Nampirisihina mba hamboly fahaizana mitana fifandraisana tsara ireo vao nahazo diplaoma avy any Gileada
NY ALAHADY 4 Martsa 1990, dia nisy olona maherin’ny 4100 nameno ny Efitrano fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Jersey City, any Etazonia, mba hanatrika ny fanomezana diplaoma ny kilasy faha-88 amin’ny Sekolin’i Gileada, fianarana ny Baiboly alamin’ny Watchtower. Tany 6 no niavian’ireo nahazo diplaoma ary halefa any amin’ny tany 13 izy ankehitriny.
Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ny fandaharana. Taorian’ny hira iray, dia nanokatra izany tamin’ny vavaka feno hafanam-po ho an’i Jehovah i George Gangas, izay efa maherin’ny 90 taona izao ary anisan’ny Kolejy Foibe. Taorian’izay, C. W. Barber, mpitari-draharaha ary anisan’ny Kolejy Foibe koa sady nahazo diplaoma avy amin’ny kilasy faha-26-n’ny Sekolin’i Gileada, dia niresaka fohifohy ny amin’ny sasany tamin’ireo fiovana nitranga haingana teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao. Namarana toy izao izy: “Tsy mbola nisy fahafahana ny ho vavolombelon’ny fahambonian’i Jehovah sy ny fahamarinany mahafinaritra kokoa noho izao mihitsy hatramin’izay.” Avy eo izy dia nampiditra ireo mpandahateny samihafa tamin’ny fandaharana maraina.
I Vernon Wisegarver, anisan’ny Komitin’ny fanontam-pirinty any Brooklyn, dia nifidy ny lohahevitra hoe “Aoka ianao ho kinga eo amin’ny asanao”. Naka ny ohatry ny mpanefy vy ao amin’ny tanàna kely iray izay nanamboatra rojo mafy iray izy, ka rehefa nafatotra tamin’ny vatofantsika iray izany dia namonjy ny ain’izay rehetra tao amin’ny sambo iray nandritra ny tafio-drivotra, ary noharina tamin’izany mpanefy vy izany ireo nahazo diplaoma. Rehefa mampianatra ny olona ny Baiboly izy ireo dia hanampy azy ireo hamboly toetra araka an’Andriamanitra hahaforona toy ny rojo izay hamonjy ny ainy, amin’ny fampiasana ireo fahaizana namboleny nandritra ny fampiofanana azony tao amin’ny Sekolin’i Gileada. Nampirisihiny ireo nahazo diplaoma mba hanohy hanatsara ny fahaizany mampianatra ka hitsangana eo anatrehan’ilay lehibe indrindra amin’ny Mpanjaka rehetra amin’ny maha-“mpiasa mahay”.
Nanaraka izany, i John Barr, anisan’ny Kolejy Foibe, dia niresaka momba ny lohateny hoe “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah”. Ny lahateniny dia nifototra tamin’ny Salamo 34:8 izay amakiana hoe: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy”. Nananatra azy ireo toy izao izy: “Andramo avokoa ny zava-drehetra any amin’ny asa misionera nanendrena anareo. Andramo hatao daholo. Aza atahorana izany. Amin’izay ianareo dia ho afaka ny hahita ny hatsaran’i Jehovah amin’ny fomba izay mbola tsy nahitanareo azy mihitsy teo aloha. Aza mifidifidy. Aza miteny mihitsy hoe: ‘Tsy tiako ity’. Andramo aloha.”
I Charles Woody, anisan’ny komitin’ny fanompoana any Brooklyn, dia niresaka momba ny lohateny nofidiny hoe: “Aoka isika hitana fomba fiheverana voalanjalanja momba ny tenantsika.” Hoy izy: “Tiantsika ny miaraka amin’ireo izay manana fomba fiheverana voalanjalanja momba ny tenany, izay tsy mitady ny hanarahana ny fomban’ny tenany manokana foana, izay mailaka ny hidera sy hampahery ny hafa, ary, na dia manana fahalalana aza izy, dia tsy manao izay hahatsapan’ny hafa ny tenany ho tsy manana izany fahalalana izany. Hoy koa ny nambarany: “Amin’ny maha-misionera anareo dia ho tianareo ny hanintona ny olona ho amin’ny fahamarinana, fa tsy ny hampanalavitra azy ireo amin’izany. Ny fihetsikareo feno fanetren-tena dia ho fanampiana tsy ho azo tombanana mba hahatongavana amin’izany.”
I Lyman Swingle, anisan’ny Kolejy foibe, taorian’izay, dia niresaka momba ny lohahevitra hoe: “Ireo toko manaraka, inona no holazainy amintsika?” Nanomboka toy izao izy: “Anio ianareo dia manomboka ny toko vaovao iray eo amin’ny fiainanareo. Inona no hosoratanareo ao amin’ireo toko manomboka izao sy amin’ny hoavy? Nampahatsiahiviny toy izao izy ireo: “Izay rehetra ataonareo dia tokony hitondra dera sy voninahitra ho an’i Jehovah”, ary hoy koa ny nanampiny: “Ataovy izay hahazoana antoka fa mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanapahan-kevitrareo. Tadidio ny Ohabolana 3:7 manao hoe: ‘Aza manao anao ho hendry’. Misehoa ho mahatoky amin’ny fanatanterahana ny asa nanendrena anareo.” Namarana toy izao izy: “Matoky izahay fa tsy ho tapitra mihitsy ny fanoratanareo ny boky momba ny fiainanareo, fa hiaina mandrakizay ianareo.”
Nanaraka izany, i Jack Redford, iray tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny sekoly, dia nampirisika ireo nahazo diplaoma toy izao: “Aoka ianareo ho sorona velona.” Nanomboka toy izao izy: “Ny fanompoana amin’ny maha-misionera dia fiainana fanaovana sorona (...). Tianay ianareo noho ny toe-tsainareo vonona ny hanao sorona ny tenanareo.” Nanonona ny Filipiana 2:17 izy, izay ilazan’ny apostoly Paoly fa aidina ho fanatitra aidina, izany hoe vonona ny handany ny tena toy ny fanatitra velona, izy, ka nanontany hoe: “Amin’ny ahoana anefa mazàna no maha-tahaka ny fanatitra aidina ny misionera?” Tamin’izay izy dia nitantara zava-nitranga roa nifandray tamin’ireo misionera izay nandany tena nihoatra noho izay notakina taminy. Ny iray tamin’izy ireo dia nanao biriky 16 000 tamin’ny tanany ary nanorina ny Efitrano Fanjakana voalohany tao amin’ny tany nanendrena azy hiasany. Ny fitantarana hafa iray dia momba ny anabavy iray izay nanaraka ny vadiny tany anaty ala mikirindro, izay anarahana fomba fiainana tsotra dia tsotra. Nankasitraka azy daholo ireo anabavy teo an-toerana, satria hitan’izy ireo fa nahafoy tena toy ny ‘sorona velona’ izy. Teo anefa ilay mpandahateny dia nampahatsiahy ireo mpianatra fa tsy misy vidiny ny sorona iray raha tsy arahin’ny fankatoavana. Naka ny fitantarana momba an’i Saoly Mpanjaka sy ireo Amalekita izy ka nampirisika toy izao: “Tadidio foana fa ny fankatoavana no tsara noho ny fanatitra. Aza mitady ny “hiady varotra” amin’i Jehovah. Ataovy foana izay asainy hataonareo.”
Avy eo ny mpitari-draharaha dia nampandroso an’i Ulysses Glass, ilay mpampianatra hafa iray tao amin’ny sekoly. Nanomboka toy izao ny rahalahy Glass: “Kilasy sambatra ny kilasy faha-88. Sambatra ihany koa ireo kilasy hafa. Nahoana àry no miavaka ny fahasambaranareo?” Nasehony fa ny fahasambarana dia “tsy zava-kendrena akory fa vokatry ny asa tsara. Ny fandrosoana ho amin’ny fanatrarana izany no mitondra valisoa.” Notononiny ny mpanoratra iray izay nanova ny fiainany taorian’ny nahitany ny fitenenana hoe: “Ny fahombiazana dia fandehanana fa tsy ny toerana haleha akory.” Nanao voady io mpanoratra io fa hitsahatra tsy hanombana ny fahasambarana arakaraka ny hanatrarany ny zava-kendreny intsony izy, fa amin’ny fiheverana ny fiainany manontolo ho toy ny dia mitohy iray. “Tsy misy lalana mitarika ho amin’ny fahasambarana”, hoy izy. “Ny fahasambarana no lalana.” Avy eo ny rahalahy Glass dia nanambara fa takatr’io kilasy io ny tena dikan’ireo teny ireo. Namarana tamin’ireo teny ao amin’ny Salamo faha-84 izy ary niteny hoe: “Mandehana hatrany amin’ny toerana voatondraka tsara. Na inona na inona zava-manahirana mety ho hitanareo, dia enga anie hohazoninareo hatrany ny fahasambaran’ireo izay tia sy matahotra an’i Jehovah.”
Avy eo dia nataon’i Karl Klein, anisan’ny Kolejy foibe koa, ny lahateny fototra tamin’iny maraina iny, izay nomeny ny lohahevitra hoe “Mambole fahaizana mitana fifandraisana kristiana”. Nanomboka tamin’ny fampahatsiahivana ny rehetra izy fa i Jehovah no lehibe indrindra raha ny amin’ny fitanana fifandraisana amin’ny hafa. Ny Zanany lahitokana, ny Logos, dia nampiasaina tamin’ny naha-Mpitondra tenin’Andriamanitra lehibe indrindra azy, ary nampitainy tamin’ireo zavaboary eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra sy ny toromariny. Fony teto an-tany i Jesosy, dia talanjona noho ny fomba fampianarany ny vahoaka. Mbola tsy nahare olona niresaka tahaka azy mihitsy izy ireo teo aloha. Ao amin’ny Matio 28:19, 20, i Jesosy dia nampirisika ny mpianany mba hahay hifandray amin’ny hafa amin’ny fandehanana any amin’izao tontolo izao, ka hampianatra ny hafa ny didiny ary hanao azy ireny ho mpianatra koa.
Avy eo dia niresaka nivantana tamin’ireo misionera vaovao ny rahalahy Klein ka nilaza fa misy lafiny efatra izay tokony hiahian’ireo misionera ny hambolena fahaizana mitana fifandraisana tsara: eo amin’ny mpivady, miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny tranon’ny misionera, amin’ny sampana ao amin’ilay tany nanendrena azy hiasany, ary amin’ireo izay hitany eny amin’ny saha fitoriana. “Efa manomboka mitana fifandraisana amin’ny hafa sahady ianareo na dia alohan’ny hanokafanareo ny vavanareo aza”, hoy ny rahalahy Klein. “Ny fihetsikareo sy ny fitafianareo ary ny taovolonareo dia efa mampita hevitra amin’ilay tompon-trano sahady.” Tamin’izay izy dia nanome ohatra maromaro mba hanaporofoana ny tiany holazaina ary namarana tamin’izao fampirisihana izao: “Aoka ianareo hanetry tena. Hazòny hisokatra foana ny fifandraisana amin’ny hafa. Miezaha mafy mba hahaizana mitana fifandraisana tsara kokoa.”
Taorian’ny famakiana fiarahabana, dia natolotry ny mpitari-draharaha ny tsirairay tamin’ireo nahazo diplaoma ny mari-pahaizany. Avy eo ilay kilasy dia nanolotra fanapahan-kevitra, novakin’i Paul Angerville avy any Guadeloupe, ho an’ny Kolejy foibe sy ny mpianakavin’ny Betela.
Ny fandaharana ny tolakandro dia nanomboka tamin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Taorian’izany, ireo mpianatra dia nanolotra fandaharana iray izay nanome fahafahana ireo mpanatrika hahazo an-tsaina ny rivo-piainana nanjaka tao amin’ny efitrano fianarany, handinika ny fiarahan’izy ireo niala voly tao amin’ny efitranony, ary hihaino fitantarana maro momba ireo zavatra hitany tany am-pitoriana hatramin’ny nahatongavany tao Gileada dimy volana talohan’io. Tamin’ny farany, dia nisy fampisehoana tantara nitondra ny lohateny hoe Aoka isika hanao izay marina eo imason’i Jehovah. Mpitory avy tamin’ny kongregasionan’i Lyndhurst, any New Jersey, no nanao io fampisehoana tantara io. Nifarana tamin’ny hira famaranana iray narahin’ny vavaka iray nataon’i Fred Franz, prezidàn’ny Fikambanana izay efa 96 taona izao, ny andro.
[Efajoro, pejy 27]
NY MAMPIAVAKA ILAY KILASY:
Isan’ny tany niaviany: 6
Isan’ny tany nandefasana azy: 13
Isan’ny rahalahy mpitovo: 2
Isan’ny mpivady: 11
Isan’ny mpianatra: 24
Antsalan’ny taonany: 32,7
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana: 14
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 9
[Sary, pejy 26]
Ny kilasy faha-88 nahazo diplaoma avy tao amin’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower
Ao amin’ny lisitra etsy ambany, ireo laharana dia tononina avy eo aloha mankany aoriana ary ny anarana avy any ankavia miankavanana isaky ny laharana. 1) D. Magney; L. Rogers; S. Foster; R. Foley; L. Untch; G. Jonasson. 2) H. Buri; B. Buri; M. Krammer; D. Hudson; J. Underkoffler. 3) P. Angerville; M. Olsson; A. Jones; R. Untch; A. Krammer; C. Hudson. 4) L. Foley; J. Magney; A. Jones; H. Jonasson; M. Foster; M. Rogers; R. Underkoffler.