FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/8 p. 10-13
  • Nandresy ny fahalemeko aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nandresy ny fahalemeko aho
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fitaizan’ireo ray aman-dreniko
  • Ny ohatra tsaran-draiko
  • Ny toe-tsaina tsaran-dreniko
  • Ny fiadiako tamin’ny fahaketrahana
  • Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Inona no Azoko Avaly An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Faly Aho na dia Sembana Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/8 p. 10-13

Nandresy ny fahalemeko aho

Nosoratan’i Thomas Addison

FONY aho mbola kely, ny voronkely iray teny amin’ny lalana dia nampahatahotra ary nampivily lalana ahy. Rehefa nisy havana na namana tonga namangy anay, dia ankizy nitokantokana nanaraka an-dreniny foana no hitany. Raha nanana mpamangy izahay, dia nankany an’efitranoko faran’izay haingana aho matetika. Lasa moana aho teo anoloan’izay rehetra nanana fahefana, indrindra fa ireo mpampianatra.

Inona no nanampy ahy hiova? Tamin’ny fomba ahoana no nahafahako, izaho izay ankizilahy kely saro-kenatra taloha, niteny tamin’olona an’arivony maro nandritra ny fivoriambe lehibe, tato anatin’ireo taona faramparany?

Ny fitaizan’ireo ray aman-dreniko

Sarotra tamin’ny ray aman-dreniko ny nahatakatra ny fihetsiko, indrindra fa tamin’ny raiko, Ekôse iray nahia sy nahery fo. Tonga kamboty teo amin’ny faha-13 taonany izy ary nanjary “mafy” toy ny diamondra tsy voavoatra. Mbola kely dia kely izy dia efa nianatra nikarakara tena irery. Ny reniko kosa, izay zanaka mpamboly, dia nalemy paika be. Ny fanabeazana azoko àry dia sady voamariky ny halemem-panahy no hentitra, nefa tsy hoe niaro ahy tamin’ny fomba tafahoatra.

Enin-taona aho fony nanomboka nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, tamin’ny 1945. Nanao ny lahateniko voalohany aho, tamin’ny fahazavan’ny fanaovan-jiro solitany, tao amin’ny kongregasiona kely iray teto Aostralia, nisy fianakaviana telo monja. Ela be nialoha, dia efa nanampy ahy hanomana azy io ny raiko, tamin’ny fanazavana tamiko ny maha-tsara kokoa ny lahateny tsy mamaky planina. Nohantitranteriny ny tsy tokony hatahorana izay nety holazain’ny hafa na hoeritreretiny. Hoy izy matetika: “Isika olombelona dia antontam-bovoka avokoa. Ny antontany sasany dia lehibebe kokoa noho ny hafa, izay fotsiny.” Nangovitra ny lohaliko, tsemboka ny felatanako ary teo afovoan’ilay lahateniko dia tsy nahateny aho, tsy afaka namita azy io.

Teo amin’ny folo taona teo aho rehefa nentin’ny raiko, izaho sy i Robert, zandriko lahy kely, teny amin’ny lalana lehibe indrindra tao an-tanàna, teo anoloan’ny trano fijerena sarimihetsika indrindra. Teo izahay dia nanolotra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, teo imason’ny mpiara-mianatra taminay rehetra. Toa navesatra tamiko toy ny firamainty ireo gazety ary indraindray dia lasa niafina tany ambadiky ny lamosiko izy ireo! Nanandrana mafy dia mafy ny hanao izay hahakely ahy indrindra aho mba tsy hahitana firy ahy araka izay farany azo atao.

Kanefa dia hitako teo akaiky teo ny ohatra feno fahasahian’ny raiko, ary izany dia nampahery ahy be dia be. Nilaza foana ny raiko fa ny fihemorana dia midika ho fileferana eo anatrehan’i Satana sy ny tahotra olona. Nisy fitsapana hafa iray nitranga tany am-pianarana. Vao haingana no nifarana ny Ady Lehibe faharoa ary mbola nahery ny fanindrahindram-pirenena teto Aostralia. Nanohy nipetraka izaho sy i Ellerie anabaviko nandritra ny hiram-pirenena tamin’ny fotoam-pamoriana ny mpianatra tany an-tsekoly. Fitsapana mafy dia mafy tamiko ny fisehoana ho niavaka tamin’ny sasany toy izany, nefa, tamin’ity indray mandeha ity koa, dia nanampy ahy tsy hanaiky lembenana ny fanohanana sy ny fampaherezana tsy tapaka avy tamin’ny ray aman-dreniko.

Ny ohatra tsaran-draiko

Raha heverina ny fiainany tamin’ny lasa sy ny toetrany, dia tena be faharetana tamiko tokoa ny raiko. Nanomboka niasa tao amin’ireo lavaka fihadiana arintany tany Angletera izy raha mbola 13 taona monja. Fotoana fohy taorian’ny faha-20 taonany, dia nifindra nankaty Aostralia izy mba hitady fiainana tsaratsara kokoa tatỳ. Kanefa noho ny fahasahiranana ara-toekarenan’ireo taona 30, dia nanaiky ny hiasa tao anatin’ny toe-javatra nahatsiravina izy mba hamelomana ny fianakaviany.

Nahatofoka an-draiko ny tarehin-javatra amin’ny ankapobeny, ary ny politika indrindra indrindra. Noho izany, dia voatohina ny fony rehefa namaky ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower izay nanala sarona tamim-pahasahiana ny fihatsarambelatsihy ara-politika sy ara-barotra ary ara-pivavahana, izy. Nanolo-tena haingana ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony izy, fotoana fohy taorian’ny reniko. Na dia nampijaly azy aza ny faharerahan’ny havokavoka nahavoa azy taorian’ny firodanan’ny lalana tany ambany tany iray, ary na dia tsy nanana fahaizana manokana momba ny asa iray aza ny raiko, dia nentiny tany amin’ny toerana nila fanampiana ara-panahy ny fianakavianay. Nanohina ny foko aoka izany ny fitokiany an’i Jehovah.

Tsaroako, ohatra, ny nitoeranay tao amin’ny tanàna fihadiana arintany kely iray tsy nisy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah roa, dia vehivavy kristiana be taona izay tsy mpino ny vadiny. Sarotra ny nahita trano hipetrahana, nefa rehefa ela ny ela, dia afaka nanofa trano tranainy iray, kilaometatra vitsivitsy tany ivelan’ny tanàna, izahay. Nandeha an-tongotra na nandeha bisikilety izahay. Indray andro, vao maraina be, dia may tanteraka ilay trano, tamin’ny fotoana nijanonanay ankizy rehetra tany an-tranon’ny namanay. Afaka namonjy ny ainy ny ray aman-dreninay, fa tsy nisy zavatra hafa azo novonjena. Tsy nanana fiantohana hanonitra fatiantoka izahay, sady tsy nanam-bola.

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1982, dia tsaroan’ny raiko io hain-trano io. Hoy izy tamiko: “Tsaroanao ve, anaka, ny faharatsian’ny fisehoan’ny tarehin-javatra tamin’ny voalohany? Nefa notohanan’i Jehovah isika. Taorian’ilay hain-trano, dia nandefasan’ireo rahalahy tany Perth fanaka sy fitafiana ary vola isika. Noho ny fahalalahan-tanan’izy ireo, dia nanan-javatra betsaka kokoa noho ny talohan’ilay hain-trano isika!” Tamin’ny voalohany, dia noheveriko fa nanitatra kely ny raiko rehefa niresaka toy izany ny amin’ny fanampian’i Jehovah anay teo amin’ny fiainanay. Nahazo izay nantsoiny hoe fanampian’Andriamanitra imbetsaka loatra anefa izahay ka tsy afaka hanazava izany tamin’ny fomba hafa.

Ny toe-tsaina tsaran-dreniko

Ny iray tamin’ireo zava-nanahirana ahy foana dia ny toe-tsaiko tsy manorina. Nanontany foana ny reniko hoe: “Nahoana ianao no tsy mahita afa-tsy ny lafiny ratsy eo amin’ny fiainana?” Ny ohatra nomeny ny amin’ny fijerena ny lafy tsaran-javatra dia nanosika ahy hanohy hanao fiezahana mba hanantena kokoa fa ho tsara ny zavatra rehetra.

Tsy ela izay, dia niresaka ny amin’ny zavatra nitranga tany amin’ny tanàna kelin’ny mpamboly iray nifindranay monina ny reniko. Nampihomehy azy ny tenin’ilay mpitsabo. Noheveriny fa niadana teo amin’ny lafiny ara-nofo ny ray aman-dreniko noho ny fitafiany nadio sy ny fisehoany ivelany voatandrina tsara. Raha ny tena izy anefa, ny tranonay dia trano fametrahana vokatra lehibe iray fotsiny izay nosaratsarahinay tamin’ny famonosana entana. Na gaza, na aratra, na rano dia samy tsy nisy tao. Indray andro, dia nanandrana ny hanagorobaka ny varavarambe ny ombilahy iray. Azonao an-tsaina mora foana angamba ny nisy ahy: tao ambany fandriana!

Nisintona ny rano avy tamin’ny fantsakana iray, 200 metatra avy teo amin’ny tranonay, ny reniko, ka nibata izany tao amin’ny siny roa, 15 litatra avy, nahantona tamin’ny zioga iray teo amin’ny sorony. Tsy nisy tahaka azy raha ny amin’ny fahitana ny lafiny mahatsikaiky amin’ny toe-javatra mahasosotra, ary, araka ny fampirisihan’ny raiko azy, dia noheveriny ho fihaikana tokony horesena fa tsy ho toy ny vato misakana, ny zava-manahirana tsirairay. Matetika izy no nanamarika fa, na dia tsy nanam-be teo amin’ny lafiny ara-nofo aza izahay, dia nandray fitahiana maro be kosa.

Nandany fotoana nahafinaritra maro izahay, ohatra, rehefa nandeha mba hitory tany amin’ny faritany lavitra, nilasy teny an-kalamanjana, nanendy atody nasiana “bacon” (henan-kisoa natono) tamin’ny afon-kitay ary nihira hiran’ilay Fanjakana nandritra ny dia ka nanaraka izany tamin’ny angorodaony ny raiko. Tamin’izany lafiny izany tokoa izahay dia tena nanan-karena. Tany amin’ny tanàna sasany tany ambanivohitra izahay dia nanofa efitra kely iray ary nanambara ny lahateny ampahibemaso hataonay ny alahady tolakandro.

Indraindray, noho ny zava-nanahirana ara-pahasalaman’ny raiko naharitra, dia tsy maintsy niasa mba hamenoana ny karamany ny reniko. Nandritra ny taona maro izy dia nikarakara ny reniny, ny raibeny ary tamin’ny farany, ny raiko, talohan’ny nahafatesan’izy ireo. Ary tamin’izany izy dia tsy nitaraina mihitsy. Na dia mbola voan’ny fahaketrahana aza aho indraindray ary nanana toe-tsaina tsy nanorina matetika, ireo fampaherezana malefaky ny reniko sy ny ohatra nomeny dia nanome ahy faniriana ny hanohy hanao fiezahana.

Ny fiadiako tamin’ny fahaketrahana

Fony aho roapolo taona latsaka kely, ireo fahalemena rehetra tamin’ny fahazazako izay noheveriko fa efa resiko, dia niverina indray. Nanelingelina ny saiko ny fanontaniana maro momba ny hevitry ny fiainana. Nanomboka nanontany tena aho hoe: ‘Mitovy daholo ve ny fahafahan’ny olona rehetra hahafantatra sy hanompo an’i Jehovah?’ Ahoana, ohatra, ny amin’ny ankizy iray teraka any India na any Chine? Tsy isalasalana fa voafetra kokoa ny fahafahany hahafantatra an’i Jehovah noho ny an’ilay nanana tombontsoa notezaina ray aman-dreny Vavolombelona. Toa hitako fa tsy ara-drariny izany! Ambonin’izany, ny toetra lovana sy ny tontolo iainana, izay tsy hain’ny ankizy fehezina dia tsy maintsy mandray anjara lehibe. Toa tsapako fa misy lafiny maro be tsy maha-ara-drariny ny fiainana. Niresaka ny amin’ireo zavatra ireo nandritra ny ora maro be tamin’ny ray aman-dreniko aho. Sahiran-tsaina noho ny fisehoako ivelany koa aho. Nisy zavatra maro be tsy tiako tamin’ny tenako.

Nieritreritra izany foana aho, ary latsaka tao anatin’ny fahaketrahana, indraindray nandritra ny herinandro maro. Nisy fiantraikany teo amin’ny fisehoako ivelany izany. Imbetsaka aho no nieritreritra mangingina ny hamono tena. Nisy fotoana izay nahafinaritra ahy ny nangoraka ny tenako. Nihevi-tena ho toy ny maritiora iray tsy nisy nahatakatra ny nahazo azy aho. Tsy niresaka tamin’iza na iza intsony aho hatramin’ny andro nahatsapako tampoka, tsy nampoizina, fihetseham-po nampahatahotra ahy. Toa hitako fa tsy araka ny tena izy avokoa ny zavatra rehetra nanodidina ahy, toy ny hoe nijery izany tao ambadiky ny varavarankely feno zavona aho.

Io zava-nitranga io dia nahatonga ahy hahatakatra fa mampidi-doza tokoa ny fangorahan-tena. Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary naka fanapahan-kevitra ny tsy hangora-tena intsony. Nanomboka nampifantoka ny saiko tamina hevitra mampahery ao amin’ny Soratra Masina aho. Nanomboka tamin’izay aho dia namaky tamim-pitandremana kokoa noho ny teo aloha ny lahatsoratra tsirairay tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izay nanantitrantitra ny amin’ny toetra sy ny maha-izy ny olona iray, ary notehiriziko tanaty “classeur” avokoa izy ireo. Nomarihiko tamim-pitandremana avokoa ireo torohevitra nomena tao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana nifandray tamin’ny fomba firesahana amin’ny hafa.

Ny zavatra nokendreko voalohany dia ny hanandrana hiresaka faran’izay lava araka izay azoko natao tamin’ny olona iray samy hafa foana isaky ny fivoriana kristiana. Tamin’ny voalohany, dia tsy naharitra afa-tsy iray minitra teo ho eo monja ny tsirairay tamin’ireny firesahana ireny, hany ka, imbetsaka aho no nody kivy tany an-trano. Rehefa ela anefa no naharetako, tsikelikely dia nanjary kinga tamin’ny fahaiza-miresaka aho.

Nanomboka nanao fikarohana manokana betsaka koa aho momba ireo fanontaniana nahavery hevitra ahy. Ambonin’izany, dia nitandrina ny amin’izay sakafo nohaniko aho ary nahamarika fa, rehefa mihinana sakafo mahatanjaka kokoa aho, dia nihatsara kokoa ny toetrako sy ny heriko. Fantatro tatỳ aoriana fa nisy zavatra maro hafa koa nety hiteraka fahaketrahana. Ohatra, rehefa liana aoka izany amin’ny zavatra iray aho indraindray dia mahatsapa hafanam-po izaitsizy. Nitarika ho amin’ny fahalavoana foana izany, ary niteraka fahaverezan-kery sy fahaketrahana. Ny fanafodiny dia ny nianatra ny ho liana amim-paharetana amin’ny zavatra iray, fa tsy hirehitra amin’izany loatra. Na ankehitriny izao aza aho dia mbola tsy maintsy mitandrina.

Ny dingana nanaraka dia ny fanatrarana ny zava-kendrena napetraky ny ray aman-dreninay teo anoloanay foana, dia ny fanompoana manontolo andro. Ny fahavononan’ny anabaviko hifikitra amin’io tombontsoa io mandritra ny 35 taona mahery dia tena fampirisihana marina ho ahy mihitsy.

Ny kileman’ny zanako lahy

Rehefa avy nanao ny asan’ny mpitory maharitra tamin’ny naha-mpitovo nandritra ny taona vitsivitsy aho dia nanambady an’i Josefa, izay mpitory maharitra koa. Fameno mahatalanjona ho ahy tamin’ny lafiny maro be izy. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia niteraka telo izahay. Ny zanakay voalohany, i Craig, dia teraka tamin’ny 1972, ary voan’ny halemen’ny atidoha mafy. Fihaikana lehibe taminay ny fahasalamany, satria tsy afaka nanao na inona na inona irery izy, afa-tsy ny nikaviavia namahan-tena tamin’ny sotro. Tianay marina tokoa izy, ary nitady ny fomba rehetra mba hahafahany tsy hiankina amin’ny hafa kokoa aho. Nanamboatra fitaovana isan-karazany aho mba hanamora ny fandehanany. Nizaha manam-pahaizana maro be izahay, kanefa tsy nisy vokany firy izany, raha ny marina. Izany dia nahatonga ahy hahatsapa fa misy toe-javatra tsy maintsy ekena eo amin’ny fiainana.

Nandritra ireo 12 taona voalohany teo amin’ny fiainany dia nisy fotoana matetika izay nitsaharan’i Craig tampoka tsy nihinana na nisotro, sady nila handoa izy. Noheverinay fa zava-nanahirana nifandray tamin’ny hozatra izany. Nanomboka nihaosa ara-bakiteny teo imasonay izy. Ny vavaka no nanampy anay hiatrika izany, ary ireo fanafody nasain’ny mpitsabo nampiasaina dia nampiato ilay zava-nanahirana. Soa ihany fa, tamin’ny farany indrindra, dia velombelona indray i Craig, ka nampifaly anay indray tamin’ny fitsikiny nahafinaritra sy ireo hirahirany isan-karazany tsy nety tapitra.

Tamin’ny voalohany, dia sarotra be tamin’i Josefa ny nanaiky io tarehin-javatra nampalahelo io. Kanefa ny fitiavana sy ny faharetana nasehony tamin’ny fikarakarana an’i Craig no naharesy izany, hany ka mbola afaka nanohy nifindra tany amin’ny toerana nilàna mpitory betsaka kokoa izahay. Noho ny fanohanana sy ny fanampian’i Josefa teo amin’ny lafiny ara-nofo, dia afaka niasa tapak’andro nandritra ny taona maromaro aho, ka afaka nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy sady namelona ny fianakavianay.

Ilaina ny manantena ny zavatra ho tsara

Rehefa ketraka noho ireo aretiny miverimberina i Craig, na koa, satria izy kivy noho ny fahafahany voafetra, dia ampaherezinay izy amin’ny alalan’ny iray amin’ireo andinin-teny tiako indrindra ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: “Isika tsy mba naman’izay mihemotra.” (Hebreo 10:39). Hainy tsianjery izy io, ary nampahery azy foana io andinin-teny io.

Hatramin’ny fahazazany i Craig dia efa tia fatratra foana ny asa fitoriana. Afaka manaraka anay matetika izy amin’ny fampiasana seza mikorisa manokana. Ny tena ankasitrahany indrindra dia ny miaraka amiko rehefa misolo ny mpiandraikitra mpitety faritany aho ka mitsidika kongregasiona hafa. Ireo valinteniny voafetra any amin’ireo fivoriana kely kokoa sy ireo tantara ao amin’ny Baiboly izay noresahiny tsy tapaka tany amin’ilay sekoly manokana nalehany dia namela azy hahazo vokatra tsy azontsika izay tsy kilemaina. Ny ohatr’i Craig dia mampahatsiahy ahy fa, na manao ahoana na manao ahoana fetrantsika, dia afaka mampiasa antsika Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony sy ny fikasany.

Tsy ela izay, dia nahazo tombontsoa hampianatra tao amin’ny Sekolin’ny fanompoana ilay Fanjakana aho. Tamin’ny voalohany, na dia taorian’izay taona maro be tao anatin’ny fanompoana izay aza, dia sarotra tamiko izany. Niankina tamin’i Jehovah anefa aho, ka nihatony haingana ary nahatsapa indray ny fanohanany mahery.

Rehefa mieritreritra ireo 50 taona teo ho eo niainako aho ankehitriny, dia mino mafy fa i Jehovah ihany no afaka nampiofana tamim-pitiavana olona tahaka ahy, mba hahatonga azy ho olona araka ny fanahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara