  • Ny fanafihana nazia
  • Fihaonana hafahafa
  • Nasaina ho any Gileada
  • Fisotroan-dronono feno tsara
  • Nampianarin’i Jehovah Hatry ny Fahakeliko Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Fanompoana Sarobidy Maro Taorian’ny Ady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mizotra ho any Amin’ny Tontolo Vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • ‘Niakatra tahaka ny voromahery manana elatra aho’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/6 p. 10-13

Jehovah no fialofako sy fiarovana mafy ho ahy hatrany

Nataon’i Margaret West

ALAO sary an-tsaina fa hoe monina ao amin’ny lapa nanomezana satroboninahitra ny mpanjakavavin’i Danemark, Anne-Sophie, tamin’ny 1721, ianao. Io fonenam-pianakavian’ny mpanjakan’i Danemarka amin’ny lohataona io izay nahabe ahy, dia voahodidin’ny saha kanto. Ireo efitrano marevaka, ireo tohatra lehibe tokoa, ireo valindrihana, asan’ny mpanao hosodoko frantsay malaza, tamin’izany fotoana izany, dia hitako ho ny zavatra tsara tarehy indrindra azo nonofinofisina.

Misy trano hafa iray koa miorina, dingana vitsivitsy monja avy eo amin’ilay lapa. Na dia tsotra lavitra aza izy io, dia ireo 30 taona laniko tao no nitondra soa indrindra teo amin’ny fiainako. Tsy inona izany fa ny Betelan’i Danemarka, ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany io.

Nefa avelao aho aloha hanazava aminareo izay nitarika ahy honina tao amin’ny lapan’i Frederiksberg, any Copenhague. Ny raiko, kolonely tao amin’ny tafika danoazy, dia nitarika ny akademian’ny tafika izay tao amin’ny lapa ny foibeny. Ny toerany dia nanome lalana azy hiara-monina tamin’ny fianakaviany tao anatin’io faritra nahitana tombontsoa io. Ho an’ny zazavavy kely iray, izany fiainana mitokana izany, ao anatin’ny ravaka mahafinaritra, dia angano tsara. Noheveriko fa tsy hisy farany izany andro nahasambatra izany. Tamin’ny 1921 anefa, dia rava io nofinofy io, indray andro tsy ho haiko hadinoina.

Nasaina niditra tao amin’ny efitranon’ny raiko izahay. Hitako izy nitsotra, hatsatra dia hatsatra, ny tanana roa teo ambony lamba firakotra. Nosakambinin-dreninay izahay. Toa tena tsy nitsiky ilay mpitsabo anay izay teo akaikin’ny farafara koa. Hoy i Neny taminay tamin’ny feo iva: “Maty i Dada.” Ny eritreritro voalohany dia hoe: “Izany ve dia ho marina! Zara raha narary izy.” Mafy ny fidonan’izany tamin’ny ankizy folo taona. Tsy takatro fa hitarika ahy hahafantatra ny zava-kendrena amin’ny fiainana io fahafatesana nampangitakitaka io.

Nampisamboaravoara ny fiainanay ny fahafatesan’ny raiko. Koa satria tranom-panjakana ilay lapa, dia tsy maintsy nitady fonenana hafa ny reninay. Fotoan-tsarotra izany. Mba hanampiana anay handresy izany fahoriana izany, dia nesoriny tsy hianatra izahay rehetra, ka gaga ny havana aman-tsakaiza, ary dia nanomboka nitety an’i Eoropa izahay nandritra ny herintaona naninjitra.

Fikarohana nisy vokany

Rehefa tafaverina tany Danemarka izahay, dia mbola nampahory anay ihany ny fahafatesan-drainay; tsy nitsahatra ny nanontany tena ny reniko hoe: Nahoana? Nahoana? Nahoana? Nanantena ny hahita valiny izy ka nanomboka nianatra ireo filozofia tatsinanana, kanefa tsy nahafapo ny sainy tia fandrindran-kevitra izany. Tamin’izay izy dia tapa-kevitra ny hitodika tany amin’ny Baiboly izay, araka ny eritreriny, dia hanome ny valiny angamba. Rehefa nandray izany teo amin’ny talantalana izy dia nahatsikaritra teo anilany, boky menamena mbola tsy hitany mihitsy: Le divin plan des âges. Vao novidin’ny anadahiko tamin’ny Mpianatra ny Baiboly iray nandalo tao aminay izy io.

Nanomboka namaky azy ny reniko ary niaiky avy hatrany fa nahita ny valin’ireo fanontaniany. Nianatra tany Frantsa aho tamin’izany fotoana izany, kanefa rehefa niverina tao an-trano ho amin’ny fialan-tsasatra aho volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nampahafantarin-dreniko ahy avy hatrany ny harena vao hitany. Noresahiny tamiko ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra — dia Fanjakana iray izay hanapaka ny tany manontolo sy hampitsahatra ny ady rehetra, izay hitondra soa tsy hay lazaina ho an’ny olombelona, anisan’izany ny fananganana ny maty. Nahafinaritra tokoa izany. Rehefa ela ny ela dia nahita fialofana ho fiarovana anay tamin’ny fisalasalana sy ny fivadibadihana izahay.

Tamin’io hariva io, rehefa hatory aho, dia voalohany aho no nivavaka teo amin’ny fiainako. Tsy fianakaviana mpivavaka be mihitsy izahay, nefa tany an-tsekoly dia nampianarina ny Rainay Izay any an-danitra izahay. Niahotrahotra àry aho nanomboka nanao tsianjery an’io vavaka io. Rehefa tonga teo amin’ny teny hoe “Ho tonga anie ny fanjakanao” aho, dia nila ho vaky noho ny hafaliana ny foko. Takatro izay nangatahiko rehefa ela ny ela! Enimpolo taona izay no lasa, nefa mbola tsaroako tsara tokoa ihany ny fahasambarana tsy hay lazalazaina tsapako tamin’io alina io.

Rehefa vita ny fianarako tany Frantsa, dia nandany herintaona tany Angletera aho mba hizarana tamin’ny teny anglisy. Nanantitrantitra toy izao ny reniko: “Tokony hianatra fiteny ny zazavavy, ary hianatra matematika ny zazalahy.” Tamin’ny farany, dia fiteny dimy no nianarako; nahasoa ahy tokoa izy rehetra ary tatỳ aoriana dia matetika aho no nisaotra ny reniko noho ny nanomezany ahy izany fahafahana izany.

Rehefa tonga tany Angletera aho dia tsikaritro fa nataon-dreniko tao amin’ny valiziko ny boky La Harpe de Dieu. Nianarako tamim-pitandremana izy io ary nanomboka niresaka izay nianarako tamin’ilay fianakaviana anglisy nampiantrano ahy aho. Indray andro, dia tonga nitsidika azy ny havan’io fianakaviana io anankiray, ka nanao fanambarana taminy koa aho. Nanomboka ho kinga tokoa aho raha ny amin’ny ‘fitendrena ny tady folo’ tamin’io “lokanga” io. Koa satria naniry hahazo anankiray tamin’ilay boky io vehivavy io, dia nanoratra tamin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Londres aho, ka nampitodika ahy ho amin’ireo anadahy tao amin’ilay faritra ny tany.

Tamin’izany no nanombohako niaraka tamin’ny antokon’olom-bitsy Mpianatra ny Baiboly tao Wickford, any Essex, izay nivory tao amin’ny tranon’ny anankiray tamin’izy ireo. Tamin’ny fivoriana iray, dia nambara fa hisy “fandehanana” ny alahady nanaraka, ka nasaina koa aho. Faly aho nieritreritra ny hivoaka ho any ambanivohitra toy izany. Nefa rehefa tonga aho, dia nisy vavaka natao, nomena zavatra vita an-tsoratra vitsivitsy aho ary nirahina hitory niaraka tamin’ny anabavy be taona iray!

Rehefa tafaverina tany Danemarka aho, dia nanohy niara-nivory tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, ary, tamin’ny 1929, dia natao batisa aho. Fisehoan-javatra tsy hay hadinoina ny fivoriambe tany Copenhague tamin’ny 1931. Tamin’io fivoriambe io no nandraisanay ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Mba hampandrenesana an’ireo mpitondra, ny lahatenin’ny anadahy Rutherford sy ny fanapahan-kevitra nanaraka izany, nolanina tao amin’ilay fivoriambe, dia navoaka tao amin’ilay bokikely hoe Le Royaume, l’espérance du monde. Nanana andraikitra izahay hanolotra mihitsy anankiray ho an’ny olo-manan-kaja rehetra, anisan’izany ireo mpitsara, ireo anisan’ny fitondram-panjakana, ireo mpanao raharaham-barotra fanta-bahoaka sy ireo anisan’ny klerjy.

Zazavavy kely iray teo anatrehan’ny eveka

Nahazo anankiray tamin’izany ny mpanjakan’i Danemarka rehefa nanaiky hihaona tamin’ny mpiandraikitra ny sampana. Fa raha ny amiko, dia nomena bokikely vitsivitsy aho, niaraka tamin’ny valopy misy adiresin’ireo izay tokony hotsidihiko ao anatin’ny faritr’io fiezahana manokana io. Nanaitra ahy mafy tokoa ny anarana voalohany teo amin’ny lisitra: tsy iza izany fa eveka loteriana nalaza, fantatra tsara tamin’ny fanoherany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tao amin’ny faritanàna tsy ratsy iray tao Copenhague no nonenany; rehefa nampaneno fanairana aho, na dia efa tsy lava aza aho tamin’ny 1,50 metatra, dia voatery miaiky aho fa nanakely tokoa ny tenako. Namoha varavarana ny vehivavy mpiasa an-trano iray, nandinika ahy tamim-piahiahiana, ary nanontany ahy hoe: “Inona no tadiavinao, aza fady?” Namaly tamin’ny fomba hentitra aho hoe: “Manao ahoana, tompoko ô, mba te-hiresaka kely amin’ny eveka aho.” Nampindramin-dreniko hanaovako tamin’io fotoana io ny kapaoty volon’ondry tsara tarehy iray, ka izany angamba no nanampy an’ilay mpiasa an-trano hanaiky ny fangatahako. Taorian’ny fiatoana toa tsy nisy farany tamiko, dia hoy ny navaliny ahy: “Andraso kely.” Vetivety taorian’izay, dia niverina izy, nasainy namakivaky lalantsara lava aho, dia namoha varavarana izy: nipetraka nanoloana birao lehibe iray ilay eveka. Lehilahy lava sy tomady izy io. Nitraka izy ary nitsiky tamim-pahalemem-panahy tamiko.

Notadidiako tao an-tsaina fa lehibe noho ilay lehilahy teo anoloako Ilay nomba ahy, ka nanazava ny zava-kendrena tamin’ny fitsidihako aho ary nanolotra azy ilay valopy. Noraisiny ilay izy ka natsipiny teo amin’ny biraony toy ny hoe nandoro ny rantsan-tanany. Avy eo dia nitsangana haingana izy, nandray ny tanako ary nanatitra ahy haingana tao amin’ilay lalantsara tsy nety tapitra nitarika ho any am-baravarana, izay nakaratony tao an-damosiko. Afapo anefa aho: teo ambony biraony ilay bokikely, vitako ny asa nanirahana ahy.

Tonga mpitory maharitra aho tamin’ny 1933. Noheveriko fa izany no fomba tsara indrindra mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa. Herintaona tatỳ aoriana, dia nanambady an’i Albert West, anadahy anglisy nirahina ho any Danemarka roa taona talohan’izay, aho. Niara-nanompo tao amin’ny Betelan’io tany io nandritra ny 30 taona izahay.

Ny fanafihana nazia

Andro tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny 9 aprily 1940. Taitra aho tamin’ny enina ora maraina noho ny firohondrohon’ny fiaramanidina iray toa teo ambony lohako indrindra. Inona no nitranga? Tany tsy nomba ny atsy na ny aroa i Danemarka. Nitangorona teny amin’ny arabe ny olona, nandeha dia nandeha ny tsaho ary nihenjana ny rivo-piainana. Tsitapitapitr’izay, dia hoy ny nambaran’ny radiao: “Manafika an’i Danemarka ny tafika alemanina.”

Nitranga avy hatrany ny zava-manahirana ny amin’ny hoe hatao ahoana ny boky rehetra notahirizina tao amin’ilay trano. Naneho fahaiza-mitsinjo ny hitranga sy fahamalinana niavaka ireo anadahy tao Copenhague. Nozaraina haingana dia haingana tamin’ireo Vavolombelona teo an-toerana ireo boky ary ny antontan-taratasin’ny sampana dia natao tany amin’ny toerana azo antoka tao an-tranon’ny vehivavy kristiana be taona sy malina iray izay nitahiry azy tao ambany farafarany nandritra ny ady manontolo.

Fahasahiranana iray hafa koa ny vao naharaisana bokikely 350 000. Natao ny fanapahan-kevitra mba hizara izany avy hatrany. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe azo atao ny miakatra amin’ny tohatra betsaka toy izany tao anatin’ny roa andro monja! Izany rehetra izany dia natao tsy hanintona ny sain’ny miaramila alemanina izay nisafo teny amin’ny arabe. Rehefa nandalo izy ireny, dia nataonay izay hiheverana anay ho mijerijery zavatra eny amin’ny fitaratra amin’ny magazay. Ny Vavolombelona rehetra, na tanora na antitra, dia nandray anjara tamin’io fizarana haingana dia haingana io. Araka izany, 48 ora monja taorian’izay, dia tany an-tanan’ny vahoaka daholo ireo bokikely.

Noho ny fanafihana, dia tapaka daholo ny fifandraisana tamin’ny foiben’ny asa maneran-tany tany Brooklyn, kanefa tsy lany ny tahirin-tsakafo ara-panahy. Nisy rahalahy iray na roa niasa tao amin’ny sampan-draharaha diplomatika ka tsy nosavaina ny entany. Koa satria nankany Soeda tsy tapaka izy ireny, dia afaka nitondra ho anay Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny soedoa izy ireo. Nahaihay kely an’io fiteny io aho; nasaina nandika ny nomerao tsirairay avy tamin’ny fiteny danoa àry aho. Nahakivy ahy izany zava-tsarotra tsy maintsy natao izany, kanefa nanomboka niasa aho, ka nanao izay rehetra azoko natao mba handrosoana. Tamin’izany no nanananay tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny ady.

Raha ny marina, dia azonay natao aza ny nandefa vitsivitsy tamin’izany amin’ny teny danoa, ho an’ireo anadahy tany Norvège. Nisy atody anaty boaritra maro ho an’ny nazia, nalefa tsy tapaka avy ao Danemarka ho any amin’io tany io. Afaka namono ireo atody tamina pejin’ny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny danoa izahay; nalain’ireo anadahy norveziana tamim-pitandremana izany talohan’ny handefasana ny entana ho any amin’ny Alemanina.

Fihaonana hafahafa

Nandritra ny ady, ny anadahy Eneroth, izay mpiandraikitra ny sampana tany Soeda, dia nomen-dalana ho any Danemarka; lasa nitsena azy teny amin’ny sambo i Albert. Rehefa nidina teo amin’ny tetezana kely ny anadahy Eneroth, dia tonga ny manamboninahitra alemanina roa ka nangataka tamin’izy ireo mba hiaraka taminy.

Notarihina izy ireo ho any amin’ny Hotely Cosmopolite, anankiray tamin’ireo tranon’ny jeneraly lehiben’ny tafika alemanina, avy eo dia narahina hatrany amin’ny birao iray tao amin’ny rihana voalohany niandrasan’ny Alemanina sivily iray azy. Niteny tamin’izy ireo tamin’ny fiteny anglisy nazava tsara izy hoe: “Araka ny tsapanareo tsara, dia ao anatin’ny ady isika izao. Mpanao raharaha avy any Hambourg aho, ary nirahina eto mba ho tompon’andraikitra amin’ny fandinihana ny zavatra voasoratra, indrindra fa ny taratasin’ny Fikambanana Watchtower rehetra [ifandefasan’i Danemarka sy Soeda]. Mifanohitra amin’ny hevitro izany, nefa tsy afaka misafidy aho. Azoko atao ve ny midera anareo noho ny taratasinareo? Marina izany ary mahafinaritra tokoa ny mamaky azy. Tsy azonareo alaina sary an-tsaina ny fitaka hitako rehefa mamaky ny taratasin’ny fikambanana sasany.”

Tamin’izay dia nanontany azy ireo toy izao izy: “Inona moa no atao hoe fitsidihana fanampiny?” Namaly azy i Albert tamin’ny fanaovana fampisehoana fohy momba ny fitsidihana fanampiny, izany hoe fiverenana mitsidika, ka ny anadahy Erenoth no natao olona niresahana. Dia namarana an’io fihaonana io ilay lehilahy tamin’ny filazana hoe: “Misaotra, Tompoko. Izay ihany no tiako ho fantatra.” Angamba izany no fomba fampitandremany an’ireo anadahy mba ho malina raha ny amin’ny zavatra soratany ao amin’ny taratasiny.

Nasaina ho any Gileada

Tamin’ny faran’ny 1945, dia nahazo fitsidihana tena tsy nampoizina izahay, ny an’ny anadahy Knorr sy Henschel. Tao anatin’izany, dia nasaina izahay sy Albert ho any Gileada, sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’ny 1948, dia nanaraka ny fianarana amin’ny kilasy faha-11 amin’io sekoly misionera io izahay. Taorian’ny fiofananay tao Gileada, dia niaraka tamin’ny vadiko nandritra ny enim-bolana aho rehefa voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany izy tao Maryland sy Virginie ary Washington, talohan’ny hiverenana tany Danemarka.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia narary Albert, ka hita tamin’ny farany fa homamiadana izany. Sady nanao izay azoko natao tamin’ny naha-mpandika teny aho no nikarakara azy nandritra ny folo taona mandra-pahatongan’ny fahafatesany tamin’ny 1963. Ny taona nanaraka, dia tsy maintsy niatrika andraikitra hafa aho. Ny reniko, 88 taona tamin’izay, dia nila olona hiahy azy. Voatery niala tamin’ny asa manontolo andro tamin’alahelo aoka izany aho. Nahatratra 101 taona izy ary tsy nivadika hatramin’ny fahafatesany.

Fisotroan-dronono feno tsara

Tao anatin’ireo taona faramparany nahaveloman’ny reniko, dia nandany ny ririnina teto Espaina izahay. Koa rehefa maty izy, dia tapa-kevitra aho ny hijanona eo. Nianatra fiteny espaniola aho ary fantatro fa hamela ahy hanompo any an-tany hafa izany. Na dia tsy afaka miasa araka ny hitiavako azy intsony aza aho noho ny taonako sy ny andraikitra hafa, dia mbola afaka ny ho mpitory maharitra mpanampy tsy tapaka aho.

Nahafeno 20 taona mahery tamin’ny fiainako ny vanim-potoana nikarakarako ny vadiko narary sy ny reniko be taona. Tsy noheveriko ho enta-mavesatra mihitsy anefa izany. Takatro mandrakariva fa samy nila fitandremana sy fiheverana izy ireo ka noheveriko fa izany dia anisan’ny asako ho an’i Jehovah izay nanampy ahy mandrakariva handresy ny alahelo sy ny fahasahiranana tsy maintsy niaretako tao anatin’izany toe-javatra izany.

Amin’izao andro izao, dia miaina ao amin’ny fitambarana efitrano kely hafa lavitra noho ilay lapa lehibe nahaterahako aho. Hitako teo am-piandohan’ny fiainako anefa fa tsy misy mihitsy trano afaka manome tsy fananana ahiahy. Mifanohitra amin’izany kosa fa nahita fialofana sy fiarovana mafy azo antoka lavitra aho tao amin’Ilay tsy nahafoy ahy mihitsy. Raha ny marina, dia afaka milaza toy izao, tahaka ny mpanao salamo aho: “Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako.” — Salamo 91:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara