Ny klerjy eo amin’ny fitondrana — Moa ve izany no fanafodiny?
MANERAN-TANY ny olona dia leon’ny tsy fahamarinana sy ny fampahoriana ary ny fandraisana kolikoly amin’ny politika. Mitady zavatra tsaratsara kokoa izy araka izay hita amin’ny fiezahany hiova filoha politika. Mahalana anefa no mahafa-po azy ireo mpitondra vaovao, na tsy mahafa-po mihitsy aza.
Mihevitra ny sasany fa ny vokatry ny fanapahan’ny klerjy dia ho fihatsaran’ny fitondrana. Mino izy fa ireo mpitondra fivavahana dia hanatsara ny toetry ny fitondram-panjakana. Azo inoana fa izany no tao an-tsain’i Marion (Pat) Robertson, mpitondra fivavahana nilatsaka tamin’ny fifidianana ho filohan’i Etazonia tamin’ny 1988, rehefa nivavaka izy mba ho “olona tia fivavahana” no hahazo ny fahefana. Nefa moa ve tena izany no fanafodiny mba hanomezana mpitondra tsaratsara kokoa ho an’izao tontolo izao?
Rehefa nanapaka an’i Eoropa ny klerjy
Nandritra ny fe-potoana nantsoina hoe “Moyen Age” dia nanana fahefana lehibe ivelan’ny fivavahana ny klerjy. Ireo papa dia afaka nametraka na nanala teo amin’ny toerana ireo mpanjaka! Araka izany, dia nanolotra satroboninahitra an’i Charlemagne, mpanjakan’ny Francs, mba ho emperoran’ny Empira Masina romana, ny papa Léon III tamin’ny 800. Nandritra ny arivo taona io empira io dia nampiseho ny firaisan’ny Eglizy sy ny Fanjakana ka nampihatra fahefana lehibe na kely kokoa teo amin’ireo fahefana ivelan’ny fivavahana ny klerjy.
Nanomboka teo amin’ny taonjato faha-11 dia niitatra nahazo an’i Eoropa ny fahefan’ny papa. Momba izany, dia nanoratra i John Garraty sy Peter Gay (ao amin’ny bokiny hoe The Columbia History of the World) fa “ny Eglizy no fitondram-panjakana lehibe indrindra tany Eoropa”. Nanamarika koa izy ireo fa afaka “nampihatra fahefana ara-politika lehibe kokoa noho izay mety ho fitondram-panjakana hafa tandrefana” izy. Nanao ahoana anefa ny toe-piainana teo ambany fanapahan’ny klerjy?
Tsy nisy olona afaka nanaraka malalaka ny fanompoam-pivavahana tiany na nilaza hevitra nifanohitra tamin’ny an’ny klerjy. Ny tsy fileferan’ireo mpitondra fivavahana dia niteraka rivo-piainana feno tahotra nanerana an’i Eoropa. Namorona ny atao hoe “Inquisition” ny Eglizy mba hamongorana an’ireo izay sahy nanohitra azy. Noheverina ho mpanohitra ny finoana ireny olona ireny ka nentina teo anatrehan’ny mpaka am-bavany, izay nampijaly azy mba hahazoana ny fiekeny. Matetika ireo izay noheverina fa meloka dia nodorana teo amin’ny antontan-kitay.
Momba ny fahefana nampiharin’ny klerjy tany Espaina, dia manambara ilay boky voalaza tetsy ambony hoe: “Ireo ady sy ny toe-tsain’ny kroazada dia nampiray ny antokon’ny andriana ortodoksa niavonavona tamin’ny klerjy izay nitazona ny fanapahana rehetra tao amin’ny Fanjakana. Ny fiainana ara-pahaizana dia foana noho ny fandrarana sy ny Inquisition nampiasaina hanoherana izay rehetra nandà ny teolojia ofisialy na ireo fanapahan-kevitra politika.
Tao amin’ny bokiny hoe Ny Andron’ny Finoana dia nanoratra toy izao i Will Durant: “Na amin’ny fahalalan-tsaina rehetra takina amin’ny mpanao tantara iray sy omena ny kristiana iray aza, dia tokony halahatsika ny Inquisition miaraka amin’ireo ady sy fanenjehana tamin’izao androntsika izao, ho anisan’ny fahalotoana maizina indrindra, izay nanamarika ny tantaran’ny olombelona sady nanambara fahasiahana tsy fahita mihitsy teo amin’ny biby.” Tamin’ny fotoana nantsoina hoe “Moyen Age”, ny fanapahan’ny klerjy dia nidika ho fahaverezan’ny fahalalahana manokana.
Inona anefa no holazaina ny amin’ilay mpanao fanavaozana protestanta natao hoe Jean Calvin? Moa ve izy niavaka tamin’ny klerjy katolika? Aoka hoheverintsika izay niseho rehefa nandositra ny fanenjehana namporisihan’ny klerjy espaniola i Michel Servet ka voasambotra tany Genève, any Soisa. Tao amin’io tanàna io i Calvin dia nanorina fikambanan’olona izay nampiharan’izy sy ireo pastorany fahefana tsy refesi-mandidy. Koa satria nandà ny Trinite i Servet, dia nanatanteraka izay tsy vitan’ny Inquisition i Calvin. Nohelohiny ho faty noho ny fanoherana ny finoana izy io ka nasainy nodorana teo amin’ny antontan-kitay. Tamin’izany no nampisehoan’i Calvin tsy fileferana tahaka ny an’ny klerjy katolika.
Moa ve nitondra fiadanana ho an’ny vahoaka tany Eoropa ny fanapahan’ny klerjy teo amin’ireo fitondram-panjakan’izao tontolo izao? Tsy izany velively! Tsy nahita fiadanana izy fa niaritra ady an-taonany maro izay nokotrehin’ny klerjy kosa. Ny papa Urbain II no namporisika ny kroazada voalohany ka nitokana tamin’izany ny fitohitohizana ady haharitra 200 taona. Ankoatra izany, ireo fanambarana ady nataon’ny klerjy tamin’ireo izay nolazainy ho mpanohitra ny finoana dia nitarika fahafatesan’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy an’arivony maro.
Moa ve nanafoana ny fandraisana kolikoly ny fanapahan’ny klerjy? Tsy izany mihitsy. Ao amin’ny bokiny hoe Tantaran’izao tontolo izao amin’ny andro ankehitriny (angl.), R. Palmer sy J. Colton dia nanambara hoe: “Nihasimban’ny vola ny Eglizy. Tsy nisy nino ny fandraisana kolikoly; fantatry ny rehetra anefa fa olona ambony maro be tao amin’ny Eglizy (sy olona sivily nanana toerana ambony tamin’izany fotoana izany) no azo novidina.” Maro no nitaraina noho ny fandraisan’ny klerjy kolikoly.
Moa ve nitarika ny fitondrana ny sarambabem-behoaka tamim-pangorahana ny fanapahan’ny klerjy? Tsy izany velively. Ohatra, aoka horaisintsika izay niseho tany Frantsa rehefa nitantana ny raharaham-panjakana ny kardinaly de Richelieu tamin’ny andro nanjakan’i Louis XIII. Ao amin’ny bokiny hoe Tantaran’ireo firenena (angl.) dia milaza i Henry Cabot Lodge fa “ny politika [an’i Richelieu] dia nifototra tamin’ny famoizan’ny Frantsay ny fahafahana.”
Tany Meksika dia matetika ireo tanàna indiana no notantanan’ny klerjy tamin’ny taonjato faha-17. Ao amin’ny bokiny hoe Meksika maromaro (angl.) dia milaza i Lesley Simpson fa teo imason’ny klerjy ny fampijaliana amin’ny fikapohana dia “fanampiana tena ilaina mba hampianarana sy hampaharetana ny fitondrantena tsara kristiana ary koa mba hanafaizana ny fandikana lalàna sivily.”
Ireo bokin-tantara àry dia mamela antsika handinika ny vokatry ny fahefana nampiaharin’ny klerjy nandritra ny taonjato maro. Inona avy izany? Fanazimbazimbana mahatafintohina ny fahasambarana sy ny fiadanana ary ny fahafahan’ny vahoaka. Eny, ny fanapahan’ny klerjy dia hita fa fitondrana tsy refesi-mandidy tsy zaka. Araka ny anoratan’i Daniel Defoe azy ao amin’ny bokiny hoe Lehilahy anglisy teraka marina (angl.) “amin’ny loza rehetra mampahory ny olombelona, ny ratsy indrindra dia ny fampijalian’ny mpitondra fivavahana.”
Miharihary àry fa ny fanapahan’ny klerjy dia tsy izay ilain’ny olona. Raha izany, any amin’iza no azontsika itodihana? Afaka mahazo ny valin’io fanontaniana io isika rehetra, araka ny ho hitantsika.
[Sary, pejy 4]
Nampiseho tsy fileferana tahaka ny klerjy katolika ilay mpanao fanavaozana protestanta natao hoe Calvin.
[Sary nahazoan-dalana]
Avec l’aimable autorisation des administrateurs du British Museum