Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Ny Hery Manadio Ananan’ny Tenin’Andriamanitra
VOALAZA fa ny ankamaroan’ireo miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina dia miverina amin’ilay fahazaran-dratsiny rehefa tafavoaka ny tobim-pahasalamana nitsaboana azy. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia mazàna no afaka manatontosa izay tsy vitan’ny toeram-pitsaboana. (Hebreo 4:12). Maro no nampian’ny Teny sy ny fanahin’Andriamanitra mba handresy ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina sy hampihatra ilay torohevitra manao hoe: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” — 2 Korintiana 7:1.
Ohatra velona mampiseho izany ny zava-nitranga iray tany Myanmar. Mitantara toy izao ny lehilahy iray izay niady mba tsy hiankin-doha tamin’ny zava-mahadomelina nandritra ny taona maro: “Nanjary niankin-doha tamin’ny zava-mahadomelina aho raha mbola zatovo. Imbetsaka aho no nanandrana niala, saingy tsy afaka. Mba hanomezana fahafaham-po ny fahazarako nampiasa zava-mahadomelina dia lasa nangalatra aho. Ho vokany, tamin’ny 1988, dia nalefa tany am-ponja nandritra ny herintaona aho.
“Rehefa tafavoaka avy tany am-ponja aho, dia niverina nifandray tamin’ireo namako taloha. Tsy ela taorian’izay aho dia niverina tamin’ny fahazarako nampiasa zava-mahadomelina. Izany fanimban-tena nataoko izany dia nitarika ny mpianakavy hanapaka tanteraka ny fifaneraserana tamiko. Fanampin’izany, dia nahatonga ny maro tao amin’ny fiaraha-monina hatahotra ahy ny fihetsiko tia fikomiana, ka nanomboka nanalavitra ahy koa izy ireo.
“Avy eo, indray andro dia nitranga ilay tsy azo nihodivirana — niharam-pahavoazana aho noho ny fatran-java-mahadomelina diso tafahoatra laniko. Naverina tany am-ponja aho, nandritra ny telo taona tamin’itỳ indray mitoraka itỳ. Na dia tena henjana aza ny fiainana tany am-ponja dia tafavoaka velona ihany aho.
“Rehefa nody tany an-trano aho, avy tany am-ponja, dia nangata-pamelana tamin’ny fianakaviako noho ireo fahadisoana vitako tamin’ny lasa. Nandray ahy tamin-katsaram-panahy indray izy ireo, kanefa teto indray koa, dia nitarika ahy hiverina tamin’ny lalana narahiko taloha ireo namako.
“Tamin’ny farany, ny renibeko dia nanolo-kevitra tamin’ny pasitera iray teo an-toerana, ny amin’ny hanatrehako sekoly ara-baiboly iray. Nanaiky ilay pasitera. Talohan’ny nanombohako nanatrika azy io anefa, dia nilaza ny nenitoako izay Vavolombelon’i Jehovah fa raha tena naniry hianatra Baiboly aho, dia tokony hianatra amin’ny Vavolombelona.
“Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana aho ary nampifankahalalaina tamin’ny lehilahy iray izay nanaiky ny hiara-mianatra Baiboly tamiko. Maro tamin’ny mpanatrika tao no niarahaba ahy tamin-kafanana ary nanao izay hahatsiarovako ho noraisina an-tanan-droa.
“Taorian’ny nanombohako nianatra Baiboly sy ny nanatrehako ireo fivoriana kristiana, dia nisolo faniriana hanatona akaiky an’Andriamanitra ilay faniriana mafy hidoroka zava-mahadomelina. Herintaona tatỳ aoriana, dia nanao fandrosoana aho ka tonga hatramin’ny fanolorana ny fiainako ho an’i Jehovah Andriamanitra, ary nanamarika izany fanoloran-tena izany tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano aho.
“Tsy ela izay, rehefa nandeha isan-trano aho, dia nihaona tamin’ny iray tamin’ireo namako taloha niara-nidoroka zava-mahadomelina tamiko. Tsy nety takatry ny sainy ilay fiovana be nataoko. Nanokatra fahafahana hanao fanambarana izany, ary afaka niresaka taminy ny amin’ny fanantenana momba ilay Fanjakana aho.
“Rehefa ela ny ela, dia nahita tena zava-kendrena eo amin’ny fiainana aho. Noho ny fanampian’Andriamanitra sy ny torohevitra avy ao amin’ny Teniny, dia afaka manampy ny hafa aho izao mba hanafa-tena amin’io fahazarana manimba ara-pitondran-tena io, dia ny fidorohana zava-mahadomelina.”