Fampahafantarana “ilay lehilahin’ota”
“Haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo.” — 2 TESALONIANA 2:8.
1, 2. Nahoana no tena ilaintsika mihitsy ny mahafantatra hoe iza ilay lehilahin’ota?
MIAINA amin’ny vanim-potoana anjakan’ny tsy fankatoavan-dalàna isika. Zava-mitranga maneran-tany izany. Na aiza na aiza ny olona dia matahotra ireo olona tsy mifaditrovana tsy mpankatò lalàna izay mandrahona ny ainy sy ny fananany. Kanefa misy tsy mpankatò lalàna iray manimba lavitra noho ireo, izay efa nanao ny asany ratsy nandritra ny taonjato maro izay. Antsoin’ny Baiboly hoe “ilay lehilahin’ota” izy io.
2 Tena ilaintsika mihitsy ny mahafantatra hoe iza io lehilahin’ota io. Fa nahoana? Satria izy io dia mikendry mafy ny hanimba ny fifandraisantsika tsara amin’Andriamanitra sy ny fanantenantsika hahazo ny fiainana mandrakizay. Amin’ny fomba ahoana no anaovany izany? Amin’ny fanaovana izay handaozantsika ny fahamarinana mba hinoantsika lainga, ka hampialana antsika amin’izany fomba izany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23.) Hita miharihary amin’ny asany fa io lehilahy tsy mpankatò lalàna io dia manohitra an’Andriamanitra sy ny fikasany ary ireo olony nanokan-tena ho azy.
3. Amin’ny fomba ahoana no anintonan’ny Baiboly ny saintsika ho amin’ilay tsy mpankatò lalàna?
3 Miresaka ny amin’io lehilahin’ota io ny Baiboly ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:3. Teo ambany tsindrimandrin’ny fanahy masin’Andriamanitra no nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Aza mety hofitahin’olona akory hianareo, fa tsy ho avy izany [ny andro handringanan’Andriamanitra ity fandehan-javatra ratsy ity], raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota.” Eto i Paoly dia maminany ny amin’ny fipoiran’ny fivadiham-pinoana sy ny fisehoan’ny lehilahin’ota iray alohan’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Hoy tokoa i Paoly eo amin’ny andininy faha-7: “Miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna.” Tamin’ny taonjato voalohany àry dia efa niseho io tsy mpankatò lalàna io.
Ny niavian’ilay lehilahin’ota
4. Iza no loharanon’ilay lehilahin’ota sady mpanohana azy?
4 Iza no loharanon’io lehilahin’ota io sady mpanohana azy? Mamaly toy izao i Paoly: “Ny fihavian’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.” (2 Tesaloniana 2:9, 10). Satana àry izany no ray sady mpanohana ilay lehilahin’ota. Ary toy ny anoheran’i Satana an’i Jehovah sy ny fikasany ary ny vahoakany, no anaovan’ilay lehilahin’ota izany koa, na tsapany izany na tsia.
5. Inona no hanjo ilay tsy mpankatò lalàna sy ireo manaraka azy?
5 Ireo izay manaraka io lehilahin’ota io dia hiharan’izay hanjo azy koa, izany hoe ny fandringanana: “Haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo (...) ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fihaviany.” (2 Tesaloniana 2:8). Ny fotoana handringanana ilay lehilahin’ota sy ireo mpanaraka azy (“izay ho very”), dia ho avy tsy ho ela “raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay”. — 2 Tesaloniana 1:6-9.
6. Fanazavana fanampiny inona no omen’i Paoly momba ilay tsy mpankatò lalàna?
6 Taorian’izay i Paoly dia nanazava ny amin’io tsy mpankatò lalàna io tamin’ny filazana hoe: “Ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao ho Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.” (2 Tesaloniana 2:4). Nampitandrina àry i Paoly fa i Satana dia hanao izay hipoiran’ny tsy mpankatò lalàna iray, zavatra hatao hivavahana amin’ny fomba diso iray, izay hanandra-tena ho ambonin’ny lalàn’Andriamanitra.
Fampahafantarana ilay tsy mpankatò lalàna
7. Nahoana isika no manatsoaka hevitra fa tsy olona iray manokana akory no resahin’i Paoly eto, ary mampiseho inona ilay lehilahin’ota?
7 Niresaka ny amin’ny olona manokana iray ve i Paoly? Tsia, satria milaza izy fa efa niseho tamin’ny androny io “lehilahy” io ary hanohy hiaina hatramin’ny fotoana handringanan’Andriamanitra azy amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Efa nisy hatramin’ny taonjato maro be àry izy io. Miharihary fa tsy nisy olona amin’ny heviny ara-bakiteny na dia iray aza niaina ela be toy izany. Ilay teny hoe “lehilahin’ota” àry izany dia tsy maintsy manondro antoko, na kilasin’olona.
8. Iza moa ilay lehilahin’ota, ary inona avy ireo toetra mampiavaka azy?
8 Iza moa izany? Manaporofo ny zava-mitranga fa izany dia ny kilasin’ireo mpitondra fivavahana miavonavona sy feno fanirian-daza ao amin’ny Fivavahana lazaina fa kristiana, izay nanandra-tena nanao lalàna ho an’ny tenany nandritra ireo taonjato maro lasa. Izany dia hita miharihary amin’ny fisian’ireo fivavahana sy antokom-pivavahana an’arivony maro ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana, samy manana ny klerjiny izay mifanipaka amin’izy samy izy anefa raha ny amin’ny zavatra inoana na fomba arahina. Izany fisaratsarahana izany dia porofo miharihary fa tsy manaraka ny lalàn’Andriamanitra izy ireo. Tsy mety ho avy amin’Andriamanitra izy ireo. (Ampitahao amin’ny Mika 2:12; Marka 3:24; Romana 16:17; 1 Korintiana 1:10.) Ny hany iombonan’ireo fivavahana rehetra ireo dia ny tsy fihazonana ireo fampianaran’ny Baiboly, tamin’ny fandikana ny fitsipika hoe: “Aza mihoatra noho izay voasoratra.” — 2 Korintiana 4:6; jereo koa Matio 15:3, 9, 14.
9. Zavatra inoana tsy mifanaraka amin’ny Soratra masina inona avy no nanoloany ireo fahamarinan’ny Baiboly?
9 Araka izany, io tsy mpankatò lalàna io dia fitambaran’olona iray: ny klerjy ara-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana. Izy rehetra, na ireo papa, na ireo pretra, na ireo patriarka, na ireo pastera protestanta, dia samy tompon’andraikitra raha ny amin’ireo fahotana ara-pivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana. Nosoloany lainga avy amin’ny mpanompo sampy ireo fahamarinan’Andriamanitra, ka nanao fampianarana tsy araka ny Baiboly toy ny tsy fahafatesan’ny fanahin’olombelona, ny afobe, ny afo fandiovana, ary ny Trinite izy. Izy ireo dia sahala amin’ireo mpitondra ara-pivavahana nilazan’i Jesosy hoe: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. (...) Mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44). Ny zavatra ataon’izy ireo koa dia mampiharihary fa tsy mpankatò lalàna izy ireo, satria mandray anjara amin’ny fanao izay mandika ireo lalàn’Andriamanitra. Izao no nolazain’i Jesosy taminy: “Mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — Matio 7:21-23.
Manandra-tena izy ireo
10. Mitana fifandraisana manao ahoana amin’ireo mpitondra ara-politika ilay tsy mpankatò lalàna?
10 Ny Tantara dia mampiseho fa feno avonavona sy fihamboana aoka izany ireo mahaforona io kilasin’ilay lehilahin’ota io, hany ka tonga hatramin’ny fibaikoana an’ireo mpitarika eo amin’izao tontolo izao mba hanaraka ny faniriany. Nilaza ho naka ilay fitsipika ny amin’ny ‘zo hanjaka avy amin’Andriamanitra’ ireo klerjy, ka nihambo ho ny hany mpanelanelana teo amin’ireo mpanjaka sy Andriamanitra. Nifidy sy nanala ireo mpanjaka sy emperora izy ireo ary afaka nampiodina ny vahoaka hanaraka na hanohitra ireo mpanapaka. Raha ny tena izy, dia niteny toy ireo mpitondra fivavahana jiosy izay nanda an’i Jesosy toy izao izy ireo: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.” (Jaona 19:15). Nampianatra mazava toy izao anefa i Jesosy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao. — Jaona 18:36.
11. Tamin’ny fomba ahoana no nanandratan’ny klerjy tena?
11 Mba hanandratan-tena mbola ho ambony kokoa ihany noho ny vahoaka, io kilasin’ny tsy mpankatò lalàna io dia nifidy fitafiana hafa, mazàna mainty. Ambonin’izany, izy ireo dia nampihaingo ny tenany tamin’izao karazana firavahana manaitra rehetra izao, miaraka amin’ny satroboninahitra sy vokovoko ary satroky ny eveka. (Ampitahao amin’ny Matio 23:5, 6.) I Jesosy sy ireo mpanaraka azy anefa tsy nanana fitafiana toy izany; niakanjo toy ny vahoaka rehetra izy ireo. Ny klerjy dia naka anaram-boninahitra toy ny hoe “Ray”, “Ray Masina”, “Révérend”, “Révérend ambony indrindra”, “Son Excellence” ary “Son Eminence”, izay manampy amin’ny ‘fanandratany ny tenany ho ambony noho ny rehetra’. Nampianatra izao momba ireo anaram-boninahitra ara-pivavahana anefa i Jesosy: “Aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo.” (Matio 23:9). Toy izany koa no nanoheran’i Eliho ireo mpampionona mpihatsaravelatsihy an’i Joba toy izao: “Aoka tsy hizaha tavan’olona akory aho, ary aoka tsy handrobo (hanome anaram-boninahitra, MN ) olona.” — Joba 32:21.
12. Iza moa no nolazain’i Paoly fa tena tompoin’ny klerjy?
12 Rehefa nilaza i Paoly, tamin’ny androny, fa efa nanomboka niasa ilay lehilahin’ota, dia niteny toy izao koa izy raha ny amin’ireo izay hampiseho fihetsika toy ny an’io mpandika lalàna io: “Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.” — 2 Korintiana 11:13-15.
Fikomiana amin’ny fanompoam-pivavahana madio
13. Inona moa ny fivadiham-pinoana izay nambaran’i Paoly mialoha ny fiaviany?
13 Nilaza i Paoly fa hiara-hiseho amin’ny fivadiham-pinoana io lehilahin’ota io. Raha ny tena izy aza, ny fanazavana voalohany nomen’i Paoly mba hampahafantarana hoe iza io kilasin’ilay tsy mpankatò lalàna io, dia ny hoe ‘tsy ho avy ny andron’i Jehovah [rehefa handringana ity fandehan-javatra ratsy ity i Jehovah] raha tsy efa tonga aloha ny fivadiham-pinoana’. (2 Tesaloniana 2:2, 3, MN ) Inona anefa no tiana holazaina amin’ny hoe “fivadiham-pinoana”? Araka ny teny manodidina, eto dia tsy midika fotsiny hoe fihemorana kely na fandaozana ny fahamarinana noho ny fahalemena ara-panahy akory izany. Ny teny grika ampiasaina eto hilazana ny hoe “fivadiham-pinoana”, ankoatra ny heviny hafa, dia midika hoe “fialana” na “fikomiana”. Fandikan-teny maromaro no mandika azy hoe “fikomiana”. Izao no vakina ao amin’ny fandikan-tenin’i William Barclay (anglisy): “Tsy ho avy izany andro izany raha tsy mitranga aloha ilay Fikomiana Lehibe.” Ny Fandikan-teny Katolika dia miantso azy hoe “ny Fivadiham-be”. Ao amin’ny faritra ampiasan’i Paoly azy eto àry ny hoe “fivadiham-pinoana” dia midika hoe fikomiana amin’ny fanompoam-pivavahana marina.
14. Oviana no tena niforona marina ny fivadiham-pinoana?
14 Tamin’ny fomba ahoana no niforonan’io fivadiham-pinoana na fikomiana io? Ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:6, i Paoly dia nanoratra, momba ny androny, ny amin’ny “zavatra misakana” ilay tsy mpankatò lalàna. Inona moa izany? Izany dia ilay hery nisakana avy amin’ireo apostoly. Ny naha-teo azy ireo tamin’izany fotoana izany, mbamin’ireo fanomezam-pahasoavana mahery nomen’ny fanahy masina azy ireo, dia nisakana ny fivadiham-pinoana tsy hiely toy ny areti-mifindra (Asan’ny apostoly 2:1-4; 1 Korintiana 12:28). Rehefa maty anefa ireo apostoly tany amin’ny faran’ny taonjato voalohany, dia tsy nisy intsony ilay hery nanakana.
Miforona ny kilasin’ny klerjy tsy araka ny Baiboly
15. Fandaharana inona no naorin’i Jesosy ho an’ny kongregasiona kristiana?
15 Nitombo teo ambany fitarihan’ireo loholona (mpiandraikitra) sy mpikarakara momba ny asa tamin’ny taonjato voalohany ny kongregasiona izay naorin’i Jesosy (Matio 20:25-27; 1 Timoty 3:1-13; Titosy 1:5-9). Nofidina avy tao anatin’ny kongregasiona ireny lehilahy ireny. Lehilahy nahay teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireny, nefa tsy nanana fampiofanana ara-teolojia manokana, toa an’i Jesosy ihany. Noho izany no nanontanian’ireo fahavalon’i Jesosy tena hoe: “Ahoana no nahaizan’Ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?” (Jaona 7:15). Nanao fanamarihana toy izany ihany koa ireo mpitondra fivavahana momba ireo apostoly: “Ary nony nahita ny fahasahisahian’i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.” — Asan’ny apostoly 4:13.
16. Tamin’ny fomba ahoana no tsy nanarahana intsony ny modelin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany raha ny amin’ny fandaminana ny kongregasiona, noho ny fivadiham-pinoana?
16 Ny fivadiham-pinoana, anefa, dia nampiditra hevitra avy amin’ny klerjy jiosy ary, tatỳ aoriana, avy amin’ny fivavahana voaorina mpanompo sampin’i Roma. Araka ny fandehan’ny fotoana, ary raha nitranga ny fialana tanteraka tamin’ny finoana marina, dia niforona ny kilasin’ny klerjy tsy araka ny Baiboly. Ny papa nomena satroboninahitra iray dia nanomboka nanapaka teo amin’ny antokona kardinaly, izay nofidina teo amin’ireo eveka sy arseveka an-jatony maro, izay nalaina kosa avy tamin’ireo pretra nampiofanina tao amin’ireo seminera. Fotoana fohy taorian’ny taonjato voalohany àry, dia tonga mpanapaka teo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny kilasin’ny klerjy nanan-kery niafina iray. Tsy nanaraka ny modely napetrak’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa tamin’ny taonjato voalohany io kilasy io fa nanaraka ny fanaon’ireo fivavahana mpanompo sampy.
17. Oviana indrindra no nihamafy ny fahefan’ilay tsy mpankatò lalàna?
17 Vao tamin’ny taonjato fahatelo amin’ny fanisan-taona iraisana, ireo mpino tsotra dia naetry ho amin’ny toeran’ny lahika. Naka tsikelikely ny fahefana ilay lehilahin’ota mpivadi-pinoana. Nohamafisiny io fahefany io nandritra ny fanapahan’ny emperora Constantin, indrindra fa taorian’ny konsilin’i Nicée tamin’ny 325 am. fan. ir. Nikambana mafy àry ny Eglizy sy ny Fanjakana. Araka izany, ilay lehilahin’ota — ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana — dia tonga fitohitohizan’ny mpivadi-pinoana naharitra taonjato maro, izay nikomy tamin’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah. Ireo lalàna sy fandaharana narahin’izy ireo dia tsy ny an’Andriamanitra, fa ny an’ny tenany manokana.
Fampianarana avy amin’ny mpanompo sampy
18. Fampianarana avy amin’ny mpanompo sampy miteny ratsy an’Andriamanitra inona avy no noraisin’ilay tsy mpankatò lalàna?
18 Araka ny fandehan’ny fotoana, dia naka fampianarana azy amin’ny mpanompo sampy koa ilay lehilahin’ota. Ny andriamanitra telo izay iray feno zava-miafina sady tsy azo takarina, ohatra, dia nisolo an’Ilay nilaza hoe: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.” (Isaia 42:8; 45:5). Nitarina io fanoloana ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny hevitr’olombelona, eny amin’ny hevitra mpanompo sampy mihitsy aza, io ka nahafaoka fitenenan-dratsy an’Andriamanitra fanampiny, dia ny fankamasinana an’i Maria, vehivavy nanetry tena iray ao amin’ny Baiboly, ho toy ny “Renin’Andriamanitra” ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tamin’izany fomba izany no nahatongavan’ny kilasin’ny klerjy, mpampandroso fampianaran-diso toy izany, ho ny “tsimparifary” [ahidratsy, MN ] mandrobona indrindra nafafin’i Satana mba hanandramana mamono ny voa tsara nafafin’i Kristy. — Matio 13:36-39.
19. Tamin’ny fomba ahoana no nisaratsarahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana nandritra ireo taonjato maro, kanefa inona no nitohy hatramin’izao?
19 Rehefa nitranga ny fisarahana sy ny tsy fifanarahana, dia nisaratsaraka ho fivavahana sy antokom-pinoana an-jatony maro ny fivavahana lazaina fa kristiana. Kanefa ny fivavahana na antokom-pinoana vaovao tsirairay avy, afa-tsy vitsivitsy taminy, dia samy nihazona ny fisarahana misy eo amin’ny klerjy sy ny lahika. Toy izany no nitohizan’ny kilasin’ilay lehilahin’ota hatramin’izao. Ary mbola manohy manandra-tena ho ambony noho ny sarambabem-bahoaka ihany izy io, amin’ny fitafiany mampiavaka azy sy ny anaram-boninahiny mipoapoaka. Hita mazava àry fa tsy nanita-javatra i Paoly raha nilaza fa hankalaza tena sy hanandra-tena ho toy ny andriamanitra ilay lehilahin’ota.
Ny fandaharana momba ny Papa
20. Inona no lazain’ny boky katolika sasany momba ny papa?
20 Ohatra iray ny amin’izany fankalazana tena izany ny fandaharan’i Roma momba ny Papa. Ny rakibolana momba ny fiangonana iray, nataon’i Lucio Ferraris ary natonta tany Italia, dia milazalaza ny papa ho “manana voninahitra sy fahambonian-toetra lehibe aoka izany, hany ka tsy olona tsotra fotsiny izy fa toy ny Andriamanitra, sy solontenan’Andriamanitra”. Mizara ho telo ny satroboninahiny, dia ny an’ny “mpanjakan’ny lanitra, ny tany ary ny afobe”. Nanohy toy izao io rakibolana io: “Ny papa dia toy ny Andriamanitra eto an-tany, ilay hany andrianan’ireo olo-mahatokin’i Kristy, ilay mpanjaka lehibe indrindra amin’ny mpanjaka rehetra.” Nanampy koa izy hoe: “Afaka mitsipaka ny lalàn’Andriamanitra ny papa indraindray.” Ambonin’izany, dia nilaza toy izao momba ny papa ny Rakibolana katolika vaovao (anglisy): “Ireo solontenany dia manam-pahefana kokoa noho ireo mpikambana hafa amin’ny iraky ny fanjakana.”
21. Lazao ny fifanipahan-javatra misy eo amin’ny asan’ny papa sy ny an’i Petera sy ny anjely iray?
21 Mifanohitra amin’ireo mpianatr’i Jesosy, mazàna ny papa dia manao fitafiana voakaly tsara amin’ny antsipiriany ary mankasitraka ny fandokadokafan’ny olombelona. Eken’ny papa ny fandohalehan’ny olona eo anatrehany, ny fanorohany ny perany ary ny filanjany azy amin’ny seza manokana. Toy inona moa ny fireharehan’ireo papa nandritra ireo taonjato maro! Zavatra izay mifanipaka tanteraka amin’ny fahatsorana feno fanetren-tenan’i Petera, izay nilaza toy izao tamin’i Kornelio, ilay kapiteny tamin’ny antokon’ny miaramila romana izay nandohalika teo anatrehan’i Petera mba hitsaoka azy: “Mitsangàna; fa olona ihany aho.” (Asan’ny apostoly 10:25, 26, Fandikan-teny katolika) Endrey koa ny fifanoheran’ny ataony amin’ny nataon’ilay anjely nanome ny Fanambarana (Apokalypsy) ny apostoly Jaona! Nitady hiankohoka teo anatrehan’io anjely io i Jaona, nefa nanambara toy izao ilay anjely: “Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.” — Apokalypsy 22:8, 9.
22. Amin’ny alalan’ny fitsipika ao amin’ny Soratra masina inona no ahafahantsika mahafantatra ilay tsy mpankatò lalàna?
22 Mahery loatra ve ny fomba fitsara ny kilasin’ny klerjy toy izany? Azo hamarinina izany amin’ny fampiharana ilay fitsipika nomen’i Jesosy mba hahafantarana ireo mpaminany sandoka: “Ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:15, 16). Namoa voa inona àry ny klerjy nandritra ireo taonjato maro lasa sy amin’izao taonjato faha-20 izao? Inona no hanjo io lehilahin’ota io, ary iza no hiharan’izay hanjo azy io koa? Inona no andraikitr’ireo izay matahotra an’Andriamanitra marina raha ny amin’io tsy mpankatò lalàna io? Ireo lahatsoratra manaraka no hanazava ireo fanontaniana ireo.
Fanontaniana famerenana
◻ Inona moa ilay lehilahin’ota, ary oviana izy io no nanomboka niseho?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ampahafantaran’ny Baiboly ny loharanon’io kilasin’ny tsy mpankatò lalàna io?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nanandratan’ny klerjy tena ho ambony noho ny vahoaka?
◻ Fampianarana sy fanao mampiseho fivadiham-pinoana inona avy no noraisin’ny klerjy?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ifanipahan’ny fihetsik’ireo papa amin’ny an’i Petera sy ny an’ny anjely iray?
[Sary, pejy 14]
Mifanohitra amin’ireo papa, ny apostoly Petera dia tsy nanaiky ny handohalehan’ny olona iray teo anatrehany