Ny fahamarinam-potoana sy ianao
NANANA toetra tsara maro ny mpiandraikitra kristiana iray any amin’ny kongregasionan’i Amerika Atsimo. Nantsoin’ireo namany akaiky tamin’ny anarana vazivazy hoe Haramagedona anefa izy. Nahoana? “Fantatsika fa ho avy izy”, hoy izy ireo, “saingy Andriamanitra ihany no mahalala hoe rahoviana!”
Eny, ny fahamarinam-potoana na tsia, dia mandray anjara betsaka eo amin’ny lazan’ny olona anankiray. Toy izao no nanoharan’i Solomona mpanjaka hendry an’izany: “Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.” (Mpitoriteny 10:1). Afaka manana toetra tsara maro ny kristiana iray, nefa mety hanamatroka ny laza tsarany izy raha tsy marim-potoana.
“Itokiako ny olona marim-potoana”, hoy ny mpiandraikitra iray. “Toy izany no olona tiako hiaraha-miasa.” Ankasitrahana koa izy eo amin’ny raharaham-barotra. “Aoka ianao hiasa ara-potoana; ho marim-potoana amin’ireo fivoriana; hamerina filazana asa ara-potoana”, hoy ny boky Emily Post’s Etiquette. Tahaka izany koa ny boky The New Etiquette (1987), izay milaza fa amin’ny ankapobeny, dia “tsy mahalala fomba izay tratra aoriana”. Nanampy toy izao ny mpanoratra avy eo: “Fotoana hafa tsy tokony haha-diso aoriana koa ny fotoam-pivavahana”.
Velom-pankasitrahana avokoa isika rehefa marim-potoana ny hafa. Niharihary fa nahatsapa izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra toy izao ho an’ny kristiana tany Kolosia: “Manatrika anareo ihany amin’ny fanahy [aho] ka mifaly sy mijery ny filaminanareo.” (Kolosiana 2:5) Ary azo antoka fa miombon-kevitra amin’i Davida mpanjaka isika raha ny amin’ny fampanantenan’Andriamanitra, rehefa nanoratra toy izao izy ao amin’ny Salamo: “Aza ela, Andriamanitra ô”. — Salamo 40:17; 70:5.
‘Aoka isika hanahaka an’Andriamanitra’
Tsy ho diso fotoana mihitsy Jehovah, raha ny marina. Miavaka amin’ny fiahiana ny amin’ny fotoana izy. Hita taratra amin’ny zavatra noforoniny rehetra izany. Manomboka amin’izao rehetra izao midadasika ka hatramin’ny zavamiaina bitika indrindra, dia samy miasa, toy ny hoe fehezin’ny famantaranandro iray tsy hita maso. Ny karazana bibikely any an-dranomasina iray any akaikin’i Japana, ohatra, dia mamoaka ny selam-pananahany isan-taona rehefa oktobra, eo amin’ny telo tolakandro, amin’ilay tsinan-kerinandro na tsinam-bolana iny. Rehefa lohataona, no ameran’ny “grunion” (hazandrano) madinika any amorontsirak’i Kalifornia ny tsingerim-pananahany ao anatin’ny minitra vitsy monja, rehefa ilay miakatra iny ny ranomasina.
Hentitra koa ny fandaharam-potoanan’i Jehovah raha ny amin’ny fanatanterahany ny fampanantenany. Vakintsika, ohatra, ao amin’ny Eksodosy 12:41 fa “rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ny antokony rehetra izay an’i Jehovah tamin’ny tany Egypta.” Araka izany, dia notanan’i Jehovah ny fampanantenana nomeny an’i Abrahama, taonjato maro nialoha. — Genesisy 15:13-16; Galatiana 3:17.a
Nirahin’i Jehovah ho eo amin’izao tontolo izao ny Mesia, Zanany, tamin’ny fotoana voalazan’i Daniela mpaminany indrindra, taonjato dimy mahery tany aloha, hany ka “maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy.” (Romana 5:6; Daniela 9:25) Raha ny amin’ny fifaranan’ity fandehan-javatra ity, dia ambaran’ny Baiboly fa Jehovah no mahalala “izany andro sy ora izany.” (Matio 24:36) Tsy ho diso fotoana izy. Miharihary fa mendrika ny hotahafintsika ny ohatr’i Jehovah ny amin’ny fahamarinam-potoana. — Efesiana 5:1.
“Amin’ny fotoany avy”
Notakin’i Jehovah tamin’ny mpanompony hatrany ny haha-marim-potoana azy ireo, indrindra raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana taminy. Nisy “fotoany avy” narahina rehefa nanolotra fanatitra ny Isiraelita. Nandidy azy ireo toy izao i Jehovah: ‘Ny fanatitra ho Ahy (...) dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ny fotoany avy.’ Nomeny an’i Mosesy koa izao toromarika momba ny fivoriana izao: “Hivory eo aminao, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.” — Levitikosy 23:37; Nomery 10:3; 28:2.
Nitandrina ny “ora fandoroana ny ditin-kazo manitra” ny Jiosy tatỳ aoriana. (Lioka 1:10) Notandreman’ny Jiosy sy ny hafa koa ny “ora fahasivy fotoam-pivavahana” (Asa. 3:1; 10:3; 4:30) Ary nanoratra toy izao momba ny fivoriana kristiana i Paoly: “Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.” — 1 Korintiana 14:40.
Nitaky inona avy tamin’ny Isiraelita sy ny kristiana voalohany izany rehetra izany? Ny haha-marim-potoana azy amin’izay halehany, indrindra ny amin’ny fanompoam-pivavahana ataony. Tsy misy antony tokony hiheverana fa tsy dia hitaky firy amin’ireo mpanompony amin’ny andro ankehitriny i Jehovah.
Nahoana no sarotra atao izany ho an’ny sasany?
Miovaova be arakaraka ny faritra eo amin’izao tontolo izao ny fihetsika manoloana ny fotoana. Mitantara ny misionera anankiray fa ao amin’ny vohitra kely iray any Amerika Atsimo, dia ny vadiny indraindray no hany olona manatrika rehefa manonona ny hira ho fanombohana ny fivoriana kristiana izy. Olona 70 anefa no eo rehefa manonona ny hira famaranana izy. Eo an-danin’izany, any amin’ny tanàna iray any Eoropa Andrefana, dia olona an’arivony no nanontaniana hoe: “Raha nasaina hisakafo amin’ny 7 ora ianao, tokony ho tonga dimy na folo minitra mialoha ianao, sa dimy na folo minitra aoriana, sa amin’ny ora voatondro mihitsy? Namaly ny ankamaroany fa “takin’ny fahalalam-pomba ny hanajana amim-pitandremana ny tompon-trano sy hahatongavana amin’ny ora voatondro”.
Milaza zavatra mihoatra noho ny lafin’ny safidy isam-paritra anefa ny maha-marim-potoana, na izany aza. Fahazarana izany, toy ny maha-fahazarana ny hoe madio, milamina, na mahalala fomba. Marina fa tsy vao teraka isika dia nanana fahazarana toy izany, fa tokony hambolentsika izany. Vao mainka tsara raha efa nampianarina ho marim-potoana hatry ny fony kely ianao. Maro anefa no avy amina fianakaviana na fiaviana, izay zara raha nisy famerana ora, ary tsy dia misy ilàna ny hampifanarahana ny fiezahan’ny anankiray amin’ny an’ny hafa. Amin’ny fahatongavana ho anisan’ny kongregasiona kristiana sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fivoriany mbamin’ny fanompoany ampahibemaso ihany vao hanjary ho tena zava-misy aminy ny ilàna fahamarinam-potoana. Mety ho hitany ho sarotra ny hanitsy ny fahazarana mandiso fotoana noraisiny hatramin’ny mbola kely. Mety hanosika ny olona iray hiova anefa ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Nahoana anefa no hanao fiovana?
Nahoana no ho marim-potoana?
“Tianao ve ny fiainana?” hoy i Benjamin Franklin, indray mandeha. “Aza lanilanina foana àry ny fotoana fa fitaovana nanamboarana ny fiainana izany.” Samy miaiky ny fahamarinan’izany fanambarana izany avokoa isika. Tsy mety amin’ny kristiana koa anefa ny mampandany fotoana ny hafa. “Ny mpandiso fotoana”, hoy ny fanamarihan’ny misionera iray, “dia toy ny miteny amin’ny alalan’ny asany hoe: “Sarobidy kokoa noho ny fotoananao ny ahy, noho izany dia afaka miandry ahy ho vonona ianao.’ ” Ny olona tsy marim-potoana dia tsy vitan’ny hoe hita ho tsy milamina sy tsy dia azo itokiana fotsiny fa somary tia tena sy tsy mitandrina koa. Ny kristiana marina kosa dia maniry ‘tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na handrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.’ — Filipiana 2:3.
Mety hahatsapa ny sasany fa tsy tiany ny hiaina amin’ny famantaranandro, ka hobaikoin’izany isak’izay mihetsika. Tsy dia hoe fehezin’ny famantaranandro fotsiny anefa ny hoe marim-potoana. Izany dia fananana fiahiana ao am-po ny hafa sy ny tombontsoany, ‘tsy samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.’ — Filipiana 2:4.
Hevero, ohatra, ity torohevitry ny Baiboly ity: “Mifandraisa hianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa.” (Romana 15:7) Raha toa izany fifandraisana izany ka ampiharina ara-bakiteny dia miharihary fa ho sarotra ny hanao azy raha manana fahazarana tonga aoriana amin’ny fivoriana ny olona iray. Amin’ny fahatongavanao aloha be no ahafahanao hanao izay hisian’ny fifankatiavana sy ny firahalahiana ary ny fitiavana mampiantrano vahiny amin’ny fivoriana toy ireny. Ary tena handray soa tokoa ianao. Ny fahatongavana aloha no hanampy anao handray anjara amin’ny hira sy ny vavaka fanombohana — ny tapany lehibe iray amin’ny fanompoam-pivavahan’ny kongregasiona tafaray. Amin’ny fandrenesana ny foto-kevitra sy ny lohateny notononina no hahafahanao hanaraka tsara kokoa ny famelabelarana ny fandaharana.
Hamela ny hafa hampifanaraka ny fiezahany ka hahavita zavatra betsaka ny fahatongavanao aloha. Rehefa nanafika ny tanànan’i Ay i Josoa dia nandefa ampahany tamin’ny tafiny mba hamitaka ny fahavalony hiala amin’ny tanàna raha mbola niafina tao amin’ny otrika ny sisa tamin’ny vatan-dehilahiny, mba hambabo ny tanàna. Tamin’ny fotoana hentitra avy eo no nanomezan’i Josoa ny famantarana. “Nihazakazaka [ireo namany], raha vao natondrony ny tanany”, ka rava teo anoloany ny tanàna. Azonao alaina sary an-tsaina ve hoe inona no nety ho nitranga raha tsy nanao zavatra ara-potoana izy ireo? — Josoa 8:6-8, 18, 19.
Manana antony betsaka hiheverana ny fotoana ny minisitra kristiana amin’ny andro ankehitriny. Ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana miaraka amin’ny hafa, ny fanomanana ny tapany amin’ny fivoriambe na ny fivoriana, ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana aza, ireo rehetra ireo dia mitaky ny hampifanarahantsika ny asantsika amin’ny an’ny hafa. Amin’ny fahamarinam-potoana no ahafahantsika mahavita zavatra betsaka. Marina koa izany na dia amin’ny zavatra tsotra toy ny famerenan’ny olona anankiray ny filazana asany momba ny fitoriana rehefa faran’ny volana aza. Rehefa miara-miasa ny tsirairay hamerina izany haingana, dia mety ho voangona ny rapaoro marina sy mampahery avy amin’ny kongregasiona sy maneran-tany.
Tafiditra amin’ny hoe marim-potoana koa ny fanajana ny oran’ny fotoana nifanaovana na fivoriana, izay misy maro isan’andro. Ny sasany moa tena lehibe, ny hafa tsy dia manao ahoana. Tokony hanomboka amin’ny fotoana voatokana, ohatra, ny fampakaram-badinao. Na koa, mety ho tianao ho masaka ao anatin’ny minitra maromaro monja ny atodinao. Na ahoana na ahoana, ny olona marim-potoana dia tsy mila ny hikoropaka hamonjy an’itsy sy iroa, tratra aoriana amin’ny zavatra rehetra. Raha ny marina dia sady tony izy no milamina. Afaka mahavita zavatra betsaka izy satria mandahatra ny fotoanany, ary manomboka ara-potoana na aloha kely aza.
Misy antony maro tokony hiheveran’ny kristiana ny fotoana, raha ny marina. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia izany no fomba iray hanehoantsika fitiavana tsy mitady tombony amin’ny kristiana namantsika sy ny fanajantsika fandaharana teokratika ho an’ny fanompoam-pivavahana marina.
Ahoana, àry no ahafahana mamboly fahazarana ho marim-potoana?
‘Mahalala ny fotoana voafetra’
“Na dia ny vano (...) aza dia mahalala ny fotoana voafetra ho azy” hifindrany, ary ny vitsika “mamory ny haniny raha fahavaratra” mba ho vonona ho amin’ny ririnina, hoy ny Baiboly. (Jeremia 8:7, MN; Ohabolana 6:8) Ao anatin’izany no miafina ny tsiambaratelon’ny fahamarinam-potoana sy ny fahavitana izay atao.
Tokony hahalala ny ‘fotoana voafetra ho antsika’ koa isika. Tokony hihevitra ny fotoana isika sady tsy ho sarotiny loatra na hitompo teny fantatra. Ilaintsika fotsiny ny mahafantatra izay tokony hataontsika, nefa koa ny hoe rahoviana no tokony hanaovantsika ilay izy. Ilaintsika ny mizatra misaintsaina mialoha, manombantombana izay fe-potoana mety, ary vonona ny hanajanona izay asa atao mba hanaovana zavatra hafa mbola lehibe kokoa, toy ny fivoriantsika, ny fanompoana, ary ny raharaha teokratika hafa.
Tena ilaina ny fiaraha-miasan’ny mpianakavy amin’izany lafiny izany. Voamarika fa matetika ny raim-pianakaviana no mamela ho an’ny vadiny ny fanomanana ny ankohonana. Avy eo izy dia mivoaka irery ny varavarana sady miantso hoe: “Haingàna fa raha tsy izany dia tara eo ianareo!” Tsy mba toy izany i Jakoba; nampiany ‘hiainga sy nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny’ rehefa tonga ny fotoana hiaingany. — Genesisy 31:17.
Ahoana àry no ahafahan’ny raim-pianakaviana hanampy ny mpianakaviny? Tokony hampianarina haka fotoana hiomanana ho amin’ny zava-dehibe ny ankizy fa tsy hamela ny zavatra rehetra ho amin’ny minitra farany. Tokony hampiana izy mba hamboly fahatsapana andraikitra sy hifaly amin’ny fanaovan-javatra haingana. Raha ny amin’ny fianakaviana, dia diniho ny ohatra omen’ny Baiboly mampiseho ny maha-zava-dehibe ny haha-vonona sy haha-marim-potoana. (Genesisy 19:16; Eksodosy 12:11; Lioka 17:31) Azo inoana fa avy amin’ny ohatry ny ray aman-dreny niteraka ny fianarana tsara indrindra sy mahomby indrindra.
Afaka manampy ny kongregasiona koa ireo mpiandraikitra kristiana amin’ny fanomezan’izy ireo ohatra tsara. Tsy tokony ho notendrena izy raha tsy “tia filaminana” (1 Timoty 3:2.) Azo inoana fa ho marim-potoana kokoa ireo rahalahy sy anabavy hafa raha fantany fa ho ao ireo loholona handray azy sy hitarika. Ireo mpiandraikitra mahatsapa adidy àry dia hiezaka ho ao amin’ny Efitrano Fanjakana aloha be, mba hanampy ny kongregasiona. Tena ankasitrahana tokoa ireo mpikarakara momba ny asa tonga aloha mba handray ireo rahalahiny sy hanome izay ilainy.
Mitaky fifehezan-tena sy fanarahana lalàna tokoa ny fahamarinam-potoana. Tsy noho fikendrena hanaraka baiko miaramila, fa noho ny fitiavantsika ny kristiana namantsika sy ho fanajana ny fandaharana teokratika. Anankiray amin’ireo toetra vaovao iezahantsika hotafina izany. (Kolosiana 3:10, 12) Ambonin’ny zavatra rehetra, dia irintsika ny hanahaka ny Raintsika any an-danitra, Jehovah Andriamanitra, izay mampianatra antsika fa “misy fotoana voafetra ho an’ny zavatra rehetra.” — Mpitoriteny 3:1, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany momba io faminaniana io dia jereo ny boky Insight on the Scriptures, boky voalohany, pejy faha-460-1 sy 776-7.