Aiza no itadiavanao torohevitra?
MOA ve efa nisy nanome anao vola sandoka? Angamba tsia, nefa ahoana no ho fihetsikao raha misy olona mampitandrina anao fa misy amin’izany mandehandeha any? Ho sosotra ve ianao? Tsy izany velively! Azo inoana aza fa ho velom-pankasitrahana ianao satria nampiomanina ny amin’izany ka hitandrina mba tsy hanakalo ny tena vola izay nisasaranao amin’ny vola sandoka.
Ny ankamaroantsika dia mahazo torohevitra indraindray. Marina fa ny fampitandremana sasany dia mahasoa kokoa noho ny hafa. Na dia tsy hita aza anefa ny hasarobidin’ny torohevitra iray, moa ve tokony hisy hampahasosotra satria nomena antsika izany?
Raha ny marina, ny olona rehetra dia mila fanampiana sy torohevitra amin’ny fotoana iray na hafa. Tsy misy manana valiny amin’ny fanontaniana rehetra. Noho ny fiovaovana ara-toe-karena sy ara-politika manjaka amin’izao androntsika izao, ny tsirairay dia mila manana fanantenana mafy orina ho an’ny hoavy. Eo amin’izao tontolo izao izay saika fanambadiana anankiray amin’ny roa no miafara amin’ny fisarahana, izay ahitana ny fitomboan’ny isan’ny zatovovavy bevohoka amin’ny fomba manaitra ary ny fihanaky ny areti-mifindra azo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, dia tena ilaina tanteraka ny fitarihana feno fahendrena sady azo ampiharina. Ny ray aman-dreny dia mila ny hampiana mba hamantarany ny fomba tsara indrindra hitaizany ny zanany ao amin’izao fandehan-javatra ankehitriny mahavery hevitra izao. Ilain’ny zatovo ny hanampiana azy handamina ireo fihetseham-pony mifanohitra sy hiatrehany ireo zava-tsarotra hitany, izay indraindray toa tsy azo resena aminy. Ny tsirairay avy dia mila ny hampiana mba hanajany zavatra misy vidiny ara-pitondrantena azo arahina eo amin’izao tontolo izao, izay manjary mahazatra ny fanaovana ny tsy marina sy ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny herisetra.
Aiza no mety hahitana fanampiana toy izany? Ny Baiboly, ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra no loharanon-torohevitra tsara indrindra. Fahiny dia nanoratra toy izao ny mpanao salamo iray: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105). Ireo izay mamaky sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra dia manalavitra ny ankamaroan’ireo fandrika mivelatra amin’izao androntsika izao. Izany ny anankiray amin’ireo antony andanian’ny Vavolombelon’i Jehovah ora an-jato tapitrisany isan-taona mba hitsidihana ny mpiara-belona aminy hiresahana amin’izy ireo ny amin’ny Baiboly. Kanefa dia maro no mandà ny hihaino azy ireny, ary ny sasany aza sosotra mihitsy amin’ny fitsidihany. Nahoana no manao toy izany izy ireo?
Saina mihidy — Nahoana?
Olona maro no malaky tezitra raha vao omena torohevitra, indrindra raha resaka fivavahana. Na dia ny mpivavaka any amin’ireo Fiangonana aza dia tsy vonona foana hihaino ny torohevitry ny mpitory teniny. Ny mpitondra fivavahana britanika iray dia nitaraina toy izao: “Samy manana ny heviny ny tsirairay avy ka mahita ny azy ho tsara tahaka ny an’ilay mpitory teny.” Tsy mahagaga àry raha tsy mety mihaino olona iray tsy fantany tonga eo am-baravarany ny olona maro.
Ankoatr’izany, na dia miaina amin’izao fotoana ielezan’ny fisalasalana izao aza isika, dia mbola maro be no miraikitra amin’ny Egliziny amin’ny alalan’ny fatorana mafy ara-pihetseham-po. Araka ny asehon’ny firaketana anankiray, “ny fivavahana dia mampientana ireo fihetseham-po lalina indrindra ao amin’olona tsy tambo isaina”. Noho izany dia tsy hitany angamba ny ilàna iresahana ny Baiboly amin’ny olona iray manaraka finoana hafa, na dia ny hanampiana azy handamina ireo zavatra nanahirana azy aza no anton’izany resadresaka izany.
Ny hafa indray tsy maniry hiresaka ny amin’ny Baiboly noho ny fihatsarambelatsihy sy ny fahasimbana fahita ao amin’ireo fivavahana. Tafintohina izy ireny rehefa mahatsapa fa manakimpy ny masony amin’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy ireo mpitondra fivavahana, na tofoka izy ireny noho ireo mpitory ny filazantsara ao amin’ny televiziona fatra-pitia harena tsy mahalala henatra. Angamba leo koa izy ireny rehefa mampiasa ny fahefany ny filoham-pivavahana iray mba hanohanana ny andaniny anankiray ka manohitra ny ankilany mandritra ny ady ara-politika iray. Toa tsapan’izy ireo fa mitondra zava-manahirana mihoatra noho izay voalaminy ny fivavahana.
Voamarina ny fitarainan’ireny olona rehetra ireny. Eo amin’ny lafiny fivavahana dia “vola sandoka” be dia be no mandehandeha. Miharihary koa anefa fa tsy araka ny fifandrindran-kevitra ny fandavana ny fanampiana sarobidin’ny Baiboly noho izany antony izany tahaka ny handavana ny tena vola satria misy vola taratasy sandoka mandehandeha any.
Araka ny nolazaintsika tetsy ambony, dia mila torohevitra avokoa isika rehetra satria eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia tsy maintsy manao safidy sarotra isika ary miatrika tarehin-javatra mampidi-doza. Fihetsika mampiseho fahendrena inona moa no azo raisina rehefa omena torohevitra isika? Moa ve tsy ilaina na tsy mahasoa mihitsy aza ny miresaka Baiboly amin’ny olona anankiray hafa finoana? Mety ho azo atao ve ny manana saina ampy fivelarana mba hanekena ireo torohevitra tsara sady tsy ho voafitaky ny torohevitra ratsy? Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’izany?