Avy teo amin’ny lalan’ny fahafatesana mankeo amin’ny lalan’ny fiainana
NANDRITRA ny taona maro dia simban’ny fitiavana zavatra mahadomelina ny fiainako. Nanomboka tamin’ireo zavatra mahadomelina antsoina hoe malefaka aho ka tonga hatrany amin’ireo mahery indrindra, tahaka ny L.S.D. Tonga fanoharana ny fanafahana amin’ny karazan-java-manahirana manokana sy ara-tsosialy rehetra ny zava-mahadomelina. Indrisy anefa fa nitarika tanora hafa hanaraka ahy tamin’izany lalan’ny fahafatesana izany aho.
Koa satria fantatra tamin’ny naha-mpivarotra zava-mahadomelina voavidy aho dia nataon’ny pôlisy andry maso. Tsy afeniko fa natahotra aho, satria fantatro fa ny fisamborana ahy dia hitarika taona maro an-tranomaizina. Niaina tao anatin’ny tahotra àry aho; tsy ampy hanova ahy tamin’ny fahazarako anefa izany.
Nanandrana nanampy ahy ireo ray aman-dreniko tamin’ny fitondrana ahy tany amin’ny hôpitaly mitsabo ny aretin-tsaina mba hanarahako fitsaboana tao. Nantenaina handamina ny zava-manahirana ahy ny fanafody sy fikarakarana azoko tao; vao nivoaka anefa aho, dia fantatry ny ray aman-dreniko fa na dia ny fikarakarana ara-pitsaboana aza dia tsy hampiova ahy. Mbola nanandrana nanampy ahy izy ireo tamin’ny fitondrana ahy tany amin’ny pretra iray. Tsy nahitam-bokatra koa izany. Nifoka “marijoana” sy nisotro teo anatrehany aho, toy ny hoe tsy teo izy. Tsy naniry hiova tsotra izao aho!
Nanohitra mafy ny fomba fiainako i Oriana fofombadiko; tsy tiako handao ahy anefa izy. Amin’ny fahitana azy am-boalohany, izany dia antony tsara dia tsara hiovana. Tsy izany anefa; nanohy nampiasa zava-mahadomelina tamin’ny fomba niafina aho sady nampino an’i Oriana fa narary ny tenako. Tsy ela dia tonga fakofakon’olona sisa aho. Nanam-pikasana ny hijanona aho ka hahavita izany, nefa herim-po very maina foana. Vao mainka nandroso hatrany ihany teo amin’ny lalan’ny fahafatesana aho.
Koa satria naniry hanambady an’i Oriana haingana araka izay azo atao aho, dia nanatona mpandravaka ny aty trano anankiray izahay mba hanao fanamboarana vitsivitsy tao amin’ireo efitranonay. Ny vadin’io lehilahy io dia Vavolombelon’i Jehovah ary niresaka taminay ny amin’ny finoany izy. Teo am-piandohana dia nanamarika bebe kokoa an’i Oriana noho izaho ny resadresaka; tsikelikely anefa dia tsapako fa mino mafy ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy ho ela dia hanova ny tany ho paradisa Jehovah ka hipetraka eo mandrakizay amim-piadanana ny olombelona.
Ta-hanaporofo mihitsy ny tenako raha toa ka marina fa “dieny izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifaneho fitiavana sy fanajana”, araka ny teny nampiasain’ilay ramatoa. Koa nandeha tany amin’ny Efitrano Fanjakana izaho sy Oriana. Nahatsiaro ho sakodiavatra aho noho ny voloko lava sy ny fitafiako ratsy, nefa noho ny fomba fandraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah anay, avy hatrany dia nahatsiaro tena ho toy ny tany an-tranoko aho. Tsapako fa afaka natoky azy ireo aho. Niharihary fa zavatra tena nisy ho azy ireo sahady ny fitiavana sy ny fanajana amim-pahatsorana.
Hatramin’io andro io dia nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana aho sady nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanety ny voloko aho ary nanova ny fomba fitafiko. Ankoatra izany, noho ny fiezahana lehibe dia afaka tamin’ny fampiasana sigara sy zava-mahadomelina aho (2 Korintiana 7:1). Nisy vato misakana hafa anefa nanelingelina ny fiainako. Tsy tsapako akory fa tonga mpimamo tokoa aho. Rehefa nisotro aho, dia tsy nisy nandeha intsony ny zavatra: niady tamin’ny olona aho ary saro-piaro fatratra an’i Oriana. Latsaka tao amin’ny fahakiviana lalina aho avy eo (Ohabolana 23:29-35). Niezaka nandresy izany fahazaran-dratsy izany àry aho ary, noho ny fanampian’i Jehovah, ny herin’ny vavaka ary ny fanohanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia afaka nanary izany fahazaran-dratsy izany tamin’ny fiainako aho.
Natao batisa tamin’ny 23 aogositra 1974 izahay mivady. Noho ny fahamarinana, dia nisy heviny hatramin’izao ny fiainanay. Koa satria natoky ny tenako indray aho dia nahazo fanajana teo amin’ny toeram-piasako. Samy nanana asa nahazoam-bola be izahay mivady; takatray anefa fa kely sisa ny fotoana tavela hanaovana ny fanompoana masina. Raha te-hifaly amin’ny fifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah izahay dia tsy maintsy nitondra fiovana teo amin’ny fiainanay, raha tsy izany dia nety hahita ny fitiavanay voalohany ho an’ny fahamarinana hihamangatsiaka izahay. Noho izany dia tonga mpitory maharitra izahay tamin’ny 1979, mba hanokana ny tenanay amin’ny fomba feno kokoa ho amin’ny fitoriana.
Nahoana aho no nandray izany fanapahan-kevitra izany? Ho taiza moa aho ankehitriny raha tsy nisy ny fanazavan’ny fahamarinana? Izao, ireo niara-nihazakazaka tamiko teo amin’ny lalan’ny fahafatesana dia tonga, na mpimamo, na narian’ny fianakaviany, na mbola any an-tranomaizina — na maty. Raha ny amiko kosa, dia ny hafatry ny Baiboly no nanafaka ahy. Tsy ampy na ny fitsaboana na ny herin-tsaina fotsiny. Nilaiko ny nanana antony nanosika mahery: nahita izany aho tamin’ny niezahako nampifamatotra fisakaizana marina tamin’i Jehovah, ilay Mpamorona. Ankehitriny dia maniry amim-pahatsorana hanao izay rehetra azoko atao aho mba hanampiana an’ireo izay andevozin’ny zava-mahadomelina sy ireo izay mijaly na mitady fanafodin’ny zava-manahirana azy. Amin’ny fiasana ao amin’ny fanompoana kristiana, dia mahatratra ireo zava-kendrena ireo izaho sy Oriana. Nahita fifaliana nanampy olona maro hizotra amin’ny lalan’ny fiainana izahay. Anisan’ireny ny olona telo izay nampianarin’ny tenako mihitsy handray zava-mahadomelina taloha. Amin’izao fotoana izao dia mpiandraikitra ny fizaran-tany atỳ avaratr’Italia aho.
Zavatra iray no azo antoka: Ny fitiavana zava-mahadomelina dia toy ny lalana anankiray izay, na ho ela na ho haingana dia mitarika ho any amin’ny fahafatesana, na fara fahakeliny mitondra ho amin’ny fiainana poakaty sy tsy misy hoavy. Tsy ampy ny teny hilazako ny fankasitrahako an’i Jehovah Andriamanitra. Nasehony tamiko ny lalana hivoahana avy ao amin’ny haizina nisy ahy ary nasehony tamiko ny lalan’ny fiainana, feno hazavana izay mitarika ho amin’ny hoavy mandrakizay. — Nosoratan’i Ruggero Polotti.