Sary avy any amin’ny Tany Nampanantenaina
Samaria — Renivohitra iray anisan’ireo renivohitra tany avaratra
BABYLONA, Ninive, ary Roma. Samy renivohitra lehibe tamin’ny andron’ny Baiboly ireo. Kanefa, raha lazaina ara-baiboly, ankoatra an’i Jerosalema, ny renivohitra nalaza indrindra dia azo inoana fa tsy ny iray tamin’ireo fa i Samaria kosa. Nandritra ny 200 taona teo ho eo, dia izy no renivohitry ny foko folon’ny fanjakan’ny Isiraely, ary hafatra ara-paminaniana maro be no nifantoka tamin’i Samaria. Nefa inona no fantatrao momba an’i Samaria? Ary nahoana moa izy no renivohitra iray anisan’ireo renivohitra tany Avaratra?
Jereo ny sarintany, ary avereno an-tsaina ny zava-nitranga sasany momba ny foko folon’ny Isiraely rehefa avy nisaraka tamin’ny mpanjakan’i Jehovah sy ny tempoliny tao Jerosalema izy ireo. Jeroboama, izay nitarika ny fiforonan’ny fanjakana tany avaratra, dia nanjaka vetivety avy tao Sekema, teo amin’ny lalana an-tendrombohitra nampitohy ny avaratra sy ny atsimo. Namindra ny renivohiny ho any Tirza, izay tany an-dohan’i Wadi Far‛ah (lohasahan-driaka iray), i Jeroboama tatỳ aoriana. Nisy lalana voasoritra iray avy eo amin’ny Lohasahan’i Jordana nandalo an’i Tirza, ary nandray ilay lalana an-tendrombohitra. Moa ve fantatrao fa i Tirza no renivohitry ny fanjakan’ny foko folo nandritra ny nanjakan’i Nadaba, Basa, Elaha, Zimry, ary Omry koa aza? — Genesisy 12:5-9; 33:17, 18; 1 Mpanjaka 12:20, 25, 27; 14:17; 16:6, 15, 22.
Enin-taona tatỳ aoriana anefa, dia nanorina renivohitra vaovao i Omry. Taiza? Nividy ilay tendrombohitra hitanao eo ankavia izy, dia i Samaria. (1 Mpanjaka 16:23-28) Na dia feno tany avo marin-tampona ho an’ny fambolena aza izy io, dia azo inoana fa nifidy azy io i Omry satria mora narovana ilay havoana marin-tampona misondrotra avo avy eo amin’ilay lemaka. Nanohy nanamboatra an’i Samaria i Ahaba zanany lahy, izay niharihary fa nanitatra ny manda fiarovany ho rindrina matevina. Nanangana tempoly ho an’i Bala, ary lapa ho azy sy ilay vadiny fenisiana, dia i Jezebela, koa izy. Nisy fandavahana natao nampiharihary ny sisan-javatra rava tamin’ny lapan’i Ahaba, aseho etsy amin’ny pejy manaraka. Fantatra tamin’ny fanaranam-po amin’ny zava-tsoa sy ny faharatsiana tafahoatra izany lapa izany. (1 Mpanjaka 16:29-33) Alao sary an-tsaina i Elia mpaminany ho any amin’io tanàna io ka mandeha an-tongotra amin’ilay lalana malalaka mankany amin’ilay lapa mba hanameloka ny faharatsian’i Ahaba niompana tamin’i Bala, rehefa tonga tao. — 1 Mpanjaka 17:1.
Tamin’ny 1910, dia nisy arkeôlôgy nahita vakin-javatra vita tamin’ny tanimanga nisy soratra, milaza fanondranana divay sy diloilon’oliva na hetra naloa. Nefa ny ankamaroan’ny anarana manokana hita tamin’izany dia ahitana ny hoe baʹal avokoa. Mety hahaliana anao fa nahita vakina sary sokitra na takelaka vita tamin’ny ivory (vangin’elefanta), toy ny aseho eto, koa izany arkeôlôgy izany. Tadidio fa hatry ny ela ny 1 Mpanjaka 22:39 dia niresaka fa nanao “trano ivory” i Ahaba. Angamba izy io nisy fanaka voaravaka sary voasokitra vita tamin’ny ivory, toy ilay ‘farafara ivory’ tsara tarehy noresahin’i Amosa mpaminany, taonjato iray tatỳ aoriana. (Amosa 3:12, MN, 15; 6:1, 4) Anisan’ireo sary voasokitra teo amin’izy ireo dia nisy “sphinx” (sarim-biby sampona araka ny angano) manana elatra, mbamin’ny famantarana hafa avy amin’ny angano egyptiana.
Ny firesahana ny amin’i Ahaba sy Jezebela dia mety hampahatsiaro anao ny amin’ny fomba nahafaty azy ireo. I Ahaba dia namoy ny ainy tao amin’ny ady tsy amin’ny antony iray nifanaovana tamin’i Syria. Rehefa nosasana teo akaikin’ny ‘farihin’i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny rany’, nifanaraka tsara tamin’ny tenin’i Elia. (1 Mpanjaka 21:19; 22:34-38) I Jezebela mpanjakavavy dia natsipy avy teny am-baravarankelin’ny lapa ka maty. Moa ve izany avy tao amin’io lapa tao Samaria io? Tsia. Nanana lapa iray tany avaratry ny lohasahan’i Jezirela koa i Ahaba. Nitsiriritra ny tanim-boalobok’i Nabota teo akaiky teo izy. Avy teny an-tampon’izany lapa izany ireo mpitily nitazana niantsinanana dia nahita an’i Jeho nitaingina kalesy niriotra niakatra ny lohasaha. Ary teo no nipitipitihan’ny ran’ilay mpanjakavavin’i Samaria fahiny ka nahitany fiafarana nahatsiravina nefa ara-drariny. — 1 Mpanjaka 21:1-16; 2 Mpanjaka 9:14-37.
Na dia nitoetra ho renivohitra aza i Samaria dia tsy nahazo ny fankasitrahana na ny fitahian’Andriamanitra. Nampiseho fandrafiana sy fankahalana ilay renivohiny tany atsimo, dia i Jerosalema, kosa aza izy io. Tsy nisy vokany ny nandefasan’i Jehovah mpaminany maro be hampitandrina ireo mpanapaka tao Samaria sy ny vahoakany ny amin’ny fanompoan-tsampiny, ny fahalotoam-pitondrantenany, ary ny tsy fanajana ny lalàny. (Isaia 9:8; 10:11; Ezekiela 23:4-10; Hosea 7:1; 10:5; Amosa 3:9; 8:14; Mika 1:1, 6) Tamin’ny 740 al.fan.ir. àry, dia nampamoahina i Samaria, rehefa noravan’ny Asyriana. Maro be tamin’ireo vahoakany no nentina ho babo, ary vahiny no nisolo toerana azy. — 2 Mpanjaka 17:1-6, 22-24.
Tatỳ aoriana, indrindra tamin’ny andron’i Heroda Lehibe, ny Grika sy ny Romana dia namerina laza ho an’i Samaria indray. Noho izany, na i Jesosy sy ny apostoliny aza dia nahafantatra tsara an’io renivohitra anisan’ireo renivohitra tany avaratra io. — Lioka 17:11; Jaona 4:4.
[Sarintany, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
Jezirela
Tirza
Samaria
Sekema
Jerosalema
Reniranon’i Jordana
[Sary nahazoan-dalana]
Miorina amin’ny sarintany iray nahazoan’ny Pictorial Archive lalana (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
Garo Nalbandian
Ao anatiny: Sampan-draharaha isiraeliana momba ny Fahagola sy ny Fitahirizana ny rakitry ny ela; Sary avy any amin’ny Fitahirizana ny rakitry ny ela any Isiraely, any Jerosalema