Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Avy eo amin’ny fahaketrahana mankeo amin’ny fahasambarana
JEHOVAH dia Andriamanitra sambatra. (1 Timoty 1:11, MN ) Iriny ho sambatra koa ireo izay manompo azy. Noho izany, raha misy ketraka ny iray amin’ireo mpanompony, dia hanampy azy hiaritra ilay fanaintainana ary hahazo indray toe-tsaina falifaly mihitsy aza i Jehovah. Mampiseho mazava izany ity zava-nitranga tany Uruguay ity.
Niandry ny valin’ny fizahana tamin’ny fitarafana tamin’ny “radio” tao amin’ny toeram-pitsaboana iray tany Montevideo ny anabavy iray. Ny ramatoa iray nipetraka teo akaikiny dia natahotra mafy ny amin’izay mety holazain’ny dokotera azy momba ny valin’ny fizahana natao taminy. Nambaran’ilay anabavy taminy fa hatramin’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy natahotra na inona na inona intsony mihitsy izy. Nilaza anefa ilay ramatoa fa tsy tiany ny Vavolombelona satria nitaky mari-pitondrantena ambony loatra avy amin’ny olona izy ireo.
Nambaran’ilay anabavy taminy àry ny fomba nanampian’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly azy. Namoy zanakavavy iray 18 taona tamin’ny fahafatesana izy ary tafiditra tao anatin’ny fahaketrahana lalina nandritra ny valo taona. Na ireo mpitsabo aretin-tsaina na ireo fanafody lafo vidy dia samy tsy nanampy azy haharesy io fahaketrahana io. Imbetsaka izy, hoy ny filazany, no nampidirina hôpitaly, kanefa tsy nitondra fahatsarana velively izany. Mpanampy no nikarakara ny ankohonany noho ny tenany tsy afaka nanao na inona na inona. Nanandrana namono tena izy satria tsy nahaliana azy intsony ny fiainana. Toa tsy nisy na inona na inona nanampy azy.
Tamin’izay, araka ny filazany tamin’ilay ramatoa, no nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah indray andro ary nametraka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly taminy. Nandrehitra ny fahalianany ny Tenin’Andriamanitra izany, ary nanomboka namaky ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany izy. Nisy zavatra niova tao anatiny. Nanomboka nifoha maraina sy nihevitra ny ankohonany indray izy. Tamin’ny farany izy dia nanapa-kevitra fa ny tenany ihany no hikarakara ny tranony ary hitany fa afaka nanao izany izy. Toy ny tsy narary mihitsy izy! Izany dia nahatonga azy hahatsiaro tena ho sambatra tokoa.
Tsy niverina tany amin’ilay mpitsabo aretin-tsaina izy. Notairin’ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra ny faniriany ho velona, ary izany no niseho ho fanafody tsara indrindra. Nitady ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nanomboka fampianarana tsy tapaka niaraka taminy ireo. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana koa izy, ary tsy ela dia natao batisa. Tsy voahelingelin’ny fahaketrahana intsony izy, ka mahita fifaliana ankehitriny eo am-panompoana an’i Jehovah.
Nihaino tamim-pitandremana ilay ramatoa tao amin’ny efitrano fiandrasan’ilay toeram-pitsaboana. Avy eo dia hoy izy tamin’ilay anabavy: “Nisy fotoana nifankahitako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah; kanefa raha ohatra any aoriana any ka tonga Vavolombelon’i Jehovah tokoa aho, izany dia ho noho izay vao nambaranao tamiko teo. Tamin’ny fihainoako anao teo dia toy ny hoe nanomboka nahita fahazavana tao anatin’ny toerana maizina iray aho.”
Olona maro be manerana ny tany no mahita fa zava-poana ny manandrana mandamina irery ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, ary mitodika any amin’i Jehovah Andriamanitra. Endrey ny fahasambarany mahafantatra ny amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra ho avy, rehefa ho sambatra ny olona rehetra ao, ka ho anisan’ny zavatra lasa ny fahaketrahana! — Ohabolana 16:20.