Fiarovana ny Tany Amin’ny Fanimbana
TALOHA ela teo amin’ny tantaran’ny olombelona Andriamanitra dia efa niaro ny tany tamin’ny fanimban’ny olona azy. Tamin’ny alalan’ny safodrano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa no nanaovany izany. Tsy manana filazana isika fa nanimba ny tontolo niainana ny olona tamin’izany. Nefa tamin’ny fomba hafa no nahasimba ny tany manontolo aoka izany hany ka tsapan’Andriamanitra ny ilàna hanaovan-javatra amin’ny fomba faran’izay hentitra.
Mitantara toy izao ny Baiboly: “Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza; dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” (Genesisy 6:4, 11, 12) Eny, tamin’ny andron’i Noa dia hitan’Andriamanitra fa simba ny tany noho ny herisetra sy ny faharatsian’ny olombelona.
Toy izany koa fa nampitandrina toy izao Andriamanitra rehefa nanomboka haka ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita fahiny: “Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny ra dia fametavetana ny tany (. . .). Ary aza lotoinareo ny tany izay onenanareo.” (Nomery 35:33, 34) Noho izany dia simba i Kanana noho ny fandatsahan-dra nataon’ny mponina tao aminy. Ny ohatra nahatsiravina tamin’izany dia ny fanaovany sorona ny zanany kely ho an’ireo andriamaniny.
Naloto fitondrantena be koa ireo Kananita, ary nahakasika ny fomba fihevitr’i Jehovah ilay tany koa izany. Nampitandrina ny Isiraelita toy izao izy: “Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra [fanao maloto] izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo. Ary efa maloto ny tany, ka dia (. . .) haloan’ny tany ny mponina eo. (Levitikosy 18:24, 25) Simban’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fandatsahan-dra aoka izany i Kanana, hany ka naringan’Andriamanitra ny firenena kananita.
Ny Fanimbana ny Tany
Ahoana ny amin’ny andro ankehitriny? Moa ve tsy miaina amin’ny vanim-potoan’ny herisetra sy ny fandatsahan-dra ary ny fahalotoam-pitondrantena tsy hay tohaina koa isika izao? Na inona na inona ataon’ny olona mba hanandramana mandamina ny fanimbana nataony tamin’ny tany, dia tsy ho afaka hamerina amin’ny fiainana ireo olona tombanana ho zato tapitrisa maty tamin’ny ady nandritra ity taonjato ity mihitsy izy, na ho afaka hamelona indray ireo an-tapitrisany maro novonoin’ny mpanao heloka bevava, na ireo fadiranovana tsy hita isa matin-kanoanana. Tsy afaka mamerina ireo zaza am-bohoka efa ho 40 ka hatramin’ny 60 tapitrisa vonoina amin’ny fanalana zaza isan-taona tokoa izy. Afaka ny hisalasala ve isika fa simba ny tany eo imason’Andriamanitra noho ny zavatra toy izany — tsy resahina intsony ny fahalotoam-pitondrantena izay miely aoka izany ankehitriny?
Ambaran’ny rariny amintsika fa tsy maintsy hanao zavatra tsy ho ela Andriamanitra mba hiarovana ny tany amin’ny asa fanimbana ataon’ny olona, ary hamafisin’ny faminanian’ny Baiboly izany. Inona anefa no hataony? Milaza ny Baiboly fa ‘hanimba izay manimba ny tany izy’. (Apokalypsy 11:18; ampitahao amin’ny Matio 24:3-14.) Toy ny androahan’ny tompon-trano iray ny mpanofa trano mpanimba iray no ‘handroahan’Andriamanitra’ ireo izay manimba ny zavatra kanto noharìny, dia ny tany.
Manambara toy izao ny Baiboly: “Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” (Ohabolana 2:22) Izany fandraisan’Andriamanitra anjara ho avy izany ilay antsoin’ny Baiboly hoe Haramagedona. (Apokalypsy 16:16) Jesosy koa dia niantso azy io hoe “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21) Ho lehibe kokoa noho ny Safodrano aza izy io.
Moa ve izany vahaolana tafahoatra loatra na tsy ara-drariny? Tsia, Andriamanitra, amin’ny maha-Mpamorona ny tany azy, dia manana zo hanapa-kevitra ny amin’ny hoe iza no honina eo. Manana zo hitana ny olona ho tompon’andraikitra amin’ny ataony koa izy. Ambonin’izany, raha toa Andriamanitra mamela ny olona hanohy ny lalany tsy misy fanasaziana, dia ho simba ny tany ho an’ny olona rehetra, ary tsy ho azo iainana. Etsy an-danin’izany, amin’ny ‘fanimbana izay manimba ny tany’ no iarovan’Andriamanitra ny tany lovantsika ho an’ireo izay maneho fankasitrahana. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao”. — Ohabolana 2:21.
Noho ny fanampian’Andriamanitra dia olona an-tapitrisany maro no nanan-kery hisehoana ho tsy manan-tsiny satria tiany ny ho tafajanona mba hifaly amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra. Manaraka ny fitsipi-pitondrantena ambony nomen’Andriamanitra koa izy ary mifady ny herisetra sy ny fandatsahan-dra na dia amin’ny fomba tsy mivantana aza. Noho izany, dia tsy mpanimba ny tany izy ireo amin’izay heviny lehibe izay.
Tany iray voaro amin’ny fahasimbana
Ny olona toy izany izao dia manana fahatsinjovana mahafaly ny hahita ny tany simba ankehitriny hiova ho paradisa mahasalama. Eny, na ny tenany koa aza dia ho voadio, ho afaka amin’ny vokatra manimban’ny fahotana. Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia milazalaza ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hampety izany rehetra izany ho toy ny “onin’ny ranon’aina” ara-panoharana. Eo amin’ny andaniny roa amin’izany ony izany dia “nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.” — Apokalypsy 22:1, 2.
Io fahitana ara-tsindrimandry io dia antoka fa hiaro ny tany sy ny mponina eo aminy amin’ny fanimbana Andriamanitra. Manome fahatsinjovana mialoha ny amin’izany tany voaova izany ny faminaniana hafa. Hevero, ohatra, ity fahitana miendrika tononkalon’i Isaia ity: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy.” (Isaia 35:1, 2) Tsy hisy ranomasina voaloto, na tany karankaina, na atmôsfera voapoizina amin’izany fotoana izany.
Mbola zava-dehibe kokoa, fa tsy ho simban’ny herisetra na fandatsahan-dra na fahalotoam-pitondrantena ny tany. Ireo izay manaja an’Andriamanitra sy ny fari-pitondrantenany ary ny zavaboariny ihany sisa no ho eo. (Apokalypsy 21:7, 8) Henoy izao ny vokatra hahatalanjon’izany zavatra rehetra izany: “Ary hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. (. . .) Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” — Apokalypsy 21:4, 5.
Fiafarana hahafinaritra re izany! Endrey ny hafaliantsika mahafantatra fa tsy ho ela Andriamanitra dia ‘hanimba izay manimba ny tany’! Ary izany fampanantenana ara-tsindrimandry izany dia manosika antsika tokoa haniry hanompo an’ilay Andriamanitra izay hiaro ny tany amin’ny fanimbana atao aminy ka hanao azy ho fonenana paradisa ho an’ny olombelona mahitsy fo!
[Teny notsongaina, pejy 6]
Milaza ny Baiboly fa ‘hanimba ireo izay manimba ny tany’ Andriamanitra. — Apokalypsy 11:18