FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/10 p. 16-17
  • Jordana iray izay mety ho tsy fantatrao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jordana iray izay mety ho tsy fantatrao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Jordana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fianarana Voalohany — Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Andeha Isika Hizaha ny Ranomasin’i Galilia!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fiampitana ny Ony Jordana
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/10 p. 16-17

Sarin’ny Tany Nampanantenaina

Jordana iray izay mety ho tsy fantatrao

METY hampahatsiahy anao sary efa fantatrao ny fanononana fotsiny ny onin’i Jordana: ny nitan’ny Isiraelita teo ambany fitarihan’i Josoa an’io renirano nisaraka io, tany akaikin’i Jeriko; ny nandroan’i Namana impito tamin’ny ranony mba ho sitrana amin’ny habokana; ny nanaovan’i Jaona batisa jiosy maro be, ary avy eo dia i Jesosy. — Josoa 3:5-17; 2 Mpanjaka 5:10-14; Matio 3:3-5, 13.

Miharihary fa, izany fisehoan-javatra malaza rehetra izany dia nitranga tao amin’ny faritra lava sy fanta-daza indrindra tamin’i Jordana, ilay tapany eo atsimon’ny Ranomasin’i Galilia ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty. Na dia ireo mpianatra marisika ny Tenin’Andriamanitra aza anefa dia mety tsy hahamarika ny ilany hafa iray amin’i Jordana — ny tapany avaratra amin’ilay renirano sy ny faritra manodidina azy. Jereo ilay sarintany.a Ny lohasaha eo afovoany dia anisan’ny Great Rift Valley, lempona lehibe hatreo Syria ka hatrany Afrika.

Ny loharano telo lehibe indrindra manome ny onin’i Jordana dia ireo renirano avy amin’ny orampanala miempo avy any amin’ny tendrombohitra avo dia avon’i Hermona. Ilay renirano atsinanana indrindra (aseho eto) dia nipoitra avy tamin’ny hantsambato sokay iray akaikin’ny fototr’ilay tendrombohitra. Teo no nisy an’i Kaisaria-filipo; tadidio fa nitsidika tany i Jesosy fotoana fohy talohan’ny niovany endrika teo “an-tendrombohitra avo”. (Matio 16:13–17:2) Misy renirano hafa mipoitra avy ao amin’ilay havoana kely nisy ny tanànan’i Dana, izay nananganan’ireo Isiraelita avy tany amin’ny fanjakana avaratra ombilahy kely volamena. (Mpitsara 18:27-31; 1 Mpanjaka 12:25-30) Mifandray amin’ireo roa ireo ny renirano fahatelo mba hahaforona ny onin’i Jordana, izay mivarina any amin’ny elanelan-kaabo (dénivellation) 300 m eo amin’ny zeva (distance) 11 km eo ho eo.

Avy eo ilay lohasaha dia marindrano hatrany amin’ny kamorin-driakan’i Houla, ka mahatonga ny ranon’i Jordana hiely, sy miteraka honahona midadasika. Fahiny dia rano be dia be no nihandrona tao amin’ny faritra marivo iray fantatra amin’ny anarana hoe Farihin’i Houla (na Huleh). Tsy eo intsony anefa izao ny Farihin’i Houla satria vao haingana ny ambony amin’ny ranon’i Jordana no nahitsy, ka nasiana lakandrano mba hanamainana ilay honahona, ary nohalalinina ny vavarano. Noho izany, raha mijery sarintany iray ianao ka mahita farihy iray (Houla) eo avaratry ny Ranomasin’i Galilia, dia ho fantatrao fa sarintanin’ilay faritra fahiny io fa tsy araka ny hahitanao azy ankehitriny.

Raha mitsidika any anefa ianao dia hahita faritra fiarovana ara-dalàna ny biby sy ny zava-maniry ao, izay mety hahazoanao sary an-tsaina ny endrik’ilay faritra tamin’ny andron’ny Baiboly, fony izy feno karazan-javamaniry miavaka, toy ny ala-na “papyrus” sy zozoro mihofahofa. — Joba 8:11.

Nonenan’ny karazam-borona tsy nitsahatra ny niova ilay faritra. Rakotra vano, voron-drano, pelikana, domohina, ary vorona hafa tetsy sy teroa, satria nahaforona toeram-piatoana tsara ny heniheny sy ny farihy teo amin’ny lalana ifindrana manelanelana an’i Eoropa sy Afrika. (Deoteronomia 14:18; Salamo 102:6; Jeremia 8:7) Nety ho tsy dia hita loatra tahaka izany ny karazana zavaboary hafa mifanentana amin’ilay faritra nefa nahatonga ny fitana ny Kamorin-driakan’i Houla tsy dia hanintona ny fisiany. Toa anisan’izany ny liona, ny lalomena, ny amboadia, ary ny lambo. (Joba 40:15-24; Jeremia 49:19; 50:44; Habakoka 1:8) Nandritra ny vanim-potoana sasany dia betsaka tao ny moka mpitondra tazo, izay miharihary fa iray amin’ireo fanaviana resahina ao amin’ny Baiboly.

Takatra fa hanara-morona an’io faritra be honahona io na ny mpandeha mitokana na ireo mpandeha maro miara-dia. Koa aiza àry no hahafahany hita ny Onin’i Jordana any amin’ny lohasaha avaratry ny Ranomasin’i Galilia?

Harambato bazalta mitovy tantana amin’ny rano no teo akaiky kokoa ny Ranomasin’i Galilia; izany fiforonana toy ny tohodrano izany no antony nampiverina ny rano ka nahaforona ny Farihin’i Houla. Azonao jerena eo amin’ny pejy faha-16 ny tapany amin’ilay vato mitranga. Eo am-pianjeran’i Jordana eo atsimon’ny Ranomasin’i Galilia (tazan-davitra avy eto) àry dia mandeha haingana izy, hany ka mandroadroatra ny ranony. Takatra fa ho nampidi-doza ho an’ireo mpandeha fahiny ny fidinana tamin’izany hadilanana lalina izany, sy ny hita ny rano maherin’i Jordana.

Nisy faritra kely marindrano nikorianan’ny rano moramora teo anelanelan’ny faritra be honahonan’ny Kamorin-driakan’i Houla sy ilay hadilanana. Teto dia afaka nita ny renirano tsy naninon-tsy naninona ireo mpandeha fahiny, ary nanjary anisan’ny lalana fandehanana lehibe indrindra namakivaky ny Tany Nampanantenaina izy io. Misy tetezana eo amin’io toerana io amin’izao fotoana izao, mbola lalana tsara indrindra fiampitana an’i Jordana foana.

Amin’izao fotoana izao ny Kamorin-driakan’i Houla dia faritra fambolena lonaka; misy dobon-trondro maromaro aza any. Misy izany rehetra izany noho ny rano be dia be mikoriana midina ao amin’io tapany amin’ny Onin’i Jordana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ampitahao ilay sarintany sy ilay sary lehibe kokoa ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1990.

[Sarintany, pejy 17]

(Jereo ny gazety)

Houla

Ranomasin’i Galilia

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny sarintanin’ny Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. sy ny Survey of Israel.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

Sarim-biby: Safari-Zoo-n’i Ramat-Gan, Tel Aviv

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara