Ny fanompoana ilay mpahay zava-kanto lehibe indrindra
FONY mbola zazavavy kely fito taona aho dia efa nanomboka nanontany tena hoe: ‘Nahoana aho no tsy maintsy ho faty? Azo atao ve ny mandositra ny fahafatesana?’ Nolazaina tamiko fa Andriamanitra no maka ireo olona tsara satria tiany ho any aminy any an-danitra izy ireo. Mbola tsaroako foana ny iray tamin’ireo iray kilasy tamiko nihiaka hoe: “Aleoko ho olon-dratsy satria ny tsara no maty voalohany!”
Tena tiako ny nanao sary, ka izany no nanombohako nianatra zava-kanto. Tany am-pianarana aho dia tsy nanana fahafahana ny handinika foto-kevitra ara-pivavahana, na fotoana mba hampisehoana fahalianana amin’izany. Raha ny marina aza, dia nilaza matetika tamin’ireo namako aho fa, mba hanarahana fivavahana dia fahakingan-tsaina tsy dia ambony loatra no ilaina. Rehefa vita ny fianarako zava-kanto, dia nahazo asan’ny mpampianatra zava-kanto tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa manokana iray aho.
Tena tiako ny asako ary nahaliana ahy koa ny haisoratra italiana sy vahiny, ary koa ny “musique de chambre” (mozika amin’ny zavamaneno vitsy) sy ny mozika “symphonique” (amin’ny zavamaneno maro miaraka) ary ny “opéra” (teatira hiraina). Ny hany zavatra ara-pivavahana nianarako tamin’izay fotoana izay dia ny lohahevitra ny amin’ny “icones” (sary ara-pivavahan’ireo kristiana tany atsinanana) nataon’ireo mpanao hosodoko tamin’ny vanim-potoana samy hafa. Tamin’izay no nahafantarako izany hoe manintona ny sain’ny rehetra izany, ny fihetseham-po tsapa rehefa manao fampisehoana ny asa vitan’ny tena manokana, izany hoe mahazo haja sy laza ary dera fatratra amin’ny maha-mpahay zava-kanto izany.
Tamin’izany fotoana izany, dia zava-dehibe tamiko izay rehetra nifandray tamin’ny zava-kanto, satria nahitako ny antony lehibe indrindra nahavelomako. Mbola tao an-tsaiko foana anefa ireo fanontaniako fony aho fito taona. Tsy nitsahatra nitady zavatra lalina kokoa foana aho, zavatra izay mbola tsy haiko nohazavaina akory. Tia fatratra ny namaky boky aho ary nitady fanazavana avy tamin’ireo mpanao filôzôfia. Nila valiny hentitra ho an’ireo fisalasalako aho, na nanao ahoana na nanao ahoana vidiny.
Mbola tao anatin’io tsy fahazavan-tsaina io aho tamin’ny fotoana nanambadiako. Taorian’ny nahaterahan’ny zanako vavy, dia vao mainka nihamafy ny fitadiavako ny fahamarinana. Nanandrana ny hitady izany tao amin’ny fanaovana sary, ny fanoratana tononkalo, ny fihainoana mozika ary ny famakiana boky aho. Isaky ny nankany amin’ny konseritra aho ka nihaino ireo tapany voalohany tamin’ny mozika fanokafana, avy hatrany ny saiko dia nankany amin’Andriamanitra, ho any amin’ilay Tsitoha izay tsy fantatro akory, ary nisaotra azy aho. Nandritra io fotoana io aho dia nidera an’Andriamanitra matetika noho ireo zavatra tsara tarehy nahatalanjona ahy — ilay zanako kely natory, ireo loko teo amin’ny faritra taza-maso iray. “Mampalahelo”, hoy ny fihiakako matetika tamin’izay, “fa ny zava-kanto, izay afaka ny hanana lohahevitra tsara tarehy maro be, dia natao mba hilazana ny fahafatesana fa tsy ny fiainana!” Ny sasany amin’ireo tononkalo sy tantara an-tsehatra kanto indrindra dia, na hira fankalazana ny tsy fananana fanantenana, na tantara an-tsehatra ratsy fiafara; ny sasany amin’ireo sangan’asa tsara indrindra eo amin’ny fanaovana sary hosodoko dia mankalaza ny fahafatesana fa tsy ny fiainana sy ny hatsaran-tarehiny. Nahoana?
Ireo fihetseham-po mifanipaka ireo dia nahakivy ahy aoka izany, hany ka nanomboka tsikelikely nahatsapa tsy firaikana aho. Tamin’io fotoana io no tonga teo am-baravarako ny Vavolombelon’i Jehovah. Teo am-pihainoana azy, dia toy ny fiteny vaovao ny fihainoako ny firesany tamiko. Toy ny mozika mahafinaritra tao an-tsofiko ny fampanantenan’Andriamanitra ny hanao ny tany ho paradisa. Nanomboka namaky ny Baiboly aho. Tao no nahitako, rehefa ela ny ela, ny valin’ireo fanontaniana tsy nitsahatra ny nataoko hatramin’ny aho fito taona. Tsy tian’Andriamanitra ho faty ny olona, fa mikasa ny hitahy ireo mpanompony mahatoky kosa izy amin’ny fanomezana azy fiainana mandrakizay eto an-tany.
Tamin’ny 1973 no nitrangan’izany. Ny taona nanaraka aho dia nanolotra ny tenako ho an’i Jehovah ary natao batisa. Tsy mora ny nanova ny toetrako mora taitra sy mora mihetsi-po ho amin’ny tena fitiavan’ny mpirahalahy marina, ny fitiavan-tenako ho amin’ny tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenako, ary ny fiadanan’ny tenako manokana ho amin’ny toe-tsaina vonona ny hanao sorona! Voatery nanda ny tenako aho. Nanampy ahy be dia be ireo Vavolombelon’i Jehovah, ary koa ireo fivoriana natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana.
Nampisava ny fisalasalako sy ny fahaverezan-kevitro ilay Mpahay zava-kanto Lehibe. Endrey ny fankasitrahako azy! Izany no antony nanombohako ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona hatramin’ny septambra 1984, ka andaniako amin’izany 90 ora isam-bolana hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Mpahay zava-kanto sy Mpamorona Lehibe, miaraka amin’ny fianakaviako, dia tena mahafa-po marina. Tsy andrinay izay hahatongavan’ny fotoana hanaovany ny sary araka ny tena izy indrindra nisy hatramin’izay, amin’ny fotoana hanafoanany ny fandehan-javatra tranainy sy ratsy izay mandoto ny tany manontolo. Tsy hisy intsony ny fahafatesana, ary ny zava-kanto amin’izay dia tsy hatokana afa-tsy ho an’ny fiainana fotsiny ihany. Amin’izay, dia ny hatsaran-tarehy ihany no hatao sary, satria amin’ny alalan’ny fandehan-javatra vaovao sy marin’Andriamanitra, dia ho foana mandrakizay ny fahoriana sy ny fanaintainana. — Avy amin’ny iray amin’ireo mpamaky.