FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/1 p. 4-5
  • Ny fiandohan’ny afobe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fiandohan’ny afobe
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny afobe tany Mesopotamia
  • Teo amin’ireo fivavahana egyptiana sy tany Atsinanana
  • Ny afoben’ny grika sy ny etrioska ary ny romana
  • Ny Jiosy sy ny Soratra hebreo
  • Ny fahamarinana momba ny afobe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mandoro Tokoa ve ny Afobe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Iza no Mankany Amin’ny Afobe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/1 p. 4-5

Ny fiandohan’ny afobe

“NY AFOBE”, hoy ny fanazavan’ny Firaketana Vaovao katolika (angl.), dia teny “ampiasaina ilazana ny toerana misy ireo ampijalina mandrakizay”. Ny firaketana protestanta anankiray dia milazalaza ny afobe ho toy “ny toerana izay hamaizana ny ratsy fanahy.”a Ny finoana ny amin’ny toerana iray fampijaliana aorian’ny fahafatesana tahaka izany anefa dia tsy mampiavaka an’ireo Fiangonana lehibe indrindra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fotsiny. Izany dia niandoha hatramin’ny taonjato maromaro talohan’ny nahaterahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana.

Ny afobe tany Mesopotamia

Teo amin’ny 2000 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, ny Someriana sy ny Babyloniana dia nino ny fisian’ny tontolo iray any ambanin’ny tany, nantsoina hoe “tany tsy hiverenana”. Io finoana tranainy io dia hita taratra ao amin’ireo tononkalo someriana sy akadiana fantatra amin’ny lohateny hoe “Fidinan’i Isitara tao amin’ireo afobe”. Ny fitantarany ny amin’io fonenan’ny maty io dia toy ny trano maizimaizina iray, “ny trano izay tsy azon’izay niditra ilaozana intsony.”

Raha ny amin’ny toe-piainana nanjaka tao amin’io toerana io, ny soratra asyriana tranainy iray dia milaza fa “ny tontolo any ambany dia feno horohoro”. Ny mpanapaka asyriana izay nihambo ho nahazo fahitana an’io fonenana any ambanin’ny tany misy ny maty io dia nitantara fa “nangovitra ny ranjony” noho izay zavatra hitany. Raha nilazalaza ny amin’i Nergala, mpanjakan’ireo afobe izy, dia nitantara hoe: “Nikiakiaka tamim-pahasahiana be, nierona tamim-pahatezerana toy ranonoram-baratra mikotroka tamiko izy.”

Teo amin’ireo fivavahana egyptiana sy tany Atsinanana

Ny Egyptiana fahiny dia nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary nanana ny fiheverany manokana momba ny any an-koatra izy ireo. Ny Firaketana Vaovao britanika dia manazava hoe: “Ao amin’ny fitantaran’ireo soratra egyptiana momba ny fandevenana, ny lalana mitondra ho amin’ny tontolo any aoriana dia voafafy loza mahatahotra: zavaboary sampona mahatsiravina, farihy afo maro, varavarana tsy azo idirana raha tsy manonona teny majika, ary mpampiampita iray mampatahotra izay ilaina sakanana amin’ny majika ny fikasan-dratsiny.”

Ireo fivavahana indiana sy iraniana mitambatra dia namorona finoana maro samihafa momba ny fampijaliana aorian’ny fahafatesana. Raha ny amin’ny fivavahana hindoa, ny Encyclopoedia Universalis dia manantitrantitra hoe: “Misy filazalazana tsy tambo isaina momba ireo afobe iraika amby roapolo noforonin’ny Hindoa. Ny mpanota dia arapaky ny biby dia sy ny menarana, voatono tsara, voatapatapaka amin’ny tsofa, ampahorina amin’ny hetaheta sy ny hanoanana, ampangotrahina ao anaty menaka na potipotehina amin’ny fanoto, voatoto ao anaty fitaovana vy na vato.”

Ny jainisma sy ny bodisma koa dia manana ny filazany ny amin’ny afobe iray izay hampijaliana ny mpanota tsy mety mibebaka. Ny zoroastrisma, naorina tany Iran na Persia koa dia manana ny afobeny — toerana anankiray mangatsiaka sy mampaloiloy izay ampijaliana ny fanahin’ny mpanota.

Toa tsy maharitra mandrakizay anefa ny fampijaliana ao amin’ny afoben’ny Egyptiana, ny Hindoa, ny jainista sy ny bodista ary ny an’ny zoroastriana. Araka ireo fivavahana ireo, aorian’ny fe-potoana fijaliana dia mifindra toerana sady miova toetra ny fanahin’ireo mpanota, arakaraka ny fiheveran’ny fivavahana tsirairay avy ny amin’ny anjaran’ny olombelona. Ireo heviny ny amin’ny afobe dia mitovy amin’ny an’ny afo fandiovan’ny fivavahana katolika.

Ny afoben’ny grika sy ny etrioska ary ny romana

Ny Grika fahiny dia nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy (psukhê, teny ampiasainy koa ilazana ny lolo). Taminy, ny fanjakan’ny maty dia nantsoina hoe Hadesy ary notarihin’ny andriamanitra iray mitovy anarana amin’izany. Ao amin’ny bokiny hoe Orpheus — Tantaran’ireo fivavahana amin’ny ankapobeny, ilay mpanao haisoratra frantsay atao hoe Salomon Reinach dia nanoratra izao momba ny grika: “Finoana iray niely ny hoe [ny fanahy] dia miditra ao amin’ny afobe rehefa avy namakivaky ny onin’i Styx teo ambonin’ny sambo kelin’ilay mpitari-tsambo zokiolona atao hoe Charon, izay nitaky ho saran’ny fitàna, farantsakely napetraka tao am-bavan’ilay maty. Tao amin’ireo Afobe, dia niseho teo anatrehan’ny mpitsara telon’io toerana io izy (. . .); raha voaheloka noho ireo fahadisoany lehibe izy, dia hampijalina ao amin’ny ‘Tartare’ (. . .). Noforonina mihitsy aza ny fisian’ny limby, fonenan’ny fanahin’ny ankizy maty mbola kely, ary ny Afo fandiovana iray izay nampiharana fitondrana malefaka kokoa mba hanadiovana ny fanahy.” Araka ny firaketana iray (The World Book Encyclopedia), ireo fanahy izay niafara tao amin’ny “Tartare” dia niharan’ny fampijaliana mandrakizay”.

Tany Italia, ny Etrioska izay nialoha ny an’ny Romana ny haifombany dia nino ny famaizana aorian’ny fahafatesana koa. Ny Dictionnaire des religions dia manambara hoe: “Ny fikarakarana fatratra nataon’ny Etrioska tamin’ireo maty teo aminy dia azo hazavaina amin’ny fomba fiheviny ny afobe izay noheveriny, tahaka an’ireo Babyloniana, ho toy ny toerana fampijaliana sy feno famoizam-po ho an’ny fanahin’ny maty: ny hany fanalefahana ny anjarany dia avy amin’ny fanatitra fampiononam-pahatezerana ataon’ny taranany.” Ireo fasan’ny etrioska dia mampiseho sary mampihorohoro izay nakan’ireo mpanao sary hoso-doko kristiana hevitra raha ny amin’ny afobe.”

Noraisin’ny Romana ny afoben’ny etrioska ka nantsoiny hoe “Orcus” na “Infernus”. Nindraminy koa ny angano grika ny amin’i Hadesy, ilay mpanjakan’io toerana any ambanin’ny tany io ka nantsoiny hoe “Orcus” na “Pluton”.

Ny Jiosy sy ny Soratra hebreo

Ary ahoana ny amin’ireo Jiosy talohan’ny andron’i Jesosy? Momba azy ireny, dia izao no vakintsika ao amin’ny Firaketana britanika (1970): “Hatramin’ny taonjato faha-5 talohan’i J.K., ny Jiosy dia nifandray akaiky tamin’ny Persiana sy ny Grika, izay samy nanana hevitra voavaofy ny amin’ny any an-koatra. (. . .) Tamin’ny andron’i Kristy, dia tonga tamin’ny finoana ny Jiosy fa nampijalina tao amin’ny Gehena ny fanahin’ny olona ratsy taorian’ny fahafatesany.” Manambara anefa ny Encyclopoedia Judaica hoe: “Tsy misy mihitsy fitenenana ny amin’izany fiheverana tat? aoriana momba ny Gehena izany ao amin’ny Soratra masina.”

Marina io fanambarana farany io. Tsy mamela hihevitra ny amin’ny fanasaziana ny fanahy ao amin’ny afobe mirehitra iray aorian’ny fahafatesana mihitsy ny Soratra hebreo. Izany fampianarana mahatsiravina izany dia avy tamin’ireo fivavahana taorian’ny safodrano tany Babylonia, fa tsy avy amin’ny Baiboly. Ny fampianaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana momba ny fampijaliana ao amin’ny afobe dia niandoha niaraka tamin’ireo Babyloniana voalohany. Ny fiheverana katolika ny amin’ny fampijaliana manonitra ao amin’ny afo fandiovana dia niandoha tany amin’ireo fivavahan voalohany tany Egypta sy tany Atsinanana. Ny limby dia nindramina avy tamin’ny angano grika. Ireo vavaka sy ny fanatitra ho an’ny maty dia fanao narahin’ny Etrioska.

Miorina amin’ny tombatombana fototra inona anefa ireny fampianarana ny amin’ny fijaliana tsapa aorian’ny fahafatesana ireny?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Cyclopoedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nataon’i M’Clintock sy Strong, boky faha-4, pejy faha-165.

[Sary, pejy 5]

Ny fitàna an’i Styx araka izay ilazalazana azy ao amin’ny “Afobe” nosoratan’i Dante

[Sary nahazoan-dalana]

Dover Publications, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara