Masada — Porofo ve fa efa tonga ny mesia?
NY FANDATSAHAN-DRA natao tamin’ny anaran’ny fivavahana dia fisehoan-javatra nampahory niverimberina teo amin’ny tantara. Tsy naningana i Masada satria ireo mpiaro azy nanana antony ara-pivavahana nahery nanosika azy. Raha mitsidika ireo fandavahana natao tany Masada ianao dia hahita ny sisana synagoga iray fihaonan’ireo mpitondra lefompohy hanao fanompoam-pivavahana sy ny toeram-pandroana nampiasaina tamin’ny fidiovana ara-pivavahana.
Nisy tapatapaka Baiboly koa hita tao Masada. Moa ve, hoy angamba ianao manontany tena, mitovy amin’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly ankehitriny ny hafatra ara-baiboly azon’ireo mpitana lefompohy nampiasaina? Ny Dr. Yigael Yadin, ao amin’ilay bokiny hoe Masada, dia nanoratra toy izao momba ny zavatra hita voalohany toy izany:
“Ny fandinihana vetivety monja teny an-toerana dia nampiseho avy hatrany taminay fa tapany iray avy amin’ny Bokin’ny Salamo ilay izy, ary afaka namantatra ireo toko mihitsy aza izahay: Ny Salamo faha-81 ka hatramin’ny faha-85 no hita ao amin’io tapany io. (...) Azo natao ny nilaza ny datin’izany tsy nisy fisalasalana kely akory. Tsy nety ho taorian’ny taona 73 am.fan.ir., taona naharavan’i Masada akory izany. (...) Io tapany avy amin’ny Bokin’ny Salamo io, sahala amin’ny horonambokin’ny Baiboly hafa hitanay tatỳ aoriana, dia saika mitovy tanteraka (...) amin’ny soratra ao amin’ny bokin’ny Baiboly ampiasaintsika ankehitriny.
“Miharihary fa ireo mpitondra lefompohy dia nino fa ilay Andriamanitra Mpanoratra ny Soratra hebreo dia hitahy ny fikomiany tamin’i Roma, araka ny hazavain’ny The Universal Jewish Encyclopedia (Ny Firaketana jiosy momba ny rehetra) hoe: “Ny firehetan’ny Jiosy tamin’ny Ady Lehibe natao tamin’i Roma (66-73 am.fan.ir.) dia nohamafisin’ny finoan’izy ireo fa antomotra ny andron’ny Mesia. Ny namoizany ny Tempoly dia nampitombo ny faminavinany ny amin’ny hahatongavan’ny Mesia.”
Ny fahatongavan’ny Mesia
“Ireo mafana fo jiosy momba ny fahatongavan’ny Mesia”, hoy ny The Encyclopedia of Religion (Ny Firaketana momba ny Fivavahana), dia “matetika no nampiorina ny fanombantombanana nataony tamin’ny Bokin’i Daniela.” Marina fa ilay mpaminany hebreo atao hoe Daniela dia nanambara mialoha ny fahatongavan’ny “Mesia Andriana.” (Daniela 9:25) Ao amin’ny fitantarana roa hafa i Daniela dia nilaza fa ho tonga Mpanapaka ny tany manontolo ny Mesia ary ny Fanjakany dia handrava ny fitondram-panjakan’olombelona mpanohitra rehetra. — Daniela 2:44; 7:13, 14.
Ireo Jiosy mpikomy tamin’ny taonjato voalohany dia nihevitra fa tonga ny fotoana hahatanterahan’izany fahitana ara-paminaniana izany. “Izay nanosika azy ireo ho amin’ilay ady mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra”, hoy i Josèphe, “dia [ny finoana] ny hoe tamin’io fotoana io ny olona iray avy amin’ny fireneny no ho tonga mpanapaka izao tontolo izao.” Nefa nanambara mialoha i Daniela fa tsy maintsy “hovonoina” aloha ny Andriana mesianika ary aorian’ny fahafatesany i Jerosalema sy ny tempoliny dia horavan’ny “vahoaky ny mpanjaka izay ho avy.” — Daniela 9:25, 26.
Ny fiheveran’ny Jiosy ny fanapahan’ny Jentilisa
Nizara ho roa ny mponin’i Jodia tamin’ny taonjato voalohany: ny mpanankarena vitsy dia vitsy ary ny mahantra maro dia maro. Ny Jiosy nanankarena sasany, indrindra fa teo amin’ireo Sadoseo sy Fariseo, dia nankasitraka aoka izany ny fahefana navelan’i Roma hotazoniny teo amin’ilay tany, ary nanao tsinontsinona ny olona tsotra. Araka izany, dia nanohitra izay nety ho fikomiana izy ireo ary niezaka kosa mba hihazonana fifandraisana tsy nisy raorao tamin’i Roma. — Lioka 16:14; 19:45, 46; Jaona 2:14; 7:47-49; 11:47, 48.
Tetsy an-danin’izany kosa, ireo Jodiana tsotra dia nijaly teo ambany fampandoavan-ketra navesatr’i Roma sy ireo mpiray firenena taminy mpampahory. Tsy nahazo fampiononana izy ireo teo ambanin’ilay nantsoina hoe Pax Romana (Fandriampahalemana romana) fa nitady fiovana. Izany fifanoheran’ny zavatra notadiavin’ireo andaniny roa ireo izany dia niafara tamin’ny ady an-trano nahatsiravina. “Ny antokon’olona anankiray tsy nieritreritra afa-tsy ny hanapaka”, hoy ny nosoratan’i Jos̀ephe, “ilay iray hafa tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao herisetra sy ny handroba ny mpanankarena.”
Ireo mpitondra lefompohy, ohatra, dia nandroba sy namono ireo Jiosy tahaka azy ary nanala tsiny izany asa fampihorohoroana izany ho fanasaziana ireo Jiosy noheverina ho niray petsapetsa tamin’i Roma. Ny raby iray tamin’ny taonjato faharoa natao hoe Johanan ben Torta, dia nanome izao antony izao ny amin’ny loza nihatra tamin’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany: “Tia vola loatra izy ireo sady nifankahala.”
Tsy mahagaga raha toa ireo Jiosy natahotra marina an’Andriamanitra ka naniry mafy ny fisehoan’ny Mesia izay nantenainy hanjera ny fanapahana romana ka hanorina Fanjakan’Andriamanitra marina iray. Nefa nohararaotin’ireo olona tsy natahotra an’Andriamanitra izany fanantenana izany.
Mesia sandoka
Tany amin’ny taona 33 am.fan.ir. tany ho any, ny filoha Jiosy anankiray nantsoina hoe Gamaliela dia nampahatsiahy an’ireo mpiara-manapaka taminy tao Jerosalema hoe: “Fahiny (...) tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.” — Asan’ny apostoly 5:36, 37.
‘Ny fanoratana’ niafara tamin’ny fikomian’i Jodasy dia nalamina tamin’ny taona 6 am.fan.ir. noho ny fikendrena hampitombo ny hetra ho an’i Roma. Tantarain’i Josèphe amintsika fa nanambara ampahibemaso i Jodasy fa ny Jiosy “dia kanosa raha nanaiky handoa hetra ho an’i Roma.” Ny anarana hoe Jodasy dia avy amin’ny anarana hoe Joda, izay milaza fa anisan’ny foko nantenaina fa hiavian’ny Mesia izy. (Genesisy 49:10) “Ny fahaizany miteny sy ny lazan’ny foto-pampianarany dia nahasintona olona sesehena hanaraka ny tsangan-keviny, ary maro be tamin’ireo no nihevitra azy ho ny Mesia”, hoy ny nambaran’ny Firaketana nosoratan’i McClintock sy Strong.
Mariho fa mitantara ny Asan’ny apostoly 5:37 fa ny mpanara-dia an’io Jodasy io dia tsy ringana niaraka taminy. Ny fihetsiketsehana naoriny, araka ny voalazan’ilay manam-pahaizana jiosy atao hoe Gaalya Cornfeld, “dia nanjary lalim-paka ary nanamafy ny fanantenana ny amin’ny Mesia.” Raha ny marina, ny roa tamin’ireo filohan’ny mpitondra lefompohy, Menahema sy Eleazara, dia taranak’io Jodasy galiliana io. Tamin’ny fanombohan’ny fikomiana jiosy tamin’ny taona 66 am.fan.ir. i Menahema dia nanome ho an’ireo mpanara-dia azy fiadiana izay notahirizina tao Masada. Avy eo, “dia niverina toy ny mpanjaka tany Jerosalema izy” ary “tonga ny mpitarika ilay fikomiana.” “Toa tsy misy isalasalana”, hoy ny nanampin’ny Encyclopaedia Judaica (Firaketana jodaika), “fa noheverina ho Mesia i Menahema [zanakalahin’i] Joda.”
Kanefa, tamin’io taona io indrindra, i Menahema dia novonoin’ny mpikambana sasany tao amin’ny fihetsiketsehana mpikomy jiosy nanohitra azy. Ireo mpanara-dia azy dia nandositra niverina nankany Masada, izay niandraiketan’i Eleazara ny fibaikoana ireo mpitondra lefompohy hatreo amin’ny taona 73 am.fan.ir. Ny lahateny momba ny famonoan-tena nataon’i Eleazara dia namerina ny fampianaran-dison’i Joda razambeny: “Hatramin’ny ela, ry namako be herimpo, dia nanapa-kevitra isika ny tsy hanompo na ny Romana na olon-kafa, afa-tsy Andriamanitra ihany.”
Fialanalanan’ny kristiana jodiana.
Talohan’ny fikomiana jiosy tamin’ny 66 am.fan.ir., dia efa naorina tany Jodia ny kongregasiona kristiana, anisan’izany, mazava ho azy, ny kongregasionan’i Jerosalema. (Asan’ny apostoly 9:31) Izy ireo dia voaforona Jiosy izay nino fa i Jesosy avy any Nazareta no ilay Mesia izay efa nambara mialoha ny fahafatesany sy ny fitsanganany. (Asan’ny apostoly 2:22-36) Nampiely tamin-jotompo ny finoany ireo kristiana jiosy teo am-piandrasana tamim-pilaminana ny fahatongavan’ny Mesia fanindroany, amin’ny maha-mpanapaka an’izao tontolo izao. Nambaran’i Jesosy fa hiverina izy “rehefa afaka elaela.” — Matio 25:19, 31, MN; 28:19, 20; Asan’ny apostoly 1:8-11.
Nefa raha vao nipoaka ny fikomiana jiosy tamin’ny 66 am.fan.ir., inona no niaro ireo kristiana jiosy tsy ho voataonan’ny fahombiazan’izany teo am-boalohany? Tsy isalasalana fa tsaroan’izy ireo ny fampitandreman’ny Tompony nanao hoe: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52) Nanome azy ireo fomba fijery voalanjalanja ny amin’ny fahefan’ny fitondram-panjakan’ny jentilisa koa i Jesosy. “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara”, hoy izy, “ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. (Marka 12:17) Ankoatra izany, i Jesosy dia nanambara mialoha fa hisy mpisandoka ho mesia ho avy, ka hanao hoe: “Izaho no izy; ary koa: Efa akaiky ny andro”, nefa nampitandrina izy hoe: “Aza manaraka azy.” — Lioka 21:8.
Efa nolazain’i Jesosy mialoha mihitsy aza ny hiafaran’ilay fikomiana jiosy mpikomy tamin’ny fitenenana hoe: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. (...) satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity. Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ny firenena rehetra.” — Lioka 21:20-24.
Ny onjam-pandringanana nahatsiravina nanaraka ilay fikomiana jiosy dia fahatanterahana manaitran’ny faminanian’i Jesosy! Kanefa ireo kristiana jodiana dia afa-niala tamin’ny ‘fandosirana tamim-pankatoavana ho any an-tendrombohitra.’ “Talohan’ny nanaovan’i Titosy fahirano an’i Jerosalema [tamin’ny 70 am.fan.ir.]”, hoy ny Encyclopaedia Judaica, “dia nifindra nankany Pela ny vahoaka kristiana tao.” Mahaliana fa, tany avaratra no nisy an’i Pela, am-pototry ny tandavan-tendrombohitra iray miampita ny onin’i Jordana ka noho izany dia sarahin’ny Lohasahan’i Jordana tanteraka amin’i Jodia. “Sarotra ny manazava izany fandosirana izany raha taorian’ilay fisehoan-javatra vao nosoratana ny faminaniana [ny an’i Jesosy], hoy i G. A. Williamson ao amin’ny fampidiran-dresany ao amin’ilay boky hoe Josephus—The Jewish War.
Eny tokoa, ny fandosiran’ny kristiana jiosy tamim-pahombiazana dia porofo mahery fa mpanara-dia ilay tena Mesia izy ireo. Mampitranga fanontaniana lehibe maro izany. Inona no zava-kendren’ny fahatongavan’ny Mesia voalohany? Ary fampitandremana inona no nalefan’ilay fikomian’ny Jiosy nampidi-doza, ho antsika amin’izao andro izao, indrindra fa ho an’ny tapany amin’ny olombelona izay milaza tena ho “kristiana”? Ireo fanontaniana ireo dia mbola horesahina ato amin’ity gazety ity.