FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/4 p. 3-4
  • Nahoana no mandray hevi-baovao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no mandray hevi-baovao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny zavatra niseho talohan’ny fanidiana
  • Ny fiafaran’ny fitokanamonina
  • Mandray hevi-baovao ve ny tenanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Ny fiasana mafy: fanalahidin’ny fahasambarana ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Ambanivohitra Kely Lasa Tanàn-dehibe
    Mifohaza!—2008
  • Fanomezana Tsy Nampoizina ho An’ny Japoney
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/4 p. 3-4

Nahoana no mandray hevi-baovao?

AVY TEO an-tokotanin-tsambon’amiraly, ny Susquehanna, dia nandinika ny tendrombohitra Fuji, izay nipoitra tsikelikely avy tao amin’ny zavona ny manamboninahitra amerikana atao hoe Matthew Perry. Izy izay nanonofy ny hahita an’i Japon, tratrany ihany izany tamin’ny farany tamin’io 8 jolay 1858 io, teo am-piafaran’ny dia naharitra fito volana mahery. Izay rehetra hitany mahaliana momba an’io firenena io, dia nodinihiny avokoa. Ny faniriany tokoa dia ny hanokatra amin’izao tontolo izao io “fanjakana tsy mivelatra amin’ny hafa” io.

“Tsy mivelatra amin’ny hafa”, tsy hoe tafahoatra akory izany fitenenana izany. Taonjato roa talohan’izay, i Japon dia nanapaka ny fifandraisany ara-barotra sy ara-kolon-tsaina tamin’ny firenen-drehetra, afa-tsy tamin’i Chine sy Korea ary Holanda, avy eo dia nitoetra tao amin’ny fahavitantena tsy mihontsina izy. Tamin’izany izy dia nitovy tamin’ny olona maro izay tsy nidiran’ny hevi-baovao, ka tsy mandray ny hevitra rehetra hafa noho ny azy. Amin’ny lafiny sasany izany dia toerana mampiadana satria mety hanelingelina ny hevi-baovao, mampitahotra mihitsy aza. Nefa fahendrena ve izany? Aoka hojerentsika izay nentin’ny fitokana-monina ho an’i Japon.

Ny zavatra niseho talohan’ny fanidiana

Tsy hoe tsy nisy antony akory ny nihidian’i Japon tamin’izao tontolo izao. Tamin’ny 1549, dia niditra tany Japon ny misionera jesoita, François Xavier, mba hanely ny fivavahany. Tsy ela dia nitombo tany ny finoana katolika. Ny fahefana tamin’izany fotoana izany, izay efa niaritra ny fikomiana ara-pivavahan’ny antoko bodista iray, dia tsy te-hisetra loza tahaka izany avy amin’ny katolika. Nandrara ny fivavahana katolika àry izy ireo, na dia tsy nampihatra tamin’ny fomba henjana izany fandrarana izany aza.

Koa satria ireo mpitondra tany nilaza fa Japon dia “ny tanin’ireo andriamanitra”, dia tsy namela ny hisian’ny fivavahana “kristiana” hananontanona ny filaminana nisy izy ireo. Raha izany no izy, nahoana no tsy nampihariny tamin’ny fomba hentitra kokoa ny fandrarana namely ny fivavahana katolika? Satria ireo sambo mpitondra entam-barotra avy tany Portiogaly, izay nitondra ireo misionera koa, dia nilaza soa tiany ho azo. Navelany tsikelikely anefa ny fitiavany varotra ho resin’ny fatahorany hahita ny katolika hanan-kery amin’ny Japone, koa namoaka didy natao hanamafy ny fanaraha-maso ny varotra ivelany sy ny fifindran-toerana ary ireo “kristiana” izy ireo.

Rehefa nikomy tamin’ny andriana tompomenakely iray ny “kristiana” sasany nenjehina sy nokarohina, dia izany no nampihoatra ny rano tao anaty kapoaka. Nandray izany fikomiana izany ho toy ny vokatra mivantan’ny fampielezan-kevitra katolika ny fitondram-panjakan’ny shōgan ka nandroaka ny Portioge ary nandrara ny Japone tsy hivoaka amin’ny fireneny. Tamin’ny fivoahan’ny didim-panjakana tamin’ny 1639 dia nisaraka tanteraka tamin’izao tontolo izao i Japon.

Ny hany Tandrefana nahazo lalana hifandray ara-barotra tamin’ny Japone dia ny Holanday nitokana tao Deshina, nosy kely iray teo amin’ny fidiran’ny seranan-tsambon’i Nagasaki. Nandritra ny taonjato roa dia io nosy io ihany no hany lalana nidiran’ny kolon-tsaina tandrefana tany Japon. Isan-taona dia nosehon’ny talen’ny kaontoara tao Deshina tamin’ny fitondram-panjakana ireo “fahaizana holanday”, ka tamin’izany ihany no nahalalany ny vaovao avy tany ivelany. Nataon’ny fitondran’ny shōgan anefa izay tsy hahafantaran’ny olon-kafa ireny filazana ireny. Toy izany no niainan’ny manamboninahitra Perry nandom-baravarana azy tamin’ny 1853.

Ny fiafaran’ny fitokanamonina

Rehefa niditra tao amin’ny helo-dranomasin’i Edo ireo sambo mainty lehibe an’ilay manamboninahitra, dia noheverin’ireo mpanjono talanjona ho volkano mandehandeha izy ireny rehefa nahita azy namoaka setroka izy ireo. Taitra mafy ny mponin’i Edo (Tokyo ankehitriny) ka betsaka taminy no nandositra niala tamin’ny tanàna sady nitondra fanaka. Be dia be aoka izany ny fiaingana ka voatery namoaka filazana ofisialy ny manam-pahefana mba hampitonena ny mponina.

Raha talanjona nanoloana ireo sambo mandeha amin’ny eton-drano notarihin’ny manamboninahitra Perry ny mponina tao amin’ilay nosy, dia talanjona ihany koa izy ireo teo anoloan’ny fanomezana rehetra nentiny. Gaga tamin’ny fampisehoana fandefasana hafatra an-tariby avy tamin-sambo iray mankany amin’ny hafa izy ireo. Ny Fitantarana fizahana nataon’ny andian-tsambo mpiady amerikana iray tany an-dranomasin’i Chine sy Japon (anglisy), nangonina teo ambany fitarihan’i Matthew Perry dia mitantara fa nisy manamboninahitra japone tsy nahatohitra ny faniriana hianika tao anaty lôkômôtiva madinika iray “zara raha antonona zaza enin-taona”. Nisy mihitsy aza manamboninahitra maotina be iray nifikitra mafy tamin’ny tafo, “ny akanjony malalaka nikopakopaka notsofin’ny rivotra.”

Ny taona nanaraka izany dia namoha tanteraka ny varavarany i Japon, tamin’ny fitsidihana faharoan’ny manamboninahitra Perry. Nefa nisy mpiandany masiaka amin’ny fitokanamonina niova ho mpampihorohoro: novonoiny ny praiministra sady niodina tamin’ny vahiny izy ireo. Ny andriana sasany nanohitra ny fisokafana tamin’ny tany ivelany dia namely tamin’ny tafondro ny andian-tsambo vahiny iray dia. Tamin’ny farany dia nihena anefa ny famelezany, ka nandimby ny fitondran’ny shōgan tao Tokugawa ny emperora.

Tamin’ny fotoana nanokafan’i Matthew Perry ny fidirana tany Japon, dia efa nahita ny Revaolisionan’ny indostria ny tany tandrefana. Noho ny fitokanany, dia tafajanona lavitra tany aoriany i Japon. Nifehy ny herin’ny etona ireo tany nandroso. Tany amin’ireo taona 1830, dia nahazatra ny fampiasana lôkômôtiva sy milina mandeha amin’ny eton-drano. Nitondra fahavoazana lehibe ho an’ny fandrosoan’ny indostriany ny fitokanan’i Japon monina. Izany dia tsapan’ny solontena japone tany Eoropa tokoa. Tamin’ny fampisehoana iray natao tany Londres tamin’ny 1862, dia nilaza ny solontena iray menatra, momba ny vokatra japone, vita tamin’ny hazo sy ny taratasy namboarina fotsiny, fa toa “nivoaka avy tao amin’ny fivarotan’ny mpivarotra taozavatry ny ntaolo” izy ireny.

Ireo solontena japone tany Eoropa sy Etazonia dia nahatsapa tamin’alahelo tokoa ny ilàna hampandrosoana ny indostrian’ny taniny, izay nampidirany ireo zava-baovao sy hevitra mifanaraka amin’ny toetr’andro tamim-pahadodonana. Efatra amby enimpolo taona tatỳ aorian’ny nidinan’i Matthew Perry tamin’ny sambo voalohany, dia niverina tany Japon ny hany tsy maty tamin’ny mpiray dia taminy. Hoy izy avy eo: “Talanjona aho nahita ny lalana nodiavin’ity firenena ity tao anatin’ny enimpolo taona mahery eo ho eo.”

Araka izany, ny politika fikatonan’i Japon tamin’ny tany ivelany dia nametra be dia be tokoa ny fahafahany nivelatra. Raha vao namela ny lalana malalaka ho amin’ny hevi-baovao izy dia nandresy tamin’ny lafiny maro. Tsapa anefa amin’izao androntsika izao fa amin’ny isam-batan’olona, dia manome taratry ny ‘tsy fivelaran-tsaina’ sasany ny Japone ka mitaky fanafodiny izany zava-manahirana izany. Ary marina fa tsy ny Japone ihany, fa ny olombelona rehetra koa, dia tokony hiady amin’ny fironana tsy handray hevi-baovao, ary tsy mora izany. Ary ianao? Moa ve ianao ‘manidy ny sainao’? Tahaka an’i Japon tamin’ireo taona 1850, hahazoanao soa ve ny fandraisana ireo hevitra vaovao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara