FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/5 p. 26-31
  • Nahita ny fitomboana teto Afrika Atsimo aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahita ny fitomboana teto Afrika Atsimo aho
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanomboka tamin’ny loza izany
  • Ireo taona voalohany tamin’ny fitoriana maharitra
  • Tany an-tany hafa
  • Tombontsoa tao amin’ny Betela
  • Fiovan’ny toe-javatra
  • Niatrika fanenjehana tamin’ny fotoan’ny ady
  • Sampana vaovao
  • Fanendrena hafa amin’ny fitoriana
  • Fitahiana sy fahafahampo
  • Fitaizana Zanaka Teto Afrika Nandritra ny Fotoan-tsarotra
    Mifohaza!—1999
  • Nahay Nifidy Asa Aho
    Mifohaza!—2007
  • Fizarana 2: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • ‘Tsy Velona ho An’ny Tenanay Intsony Izahay’
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/5 p. 26-31

Nahita ny fitomboana teto Afrika Atsimo aho

Nataon’i Robert McLuckie

MANDROSO fatratra ny asa fitoriana ilay Fanjakana eto Afrika Atsimo. Raha sahabo ho zato ny mpitory teo amin’ny faran’ireo taona 20, izao dia misy eo amin’ny 45 000 no manambara ny vaovao tsara eto Afrika Atsimo. Ary sahabo ho 150 000 hafa no mitory any amin’ny tany hafa izay niandraiketan’ny sampanay eto Afrika Atsimo teo aloha.

Nanana fifaliana nahita io fitomboana mahatalanjona io teto amin’ny faritra atsimo amin’i Afrika ny tenako nandritra ireo 60 taona lasa! Aoka hotantaraiko aminao fohifohy ny momba izany, ary ny anjara nandraisan’ny fianakaviako sy ny tenako tombontsoa tamin’izany.

Nanomboka tamin’ny loza izany

Tamin’ny 22 jona 1927, dia maty i Edna vady malalako, namela an’i Lyall zanakay vavy telo taona sy i Donovan, zanakay lahy roa taona. Vao 26 taona aho tamin’izay. Namela ahy ho vonton’alahelo sy very hevitra tanteraka ny fahafatesany. Aiza izy izao? Koa satria aho tsy nino fa tany amin’ny afobe izy, dia nahita fampiononana kely aho ny alina tamin’ny fanonofisana fa any an-danitra izy.

Indray andron’ny volana Jolay, dia natolotr’i Donovan kely ahy ny bokikely izay nalefa ho an’olon-kafa, nefa asa izay nahatonga azy hifangaro tamin’ny taratasinay. Nirakitra lahateny nataon’i Joseph Rutherford, prezidà faharoan’ny Fikambanana Watch Tower ilay izy. Nahaliana ahy aoka izany izay noraketiny ka nohafarako avy hatrany ny zavatra vita an-tsoratra rehetra tao amin’ny lisitra. Tsy nampoiziko velively fa hampiova ny fiainako izany.

Teo amin’ireo bokikely tonga, dia nanintona ny masoko ilay nitondra ny lohateny hoe Afobe — Inona izany? Iza no any? Afaka mivoaka avy any ve izy ireo? Nientam-po tanteraka aho nahita io bokikely io! Rehefa nahavaky pejy roa na telo monja aho dia nihomehy tamim-pifaliana tokoa.

Naniry mafy ny hizara izay nianarako aho ka nanoratra na niresaka tamin’ny ray aman-dreniko sy tamin’ny mpikambana hafa amin’ny fianakaviana. Vokatr’izany, tsy ela dia liana ny rahalahiko efatra: Jack, Percy, William ary Sydney, ary nanomboka nitory tamin’ny hafa. Taona maro tatỳ aoriana, dia nanaiky ny finoana koa ny raiko sy ny reniko ary ny anabaviko roa, i Connie sy i Grace.

Tsy nahita Mpianatra ny Baiboly (anarana nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany) hafa teo amin’ny faritra nisy anay teto Afrika Atsimo aho. Nifindra nankany Rhodesia atsimo, Zimbabwe ankehitriny, aho ary niasa tao amin’ny toeram-piompiana teo amin’ny herintaona niaraka tamin’i Jack rahalahiko. Noho ny famakiana ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, tsy ela dia nahatsapa faniriana maika ny hiditra ao amin’ny fanompoana manontolo andro aho.

Hatreo dia tsy mbola nifankahita tamina namana mpino afa-tsy ireo izay nitoriako aho. Koa nanao dia 2300 kilaometatra hatrany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana any Cap Town, Afrika Atsimo, tamin’ny fiarandalamby aho. Fandraisana mafana re izao nataon’i George Phillips, mpiandraikitra ny asa amin’ny faritra atsimo amin’i Afrika, ho ahy izao! Natao batisa aho tamin’ny 10 janoary 1930.

Ireo taona voalohany tamin’ny fitoriana maharitra

Na dia nitory tamin’olona aman-jatony maro ny amin’ny Baiboly aza aho nandritra ireo telo taona nanaraka, dia mbola tsy nandray anjara tamin’ny fanompoana isan-trano. Na dia izany aza, dia voaray tao amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpitory maharitra aho. Tsy nisy fandaharam-piofanana tamin’izany fotoana izany. Raha ny marina, dia mahalana ny mpitory no miaraka ao amin’ny trano iray. Satria vitsy aoka izany ny mpitory, dia toa tsy nety ny nanaovana izany.

Mazava ho azy fa niahy ny amin’izay hahasambatra an’i Lyall sy Donovan zanako izay notezain’ny raibeny sy renibeny aho. Koa satria voakarakara tsara izy ireo tamin’izany fotoana izany, dia nihevitra aho fa mety ny handaniako hery amin’ny fampielezana ny hafatr’ilay Fanjakana amin’ny hafa. Ary izany tokoa no nataoko.

Nandritra ireo telo taona nanaraka tamin’ny fitoriana maharitra, dia nanana namana niaraka tamiko dimy aho, anisan’izany i Syd rahalahiko. Tatỳ aoriana, raha mbola tao amin’ny asan’ny mpitory maharitra izy, dia voan’ny tefoedra ary maty. Tsy mora akory ny fitoriana maharitra tamin’izany fotoana voalohandohany izany. Nampiasa kamiônety nisy fandriana azo aforitra amin’ny andaniny roa amin’ilay fiara izahay. Mamela anay hatory, hipetraka, hahandro sy hihinana ao anatiny izany.

Ny fisehoan-javatra niavaka indrindra tamin’ny fotoana voalohany nanaovako ny fitoriana maharitra, dia ny nandraisanay ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1931, niaraka tamin’ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana — Ny fanantenan’izao tontolo izao. Tsaroako miavaka tsara ny fitebitebeko teo am-pieritreretana ny fampiasana io anarana be voninahitra io, nanontany tena aho raha ho afaka hitondra izany amim-pahamendrehana.

Fisehoan-javatra tsy hay hadinoina hafa koa tamin’izany fotoana izany ny nanaovako batisa an’i Jack rahalahiko sy i Dorrell vadiny tao amin’ny reniranon’i Nuanetsi feno mamba any amin’ny faritra atsimo amin’i Rhodésie. Talohan’ny fandrobohana, dia nanipy vato tao anaty rano izahay mba hampitahorana mamba nety ho namitsaka tany ho any. Tatỳ aoriana, tany amin’ireo taona 50, dia nanao batisa ny reniko tao anaty “baignoire” (toerana fandroana) aho.

Tany an-tany hafa

Tamin’ny 1933, dia nomena faritany tsy mbola nokasihina izahay sy i Robert Nisbet, namako fahadimy — dia ny nosy Maurice sy Madagasikara, any atsimo atsinanan’ny morontsirak’i Afrika. Nandany ny tapany tsara indrindra tamin’ny volana efatra tany amin’ireo nosy roa ireo izahay, namafy voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Endrey izany fifaliana mahita fa manana mpitory ilay Fanjakana any amin’ny 800 ny nosy Maurice ary eo amin’ny 3 000 i Madagasikara! Rehefa nody tany Afrika Atsimo izahay sy Robert dia nisaraka. Tatỳ aoriana dia mpitory maharitra niaraka tamin’i Syd rahalahiko izy, ary taoriana kokoa dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny sampana any Maurice.

Talohan’ny nodianay tany Afrika Atsimo, dia nanao fandaharana aho mba hahita an’i Lyall sy Donovan tany an-tranon’ny raiko. Rehefa avy nitsidika azy aho, dia tonga ny fisarahana tsy azo ialana narahin-dranomaso. Nanao dia lavitra mba hahitana ny rahalahy Phillips, mpiandraikitra ny sampana aho mba hahazoana ny fanendrena ahy manaraka. Izany dia i Nyasaland, Malawi ankehitriny. Nividianana fiara “chevrolet” môdely 1929 aho mba hampiasaiko any.

Tamin’izany, tamin’ny 1934, no nanaovako dia lavitra teo amin’ny 1 900 kilaometatra, tamin’ny lalan-tany ny ankabeazany, avy any Johannesburg, ao Afrika Atsimo, ka hatrany Zomba, renivohitr’i Nyasaland. Farany, dia tonga tany amin’izay nalehako aho, dia ny tranon’i Richard Kalinde, rahalahy afrikana iray. Nanjary namako akaiky sady mpandika teniko izy nandritra ny nijanonako tao Nyasaland. Tatỳ aoriana, dia nahazo efitrano roa tao amina hôtely tranainy izay tsy nampiasaina intsony aho. Nampiasaiko ho birao fitoeran’entana ny efitra iray, ary hipetrahana ny iray.

Ny nanendrena ahy tao Nyasaland dia mba handaminana ny toe-javatra nikorontana vokatr’izay nantsoina hoe “fihetsiketsehan’ny Watchtower”. Taona maro talohan’izay, dia tompon’andraikitra tamin’ny fitomboan’io fihetsiketsehana io ny afrikana iray izay nifankazatra tamin’ny boky nosoratan’i Charles Taze Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, nefa ny tenany dia tsy tonga Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. — Jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1976, pejy faha-72 hatramin’ny faha-75.

Nitsidika ny kongregasion’ireo izay nampiasa ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Watch Tower aho, ary namaky fanapahan-kevitra nikasika ny anarana vaovao nentinay hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nangatahina izay rehetra nanaiky mba haneho izany amin’ny alalan’ny tsangan-tanana. Naneho izany ny ankamaroany, nefa tsy nahatakatra tanteraka izay tafiditra tamin’izany ny maro. Noho izany, rehefa nandeha ny taona, raha tsy nandroso ara-panahy ny sasany, ny hafa kosa nanala tanteraka ny fanohanany an’ilay noheveriny ho filoha ary tonga Vavolombelon’i Jehovah tokoa.

Taorian’ny enim-bolana teo ho eo lany tao Nyasaland, dia nankany Mozambique izay mbola tsy nitoriana ny hafatra momba ny Fanjakana mihitsy aho. Tany dia nifankahita tamin’ny manamboninahitra tanora portiogay izay nifandray tamiko sy Robert Nisbet teny amin’ny sambo nankany Maurice aho. Nanasa ahy hisakafo izy, ary afaka niresaka taminy bebe kokoa aho.

Tamin’ny fotoana hafa iray, dia nijanona teo anilako ny fiara iray, tany amin’ny vohitra any amin’ny faritra avaratra amin’i Mozambique. Tsy iza izany fa ny governoran’ilay faritra. Nanontaniany aho raha nila fanampiana avy aminy ary nasainy tany an-tranony. Tany dia nandray zavatra vita an-tsoratra maro navoakan’ny Watch Tower izy. Na dia voarara aza ny asa ankehitriny any Mozambique sy Nyasaland (Malawi), dia mahafaly ahy ny mahafantatra fa rahalahy sy anabavy mahatoky maro no miasa any.

Tombontsoa tao amin’ny Betela

Rehefa niverina avy tany Nyasaland aho, dia akory ny fahagagako! Nasaina hiasa ao amin’ny biraon’ny sampan’i Afrika Atsimo any Cap Town aho ary nalefa hisolo toerana ahy tany Nyasaland i William, zandriko. Niainga àry aho nanao 3 500 kilaometatra tamin’ny “Chevrolet”. Teny an-dalana dia nitsidika an’i Donovan sy Lyall aho. 11 taona sy 12 taona izy ireo tamin’izay, ary herintaona tatỳ aoriana vao afaka nahita azy indray ny tenako.

Notendrena hiandraikitra ny biraon’ny sampana aho rehefa tsy ao ny rahalahy Phillips izay mpiandraikitra ny sampana. Na dia tsy nikambana tamina kongregasion’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy tapaka aza aho hatramin’ny nianarako ny fahamarinana sivy taona talohan’izay, dia notendrena ho mpiandraikitra prezidàn’ny kongregasion’i Cap Town izay voaforon’ny mpitory 20 teo ho eo, tamin’ny 1936.

Fiovan’ny toe-javatra

Tsy naniry hanao sorona ny tombontsoam-panompoako aho nefa efa hiditra ao amin’ny fahatanorana i Lyall sy Donovan, ary sahiran-kevitra ny amin’izay hahasambatra sy izay hahasoa ara-panahy azy aho. Soa ihany fa nanakaiky ny vahaolana tamin’ilay zava-manahirana.

Tamin’ny 6 jona 1936, dia nampifankahalalain’ny rahalahy Phillps tamina vahiny vao tonga avy tany Aostralia aho: ranabavy Seidel sy i Carmen, zanany vavy tsara tarehy 18 taona. Tsy ampy herintaona dia nivady izahay sy Carmen. Nahazo asa tsy ara-pivavahana àry aho ka nanorina tokantrano.

Niasa herintaona tao Afrika Atsimo aho, nefa avy teo dia nifindra tany amin’ny faritra atsimo amin’i Rhodésie izahay sy Carmen ary Peter, zanakay lahy kely. Nanasa ahy ho any i Jack rahalahiko mba hitrandraka volamena miaraka aminy. Rehefa tafapetraka soa aman-tsara izahay, dia nanafatra an’i Lyall sy Donovan izay nipetraka tany amin’ny renin’i Carmen teo anelanelan’izay.

Niatrika fanenjehana tamin’ny fotoan’ny ady

Nipoaka ny Ady Lehibe faharoa tamin’ny septambra 1939, ary norarana ny zavatra vita an-tsoratra navoakanay ny taona nanaraka. Nanapa-kevitra ny hitsapa ny herin’io lalàna io izahay tamin’ny fizarana ny zavatra vita an-tsoratra na inon-kihatra na inon-kidona. Nanaraka izany ny fisamborana sy fanamelohana, ary nalaina an-keriny sy nodorana ny boky sy Baibolinay.

Indray maraina, taorian’ny asa fitoriana nataonay, dia nasain’ny pôlisy mpanao famotopotorana izahay mba haka ireo zanakay any amin’ny “commissariat” izay nitondrana azy. Nanda izany izahay tamin’ny fanehoana fa rehefa miharihary fa nosamborina ireo zatovo, dia anjaran’ny pôlisy ny mikarakara azy. Ny tolakandron’iny, rehefa tonga avy tany amin’ny saha fitoriana izahay, dia hitanay tao an-trano ny ankizy tsy naninon-tsy naninona nefa tsy nisy pôlisy tazana!

Indray mandeha koa, tamin’ny 1941, dia nomelohina telo volana an-tranomaizina i Carmen na dia bevohoka aza. Soa ihany fa teraka talohan’ny nanalan’i Carmen ny saziny i Estrella. Toy izay hamela ny zazakely tao an-trano niaraka tamiko, dia naleon’i Carmen nitondra azy tany am-ponja. Tamin’izany no nahatonga an’i Estrella hanana mpitaiza Afrikana vavy izay namono nahafaty ny vadiny. Rehefa nafahana i Carmen, dia nikorontan-tsaina aoka izany ilay mpamono olona ka nitomany mafy. Aoka holazaiko vetivety, fa nanomboka nanao ny asan’ny mpitory maharitra i Estrella tamin’ny 1956, teo amin’ny faha-15 taonany. Tatỳ aoriana, dia nanambady an’i Jack Jones izy ary hatramin’ny 20 taona mahery izao dia nanompo niaraka tamin’ny vadiny teto Afrika Atsimo, ary amin’izao dia any amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower any Brooklyn, New York.

Tsy ela taorian’izay, dia nandany volana maromaro tany am-ponja koa ny tenako noho ny fitoriana. Raha mbola tany aho, tamin’ny janoary 1942, dia maty i Joseph Rutherford. Tsy nahatana ny ranomasoko aho iny alina iny rehefa nitokana tao amin’ny efitrano keliko aho. Nanana fahafahana hanao fanambarana aho, ary, indray alahady maraina, raha mbola nanatanja-tena teo an-tokotany ny hafa rehetra, dia nanao batisa namana mpigadra izay nanaiky ny hafatr’ilay Fanjakana aho.

Sampana vaovao

Nahita asa tao amin’ny lalamby ao Bulawayo aho taorian’ny nahafahako tany am-ponja. Nianatra nanjaitra tany am-ponja i Carmen ary nampiasa izany fahaizana izany mba hanampiana amin’ny famelomana ny fianakaviana. Niverina avy tany Afrika Atsimo izay nanaovanay ny asan’ny mpitory maharitra i Lyall ary nanampy tamin’izay lany koa. Vokatr’izany, tsy ela izahay dia nahazo nihoatra noho izay tena nilainay. Nidinika ny amin’izany izahay, ary nifanaraka fa afaka miverina amin’ny fanompoana manontolo andro indray ny tenako.

Tamin’ny 1947, koa satria aho nanana karatra fandehanana, dia nandray fiarandalamby hatrany Cap Town aho mba hahita ny rahalahy Phillps. Akory ny hagagako raha notendrena hanokatra trano fametrahana entana any Bulawayo aho mba hitantanana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Avy eo, ny taona nanaraka, dia tonga nitsidika i Nathan Knorr, prezidà fahatelon’ny Fikambanana Watch Tower. Nanao fandaharana izy mba hahatonga an’ilay trano fametrahana entana ho biraon’ny sampana tamin’ny 1 septambra 1948, ka i Eric Cooke no mpiandraikitra ny sampana tany Rhodésie atsimo. Nandritra ireo 14 taona nanaraka, dia nanana tombontsoa niasa tao amin’ny sampana aho sady nipetraka tany an-trano niaraka tamin’ny fianakavianay izay nitombo hatrany. Velom-pankasitrahana aoka izany noho ny fanohanana ara-nofo nentin’i Carmen sy ireo zanakay lehibe aho, satria izany namela ahy hanohy hiasa ao amin’ny biraon’ny sampana.

Fanendrena hafa amin’ny fitoriana

Tamin’ny 1962, dia naniry ny handeha lavitra kokoa izahay sy Carmen ary hiasa any amin’izay ilàna mpitory bebe kokoa. Namidinay àry ny tranonay ary nentinay i Lindsay sy Jeremia, zanakay kely indrindra — efa nandao ny tokantrano ny dimy hafa satria efa lehibe — ary nankany amin’ny nosy Seichelles izahay.

Tamin’ny voalohany, dia nandeha fiarakodia saika tamin’ny lalan-tany foana teo amin’ny 2900 kilaometatra izahay mandra-pahatonga tany Mombasa any Kenya. Navelanay tamina rahalahy ilay fiara ary niondrana an-tsambo ho any Seychelles izahay. Nisy olona liana iray nampifankahalala anay tamin’ny hafa, ary tsy ela dia nanao fivoriana saika teo amin’ny alokaloky ny tranon’ny eveka izahay. Nanao fivoriana hafa teo amin’ny nosy akaiky izahay, tao amin’ny trano fitoeran-tsambon’olona manokana nohodidinin’ny palmie nijoalajoala sy teo akaikin’ny moron-drano nitopatopan’ny onjan-dranomasina.

Tsy ela dia nanjary fanta-bahoaka ny asanay, ary tamin’ny farany ireo manam-pahefana dia nandidy anay hitsahatra tsy hitory, zavatra izay tsy azonay nekena tsotra izao (Asa. 4:19, 20). Noho izany àry dia noroahina izahay, nefa tamin’izay fotoana izay dia nahavita batisa olona dimy izahay. Nandritra ny dimy volana nitoeranay tany Seichelles, dia bevohoka an’i Andrew, zanakay farany i Carmen. Tamin’ny fiverenanay tany Rhodésie atsimo, dia nanasa anay hipetraka tao aminy mandra-pahaterak’i Andrew i Pauline, zanakay vavy sy ny vadiny.

Fitahiana sy fahafahampo

Faly aho milaza fa nisy fotoana nanaovan’ny zanakay valo ny asan’ny mpitory maharitra teo amin’ny fiainany, anisan’izany i Lyall sy Donovan. Raha ny marina, dia efatra amin’ireo zanakay lahy sy vinantolahy no loholona, ary mpikarakara momba ny asa ny roa. Fanampin’izany, dia endrey ny fifalianay fa mitory ny vaovao tsara miaraka amin’ireo ray aman-dreniny ny ankamaroan’ny zafikely sy zafiafinay any amin’ny tany efatra, ary am-polony maro hafa amin’ireo anisan’ny fianakaviana McLuckie koa no manompo an’i Jehovah. Mino aho fa izany vokatra izany dia avy amin’ny tsy fanapatapahan’ny fianakaviana ny fivoriana sy noho ny fandaniana fotoana tsy tapaka amin’ny asa fitoriana.

Ankehitriny dia 89 taona aho, ary mbola manana tombontsoa ho loholona ao amin’ny kongregasiona misy anay eto Pietermaritzburg, eto Afrika Atsimo. Mitondra tena fahafahampo ho ahy ny fitodihana any amin’ireo 60 taona mahery tao amin’ny fanompoana an’i Jehovah nisy fitahiana. Fitahiana manokana koa ny nahitana taranaka dimy amin’ny fianakavianay, anisan’izany ny ray aman-dreniko, nidera an’i Jehovah, ilay Andriamanitra lehiben’izao rehetra izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara