Ny Fitsipika volamena — Inona moa izany?
“JEREO ange! Tsy manelingelina ny mpifanolo-bodirindrina amiko aho. Raha ny hevitro no anontaniana, dia afaka manao izay tiany izy. Fa raha sendra ao anatin’ny fahasahiranana izy aloha dia tsy isalasalana fa hanao izay azoko atao aho mba hanampiana azy.” Toy izany ve ny fihevitrao? Rehefa mitranga ny loza, dia mety hitondraka ny asa mampiseho hatsaram-po sy tsy fitiavan-tena, matetika ho fahagagana ho an’ny maro. Kanefa ampy ve izany?
Raha ray aman-dreny ianao, dia tsy isalasalana fa nananatra ireo zanakao mba tsy hampahatezitra ireo mpiara-milalao aminy. Maro amintsika no mbola manana holatra mampiseho fa ny tsy fanarahantsika izany torolalana izany tamin’ny andron’ny fahazazantsika dia nitarika famaliana avy amin’ny hafa. Eny tokoa, isika dia nianatra ny fahendrena voarakitra ao amin’ilay hain-teny nampaharetin’i Confucius, ilay olon-kendry tatsinanana toy izao: “Aza atao amin’ny hafa izay tsy tianao hataony aminao.” Tsapanao ve anefa fa izany dia endrika ambany kokoa sy tsy manorina an’ilay fantatra amin’ny anarana hoe ny Fitsipika Volamena?
Fitsipika manorina iray
Araka ny Webster’s New Collegiate Dictionary, ny hevitry ny teny hoe “fitsipika volamena” dia “fitsipika mitarika ny fitondrantena ara-panahy avy amin’ny [Matio] 7:12 sy [Lioka] 6:31 ary manambara fa tokony hanao amin’ny hafa izay tiantsika hataon’ny hafa amintsika isika.” Topazo maso ilay faritra voafefy etsy ambanin’ity pejy ity ary diniho fa ny fomba nandikan’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly samy hafa ny Matio toko fahafito, andininy faha-12, dia mampamirapiratra ny hasoan’io fitsipika mpitari-dalana io.
Mba mariho kely fa, na dia samy hafa aza ireo teny ampiasain’ireo fandikan-teny isan-karazany, dia manorina foana ilay fitsipika. Raha dinihina tokoa, tsy nampisaintsaina toy izao ve i Jesosy taloha kelin’izay tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra: “Mangataha hatrany, dia homena ianareo; mitadiava hatrany, dia hahita ianareo; dòndòny hatrany, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.” (Matio 7:7, 8, MN ) Samy asa manorina avokoa ny mangataka, mitady sy mandondòna. “Koa amin’izany”, hoy i Jesosy, “na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” — Matio 7:12.
Asehon’ny Baiboly fa namporisika ihany koa ny fanarahana io fitsipika io ireo mpianatr’i Jesosy (Romana 15:2; 1 Petera 3:11; 3 Jaona 11). Mampalahelo anefa fa ny fifandraisana eo amin’ny olombelona amin’izao andro izao dia manamarina fa ny ankamaroan’ny olona, na milaza tena ho kristiana izy ireo na tsia, dia tsy manaraka azy io. Milaza ve izany fa tsy manan-kery intsony io fitsipika mitarika ny fitondrantena ara-panahy io? Mety ho efa lany andro ve izy io?
[Efajoro, pejy 3]
“Ataovy amin’ny olon-kafa izay tianao hataony aminao.” — Ny Baiboly Masina, angl., nadikan’i R. A. Knox.
“Izay rehetra irinao hataon’ny hafa ho anao sy aminao, dia ataovy tahaka izany ihany koa ho azy sy aminy.” — Ny Testamenta Vaovao mivelatra.
“Amin’ny lafiny rehetra àry, dia ento araka izay irinao hitondrany anao ny mpiara-belona aminao.” — Ireo Filazantsara Efatra, nadikan’i E. V. Rieu.
“Raiso ny hafa tena araka ny hitiavanao handraisany anao marina.” — Ny Testamenta Vaovao amin’ny teny anglisy moderna, angl., nataon’i J. B. Phillips.
“Ataovy ho an’ny hafa izay rehetra tianao hataony ho anao.” — Ny Testamenta Vaovao amin’ny fiteny amin’izao andro izao, angl., nataon’i W. F. Beck.
“Tsy maintsy mifandray amin’ny hafa araka ny itiavanao hifandraisany aminao ianao.” — Ny Testamenta Vaovao, nataon’i C. B. Williams.