Mirehitra ve ny afobe?
“TAMIN’NY fotoana iray tamin’ireo taona 60, dia nanjavona ny afobe”, hoy ny vakina ao amin’ny bokin’i David Lodge hoe Fanahy sy vatana (angl.). Ny tenin’io mpanoratra britanika io dia manome taratry ny hevitry ny katolika sy protestanta maro nandritra ny am-polony taona maro nanaraka ny Ady Lehibe faharoa. Nisy fotoana, teo amin’ny maro tamin’ireo Eglizy lehibe mihitsy, nanalefahana ny fampianarany ofisialy momba ny afobe mirehitra iray, tamin’ny fiezahan’ny tenany hifanaraka amin’ny fomba fisaina araka ny toetr’andro.
Tsy nekena indrindra ny hevitra ny amin’ny famaizana aorian’ny fahafatesana, satria ny fiheverana ny ota mihitsy no tonga nanjavozavo tao an-tsain’ny olona. Raha nadinadinina ny kardinaly Ratzinger, niasa tany Roma tamin’ny 1984, dia hoy izy: “Ny kolontsaintsika (. . .) tamin’ny fampiasana matetika fampihenan-tsazy sy fanalana ny voampanga, dia mila hanaisotra amin’ny olona ny fahatsiarovana ny fahadisoany sy ny fahotany (. . .), zava-misy izay ampiarahin’ny finoana amin’ny afobe sy ny afo fandiovana.”
Moa ve azo atao ankehitriny ny mino ny fisian’ny ota sady tsy manaiky ny fampianarana ny amin’ny famaizana aorian’ny fahafatesana any amin’ny afo fandiovana sy ny afobe? Ny boky iray vao haingana, Abrégé de la foi catholique, izay nosoratan’ny kardinaly frantsay Albert Decourtray ny sasin-teniny, dia mametraka ny fanontaniana mazava hoe: “Tokony hinoana ve ny afobe?” Ary nomeny izao valin-teny izao: “Tsy azo atao ny mandositra raharaha mahatahotra ny amin’ny afobe.” Ilay boky hoe Konsilin’ny Vatican II−Tahirin-kevitra Vaovao Taorian’ny Konsily (angl., 1982) dia naka teny tao amin’ny “Fanekem-pinoan’ny vahoakan’Andriamanitra”, izay manambara hoe: “Mino izahay (. . .) [fa] ireo izay namaly ny fitiavana sy ny fangorahan’Andriamanitra dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay, ireo izay nanda izany hatramin’ny farany kosa dia [ho any] amin’ny afo tsy mety maty.”
Araka izany, na dia eo aza ny fiezahan’ireo teolojiana hanaporofo ny mifanohitra amin’izany, ny fampijaliana ao amin’ny afobe dia mbola anisan’ny fampianarana katolika ofisialy foana. Ny rakibolana iray anefa (A New Dictionary of Christian Theology [1983]) dia miresaka ny amin’ny “fahasahiranana” sy ny “fikorontanana” ateraky ny fampianarana ny amin’ny fampijaliana mandrakizay eo amin’ny mpikambana maro amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro ankehitriny izao. Sarotra amin’ny mpiangona ny mampifanaraka an’izany fampianarana izany amin’ny fiheverana ny amin’ny Andriamanitra fitiavana iray. Manontany tena izy ireny hoe: ‘Tena kristiana sady araka ny Baiboly ve ny fampianarana ny amin’ny afobe iray mirehitra? Raha tsy izany, avy aiza no niandohany?’
[Sary, pejy 3]
Katedralin’i Bourges, Frantsa