FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/10 p. 3-4
  • Ataon’ny Olombelona Ahoana ny Tany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataon’ny Olombelona Ahoana ny Tany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ala
  • Ny ranomasina
  • Ny rano fisotro
  • Fomba fambolena sy fiompiana
  • Fitaterana mandeha môtera be loatra
  • Fiarovana ny Tany Amin’ny Fanimbana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ala
    Mifohaza!—2023
  • Ranomasina
    Mifohaza!—2023
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2023
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/10 p. 3-4

Ataon’ny Olombelona Ahoana ny Tany?

TELONJATO TAONA lasa izay, dia niaina akaiky kokoa ny natiora ny olombelona. Tamin’ny ankapobeny, dia tsy mba norahonan’ny fanovana ataon’ny olona amin’ny tontolo iainana toy ny amin’ny andro ankehitriny izy. Mbola tsy niandoha ny fandrosoana ara-taozava-baventy tamin’izany. Tsy nisy foiben-kerin’aratra na orinasa, na fiarakodia, na loharanom-pandotoana hafa niely betsaka toy izao tamin’izany. Nety ho sarotra tamin’ny olombelona ny naka sary an-tsaina fa hanimba ny tany manontolo izy.

Kanefa na dia tamin’izany aza dia nisy fampitandremana ny amin’ny fahasimban’ny bolantany niely hatraiza hatraiza. Hita ao amin’ny boky farany indrindra amin’ny Baiboly izany fampitandremana izany, ary efa nambarany mialoha ny fotoana hisalovanan’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny olombelona ka ‘hanimbany izay manimba ny tany.’ — Apokalypsy 11: 17, 18.

Toy inona ny fanamaivanana azon’izay rehetra malahelo noho ny fitondrana ratsy ataon’ny olombelona amin’ny tany amin’ny andro ankehitriny, noho ny fahafantarana fa ilay Mpamorona ny planetantsika kanto dia hanafaka azy amin’ny fanimbana! ‘Nefa’, hoy angamba ianao manontany tena, ‘moa ve isika tonga eo amin’ny tarehin-javatra sarotra aoka izany ka ilàna ny fisalovanan’Andriamanitra?’ Hevero àry ny zava-misy sasany, ary aoka ianao ihany no hitsara.

Ny ala

Manome endrika ny tany ny ala sady mamatsy sakafo sy fialofana ho an’ireo karazany an-tapitrisany maro samy hafa. Raha mbola mitombo ny hazo ary mamokatra sakafo, dia manao asa iankinan’ny aina hafa koa izy, toy ny fitrohana roanôksida-na karibônina sy famoahana ôksizenina sarobidy. Izany no ilazan’ny National Geographic fa “manome fiarovana iray amin’ny hafanan’ny bolantany izay mahatandindomin-doza ny fiainana eto an-tany araka ny ahafantarantsika azy izy ireny.”

Simbàn’ny olombelona anefa ny ala lovany. Mihamaty noho ny fandotoana ny ala any Amerika Avaratra sy any Eoropa. Ary mandripaka ny ala any amin’ny tany mafana ny fanafarana ataon’ireo firenena mandroso. Nohazavain’ny gazety afrikana iray fa tamin’ny 1989, dia “66 tapitrisa metatra toratelo [amin’ny hazo any amin’ny tany mafana no] nampoizina haondrana — 48 isan-jato tany Japana, ary 40 isan-jato tany Eoropa.”

Any amin’ny tany sasany koa dia doroan’ny mpamboly ny ala mba hanorenany toeram-pambolena. Tsy ela dia kotra (lany tsiro) ny tany marefo nisy ala, ka tsy maintsy mandoro ala misimisy kokoa ny mpamboly. Notombanana fa tamin’ity taonjato ity monja dia efa ho ny antsasaky ny ala maneran-tany no lany tamingana.

Ny ranomasina

Mandray anjara asa iankinan’ny aina koa ny ranomasina eo amin’ny fanadiovana ny atmôsfera, ary anefa manimba azy ny zavatra ataon’ny olona. Fatrana roanôksida-na karibônina maro no fohin’ny ranomasina. Mifoka roanôksida-na karibônina sy mamoaka ôksizenina kosa ny fitôplanktôna (zavamaniry any anaty ranomasina). Toy izao no anazavan’i Dr. George Small izany tsingerim-pahavelomana izany: “Avy amin’ny planktôna any anaty ranomasina ny 70 isan-jaton’ny ôksizenina eny amin’ny atmôsfera, isan-taona.” Kanefa mampitandrina ny mpahay siansa sasany fa mety ho lany tamingana mihitsy ny fitôplanktôna noho ny fihenan’ny ôzônina eny amin’ny atmôsfera, fihenana heverina fa avy amin’ny ataon’ny olombelona.

Ambonin’izany koa, dia manary fako sy solitany ary faikan-javatra misy poizina any anaty ranomasina ny olona. Raha manaiky ny hametra ny faikan-javatra avelany hivarina any anaty ranomasina ny firenena sasany, ny hafa kosa mandà. Misy aza firenena tandrefana iray mitana ny zony hanary faikan-javatra noklehera any anaty ranomasina. Mampitandrina toy izao ilay mpizaha anaty ranomasina malaza atao hoe Jacques Cousteau: “Tokony harovantsika ny ranomasina raha tiantsika ny hiaro ny taranak’olombelona.”

Ny rano fisotro

Simbàn’ny olona na dia ny rano fisotrony aza! Any amin’ny tany mahantra dia olona an-tapitrisany maro no maty isan-taona noho ny rano voaloto.” Any amin’ny firenena manankarena indray, ankoatra ny zavatra hafa, ny loharano dia voapoizin’ny zezika sy ny fanafody famonoana bibikely mivarina any an-drenirano sy mitsika mankany amin’ny rano ambanin’ny tany. 2,3 tapitrisa taonina ny famonoana bibikely namboarina maneran-tany tamin’ny 1986, ary voalaza fa 12 isan-jato isan-taona ny taham-pitomboany.

Loharanom-pandotoana hafa ny fanariam-pako simika. “Ireo barika vy misy faikan-javatra simika”, hoy ny fanazavan’ny Scientific American, “dia tsy inona fa baomba izay hipoaka rehefa harafesina izy ireny.” Io karazam-pandotoana io, hoy ny anampin’ilay gazety, dia miseho “maneran-tany amin’ireo fanariam-pako simika an’arivony maro.”

Inona no vokany? Manerana ny tany manontolo, ny renirano nadio fahiny dia nanjary natao famarinan-drano maloton’ny taozava-baventy. Notombanana ho Eoropeana 20 tapitrisa no misotro rano avy amin’i Rhin, nefa voaloto aoka izany io renirano io hany ka mampidi-doza loatra ny fota-mainty loarana avy ao aminy ka tsy azo ampiasaina hanotofan-javatra akory!

Fomba fambolena sy fiompiana

Mampanahy fa simbàn’ny olona hatramin’ny toeram-piompiana sy famboleny aza. Any Etazonia fotsiny, dia 20 isan-jaton’ny tany manakaiky ny fitarihan-drano no simba, araka ny voalazan’ny Scientific American. Nahoana? Satria manampy sira be dia be loatra amin’ny tany ny fampidiran-drano tafahoatra. Firenena maro be no nanimba tany tsara betsaka tamin’izany fomba izany. “Amin’izao fotoana izao dia mitovy amin’ny habetsahan’ny tany nanjary tsy nahavokatra noho ny fanampiana sira taminy ny habetsahan’ny tany nanjary nahavokatra noho ny fomba fampidiran-drano vaovao natao taminy, hoy ny The Earth Report. Zava-manahirana hafa fahita hatraiza hatraiza koa ny biby miraoka ahitra be loatra, izay mety hahatonga fitaran’ny tany hay.

Fitaterana mandeha môtera be loatra

Izany no mahazo ny tany sy ny rano eto amin’ny planetantsika. Nefa ahoana ny eny amin’ny habakabaka? Simba koa izany, ary maro ny mpanimba azy. Hevero ny fiarakodia, raha tsy hiresaka afa-tsy ny iray monja isika. Toy izao manaraka izao ny fampitandreman’ny gazety siantifika malaza telo: “Miteraka fandotoana rivotra betsaka noho izay mety ho asa hafa rehetra ataon’ny olombelona ny fitaterana mandeha môtera.” (New Scientist) “Misy 500 tapitrisa ny fiarakodia voasoratra ara-dalàna eto amin’ny planeta (. . .). Mandany eo amin’ny ampahatelon’ny vokatry ny solitany maneran-tany ny famenoana ny fitoeran-dasantsiny (. . .). Mitombo haingana kokoa noho ny isan’ny mponina ny isan’ny fiarakodia.” (Scientific American) “Ny lasantsy, amin’ny dingana rehetra famokarana azy sy fampiasana azy ary fandaniana azy, no loharano lehibe indrindran’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny aretina.” — The Ecologist.

Eny, ampiharana fanararaotana sy simbàna ny planetantsika. Ny ranomasiny, ny rano fisotro, ny tanety azo ambolena sy iompiana, eny, hatramin’ny atmôsferany aza, dia heniky ny fandotoana. Azo antoka fa izany fotsiny dia mampahatsiahy fa antomotra ny andro hisalovanan’Andriamanitra ka ‘hanimbany izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 11:18) Na izany aza, dia misy fomba hafa, ary mbola ratsy kokoa aza, animbana ny tany. Izany indrindra izao no aoka hojerentsika.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Tokony harovantsika ny ranomasina raha tiantsika ny hiaro ny taranak’olombelona.”​—Jacques Cousteau

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara