Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
“Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” — ary hitondra fahasambarana ho anareo
TANY GRANDE-BRETAGNE dia nanafaka olona 113 000 mahery ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ka misy Britanika hafa manampy isa izany isan’andro. Atrehina tokoa ny fahatanterahan’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Izany fahafahana izany dia mitondra fahasambarana, araka ny asehon’ny fitantarana etsy ambany, avy tany amin’ny sampana any Grande-Bretagne.
◻ Raha mbola nitory isan-trano i Penny dia novalian’ny ramatoa be taona iray tamin’ny fomba vinitra hoe: “Sahirana aho.” Nolazainy àry fa hiverina izy. Andro vitsivitsy tato aoriana, raha niverina nitsidika olona tsy tratrany tao an-tranony teo aloha i Penny tamin’ny ora tsy nahazatra azy, dia nandondòna tsy nahy tao amin’io ramatoa be taona io indrindra izy. Novohany ny varavarana ary nampandrosoiny Penny.
“Fantatro fa hiverina ianao, hoy izy, ary niandry anao aho.” Niresaka ny amin’ny fanantenana momba ilay Fanjakana ireo vehivavy roa ireo, ary nilaza ilay ramatoa fa niriny indrindra mba ho marina izany. Efa 79 taona tokoa izy ary namoy ny vadiny telo taona lasa izay. Koa satria tsy nitondra fampiononana ho azy mihitsy ny Egliziny, dia tsy nisy tsirony ho azy intsony ny fiainana ary naniry ny ho faty izy. Tatỳ aoriana, rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy i Penny dia nilaza taminy ilay ramatoa fa nieritreritra ny famonoan-tena izy na dia fantany aza fa ratsy izany. Nivavaka tamin’Andriamanitra àry izy mba hanome azy fampiononana ary hanampy azy hanana fanantenana indray. Tsikelikely, noho ny fianarany ny Baiboly dia nanome toerana ho an’ny fanantenana ny famoizam-pony, ary koa ho an’ny finoana lalina sy ny fankasitrahana an’i Jehovah. Nanapaka ny fifandraisany tamin’ny androm-piainany rehetra tamin’ny Eglizy izy, ary natao batisa rehefa 80 taona ary izao dia mitory tsy tapaka sy amim-pahazotoana izy. Tena nanafaka azy tokoa ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra sady nahatonga azy ho sambatra.
◻ Ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia manafaka amin’ny fatoran’ny fivavahan-diso. Mety hanova ny toetry ny olona iray koa izany fiovana izany izay matetika mamela soritra eo amin’ireo izay manamarika azy ka manampy azy ireny hanavaka ny fahamarinana. Izany no asehon’ny fitantarana manaraka:
Indray andro dia nandondòna teo am-baravaran’ny Vavolombelona iray ny vehivavy tanora anankiray mba hangataka fampianarana Baiboly taminy. Nahoana izy no nanao izany dingana izany? Indro ny fanazavana: Ny ray aman-drenin’io vehivavy io dia nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah; ny vokatry ny fianarana teo amin’izy ireo anefa, indrindra teo amin’ny rainy, dia nampitolagaga tokoa hany ka tena variana ilay tovovavy. Ny rainy izay nifoka sigara 80 isan’andro dia nitsahatra tsy nifoka tanteraka rehefa nohazavaina taminy fa tsy ankasitrahan’i Jehovah izany. Saika avy hatrany taorian’izany dia naveriny tamin’ny mpampiasa azy ireo entam-barotra rehetra nangalariny taminy nandritra ny vanim-potoana sasany. Niteny anakampo ny zanakavavin’io lehilahy io fa matoa afaka nitondra fitaomana mahery toy izany teo amin’ny ray aman-dreniny ny fampianarana, dia mendrika ny hofantarina tsaratsara kokoa tokoa. Ankehitriny dia vita batisa ireo ray aman-dreny ireo, ary ny zanany vavy dia manatrika ny fivoriana rehetra.
Ny fahamarinana notorin’i Jesosy fahiny dia nitondra fahasambarana ho an’ireo izay vao avy noresahintsika sy ny maro hafa koa. Mety hanao toy izany na amin’iza na amin’iza manaiky sy mampihatra azy eo amin’ny fiainany izany fahamarinana ao amin’ny Baiboly izany. — Salamo 19:7, 8.