Ny fahiratan-tsaina noho ny Soratra masina — Firaketana araka ny Baiboly vaovao iray
TAMIN’NY fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nambara ny famoahana firaketana araka ny Baiboly vaovao iray mitondra ny anarana hoe Ny fahiratan-tsaina noho ny Soratra Masina (anglisy). Izany dia boky 2 560 pejy misy fizarana roa. Ny soratra ampiasaina dia mahatonga ny teny hazava sy ho mora vakina. Ankehitriny io boky io dia tsy mbola misy afa-tsy amin’ny teny anglisy. Nefa efa atao ny fandikana azy amin’ny fiteny sasantsasany.
Mamerina ny fotopototry ny voalazan’ny boky Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible io firaketana io ary manome fanazavana amboniny maro. Inona no tsy itoviany amin’ny boky Auxiliaire? Lahatsoratra maro no nahitsy sy nampanarahina ny toetr’andro, ary maro hafa koa no vao nanampy. Farany, dia misy zava-baovao miavaka.
Ireo boky ao amin’ny Baiboly
Ny fandalinana ny boky tsirairay avy ao amin’ny Baiboly dia nahatonga ho afaka hanatsoaka fanazavana sarobidy. Ireo famintinana, namboarina tanteraka, hatramin’izao dia manazava ireo toetra mampiavaka ny boky tsirairay avy. Fohy sady mora azo izany. Ohatra, ny tsirairay avy amin’ireo fitantarana efatra ao amin’ny filazantsara momba ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy dia manana zava-kendrena samy hafa; voalaza eo am-piandohan’ny famintinana azy izany zava-kendrena izany. Araka izany, dia izao no azo vakina: ‘Ny fitantarana ny fiainan’i Jesosy nataon’i Matio dia natao ho an’ny Jiosy indrindra. Io Filazantsara io dia manome porofo fa tena ilay Mpanjaka mesianika nambara tokoa i Jesosy.’ ‘Fohy sy mahery ny fitantaran’i Marka ny fiainan’i Jesosy. Mampiseho azy ho Zanak’Andriamanitra sy mpanao fahagagana maro izy.’ ‘Mitantara ny fiainan’i Jesosy i Lioka mba hanamafisana fisehoan-javatra sasany nanodidina ny fiainany; ny fitantarany dia nosoratana tamin’ny fomba manintona ny sain’ny olona avy amin’ny firenena rehetra.’ ‘Ny fitantarana ny fiainan’i Jesosy azo avy amin’ny apostoly Jaona dia mampisongadina izao foto-kevitra izao: Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary noho izy no mety hisian’ny fiainana mandrakizay.’ Ao aorian’ireo fanamarihana fampidiran-dresaka ireo dia aseho ny famintinana ny boky tsirairay avy amin’ny hevitra lehibe vitsivitsy izay mahatonga ho afaka hahatsiaro ny zavatra tena lehibe novelabelarin’ilay mpanoratra ao amin’ny Baiboly.
Asa fanitsiana
Io boky io dia mamakafaka andininy sasany amin’ny fomba lalina, amin’ny fiheverana ny hevitra fonosin’ny teny ao amin’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany. Omeny ny andinindininy izay mahatonga ny mpamaky ho afaka hanombana ny tena hevitry ny teny ao amin’ny Baiboly ao amin’ny fiteny nanoratana azy tamin’ny voalohany. Nojerena indray koa ny dikan’ny anarana sasany ao amin’ny Baiboly, tamin’ny fiheverana ny fomba andikana ny fototeniny ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.
Nisy asa natao tamim-pitandremana mba hampifandrindrana io boky io amin’ireo fanazavana nomena tato anatin’ireo taona faramparany tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Ohatra, takatsika tsara kokoa izay tondroin’ny teny hoe fo sy bokin’ny fiainana, ny dikan’ny hoe ambara fa marina, sy zavatra maro hafa koa. Ireny fanazavana rehetra ireny dia tafiditra ao amin’ny boky Ny fahiratan-tsaina noho ny Soratra Masina.
Ny hevitra sasany momba ny Tantara dia nohamarinina tany amin’ireo loharanony mihitsy, rehefa azo natao izany, fa tsy natoky ny famoaboasana nataon’ny mpanoratra sasany fotsiny. Misy fizahan-teny an-jatony maro tokoa nampiarahina amin’ny soratra mba hanondroana ny fiavian’izany fanazavana izany. Nampanarahina ny toetr’andro koa ireo zavatra fantatra ara-tsiansa aseho ao amin’io boky io. Farany, ny fikarohan’ny arkeolojia natao tato anatin’izao taona faramparany izao dia nahatonga ho afaka hahita indray izay rehetra mahakasika ny tapany ara-jeografia.
Sarintany araka ny Baiboly
Ny boky Ny fahiratan-tsaina noho ny Soratra Masina dia mirakitra sarintany eo amin’ny 70, izay mahatonga ho afaka hanondro toerana an-jatony maro voalaza ao amin’ny Baiboly. Mirakitra sarintany araka ny Baiboly feno àry io boky io. Matetika tokoa ireny sarintany ireny no mifandray amin’ny lafiny manokana iray amin’ny tantara araka ny Baiboly na tsia amin’ny fampahitana antsika toerana misy ifandraisana amin’ny foto-dresaka manokana iray. Ohatra, ny sarintany iray dia manondro ireo dia nataon’i Abrahama, ny iray hafa koa mampiseho ny nakana ny Tany nampanantenaina; ny anankiray amin’ireny sarintany ireny dia mahatonga antsika ho afaka hanaraka an’i Davida mandritra ny fiainany tamin’ny naha-mpandositra, ary ny anankiray hafa, ireo fisehoan-javatra nanamarika ny fiandrianany. Ny fitambaran-tsarintany iray hafa dia manampy antsika hahita indray ireo toerana nandalovan’i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany, ary ny hafa mampiseho an’i Jerosalema amin’ny endriny samy hafa araka ny fandehan’ny fotoana. Ny indeksa momba ny sarintany dia manampy ny mpamaky hahita ireo faritany izay hanome azy ny fanazavana tadiaviny eo amin’ny toerana ara-jeografia omena iray.
Maro amin’ireny sarintany ireny no arahin’ny lisitry ny niandohan’ny anaran-toerana sy fizahan-teny ao amin’ny Baiboly manazava ny maha-zava-dehibe izany ao anatin’ny toe-javatra ara-tantara heverina. Hita koa, miavaka amin’ny soratra, ny sary miloko mampiseho ny toerana voatonona ao amin’ireo sarintany. Izany dia afaka manampy ireo mpamaky hanao izay hahavelona ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly amin’ny fampisehoana aminy ny fifandraisan’ireo toerana samy hafa, andinindininy momba izay nitranga tamin’ny toerana toy izao na izao sy ny endrik’ilay toerana amin’izao fotoana izao.
Sary miloko miavaka amin’ny soratra
Nisy fikarohana natao tamim-pitandremana tao amin’ireo toerana fitahirizana rakitry ny ela any Amerika Avaratra, Eoropa sy Atsinanana Afovoany mba hahitana zavatra misy fifandraisana mivantana amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly; azo natao tamin’izany ny nahazo sary. Afa-tsy izany koa dia nodinihina tsirairay ny fitambaran-tsarin’ireo toerana voalaza ao amin’ny Baiboly maro mba hifantenana izay nety hahasoa indrindra. Izany asa izany dia nahatonga ho afaka hampiditra tao amin’ireo fizarana roa amin’ny boky ireo, sary 16 pejy, miloko, tena sarobidy amin’ny fampiharana. Hahita fahafinaretana be dia be isika amin’ny fijerena ireo tahirin-kevitra kanto ireo ka ho afaka hampiasa izany amin’ny fomba samihafa eo amin’ny asa fampianarana.
Ohatra, hita ao ny foto-kevitra hoe “Ny fomba nahatongavan’ny Baiboly hatraty amintsika”. Ireo pejy ireo dia milazalaza ny drafitry ny dingana nahatongavan’ny Baiboly hatraty amintsika, nanomboka tamin’ireo soratra tamin’ny voalohany ka hatramin’ireo fandikan-teny amin’ny andro ankehitriny. Asehony ny tapany sasany amin’ny soratanana tranainy indrindra izay ampisehoana amintsika fa tamim-pitandremana tokoa no niasan’ireo mpanora-dalàna izay tonga hatramin’ny fanisana ny isan’ny litera tamin’ireo soratra nataony kopia.
Eo ambanin’ny foto-kevitra hoe “Ny safodrano tamin’ny andron’i Noa” dia fakafakaina ny raharaha toy ny hoe: “Omby ny biby rehetra ve ny sambo fiara? Nankaiza ny rano tamin’ny safodrano?” Io fizarana io koa dia milaza amin’ny ambangovangony, angano izay, any amin’ny kontinanta enina sy ireo nosy, dia manaporofo fa, maneran-tany, dia nisy vahoaka samy hafa tokoa nitana fahatsiarovana ny safodrano.
Ny sary hafa koa dia mampahafanta-javatra momba ny jeografian’ny Tany nampanantenaina sy ireo empira fahizay izay nanan-kery teo amin’ny tantaran’ny Isiraely. Hita ao koa ny sarin’izay mety ho hitan’ny mpizaha tany amin’izao andro izao any Jerosalema sy ny manodidina azy. Amin’ny fitambarany, dia foto-kevitra 50 no misy sary.
Azo atao mora foana ny mahita izany fanazavana rehetra izany noho ireo indeksa feno hita ao amin’ilay boky mihitsy. Ireo dia mampitodika ny mpamaky ho amin’ireo lahatsoratra mamelabelatra amin’ny fomba feno kokoa ilay raharaha mahaliana azy na manazava andininy sasany ao amin’ny Baiboly.
Izao no azo vakina ao amin’ny fampidiran-dresaka izay mampijery indray mitopy maso ilay boky: “Ity boky ity dia natao mba hanampiana anao hahazo ny fahiratan-tsaina omen’ny Soratra Masina. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanangonana ny fanazavana rehetra omen’ny Baiboly momba ny foto-kevitra iray omena. Amin’ny fanamarihana ny hevitra ara-bakitenin’ireo teny ampiasaina ao amin’ny fiteny tamin’ny voalohany. Amin’ny fandinihana, amin’ny fahazavan’ny Baiboly, izay lazain’ny Tantara, ny arkeolojia ary ny sampany hafa amin’ny fahalalan’olombelona momba ny raharaha iray manokana. Amin’ny alalan’ny fanampiana hita maso. Amin’ny fanampiana anao hanavaka hoe nahoana no fahendrena ny hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny Baiboly.” Tsy azo lavina fa Ny fahiratan-tsaina noho ny Soratra Masina dia loharanom-panazavana tsy hay tombanana hanovozanao mba hahasoa anao sy ny mpiara-belona aminao.