Ny kôdeksa Washingtonianus — Soratanana amin’ireo Filazantsara
TAMIN’NY DESAMBRA 1906, tany Guizèh (Egypta), i Charles Freer, tompona orinasa amerikana nanan-karena iray sady mpamory zava-kanto, dia nividy soratanana tranainy vitsivitsy tamina mpivarotra arabo nantsoina hoe Ali. Araka ny filazan’io lehilahy io, izy ireo dia avy tany amin’ilay “Couvent Blanc”, tany akaikin’i Sohag, nefa azo inoana kokoa fa tao amin’ireo sisan-javatra rava avy amin’ilay monastera nantsoina hoe ny an’ilay “Mpamboly voaloboka”, akaikin’ny rirakitso (pyramide) fahatelo tany Guizèh, teo amin’ny hefak’i (delta) Neily no nahitana azy.
Nividy telo tamin’ireo soratanana ireo i Charles Freer ary “boky hoditra manify natao ho fanoratana efa lasa mainty sy simba be ary mafy sy maina toy ny dity”. Teo amin’ny 17 santimetatra teo ho eo ny halavany, 11 santimetatra ny sakany ary 4 santimetatra ny hateviny. Niara-namidy tamin’ireo soratanana izy io satria tafaraka tamin’ilay fitambaran-javatra rehetra fotsiny, ary tsy nomena vidiny mihitsy. Mafy sady sarotra ny fanasarahana ireo taratasy, nefa rehefa ela ny ela, dia azo natao ny nanisa 84 tamin’izy ireo. Izy rehetra ireo dia avy tamin’ny kôdeksa izay nisy ireo taratasin’i Paoly ary natao tamin’ny taonjato faha-6 na faha-7.
Ny iray tamin’ireo soratanana telo hafa dia nisy ny Deoteronomia sy Josoa, ny faharoa, ny Salamo, araka ny fandikan-teny grikan’ny Septanta, ary ny fahatelo, ny sarobidy indrindra amin’izy rehetra, ireo Filazantsara efatra.
Misy taratasy kely 187, avy tamina boky hoditra, ny ankamaroany natao tamina hoditr’ondry, io soratanana farany io, ary misy soratra natao tamin’ny litera grika vaventy sy miraika. Mahalana vao misy fijanonan-tsoratra, fa misy elanelana kely matetika mampisaraka ireo fehezanteny. Simba be ny sisin’ireo soratanana; kanefa, voaro ny ankamaroan’ilay lahatsoratra. Tatỳ aoriana izy io dia naseho tany amin’ny trano fampisehoana zava-kanto, antsoina hoe Freer, an’ny Smithsonian Institution, any Washington (Etazonia). Nomena ny anarana hoe Kôdeksa Washingtonianus io soratanana misy ireo Filazantsara io, ary nahazo ny litera “W” ho fahafantarana azy.
Natao tamin’ny tapany farany tamin’ny taonjato faha-4 na ny fiandohan’ny taonjato faha-5 io boky hoditra manify io, izany hoe tsy dia lavitra taorian’ny Sinaiticus, sy ny Vaticanus ary ny Alexandrinus malaza. Ireo Filazantsara (izay ravin-taratasy roa monja no tsy ampy aminy) dia nalahatra araka izay antsoina hoe “avy any andrefana”: Matio, Jaona, Lioka ary Marka.
Rehefa vakina ilay soratanana, dia ahitana fitohitohizana karazan-tsoratra samy hafa tsy mahazatra, izay samy mahaforona tapany lehibe sy tsy misaratsaraka. Toa nadika avy tamina tapatapaka soratanana maromaro, izay samy nanana ny fomba fanoratra azy, izy io. Ny profesora H. Sanders dia namoaka ny hevitra fa izany dia mety ho vokatry ny fanenjehana tampoka nampiharin’ny emperora Dioclétien tamin’ny kristiana tamin’ny 303, satria izy io dia nanome baiko ny handoroana ireo kopia rehetran’ny Soratra Masina. Misy tahirin-kevitra ara-tantara mampahafantatra antsika fa nisy soratanana vitsivitsy nafenina tamin’izany fotoana izany. Am-polony taona maro taorian’izay, dia toa nisy olona nandika ny tapatapak’ireo soratanana samy hafa mba hanome ny soratra hita ao amin’ny Kôdeksa Washingtonianus. Tatỳ aoriana, dia very ilay kahie voalohan’ny Filazantsaran’i Jaona (1:1 ka hatramin’ny 5:11); tsy maintsy nadika indray izy io tamin’ny taonjato faha-6.
Mampiseho tsy fitoviana mahaliana sy teny nampiana mahavariana, na dia lavina aza, ilay soratra, ao amin’ny toko faha-16 amin’ny Filazantsaran’i Marka. Azo inoana fa avy amin’ny fanamarihana teny an-tsisiny no nahazoana izany. Sarobidy io soratanana io, satria misy fifandraisana amin’ireo fandikan-teny latina sy siriaka tranainy. Misy loton-dabozia io soratanana io, izay mampiharihary ny fampiasana fatratra azy io.
Na dia teo aza ny fanenjehana, ny fanoherana sy ny fanimban’ny fotoana, ny Baiboly, araka ny ahitana azy amin’ireo soratanana maro be, dia voaro ho antsika tamin’ny fomba mahatalanjona. Tsy azo lavina, fa “ny tenin’i Jehovah [dia] maharitra mandrakizay”. — 1 Petera 1:25, MN; Isaia 40:8.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
Fanomezan-dalan’ny trano fampisehoana zava-kanto Freer, Smithsonian Institution