FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/10 p. 3-4
  • Ny fiasana mafy: fanalahidin’ny fahasambarana ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fiasana mafy: fanalahidin’ny fahasambarana ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony hiasana mafy
  • Te ho Faly ve Ianao Rehefa Miasa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nahoana no mandray hevi-baovao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Asa iray mety hahasambatra anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mifalia Amin’ny Asa Mafy Ataonao
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/10 p. 3-4

Ny fiasana mafy: fanalahidin’ny fahasambarana ve?

“RAHA ny marina, moa ve ny asa tsy ny zavatra rehetra ho an’ny lehilahy iray?” hoy ny fanontanian’i Bunpei Otsuki, tremalahy amin’ny varotra japone. Teo am-panazavana ny antony tsy naniriany haka andro fialan-tsasatra amin’ny lohataona izy tamin’izay. Mampiavaka ny Japone izay nanorina indray ny taniny taorian’ny ady ireo teniny ireo. Hatramin’ny namoahan’ny kamadaoro amerikana Perry an’i Japon avy tao amin’ny fitokanany nandritra ny fe-potoana lava dia fantatra ho mpiasa mafy ny mponina tao. Ary mirehareha ny amin’izany izy ireo.

Ankehitriny anefa dia omena tsiny ny Japone noho ny fiasany be loatra, satria izy no mitana ny lohalaharana eo amin’ny ora fiasana be indrindra isan-taona amin’ireo tany rehetra lazaina fa be taozava-baventy. Miezaka mampiala ny Japone amin’io laza amin’ny maha-mpampijaly amin’ny asa io ny fanjakana. Araka izany dia nametaka lohateny toy izao ny gazety iray: “ ‘Atsaharo ny fiasana be toy izao’, hoy ny fangatahan’ny ministeran’ny Asa.” Toy ny fanaony amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fialan-tsasatra tamin’ny lohataonan’ny 1987, dia tonga hatramin’ny fanaovana fanambarana toy izao ny minisitera: “Ny fakàna fialan-tsasatra dia fampisehoana ny fahaizan’ny tena.” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia anontanian’ny fanjakana ny Japone hoe: “Nahoana no miasa be toy izao?”

Azo antoka fa tsy mpiasa mafana fo avokoa akory ny Japone rehetra. Hita tamin’ny famotopotorana vao haingana nataon’ny Foibe japone momba ny famokarana fa teo amin’ny mpiasa vaovao 7 000 dia 7% tamin’izy ireo ihany no nametraka ny asany alohan’ny fiainany manokana. Hita any amin’ny tany hafa koa ny fironana toy izany? Any Alemaina dia milaza ny Allensbacher Institut für Demoskopie fa 19% amin’ny Alemanina 18 ka hatramin’ny 29 taona monja no milaza fa manome ny tsara indrindra avy amin’ny tenany ho an’ny asa tsy misy firaharahana izay karamany.

Any Japon, dia miasa be lavitra noho ny tanora Japone tsy miraika ireo mpifindra monina. Rehefa nidera ny mpiasany alzeriana izay manao asa tanana ny tonia iray dia nilaza hoe: “Tsy mitady asa karazan’izany ny Japone, ary raha manao izany aza izy, dia handao izany avy hatrany.” Tsia, na dia ireo Japone mpiasa mafy aza dia tsy tia miasa hatrany an-kibon-dreniny. Mba hiasana mafy, dia ilaina ny tena hananana antony manosika.

Antony hiasana mafy

“Harena, tsy fihilangilanana, fananana ary fahombiazana”, izany no irin’ireo Alemanina, miasa mafy fatratra, hoy ny nosoratan’ny gazety mivoaka isan-kerinandro Der Spiegel. Maro tokoa no mamono tena amin’ny asa mba hahazoana zavatra mampiadana ara-nofo izay mety hitondra tsy fihilangilanana sasany ho azy eo amin’ny fiainana. Ny hafa mikendry ny “hahomby”, izany hoe hisondrotra eo amin’ny laharana ara-tsosialy. Maro be koa ireo izay voatosika mafy hanatratra ireo zava-kendrena ireo amin’ny alalan’ny fandaharam-pampianarana mamporisika ny fifaninanana, kanjo manjary tafahitsoka ao amin’ny famatoran’ny fikambanana momba ny taozava-baventy ka matin’asa nefa tsy mahatratra ny fahombiazana.

Tsy ny vola na ny toerana ambony anefa no hany antony mahatonga ny olona hiezaka mafy. Misy miasa noho ny fitiavana miasa. Eo imasony dia ny asa no mahaforona ny zava-drehetra. Manana asa mahafinaritra azy ny hafa. I Haruo, ohatra, dia miaiky toy izao: “Liana loatra tamin’izay nataoko tao amin’ny trano fanaovako fikarohana aho ka nanadino ny zavatra ara-panahy.”

Farany dia ao ireo izay miasa mafy noho ny antony mendri-kaja ho fanampiana sy fanasoavana ny hafa. Miasa amin-kery mba hamonjena aina izy ireny. Ohatra, ny mpamonjy trano may dia miasa mafy isan’andro mba hitazonana ny fitaovany ho vaovao hatrany.

Ireo ve anefa no antony tsara mahatonga hiasa mafy? Amin’izany fomba izany ve no ahitana fahasambarana? Ary ny mbola tsaratsara kokoa ihany, asa inona no tena mety hahasambatra anao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara