FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/11 p. 20-24
  • Fitaizana Zanaka Teto Afrika Nandritra ny Fotoan-tsarotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitaizana Zanaka Teto Afrika Nandritra ny Fotoan-tsarotra
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nankatỳ Afrika, ary nanambady
  • Ny fifindranay tany Rhodésie Atsimo
  • Samy nampidirina an-tranomaizina izahay sy i Bertie
  • Ny fanompoanay taorian’ny ady
  • Faritany vaovao
  • Fiverenana nampidi-doza
  • Sambatra manana fianakaviana be fitiavana
  • Nahita ny fitomboana teto Afrika Atsimo aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Tantaram-piainana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Niara-nihalehibe Tamin’ny Fandaminan’i Jehovah Teto Afrika Atsimo Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ankafizo Tsara ny “Fiainana Ankehitriny”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/11 p. 20-24

Fitaizana Zanaka Teto Afrika Nandritra ny Fotoan-tsarotra

NOTANTARAIN’I CARMEN MCLUCKIE

Ny taona 1941 tamin’izay. Namely mafy ny Ady Lehibe Faharoa. Renim-pianakaviana avy tany Aostralia, izay 23 taona, aho, kanefa dia tany an-tranomaizina tany Gwelo, any Rhodésie Atsimo, (Gweru, any Zimbabwe, ankehitriny), izahay sy ny zanako dimy volana. Tao an-tranomaizina tany Salisbury (Harare ankehitriny) kosa ny vadiko. Ny zanakay hafa — roa sy telo taona — dia nokarakarain’ny zana-badiko roa, izay efa zatovo. Aoka hohazavaiko ny fomba nahatongavako tamin’io toe-javatra io.

NIARA-NIPETRAKA tamin’i Dada sy i Neny tany Port Kembla, tokony ho 50 kilaometatra any atsimon’i Sydney, any Aostralia, aho. Tamin’ny 1924, dia nitsidika an’i Neny i Clare Honisett, ary nanaitra ny fahalianany tamin’ny fampianaran’ny Baiboly, tamin’ny fanontaniany azy raha azony ny hevitr’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Nanazava ny atao hoe manamasina ny anaran’Andriamanitra i Clare, ary avy eo dia nilaza ny fomba hanatanterahan’ilay Fanjakana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany. (Matio 6:9, 10). Talanjona i Neny. Na dia nanohitra aza i Dada, dia nanomboka nanadihady lalindalina kokoa izany fahamarinana ara-baiboly izany i Neny.

Tsy ela taorian’izay, dia nifindra tany amin’ny faritanàna iray manamorona an’i Sydney izahay. Nandeha an-tongotra dimy kilaometatra teo ho eo avy tany, izahay sy i Neny mba hamonjena ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Na dia tsy tonga Vavolombelona mihitsy aza i Dada, dia namela ny hanaovana fianarana Baiboly tao an-tokantranonay izy. Ny roa tamin’ireo rahalahiny — i Max sy i Oscar Seidel — dia tonga Vavolombelona, ary toy izany koa ny sasany tamin’ny mpianakavin’i Max, sy i Terry, zandriko lahy, ary i Mylda, zandriko vavy.

Tamin’ny 1930, ny Fikambanana Watch Tower dia nividy sambo iray 16 metatra, izay novana hoe Lightbearer ny anarany, tatỳ aoriana. Nandritra ny roa taona, dia niantsona teo am-pototry ny tranonay teo amin’ny Reniranon’i Georges, io sambo io. Namboarina teo izy io, mba ho azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ampiasaina teo amin’ny asa fitoriana tany amin’ireo nosin’i Indonezia. Nanadio ny efitra sy ny tokotanin-tsambo izahay sy i Coral rahavaviko indraindray, ary nindrana ilay jiro teo an-tendron’ny salazan-tsambo izahay, mba hanaratoana makamba.

Nankatỳ Afrika, ary nanambady

Teo antenatenan’ireo taona 1930, dia tratran’ny fitotongan’ny toe-karena i Aostralia, ary nandeha nankatỳ Afrika Atsimo izahay sy i Neny, mba hahitana raha hety amin’ny fianakavianay ny honina eto. Nahazo taratasy fampahafantarana anay avy tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia, ho an’i George Phillips, izay niandraikitra ny asa fitoriana tatỳ atsimon’i Afrika tamin’izany, izahay. Teo amin’ny seranan-tsambon’i Le Cap, mba hitsena anay, i George. Nosakelehiny ilay bokin’ny Fikambanana Watch Tower hoe Riches, mba hamantaranay azy. Tamin’io andro io ihany, tamin’ny 6 Jona 1936, dia nampifankahalala anay tamin’ireo mpikambana dimy tao amin’ny sampana izy, ka iray tamin’izy ireo i Robert A. McLuckie.a Tao anatin’ny herintaona, dia nivady izahay sy i Bertie — araka ny niantsoanay rehetra azy.

I William McLuckie, rain’ny raiben’i Bertie dia tonga teto Afrika tamin’ny 1817, avy tany Paisley, any Ekosy. Tamin’ireo diany voalohany, i William dia nanjary nifankahalala tamin’i Robert Moffat, ilay lehilahy namorona ny soratra amin’ny fiteny tswana, sy nandika ny Baiboly ho amin’io fiteny io.b Tamin’ireny andro taloha ireny, dia i William sy i Robert Schoon, namany, no hany fotsy hoditra nitokisan’i Mzilikazi, mpiady nitana toerana ambony tao amin’ny tafik’i Shaka, ilay filoha zoloa malaza. Ho vokatr’izany, dia i William sy i Robert no hany fotsy hoditra navela hiditra tao amin’ny vohitr’i Mzilikazi, izay misy ny tanànan’i Prétoria, atỳ Afrika Atsimo, ankehitriny. Tatỳ aoriana, i Mzilikazi dia nanjary mpitondra fanjakana, ary nampiray foko maro ho fanjakana afrikanina ivangongoan’ny fahefana, teo antenatenan’ny taonjato faha-19.

Maty vady sy nanan-janakavavy 12 taona atao hoe Lyall, sy zanakalahy 11 taona atao hoe Donovan, i Bertie, fony aho nahita azy voalohany. Nianatra voalohany ireo fahamarinana ara-baiboly i Bertie, tamin’ny 1927, volana vitsivitsy monja taorian’ny nahafatesan’i Edna vadiny. Nandritra ireo sivy taona nanaraka izy dia nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’ny nosy Maorisy sy Madagasikara, ary koa nanerana an’i Nyassaland (Malawi ankehitriny), sy i Afrika Atsinanana Portogey (Mozambika ankehitriny), ary i Afrika Atsimo.

Volana vitsivitsy taorian’ny nivadianay sy i Bertie, dia nifindra nankany Johannesburg, izay mora nahitan’i Bertie asa, izahay, niaraka tamin’i Lyall sy i Donovan. Nandritra ny fotoana kelikely, dia mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ireo minisitra manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Avy eo dia bevohoka an’i Peter aho.

Ny fifindranay tany Rhodésie Atsimo

Tamin’ny farany, dia nanasa anay hiaraka taminy, mba hitrandraka volamena teo akaikin’i Filabusi, any Rhodésie Atsimo, i Jack, rahalahin’i Bertie. Nandeha tany niaraka tamin’i Peter, izay herintaona, izahay sy i Bertie, ka ny reniko no nikarakara vetivety an’i Lyall sy i Donovan. Rehefa tonga teo amin’ny Reniranon’i Mzingwani izahay, dia tondraka ny rano, ka voatery nita azy io tao anaty vata nosintonina teo amin’ny tady vy nohenjanina avy teo amoron’ilay ony ho eny amin’ny ilany, izahay. Bevohoka enim-bolana an’i Pauline aho, no sady voatery namihina mafy an’i Peter teo an-tratrako! Nampahatahotra ilay izy, indrindra fa rehefa nadiva hikasika ny rano ilay tady vy, teo antenatenan’ilay renirano. Ankoatra izany, dia efa nisasaka ny alina ary nivatravatra ny orana! Rehefa avy nita ilay renirano izahay, dia voatery nandeha an-tongotra roa kilaometatra teo ho eo, vao tonga tany an-tranon’ny havana iray.

Tatỳ aoriana, dia nanofa trano tranainy lanin’ny vitsikazo teo amin’ny toeram-piompiana iray izahay. Vitsy ny entanay — ny sasany taminy namboarinay avy tamin’ny vata fametrahana dinamita sy fusibles. Voan’ny fivontosan’ny lohatraoka i Pauline matetika, nefa tsy nahavidy fanafody izahay. Vonton’alahelo aho, nefa velom-pankasitrahana izahay fa tsy maty i Pauline isaky ny narary.

Samy nampidirina an-tranomaizina izahay sy i Bertie

Isam-bolana izahay dia nandeha tany amin’ny tanànan’i Bulawayo, 80 kilaometatra avy teo aminay, mba hivarotra ny volamenanay tany amin’ny banky. Nandeha tany Gwanda, tanàna kely iray eo akaiky kokoa an’i Filabusi, koa izahay, mba hividy sakafo sy hanao fanompoana. Tamin’ny 1940, ny taona taorian’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia norarana ny asa fitorianay tany Rhodésie Atsimo.

Tsy ela taorian’izay, dia nosamborina aho, fony nitory tany Gwanda. Bevohoka an’i Estrella, zanako fahatelo, aho tamin’izay. Teo am-pandinihana ny fangatahako famerenam-pitsarana, dia nosamborina i Bertie, satria nitory, ary nampidirina an-tranomaizina tany Salisbury, 300 kilaometatra mahery avy teo amin’ny nisy anay.

Toy izao no toe-javatra nisy anay tamin’izay fotoana izay: Voan’ny difiteria i Peter, ka tany amin’ny hopitaly, tany Bulawayo, ary tsy fantatra raha ho velona izy na tsia. Vao avy niteraka an’i Estrella aho, ary naka ahy avy tany amin’ny hopitaly ho any an-tranomaizina, mba hampiseho an’i Bertie ny zanany vavy vao teraka, ny namanay iray. Tatỳ aoriana, rehefa nolavina ny fangatahako famerenam-pitsarana, dia nandoa tamin-katsaram-panahy ny antoka tokony ho naloako, ny Karàna mpivarotra nanankarena iray. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga tao amin’ny toeram-pitrandrahana mba hanagadra ahy, ny polisy telo. Nomen’izy ireo safidy aho. Na, hitondra ny zanako dimy volana tany an-tranomaizina, na hamela azy hokarakarain’ny zanakay, i Lyall sy i Donovan, izay efa zatovo. Nanapa-kevitra ny hitondra azy aho.

Nasaina nanjaitra fitafiana sy nanadio aho. Afa-tsy izany koa, dia nisy ramatoa mpitaiza iray nanampy tamin’ny fikarakarana an’i Estrella. Tanora iray voafonja, nantsoina hoe Matossi, izay gadra mandra-pahafatiny noho izy namono ny vadiny, izy io. Nitomany i Matossi, rehefa nafahana aho, satria tsy afaka nikarakara an’i Estrella intsony izy. Nitondra ahy hisakafo antoandro tany an-tranony ilay vehivavy mpiambina ny gadra vavy, ary avy eo, dia nametraka ahy tao amin’ny lamasinina, mba hitsidihako an’i Bertie tany an-tranomaizin’i Salisbury.

Fony izahay sy i Bertie tany an-tranomaizina, dia i Lyall sy i Donovan no nikarakara an’i Peter sy i Pauline kely. Na dia vao 16 taona monja aza i Donovan, dia nanohy ny asa fitrandrahana nataonay izy. Rehefa nafahana avy tany an-tranomaizina i Bertie, dia nanapa-kevitra ny hifindra tany Bulawayo izahay, satria tsy nahavelona intsony ilay fitrandrahana. Nahita asa tao amin’ny lalamby i Bertie, ary nanampy ny fidiram-bolanay aho, tamin’ny fanjairana, izay fahaizana vao azoko.

Ny asan’ny mpametaka hombo vy tamin’ny lalamby nataon’i Bertie dia noheverina ho tena nilaina, hany ka navela tsy hanao raharaha miaramila izy. Nandritra ireny taona nisian’ny ady ireny, dia nivory tao amin’ny efitra kely fandrianay ireo Vavolombelona nihoatra ny roa ambin’ny folo teo ho eo, ary nivory tany an-toeran-kafa tao amin’ilay tanàna ny vitsivitsy tamin’ireo anadahinay sy rahavavinay mainty hoditra. Ankehitriny anefa, dia kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 46 misy mainty hoditra sy fotsy hoditra no hita ao Bulawayo!

Ny fanompoanay taorian’ny ady

Taorian’ilay ady, i Bertie dia nangataka tamin’ireo mpiandraikitra ny lalamby mba hifindra tany Umtali (Mutare ankehitriny), tanàna tsara tarehy iray teo amin’ny sisin-tanin’i Mozambika. Naniry ny hanompo tany amin’izay nilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa izahay, ary toa toerana araka ny nilanay azy i Umtali, satria tsy nisy Vavolombelona tao amin’ilay tanàna. Nandritra ny fotoana fohy nijanonanay tany, dia tonga Vavolombelona ny fianakavian-dry Holtshauzen, izay nanan-janaka dimy mirahalahy. Kôngregasiôna 13 izao no ao amin’ilay tanàna!

Tamin’ny 1947, dia niara-nidinika ny amin’ny fahafahan’i Bertie hiverina hanao ny asan’ny mpisava lalana, ny fianakavianay. Nanohana an’io hevitra io i Lyall, izay avy nanao ny asan’ny mpisava lalana teto Afrika Atsimo. Tamin’io fotoana io, dia mpisava lalana teto Afrika Atsimo i Donovan. Rehefa nahafantatra ny fanirian’i Bertie ny ho mpisava lalana indray ny biraon’ny sampana tany Le Cap, dia nangataka azy hanokatra trano fanatobiana zavatra vita an-tsoratra tany Bulawayo, kosa izy ireo. Koa niala tamin’ny lalamby izy, ary dia niverina tany izahay. Tsy ela taorian’izay, dia tonga tany Bulawayo ireo misionera voalohany tany Rhodésie Atsimo, anisan’izany i Eric Cooke, i George sy i Ruby Bradley, i Phyllis Kite, ary i Myrtle Taylor.

Tamin’ny 1948, dia nitsidika an’i Bulawayo i Nathan H. Knorr, prezidà fahatelon’ny Fikambanana Watch Tower, niaraka tamin’i Milton G. Henschel, izay sekreterany, ary nanao ilay trano fanatobiana entana ho sampana, ka ny Rahalahy Cooke no mpiandraikitra. Ny taona nanaraka, dia teraka i Lindsay, zanakay vavy. Avy eo, tamin’ny 1950, dia nafindra tany Salisbury, renivohitr’i Rhodésie Atsimo, ny sampana, ka nifindra tany koa izahay. Nividy trano lehibe iray, izay nipetrahanay nandritra ny taona maro, izahay. Nisy mpisava lalana sy mpitsidika foana niara-nipetraka taminay, hany ka nanjary fantatra ho ny hotely McLuckie, ny tranonay!

Tamin’ny 1953, dia nanatrika ny fivoriambe niraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny Yankee Stadium, any New York, izahay sy i Bertie. Fisehoan-javatra tsy hay hadinoina mihitsy ilay izy! Dimy taona tatỳ aoriana, dia niaraka taminay nandritra ny valo andro manontolo, tany amin’ilay fivoriambe niraisam-pirenena goavana tamin’ny 1958, tao amin’i Yankee Stadium, sy i Polo Grounds teo akaiky, i Lyall sy i Estrella sy i Lyndsay ary i Jeremy, izay herintaona sy efa-bolana. Ampahefa-tapitrisa mahery no nanatrika ny lahateny ampahibemaso tamin’ny andro faran’ilay fivoriambe, ary isa be indrindra izany!

Faritany vaovao

Mpiasan’ny Betela nody isan-kariva, tany amin’ny biraon’ny sampana tany Salisbury, nandritra ny 14 taona teo ho eo i Bertie; avy eo anefa dia nanapa-kevitra ny hanompo tany Seychelles, izay nila fanampiana bebe kokoa izahay. Nivarotra ny tranonay sy ny fanakay izahay, ary nanangona ireo fanananay sisa tao anaty fiaranay Opel. Niaraka tamin’i Lindsay, 12 taona, sy i Jeremy, 5 taona, izahay, nanao dia lavitra 3 000 kilaometatra teo ho eo, tamin’ny lalan-tany nikitoantoana be, namakivaky an’i Rhodésie Avaratra (Zambia ankehitriny), sy i Tanganyika (faritra any Tanzania ankehitriny), ary i Kenya, ary tamin’ny farany dia tonga tao amin’ny seranan’i Mombasa.

Nila tsy ho tanty ny hafanana tany Mombasa, nefa kanto ny torapasika tao. Navelanay tamin’ny Vavolombelona iray teo an-toerana ny fiaranay, ary nandeha an-tsambo, nandritra ny telo andro, ho any Seychelles izahay. Rehefa tonga tany izahay, dia notsenain’i Norman Gardner, lehilahy iray nahazo fahalalana fototra ny fahamarinana ara-baiboly avy tamin’ny Vavolombelona iray tany Dar es-Salaam, any Tanganyika. Nandamina ny hanofanay ilay trano teo amin’ny Vozon-tanin’i Sans-Souci, izay naorina ho an’ny polisy niambina an’i Makarios, ilay Arseveka ôrtôdôksa grika, izay natao sesitany tao, avy tany Chypre, tamin’ny 1956, izy.

Koa satria nitokana be ny tranonay, dia nifindra tao amin’ny trano iray teo amoron-dranomasina tany Beau Vallon izahay, iray volana tatỳ aoriana. Tany dia nanasa olona ho amin’ireo lahateny nataon’i Bertie teo an-davaranganay izahay. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin-dry Bindschedler izahay, ary roa volana tatỳ aoriana, i Bertie dia nanao batisa azy ireo sy ny zanany vavy natsangany ary i Norman Gardner sy ny vadiny. Niara-nandeha tamin’i Norman koa izahay, nitaingina ny sambony nankany amin’ny Nosy Cerf, ary tany i Bertie dia nanao lahateny ara-baiboly tao amin’ny trano fitoeran-tsambo.

Rehefa tao Seychelles nandritra ny efa-bolana teo ho eo izahay, dia nilaza taminay ny sefon’ny polisy fa tokony hitsahatra tsy hitory izahay, raha tsy izany dia horoahina. Kely dia kely ny volanay, ary bevohoka indray aho. Nanapa-kevitra ny hanohy ny fitorianay ampahibemaso izahay. Raha ny tena izy, dia fantatray fa tsy ho ela dia handeha izahay, na ahoana na ahoana. Rehefa tonga ny sambo nanaraka avy tany Inde, iray volana teo ho eo tatỳ aoriana, dia noroahina izahay.

Fiverenana nampidi-doza

Rehefa tonga tao Mombasa izahay, dia naka ny fiaranay, ka nitodi-doha nianatsimo nanaraka ny lalam-pasika amorontsiraka. Rehefa tonga tao Tanga izahay, dia tsy nandeha ny môteranay. Nadiva ho lany ny volanay, nefa nisy havana iray sy Vavolombelona iray hafa nanampy anay. Fony izahay tao Mombasa, dia nisy rahalahy iray nanolo-kevitra ny hanohana anay ara-bola, raha nandeha nianavaratra nankany Somalia, mba hitory tany, izahay. Kanefa, tsy tsaratsara aho, ka naniry ny hody tany Rhodésie Atsimo, izahay.

Niampita avy tany Tanganyika ho any Nyassaland izahay, ary nidina nanaraka ny lafiny andrefan’ny Farihy Nyassa, izay antsoina ankehitriny hoe Farihy Malawi. Nanjary narary be aho, ka nangataka tamin’i Bertie mba hametraka ahy teo amoron-dalana mba ho faty! Teo akaikin’ny tanànan’i Lilongwe izahay, ka noho izany dia nitondra ahy tany amin’ny hopitaly tao izy. Nanome ahy fanamaivanana ny tsindrona môrfinina. Koa satria tsy afaka nanohy nandeha fiara aho, dia i Bertie sy ny ankizy no nanohy ilay dia 400 kilaometatra teo ho eo hatrany Blantyre. Nisy havana iray nandamina ny handehanako fiaramanidina ho any, mba hamonjy azy ireo, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Avy tao Blantyre aho dia nandeha fiaramanidina niverina tany Salisbury, fa i Bertie sy ny ankizy kosa dia nanao ny ambin’ny dia nody tamin’ny fiara.

Maivamaivana erỳ izahay rehetra tonga tao Salisbury, tao amin’ny tranon’i Pauline, zanakay vavy, sy ny vadiny! Tamin’ny 1963, dia teraka i Andrew, zanakay farany. Nitsahatra tsy niasa ny havokavony, ka tsy nantenaina ny ho velona izy, nefa soa ihany fa velona. Tamin’ny farany, dia nifindra teto Afrika Atsimo izahay, ka nanorim-ponenana teto Pietermaritzburg.

Sambatra manana fianakaviana be fitiavana

Tamin’ny 1995, dia maty tamim-piadanana i Bertie, teo amin’ny faha-94 taonany, ary nanomboka tamin’izay aho dia mipetraka irery ato amin’ny tranonay eto. Tsy irery velively anefa aho! Manompo an’i Jehovah eto Afrika Atsimo, miaraka amin’ny fianakaviany avy, i Lyall sy i Pauline, ary mipetraka eto Pietermaritzburg mihitsy ny sasany amin’izy ireo. I Lindsay sy ny fianakaviany dia any Kalifornia, any Etazonia, ary Vavolombelona marisika avokoa izy ireo. Ny zanakay roa farany, i Jeremy sy i Andrew, dia nifindra tany Aostralia, ary samy manana tokantrano sambatra izy roa lahy, no sady loholona ao amin’ny kôngregasiônany avy.

Samy efa nandray anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana daholo izy valo mianadahy, ary nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ny enina. Nahazo diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tamin’ny kilasy faha-16, i Donovan, tamin’ny Febroary 1951, ary mpiandraikitra mpitety faritany tany Etazonia izy, talohan’ny niverenany niasa eto amin’ny biraon’ny sampana eto Afrika Atsimo. Loholona kristianina ao Klerksdorp, 700 kilaometatra miala avy eto Pietermaritzburg, izy izao. Miara-mipetraka amin’i Jack Jones, vadiny, ao amin’ny Foibe Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, kosa i Estrella.

I Peter lahimatoako dia nandany taona vitsivitsy tamin’ny fanompoana manontolo andro, teo amin’ny asan’ny mpisava lalana, sy tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Watch Tower, tany Rhodésie. Taona vitsivitsy lasa izay anefa, dia nalahelo aho, rehefa nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ny kôngregasiôna kristianina intsony izy.

Rehefa mitodika ny fiainako lasa aho, dia afaka milaza fa tena faly aho fa nankatỳ Afrika niaraka tamin’ny reniko, fony aho zatovo. Marina fa tsy mora foana ny fiainana, nefa tombontsoako ny nanohana ny vadiko sy nitaiza ny fianakaviako, izay anisan’ny nanomboka ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra tatỳ amin’ny faritra atsimon’i Afrika. — Matio 24:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hita ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1990, pejy 26-31, ny tantaram-piainan’i Robert McLuckie.

b Jereo ny pejy 11 amin’ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sarintany, pejy 22, 23]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA ATSIMO

Le Cap

Pietermaritzburg

Klerksdorp

Johannesburg

Prétoria

ZIMBABWE

Gwanda

Bulawayo

Filabusi

Gweru

Mutare

Harare

ZAMBIA

MOZAMBIKA

MALAWI

Blantyre

Lilongwe

TANZANIA

Dar es-Salaam

Tanga

KENYA

Mombasa

SEYCHELLES

SOMALIA

[Sary, pejy 20]

Niaraka tamin’i Peter sy i Pauline ary i Estrella, talohan’ny hitondrana an’i Estrella tany am-ponja niaraka tamiko

[Sary, pejy 21]

I Lyall sy i Donovan teo anoloan’ny trano nisy anay teo amin’ny toeram-piompiana, teo akaikin’i Filabusi

[Sary, pejy 23]

Bertie, Lyall, Pauline, Peter, Donovan, ary izaho, tamin’ny 1940

[Sary, pejy 24]

I Carmen sy ny dimy amin’ireo zanany (manaraka ny fihodin’ny famantaranandro, avy any ankavia): I Donovan, fony tany Gileada tamin’ny 1951, ary i Jeremy, i Lindsay, i Estrella ary i Andrew ankehitriny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara