Masada — Nahoana no nitranga izany?
“HATRAMIN’NY ela, ry namako be herimpo, dia nanapa-kevitra isika ny tsy hanompo na ny Romana na olon-kafa, afa-tsy Andriamanitra ihany (...) Andao àry, raha mbola afaka mitana sabatra ny tanantsika (...) Aoka isika ho faty alohan’ny hahatongavantsika ho andevon’ny fahavalontsika, ary aoka isika handao miaraka ity fiainana ity amin’ny maha-lehilahy afaka antsika, miaraka amin’ny zanatsika sy ny vadintsika!”
Io fanentanana feno famoizam-po io, hono, dia nataon’i Eleazara, zanak’i Jairo (na Ben Yaʼir), tamin’ireo mpiaro an’i Masada. Izany dia notantarain’i Josèphe, mpanoratra tantara tamin’ny taonjato voalohany, ao amin’ny bokiny hoe Ny Adin’ny Jiosy (anglisy). Nahoana io mpitarika jiosy io no nampirisika ny namany hanao famonoana olona sy famonoan-tena tamba-be, nifanohitra tamin’ny lalàn’Andriamanitra? (Eksodosy 20:13) Mbola zava-dehibe kokoa, ahoana no ahafahan’ny fahalalana ireo zava-nitranga rehetra hanampy anao ho tafita velona eo amin’ny tontolo feno herisetra ankehitriny?
Ny mpitondra lefompohy tao Masada
Talohan’ny nipoahan’ny fikomian’ny Jiosy tamin’ny taona 66 am.fan.ir., dia nisy miaramila romana mpiandry tany nitoby tao Masada, tendron-kavoana nimanda tany akaikin’ny Ranomasina Maty. Na dia teo amin’ny toerana nitokana aza no nisy an’i Masada, dia nampanorina lapan-dririnina kanto tao i Heroda Lehibe. Nampanorina sampantsampana lakan-drano izy ka azo natao mihitsy aza ny nifaly tamin’ny fandroana tamin’ny rano mafana. Ny nahatahotra kokoa anefa, teo ambany fanapahan’ny Romana, dia noho ilay tanàna fiarovana nirakitra toerana fanafenana fitaovam-piadiana lehibe. Rehefa nahery ny tsy fahafaliana tamin’ny fitanan’ny Romana an’i Palestina, dia natahorana ho latsaka teny am-pelatanan’ny mpikomy jiosy ireo fitaovam-piadiana. Ny iray tamin’ireny antokon’olona ireny dia ny Sicarii, izay midika hoe “mpitondra lefom-pohy”, ilay voalazan’ny Baiboly ho nandray anjara tamin’ny fikomiana iray. — Asan’ny apostoly 21:38.
Tamin’ny taona 66 am.fan.ir., dia azon’ny mpitondra lefompohy babo i Masada. Niaraka tamin’ireo fiadiana vao azony, dia nandroso hamely an’i Jerosalema izy ireo ho fanohanana ny fikomiana tamin’ny fanapahan’ny Romana. Ny fandripahan’ny mpikomy jiosy ny miaramila mpiandry tany romana tany Masada sy tany Jerosalema, dia nitondra ny fahatezeran’ny Empira romana teo amin’ireo mpiray firenena taminy. Talohan’ny nifaranan’ny taona 66 am.fan.ir., dia nandroso niditra tany Jodia ny Legiona romana faharoa ambin’ny folo notarihin’i Cestius Gallus ary nitoby teo ivelan’i Jerosalema. Namely ilay tanàna tamin’ny lafiny rehetra ny Romana, ary tonga hatramin’ny fandavahana ny tany teo amin’ny tapany avaratry ny fototry ny tempoly mihitsy aza izy ireo. Tampoka teo, dia nampiala ny antokona miaramilany i Gallus ary, noho ny antony tsy nazava, dia nandao an’i Jodia. “Raha toa naharitra tamin’ny fanaovana fahirano elaela kokoa fotsiny izy, dia ho nahazo avy hatrany ilay Tanàna”, hoy ny nosoratan’i Josèphe, vavolombelona nahita maso izany.
Tsy vita anefa akory ny nataon’ny Romana. Efa-taona tatỳ aoriana, ny jeneraly romana Titus dia nandroso hamely an’i Jerosalema niaraka tamin’ny legiona efatra.a Tamin’io indray mitoraka io, dia rava ilay tanàna iray manontolo, ary naverina teo ambany fanapahana mafy nampiharin’i Roma i Jodia. Ny tany rehetra, afa-tsy i Masada.
Tapa-kevitra ny handresy tanteraka an’io faritra nitokana farany nisy fanoherana io ny Romana ka nohodidininy rindrina vato matevina sy toby valo nanana rindrim-bato ilay tanàna fiarovana. Tamin’ny farany izy ireo dia nanorina fiakarana vita tamin’ny tany nankeny amin’ny tampony — tany kisolasola naorin’olombelona 197 metatra ny sakany ary 55 metatra ny haavony! Teo ambonin’izany izy ireo dia nanorina tilikambo ary nametraka vatan-kazo be nisy lohany vy iray mba handrodanana ny mandan’i Masada. Fotoana sisa nandrasana dia nirohotra niditra tao amin’io tanàna fiarovana jodiana farany io sy namabo azy ny tafika romana!
Ankehitriny, ny faritra mazava tsara nisy ny toby romana, ilay rindrina fanaovana fahirano nanodidina, ary ilay fiakarana midadasika, dia manamarina ny fomba niafaran’ny fikomian’ny Jiosy. Vita tamin’ny 1965 ny fandavahana lehibe iray natao tao Masada ho fikarohana tany ambanin’ny tany. Raha manazava ireo zavatra hita Ny Firaketana Vaovao Britanika [1987] (anglisy), dia milaza hoe: “Ny filazalazana nataon’i Josèphe, ilay mpanoratra tantara jiosy sy romana, ny hany tahirin-kevitra momba ny tantaran’i Masada be antsipiriany hatramin’io fotoana io, dia hita ho faran’izay marina”.
Kanefa, raha nadiva hanamontsana ireo manda ny Romana, nanao ahoana ny fihetsiky ny mpitondra lefompohy teo anatrehan’ny lahateny momba ny famonoan-tena nataon’i Eleazara, zanak’i Jairo? Mitantara i Josèphe hoe: “Samy namono ny fianakaviany avy ny tsirairay tsy an-kanavaka; (...) avy eo, rehefa avy nifidy an-tsapaka lehilahy folo ho mpamono ny sisa izy ireo, dia nandry tamin’ny tany teo anilan’ny vadiny sy ny zanany ny tsirairay, ary, rehefa avy nanipy ny sandriny nisakambina azy ireo izy, dia nahanjahanjany tamin’ireo tsy maintsy nanatanteraka ilay asa nampanaintaina ny tendany.b Nandripaka nahafaty azy rehetra tsy nisy fisalasalana ireto farany, avy eo dia nifanao toy izany tamin’izy samy izy izy ireo, (...) nisy vavy antitra iray niaraka tamin’ny hafa iray (...) afa-nandositra anefa (...) Niisa ho enimpolo sy sivinjato ny niharan-doza, tafiditra amin’izany ny zaza amam-behivavy”.
Nahoana no ratsy fiafara aoka izany ny fikomian’ny Jiosy? Moa ve izany nisy nifandraisana tamin’ny fiainana sy ny fahafatesan’i Jesosy avy tany Nazareta?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tao Masada, ireo mpanao fikarohana any ambanin’ny tany dia nahita vola madinika an-jatony maro nisy soratra hebreo nankalaza ilay fikomiana, toy ny hoe “Ho an’ny fahafahan’i Ziona” ary “Jerosalema ilay Masina”. Manazava toy izao ny Dr. Yigael Yadin ao amin’ny bokiny hoe Masada: “Ireo sekely hitanay dia mampiseho ny taona rehetra nitrangan’ilay fikomiana, nanomboka tamin’ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy tena tsy fahita firy, ilay taona farany nanontana ny sekely, mifanitsy amin’ny taona 70 AD rehefa noravana ny Tempoly tao Jerosalema.” Mariho ilay vola madinika etsy ambony.
b Teo amin’ny toeram-pamaharana iray akaikin’ny vavahadin’i Masada, dia nahitana vakina vilany tany 11 nisy anaram-bositra fohy hebreo voasoratra teo amin’ny tsirairay aminy. Manam-pahaizana maromaro no manipy hevitra fa mety ho ny tapa-javatra nanaovana an-tsapaka nolazain’i Josèphe ireo. Voasoratra teo amin’ny iray aminy ny hoe: “Ben Yaʼir”, izay midika hoe: “zanak’i Jairo”. “Ny fahitan’i Yadin tapa-javatra nanaovana an-tsapaka, anisan’izany ny iray nisy ny anarana hoe Ben Jair, dia fanamarinana saiky mahagaga ny amin’ny fitantarana nataon’i Josèphe”, hoy i Louis Feldman ao amin’ny boky hoe: Josèphe sy ny Fahaizana araka ny toetr’andro (anglisy).
[Sary, fonony]
Masada — Porofo ve fa efa tonga ny Mesia?
[Sary, pejy 4]
Vola madinika jiosy tamin’ny taona 67 am.fan.ir., milaza hoe “Taona faha-2” amin’ny ady tamin’i Roma
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky) Est.