FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/4 p. 7
  • Niova ho amin’ny finoana inona i Constantin?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Niova ho amin’ny finoana inona i Constantin?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Constantin Lehibe — Mpiaro Nafana Fo ny Kristianisma Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Constantin
    Mifohaza!—2014
  • Ny Fomba Nahatongavan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho Naman’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny lakroa: famantarana kristiana talohan’i Constantin ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/4 p. 7

Niova ho amin’ny finoana inona i Constantin?

IZAY lazaina fa fiovam-pinoan’i Constantin, emperora romana mpanompo sampy, dia hatry ny ela no nahaliana ireo manam-pahaizana manokana momba ny fivavahana. Araka ny voalazan’ny tenan’i Constantin mihitsy, dia hoe nahazo fahitana lakroa iray niaraka tamin’izao soratra izao izy, ny omalin’ny ady izay nahazoany fandresena tamin’ny 312 amin’ny fanisan-taona iraisana: “Handresy ianao amin’ity [famantarana] ity.” “Niova finoana” izy, fotoana fohy taorian’izay (tamin’ny 313) ary nampitsahatra ny fanenjehana ireo kristiana tao amin’ny Empira romana. Nampirisika ny endriky ny kristianisma nisy tamin’izany fotoana izany i Constantin ary nanao izany ho ny fivavaham-panjakana; nanelanelana tamin’ny ady an-trano nisy teo amin’ny Eglizy mihitsy aza izy. Nanao asa izay nahatonga hisalasala ny amin’ny fiovam-pinoany koa anefa i Constantin ary tsy vita batisa izy raha tsy taloha kelin’ny nahafatesany, 24 taona teo ho eo tatỳ aoriana.

Tao amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Bible Review, i Stanley A. Hudson, manam-pahaizana momba ny vola tranainy, izay manomana “doctorat en théologie”, dia nanazava fa ny vola notefena teo ambany fanapahan’i Constantin dia manome fanazavana tena mahaliana tokoa momba izany raharaha izany. Hatramin’ny andron’i Constantin, dia tena fantatra tokoa fa nampiseho andriamanitra iaraha-mahalala ny vola romana. Mampahafantatra antsika anefa Atoa Hudson fa taorian’ny niovan’i Constantin finoana dia nihanihena tsikelikely ny foto-kevitra nisy fanompoan-tsampy teo amin’ny vola, afa-tsy iray ihany. Ireo vola madinika nisy sarin’i Sol, ny andriamanitra masoandro (ny andriamanitra tian’i Constantin indrindra taloha) tokoa dia navoaka be dia be. Nahoana?

Nampiseho petrakevitra roa Atoa Hudson. Ny voalohany, satria nety ho tena niandalana ny fiovam-pinoan’i Constantin na dia teo aza ilay fahitana mahagaga azony. Ny faharoa, satria nety ho nafangaron’i Constantin tanteraka i Sol sy Jesosy. Hatramin’izao aza dia mbola mahazatra ny fampifangaroan-kevitra (fanakambanana fombafombam-pinoana isan-karazany). Any Amerika latina, ohatra, ireo andriamani-bavy Pacha-Mama sy Tonantzin talohan’ny vanim-potoan’i Colomb dia mbola ivavahana ihany amin’ny anarana hoe Maria Virijina. Angamba i Constantin nivavaka toy izany tamin’i Sol tamin’ny anarana hoe Jesosy.

Izany fampifangaroam-pinoana izany dia mety hanazava ny antony nifidianana ny 25 desambra, ‘fitsingerenan’ny taona nahaterahan’ny masoandro tsy mety maty’, ho toy ny andro fahatsiarovana ny nahaterahan’i Jesosy. Izany koa dia mety hanampy antsika hahatakatra ny antony isian’ny soratra toy izao eo amin’ny vola fahatsiarovana ny nahafatesan’i Constantin: “DV Constantinus” (“Constantin andriamanitra”). Mampiseho izany fa taorian’ny nahafatesany, ary na dia niova finoana sy vita batisa aza izy tamin’ny farany, i Constantin dia noheverina ho toy ny andriamanitra, mitovy mihitsy amin’ireo emperora mpanompo sampy teo alohany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

The Metropolitan Museum of Art

Lova avy amin-dRtoa F. F. Thompson, 1926 (26.229)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara