FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/5 p. 15-20
  • Ny fanamelohan’Andriamanitra “ilay lehilahin’ota”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fanamelohan’Andriamanitra “ilay lehilahin’ota”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny voa tsaran’ny kristianisma
  • Babylona Lehibe, meloka ho nandatsa-dra
  • Nanala baraka an’Andriamanitra izy ireo
  • Fandatsahan-dra amin’ny taonjato faha-20
  • Hampamoahin’Andriamanitra izy ireo
  • Fampihanjahanjana “ilay lehilahin’ota”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fampahafantarana “ilay lehilahin’ota”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mampifaly An’Andriamanitra Avokoa ve ny Fivavahana Rehetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Namadika An’andriamanitra sy ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/5 p. 15-20

Ny fanamelohan’Andriamanitra “ilay lehilahin’ota”

“Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” — MATIO 7:19.

1, 2. Inona moa ilay lehilahin’ota, ary tamin’ny fomba ahoana no niforonany?

REHEFA nomen’Andriamanitra tsindrimandry mba haminany ny amin’ny fiavian’ny “lehilahin’ota” iray ny apostoly Paoly, dia nilaza fa izy io dia hanomboka hitranga amin’ny androny. Araka ny nohazavain’ny lahatsoratra teo aloha, i Paoly dia niresaka ny amin’ny kilasin’olona izay hitarika ny fivadiham-pinoana avy amin’ny kristianisma marina. Izany fivadihana avy amin’ny fahamarinana izany dia nanomboka tamin’ny fifaranan’ny taonjato voalohany, ary indrindra fa taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly farany. Nampiditra fampianarana sy fanao nifanohitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra io kilasy tsy mpankatò lalàna io. — 2 Tesaloniana 2:3, 7; Asan’ny apostoly 20:29, 30; 2 Timoty 3:16, 17; 4:3, 4.

2 Araka ny fandehan’ny fotoana, io kilasy tsy mpankatò lalàna io dia tonga ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nohamafisin’i Constantin emperora romana tamin’ny taonjato faha-4 izany fahefany izany rehefa nifandray tamin’ny Fanjakana mpanompo sampy ireo fiangonana nivadi-pinoana. Raha mbola nitohy ny fisaratsarahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho antokom-pivavahana maro dia maro, ny klerjy kosa dia nanohy nanandra-tena ho ambony noho ny lahika ary matetika, ho ambony noho ny mpanapaka eo amin’izao tontolo izao koa aza. — 2 Tesaloniana 2:4.

3. Inona no hanjo ilay lehilahin’ota?

3 Inona no hanjo ilay lehilahin’ota? Naminany toy izao i Paoly: “Haseho ilay mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Kristy (...) ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fihaviany.” (2 Tesaloniana 2:8). Izany dia midika fa ny fandringanana ny klerjy dia hitranga rehefa hofaranan’Andriamanitra ny fandehan-javatr’i Satana manontolo. Hampiasa an’i Jesosy Kristy, Mpanjakany any an-danitra, Andriamanitra mba hitarika ireo anjely hanatanteraka ny didim-pitsarany (2 Tesaloniana 1:6-9; Apokalypsy 19:11-21). Izany no hanjo ny klerjy satria nanala baraka an’Andriamanitra sy Kristy izy ireo no sady nampiala olona an-tapitrisany maro tamin’ny fanompoam-pivavahana marina.

4. Araka ny fotopoto-pitsipika inona no hitsarana ilay lehilahin’ota?

4 Nanome ny fotopoto-pitsipika hitsarana ilay lehilahin’ota i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaraneo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara. Ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. (...) Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.” — Matio 7:15-21; jereo koa Titosy 1:16; 1 Jaona 2:17.

Ny voa tsaran’ny kristianisma

5. Inona no fototra hamokarana ny voa kristiana tsara, ary inona no iray amin’ireo didy lehibe indrindra?

5 Voamarika ao amin’ny 1 Jaona 5:3 toy izao ny fototra hamoazana ny voa kristiana tsara: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” Ary izao ny iray amin’ireo didy lehibe indrindra: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39). Ny tena mpanompon’Andriamanitra àry dia tsy maintsy manam-pitiavana ireo namany na inona na inona firazanany na firenena niaviany. — Matio 5:43-48; Romana 12:17-21.

6. Iza indrindra no tsy maintsy ampisehoana fitiavana kristiana?

6 Ireo rahalahiny ara-panahy indrindra no tokony hotiavin’ny mpanompon’Andriamanitra. “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.” (1 Jaona 4:20, 21). Izany fitiavana izany, hoy i Jesosy, no ho marika hahafantarana ny kristiana marina: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35; jereo koa Romana 14:19; Galatiana 6:10; 1 Jaona 3:10-12.

7. Inona no mampiray ny kristiana marina maneran-tany?

7 Ny fifankatiavan’ny mpirahalahy no “dity” mampikambana sy mampiray ny mpanompon’Andriamanitra: “Aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana [fehy mampiray tanteraka, MN ] izany.” (Kolosiana 3:14). Ary ny kristiana marina dia tsy maintsy miray amin’ny rahalahiny maneran-tany, satria mandidy toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Mananatra anareo aho (...) mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” (1 Korintiana 1:10). Mba hahafahana mihazona io fitiavana sy firaisan-tsaina io maneran-tany, ny mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy mialanalana raha ny amin’ny raharaha ara-politikan’izao tontolo izao. Hoy i Jesosy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — Jaona 17:16.

8. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jesosy izay tsy maintsy ataon’ny kristiana?

8 Nasehon’i Jesosy ny hoe hatraiza no tokony hampiharana izany rehefa nampiasa sabatra i Petera mba hanapahana ny sofin’ny iray tamin’ireo tonga hisambotra an’i Jesosy. Namporisika ny fampiasana hery toy izany ve i Jesosy, eny na dia ho fiarovana ilay Zanak’Andriamanitra tamin’ireo fahavalony aza? Tsia, fa izao no nolazainy tamin’i Petera: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao.” (Matio 26:52). Noho izany, ny kristiana marina dia tsy mandray anjara amin’ny adin’ireo firenena na izay fandatsahan-dran’olombelona hafa na dia hiafara amin’ny famonoana azy ho martiora aza izany fandavany izany, toy ny efa nitranga tamin’ny maro be taminy nandritra ireo taonjato maro sy amin’izao androntsika izao koa aza. Fantany fa ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy ihany no hanafoana ny ady sy ny fandatsahan-dra mandrakizay. — Salamo 46:9; Matio 6:9, 10; 2 Petera 3:11-13.

9. a) Inona no lazain’ny tantara antsika momba ireo kristiana voalohany? b) Amin’ny ahoana no ifanipahan’izany amin’ireo fivavahana eo amin’ny finoana lazaina fa kristiana?

9 Manamarina ny Tantara fa tsy nanaiky handatsaka ran’olombelona ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Izao no nosoratan’i Peter De Rosa, mpampianatra teolojia teo aloha avy any Angletera: “Fahotana ratsy dia ratsy ny fandatsahan-dra. Izany no antony nanoheran’ny kristiana ny ady nifanaovan’ireo gladiatora. (...) Raha nilaina ny ady sy ny fampiasana hery mba hiarovana an’i Roma tsy ho rava, ireo kristiana dia nihevitra fa tsy afaka nandray anjara tamin’izany izy. (...) Nihevitra ny tenany, toa an’i Jesosy, ho toy ny mpitondra hafatra momba ny fiadanana izy ireo; tsy afaka ny hitondra fahafatesana na oviana na oviana izy.” Etsy an-daniny kosa, ireo fivavahana misaratsaraka ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia nandika ny didy ny amin’ny fitiavana ary nandatsa-dra izaitsizy. Tsy mpitondra hafatra momba ny fiadanana izy ireo, fa tsy nitsahatra nitondra fahafatesana.

Babylona Lehibe, meloka ho nandatsa-dra

10. Iza moa i Babylona Lehibe, ary nahoana izy io no antsoina toy izany?

10 “Andrianan’izao tontolo izao”, sy “andriamanitr’izao tontolo izao” i Satana. (Jaona 12:31; 2 Korintiana 4:4.) Anisan’izao tontolo izaon’i Satana ny fandaminana maneran-tanin’ny fivavahan-diso izay naoriny tao anatin’ireo taonjato maro, ary anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny klerjiny. Antsoin’ny Baiboly hoe “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga [ara-panahy] sy ny zava-betaveta, amin’ny tany” io fandaminana maneran-tanin’ny fivavahan-diso io. (Apokalypsy 17:5.) Tany amin’ny tanànan’i Babylona fahiny no nipoiran’ireo fivavahan-diso sy ny finoana ary fanao nanala baraka an’Andriamanitra. Izany no antony iantsoana ilay nanana ho tandindona an’i Babylona fahiny hoe Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso.

11. Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Babylona Lehibe, ary nahoana?

11 Hoy ny Tenin’Andriamanitra momba io Babylona ara-pivavahana io: “Teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24). Amin’ny heviny ahoana no maha-tompon’andraikitra ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ny amin’ny ran’ireo novonoina rehetra? Noho ireo fivavahana rehetra — na ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana na ireo tsy milaza azy ho kristiana — nanohana sy tsy nanameloka ary nitarika ireo adin’ny firenena mihitsy aza; nanenjika sy namono ireo olona natahotra an’Andriamanitra izay tsy niray hevitra taminy koa izy ireo.

Nanala baraka an’Andriamanitra izy ireo

12. Nahoana ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no mendrika ny fanamelohana kokoa noho ny mpitondra fivavahana hafa?

12 Mendrika ny fanamelohana kokoa noho ny mpitondra fivavahana hafa ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana noho ny fandatsahan-dra. Nahoana? Satria tsy vitan’ny hoe naka ny anaran’Andriamanitra izy ireo, fa naka ny an’i Kristy koa. Tamin’izany izy dia nanaiky ny adidy hanaraka ireo fampianaran’i Jesosy (Jaona 15:10-14). Tsy nanaraka izany fampianarana izany anefa izy, ka nitondra fanalam-baraka lehibe ho an’Andriamanitra sy Kristy noho izany. Sady nivantana, toy ny tamin’ireo kroazada, ny ady ara-pivavahana hafa, ny “inquisitions” ary ny fanenjehana, no tsy nivantana, toy ny tamin’ny tsy nanamelohany ireo ady namonoan’ny mpikambana amin’ny fiangonana ireo mpiray finoana taminy tany amin’ny tany hafa, ny andraikitry ny klerjy teo amin’ny fandatsahan-dra.

13. Tompon’andraikitra ny amin’inona nitranga tamin’ny taonjato faha-11 ka hatramin’ny taonjato faha-13 ny klerjy?

13 Tamin’ny taonjato faha-11 ka hatramin’ny taonjato faha-13, ohatra, no nanombohan’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny kroazada. Izany dia nitarika vonoana olona sy fandrobana nahatsiravina, natao tamin’ny anaran’Andriamanitra sy Kristy avokoa. Olona ana hetsiny maro no maty. Namono tsy tamin’ny antony ankizy an’arivony maro namporisihina handray anjara tamin’ny kroazadan’ny ankizy tamin’ny taona 1212 koa ireny kroazada ireny.

14, 15. Inona no nosoratan’ny mpanoratra katolika iray ny amin’izay nampidirin’ny Eglizy katolika tamin’ny taonjato faha-13?

14 Tamin’ny taonjato faha-13, ny Eglizy katolika romana dia nanaiky tamin’ny fomba ofisialy zavatra mampihorohoro iray hafa hanala baraka an’Andriamanitra, dia ny “inquisition”. Tany Eoropa izy io no nanomboka ary niitatra hatrany Amerika manontolo, ka naharitra taonjato enina mahery. Naorin’ny papa sy notohanany io fandaharana feno habibiana io izay natao mba hampijaliana sy hanafoanana izay rehetra tsy niray hevitra tamin’ny Eglizy. Efa nanenjika ireo tsy katolika ihany ny Eglizy talohan’izay, fa tsy nisy nahatratra ny zava-bitan’ny “Inquisition” velively.

15 Nilaza toy izao tao amin’ny bokiny niseho vao haingana hoe Ireo solontenan’i Kristy — Ny lafy ratsin’ny fandaharana momba ny papa (anglisy), i Peter De Rosa, izay milaza ny tenany ho “katolika mpiaro ny finoany”: “Ny Eglizy dia tompon’andraikitra ny amin’ny fanenjehana ny Jiosy, ny amin’ny “Inquisition”, ny amin’ny famonoana ireo nivadi-pinoana an’arivony maro, ny amin’ny fampidirana indray ny fampijaliana tao Eoropa ho anisan’ny fampiharana ny fitsarana. (...) Nanendry sy nampiala emperora mihitsy aza ireo papa, ary nitaky ny haneren’izy ireo ny vahoakany mba hanaraka ny fivavahana kristiana raha tsy izany dia hampijalina na hovonoina ho faty. (...) Nahatsiravina ny vokatra naterak’izany teo amin’ny Filazantsara.” Ny hany “heloka” nataon’ny sasany tamin’ireo novonoina dia ny fananana Baiboly teo am-pelatanany.

16, 17. Fanamarihana inona avy no natao momba ny “Inquisition”?

16 Nanambara toy izao momba an’i Innocent III, papa iray tany am-piandohan’ny taonjato faha-13, i De Rosa: “Notombanana fa, tamin’ny fanenjehana farany sy nampiseho habibiana indrindra teo ambany fanapahan’ny emperora [romana] Diocletian [taonjato fahatelo], dia kristiana teo amin’ny roa arivo teo no maty naneran-tany. Tamin’ny tapany feno herisetra voalohany tamin’ny Kroazada notarihin’ny papa Innocent [natao hamelezana ireo “mpivadi-pinoana” tany Frantsa], dia avo folo heny noho ireo ny isan’ny olona novonoina. (...) Mahatsiravina tokoa ny mahafantatra fa maro lavitra ny olona indray matin’ny papa iray noho ny an’i Diocletian. (...) Tsy nampaninona ny fieritreretan’i [Innocent] mihitsy ny nampiasa ny anaran’i Kristy mba hanaovana izay rehetra notoherin’i Kristy.”

17 Nanamarika i De Rosa fa “tamin’ny anaran’ny papa, [ireo mpampihatra ny “inquisition”] dia meloka ny amin’ny famelezana tsy nifaditrovana indrindra sy naharitra indrindra ny fahamendrehan’olombelona teo amin’ny tantarany”. Hoy koa izy momba an’i Torquemada, pretra dominikana mpampihatra ny “inquisition” tany Espaina: “Voatendry tamin’ny 1483 izy, ary nanapaka toy ny mpanjaka tsy refesi-mandidy sady nasiaka nandritra ny dimy ambin’ny folo taona. Nahatratra 114 000 mahery ny isan’ireo novonoiny, ka nodorana ny 10 220 tamin’ireo.”

18. Inona no nolazain’ny mpanoratra iray momba ny “Inquisition”, ary antony inona no nomeny raha ny amin’ny nitohizan’izany nandritra ny taonjato enina mahery?

18 Namarana toy izao io mpanoratra io: “Hahasaikatra fandaminana na iza na iza ny fanaovan-javatra toy ny natao tamin’ny “Inquisition”; ho an’ny Eglizy katolika kosa izany dia handrodana azy. (...) Ny asehon’ny Tantara dia izao: nandritra ny taonjato enina mahery tsy an-kijanona, ireo papa dia fahavaloben’ny rariny tsotra indrindra. Tamin’ireo papa valopolo nifandimby hatramin’ny taonjato faha-13, dia tsy nisy na dia iray aza nanipaka ny teolojia na ny fampiharana ny “Inquisition”. Mifanohitra amin’izany aza fa nifandimby nanampy ny fanaony manokana lozabe tamin’ny fiasan’io “milina” nahafaty io ny tsirairay avy taminy. Izao no zava-miafina: ahoana no nahafahan’ireo papa nanohy nanaraka ireo fanao feno hadalana ireo hatrany? Ahoana no nahafahan’izy ireo nanda ny Filazantsaran’i Jesosy tamin’ny lafiny rehetra?” Namaly toy izao i De Rosa: “Naleon’ireo Pontifa nanipaka ny Filazantsara toy izay ilay nialoha azy ‘tsy nety diso’, zavatra izay ho nampirodana ny fandaharana momba ny papa mihitsy.”

19. Fanaovan-javatra mampiseho tsy fankatoavan-dalàna hafa inona no tsy nomelohin’ny ankamaroan’ny klerjy?

19 Fampisehoana tsy fankatoavan-dalàna koa ny fandraisan’ny klerjy anjara tamin’ny fandaharana mahery vaikan’ny fanandevozana. Naka an-keriny Afrikana an’arivony maro ireo firenena ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, nitondra azy lavitra ny taniny, ary nampihatra habibiana taminy teo amin’ny ara-batana sy teo amin’ny ara-tsaina tamin’ny naha-andevo azy nandritra ny taonjato maro. Vitsy ihany ireo anisan’ny kilasin’ny klerjy no tena nanipaka izany. Nanambara aza ny sasany taminy fa izany dia sitrapon’Andriamanitra. Jereo Matio 7:12.

Fandatsahan-dra amin’ny taonjato faha-20

20. Tamin’ny ahoana no nanatraran’ilay lehilahin’ota ny fara tampony raha ny amin’ny fandatsahan-dra tamin’ity taonjato ity?

20 Nahatratra ny fara tampony ny helok’ilay lehilahin’ota raha ny amin’ny fandatsahan-dra tamin’ity taonjato misy antsika ity. Ny klerjy dia nanohana ireo ady izay naka ain’olona am-polo tapitrisany maro, dia ireo ady nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantara rehetra. Nanohana ny andaniny sy ny ankilany izy tamin’ireo ady lehibe roa, izay nifamonoan’ny “mpirahalahy”, olona mpiray finoana. Tamin’ny Ady Lehibe faharoa, ohatra, ireo katolika frantsay sy amerikana dia namono katolika alemanina sy italiana; ireo protestanta anglisy sy amerikana dia namono protestanta alemanina. Indraindray aza izy ireo dia namono, tsy ireo mpiray finoana taminy ihany, fa ireo mpiray firenena taminy koa. Nipoaka teo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana ireo ady lehibe roa ary tsy ho nitranga anefa izy ireo raha nankatò ny didy mba ho tia ny namany ny klerjy ka nampianatra izany koa an’ireo mpanaraka azy.

21. Inona no lazain’ny gazety tsy ara-pivavahana momba ny fandraisan’ny klerjy anjara amin’ny ady?

21 Nanambara toy izao ny New York Times: “Tamin’ny lasa, ireo nanana toerana ambony tao amin’ny fiangonana katolika teo an-toerana dia saiky nanohana ny ady nataon’ny fireneny foana, tamin’ny fitsofan-drano ireo antoko miaramila sy tamin’ny fivavahana ho an’ny fandresena, ary tetsy an-kilany kosa ny eveka sasany dia nivavaka ampahibemaso ho an’ny fiafaran-javatra nifanohitra tamin’izany. (...) Mihamazava amin’ny maro ny fifanipahana misy eo amin’ny fomba fisaina kristiana sy ny ady (...) rehefa mihamahery vaika ireo fiadiana ampiasaina.” Ary nanamarika toy izao ny U.S.News & World Report: “Nanimba be ny laza tsaran’ny kristianisma eo amin’izao tontolo izao ny fampiasan’ireo firenena milaza azy ho kristiana herisetra matetika.”

22. Tompon’andraikitra ny amin’ny zavatra hafa inona amin’ny androntsika koa ny klerjy?

22 Toy izany ihany koa, na dia tsy misy “Inquisition” eken’ny fanjakana intsony aza amin’izao andro izao, ny klerjy dia mampiasa ny fitondram-panjakana mba hanenjehana ireo “mpaminany” sy ireo “olona masina” izay tsy mitovy hevitra aminy. Nanery ireo mpitondra ara-politika izy mba ‘hanaovan-dratsy amin’ny fanarahana ny fomba fitsarana tsy ara-dalàna’. Tamin’izany no nankasitrahany na nanaovany izay handrarana ny asan’ireo olona matahotra an’Andriamanitra, hanaovana azy an-tranomaizina, hikapohana azy, hampijaliana azy, ary na dia hamonoana azy mihitsy aza amin’izao taonjato izao. — Apokalypsy 17:6; Salamo 94:20, Fandikan-teny katolika.

Hampamoahin’Andriamanitra izy ireo

23. Nahoana no hampamoahin’Andriamanitra ilay lehilahin’ota?

23 Tena hita ao amin’ny fivavahan-diso ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina ary izay rehetra novonoina teto ambonin’ny tany (Apokalypsy 18:24). Koa satria teo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no nitranga ny fandatsahan-dra be nahatsiravina indrindra, dia ny heloky ny klerjy no lehibe indrindra. Mety dia mety tokoa àry ny iantsoan’ny Baiboly azy hoe “lehilahin’ota”! Manambara toy izao koa anefa ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Hampamoahin’Andriamanitra àry ny klerjy tsy mpankatò lalàna.

24. Toe-javatra lehibe dia lehibe inona avy no hitranga tsy ho ela?

24 Hoy i Jesosy hoe: “Mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:23). Ary hoy koa izy hoe: “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” (Matio 7:19). Mihamanakaiky haingana ny fotoana handringanana toy ny amin’ny afo ilay lehilahin’ota, miaraka amin’ny fivavahan-diso rehetra, rehefa hivadika hamely azy ny fandehan-javatra ara-politika izay nijangajangany: “Ireo no hankahala azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo”. (Apokalypsy 7:16.) Koa satria hisy toe-javatra lehibe dia lehibe hitranga tsy ho ela, ny mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy mampahafantatra izany amin’ny hafa. Handinika ny fomba anaovany izany ny lahatsoratra manaraka.

Fanontaniana ho famerenana

◻ Inona moa ilay lehilahin’ota, ary tamin’ny fomba ahoana no niforonany?

◻ Tsy maintsy mamoa voa tsara dia tsara inona ny kristiana marina?

◻ Iza moa i Babylona Lehibe, ary amin’ny ahoana izy no meloka ny amin’ny fandatsahan-dra?

◻ Fanaovan-javatra manala baraka an’Andriamanitra inona avy no nataon’ilay lehilahin’ota?

◻ Amin’ny fomba ahoana no hampamoahan’Andriamanitra an’ilay lehilahin’ota?

[Sary, pejy 18]

Nitarika fandatsahan-dra nahatsiravina natao tamin’ny anaran’Andriamanitra sy Kristy ireo kroazada

[Sary nahazoan-dalana]

British Library

[Sary, pejy 19]

“Ireo nanana toerana ambony tao amin’ny Eglizy katolika teo an-toerana dia saiky nanohana foana ny ady nataon’ireo fireneny.”

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Army

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara