FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/3 p. 26-29
  • Nanome hery ahy i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanome hery ahy i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manomboka ny zava-manahirana
  • Ny fiandohan’ny fiainana vaovao
  • Nitondra soa ny faharetana
  • Be herim-po teo anatrehan’ny manam-pahefana
  • Ny asan’ny mpitory maharitra manokana
  • Fanendrena vaovao
  • ‘Hitsambikina Tahaka ny Diera’ Aho
    Mifohaza!—2006
  • Mahery Aho na dia Malemy Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • “Potraka, Nefa Tsy Maty”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/3 p. 26-29

Nanome hery ahy i Jehovah

NOTANTARAIN’I EKUMBA OKOKA

TERAKA tao amin’ankohonana “kristiana” iray teto amin’ny tany iray eto Afrika afovoany aho ary nihalehibe nampitombo fitiavana an’Andriamanitra. Mpitory teny lahika be zotom-po ny raiko, ary niaraka taminy matetika aho rehefa nampianatra tany am-piangonana na tany amin’ny fivoriana fanaovam-bavaka tany an-tokantranon’olona manokana izy. Koa satria toa niseho ho ankizilahy kely tia fivavahana aho, dia nifidy ahy mba hiara-manompo tamin’ilay pretra nandritra ny lamesa ireo mpitory lahika hafa. Nilaza tamiko mihitsy aza izy ireo fa indray andro any aho dia azo inoana fa hanaraka fianarana mba ho tonga pretra.

Ny alina anefa aho dia ny mpihira sy mpandihy lehibe indrindra tao amin’ny tarika iray teo an-toerana, ny Matumba-Ngomo. Tamin’ny fanaovako izany, dia tafaray tamin’ireo tanora lahy sy vavy teo amin’ny faritany nisy anay aho nanao izao karazana fahalotoam-pitondrantena rehetra izao. Kanefa mbola nanantena ny tsy hanana afa-tsy vady iray monja aho ary ny ho any an-danitra amin’ny farany hiara-miaina amin’ireo “olo-masina”. Tsy nahita antony tokony hanadiovana ny fiainako aho satria, araka ny foto-pampianaran’ny fivavahana katolika, dia voavela avokoa ny heloko rehetra isaky ny asabotsy hariva any amin’ny konfesy.

Manomboka ny zava-manahirana

Tamin’ny 1969, raha tany amin’ny sekoly fianarana ambony aho, dia nanomboka nahatsapa fanaintainana teo amin’ny tonontaolako. Tsy fantatro izay nahatonga izany nefa tao anatin’ireo volana nanaraka, dia nihamafy ny fanaintainana. Ny ray aman-dreniko, na dia katolika fanta-daza aza, dia nanapa-kevitra ny hitondra ahy tany amin’ny mpanao ody samy hafa, izay nilaza fa nisy olona namosavy ahy, nefa noho ny vavaka sy fanafody avy amin’izy ireo, dia ho sitrana aho. Na dia teo aza izany, dia nanomboka nandringa aho, ary rehefa tonga ny taona 1970, dia zara raha afaka namindra ka voatery nampiasa tehina mihitsy aza. Tamin’izay aho dia nieritreritra fa hifarana tsy ho ela ny fotoana hahafahako mamindra.

Tamin’ny Oktobra 1972, rehefa ela ny ela dia nanapa-kevitra ny hitondra ahy tany amin’ny hôpitaly tany Wembo Nyama ny raiko. Nijanona tao ela be aoka izany aho, hany ka nanomboka niantso ahy ho ny tompon’ny hôpitaly ny olona tao! Tonga tao amin’ny hôpitaly ny hafa, notsaboina, nody ary avy eo dia niverina indray noho ny antony hafa, fa izaho dia mbola tao ihany! Voatery nody noho ny fijinjana vary ny raiko, nefa izao aho dia efa nanambady sy nanan-janaka roa ary nikarakara ahy sady nitady asa mba hahafahanay mivelona ny vady malalako, na dia mbola vao 21 taona monja aza.

Na dia izany aza, dia ketraka mafy noho ilay tarehin-javatra rehetra aho. Efatra amby roapolo taona aho, nefa mbola niharatsy ihany ny fahasalamako, kanefa ny namako nahomby avokoa ary nanana asa raikitra izao ny maro tamin’izy ireo. Noheveriko ho tsara indrindra ho an’ny rehetra raha namono tena aho. Noho izany, dia nozaraiko tamin’ny zanako sy ny rahalahiko ny fananako rehetra fa tsy nilaza taminy izay nokasaiko hatao aho. Tsy nihazona na inona na inona ho ahy aho afa-tsy ny ambonin’akanjoko tiako indrindra izay niriko handevenana ahy.

Ny fiandohan’ny fiainana vaovao

Tamin’izay dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray nomena ny fandriana teo akaikin’ny ahy. Na dia jamba aza ny masony iray ary kely sisa dia tsy hahita intsony ny masony faharoa, tonga izy dia nanomboka nanao fanambarana tamiko avy tao amin’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy ilay Fanjakana. Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nandao ny hôpitaly izy, nefa nangataka ny Vavolombelona sasany tonga nitsidika azy mba hikarakara ahy. Taorian’ny fifanakalozan-kevitra fanampiny, dia tsy maintsy nandeha koa ireo, nefa nanohy nampianatra ahy an-taratasy ny iray taminy. Nanome ahy zavatra vita an-tsoratra fianarana ny Baiboly samihafa izay novakiko tamim-pahafinaretana lehibe koa izy ireo.

Tamin’izany fomba izany, dia nahazo sakafo ara-panahy aho, ary niova tsikelikely ho fahasambarana ny fahaketrahana nahazo ahy. Toa nanome “asidra” ahy hosotroiko ny fiangonako, nefa izao aho dia nahazo ny ranon’ny fiainana maimaimpoana. Nisaotra an’i Jehovah tao am-poko aho noho ny nanafahany ahy tamin’ny finoanoam-poana, toy ny trinite, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny fahatahorana ny maty ary ny fivavahana amin’ny razana.

Izao aho dia naniry ny hivoaka ny hôpitaly. Tamin’izay aho dia nahare fa hisy fianakaviana mpanompo manontolo andro roa notendrena ho avy teto Wembo Nyama, koa nanapa-kevitra ny hijanona mandra-pahatongan’izy ireo àry aho. Endrey ny hasambarana tsapako rehefa nahita ahy tao amin’ny hôpitaly rehefa ela ny ela izy ireo! Izao aho dia afaka nanohy ny fianarako ny Baiboly nivantana fa tsy an-taratasy intsony.

Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nanontany azy ireo aho raha nanao fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, toy ny novakiko tao amin’ireo gazety. Nilaza tamiko tamin-katsaram-panahy izy ireo fa nitarika ny fivoriany rehetra tao amin’ny trano bongo kely nipetrahan’ny iray tamin’izy ireo. Nilaza koa izy ireo fa ho faly hitondra ahy ho any tamin’ny bisikilety! Na dia narary mafy aza ny hazon-damosiko sy ny tonontaolako rehetra, dia nanatrika ireo fivoriana rehetra tamim-pifaliana aho. Rehefa nahafeno ireo fepetra aho, dia afaka namerina filazana asa isam-bolana tamin’ny naha-mpitory tsy vita batisa ahy nanomboka tamin’ny Aprily 1974.

Telo volana taorian’izay, dia nasehoko tamin’ny batisa anaty rano ny fanolorako ny tenako ho an’i Jehovah. Nanao fanambarana tamin’ny mpitsabo tao amin’ny hôpitaly aho, tamin’ireo narary tao, tamin’ireo misionera protestanta tonga nitsidika ary tamin’ny fianakaviako — na dia teo aza ny fanoherana mafy avy tamin’ity farany. Tamin’izay fotoana izay, dia nanao fanambarana teo am-pandriana aho na teo ambonin’ilay seza mikorisa nomen’ny hôpitaly ahy hampiasaiko mandra-pahafahako mividy ny ahy manokana.

Nitondra soa ny faharetana

Na dia teo aza ny fanoheran’ny fianakaviako, dia nanohy nandeha teo amin’ny lalan’i Jehovah aho ary nahazo fitahiana manana amby ampy. Niandany tamin’ny fahamarinana ny vadiko ary natao batisa tamin’ny 1975. Nanapa-kevitra ny hipetraka tany Katako-Kombe, izay efa nisy kongregasiona iray niorina, izahay. Nanahy ny aminay ny ray aman-dreniko satria nisy nilaza tamin’izy ireo fa hovonoina avokoa ny Vavolombelona rehetra tamin’ny 1975. Rehefa nanda ny hamela ny fifaneraseranay izahay, dia nitsahatra tsy nandefa sakafo ho anay intsony izy ireo, ary tafalatsaka tao anatin’ny fahaterena ara-nofo mafy izahay. Tsaroako fa indray mandeha dia safotra noho ny hanoanana ny zanako lahy kely satria tsy nisakafo nandritra ny iray andro sy tapany izahay. Kanefa nitondra trondro sy hanina hafa ireo rahalahinay kristiana. Tatỳ aoriana, dia nanomboka nanampy anay indray ny ray aman-dreniko, fa ireo rahalahinay dia tsy nitsahatra na oviana na oviana nanome anay fanampiana ara-nofo.

Tamin’ny Febroary 1975, dia lasa tsy nahahetsika ny sandriko havanana ary nanomboka nihalo. Kanefa nihazona ny finoako aho ary tapa-kevitra ny hanohy hanompo an’i Jehovah tamim-pifaliana. Faly aho milaza fa nihanatanjaka indray ny sandriko ary mbola afaka manetsika azy io aho amin’izao fotoana izao, ka izany dia ahafahako manokatra ny Baiboliko sy mampiasa ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana.

Be herim-po teo anatrehan’ny manam-pahefana

Tamin’ny 1977, ny solontenan’ny fahefana teo an-toerana dia niampanga ahy teo anoloan’ny fahefan’ny faritany izay vao avy nisambotra mpitory maharitra manokana iray avy tao amin’ny kongregasiona teo akaiky. Indray andro dia tonga naka ahy nitondra fiantsoana hiseho teo amin’ny fitsarana ny miaramila iray. Niara-nivavaka tamin’ny fianakaviako aho, nampahery ny kongregasiona ary avy eo dia niara-nandeha taminy. Noho ny fanahin’i Jehovah, dia afaka namaly tamin-kerim-po ireo fiampangana ahy aho ary taorian’ny fifanakalozan-kevitra lava tamin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila, dia nalefa nandeha aho sy ilay mpitory maharitra manokana.

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nantsoin’ny manam-pahefana hafa iray aho, ary tamin’izay koa, noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka niaro ny vaovao tsara tamim-pifaliana sy herim-po. Nifanakalo hevitra ela be tamin’io olona io aho, ary tamin’ny farany, dia namela ahy handeha izy ary nanosika mihitsy ny seza mikorisa fampiasako rehefa nivoaka ny biraony aho. Avy eo dia nilaza tamiko moramora izy hoe: “Tongava any an-tranoko rahariva.” Taorian’ny fitsidihana maromaro, dia afaka nanomboka fampianarana Baiboly taminy aho. Tamin’ny farany, dia nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano fito tamin’ny olona samy hafa nitana fahefana aho. Nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona nalamina teo an-toerana ny ankamaroan’izy ireo.

Ny asan’ny mpitory maharitra manokana

Nangataka an’i Jehovah aho mba hanampy ahy hanatontosa ny voady nataoko mba hanompo azy amin’ny heriko rehetra na dia teo aza ny aretiko. Tsy nilatsaka ho mpitory maharitra mpanampy aho, fa nanandrana ny hahatratra ny fepetra takina ho amin’izany. Nanampy ahy mba hahomby tamin’izany i Jehovah, koa nameno fangatahana iray aho mba hanao io fanompoana io nanomboka ny volana Jona ka hatramin’ny volana Oktobra. Avy eo dia nanaiky ny fangatahako ho mpitory maharitra mandavantaona ny Fikambanana, ary nanomboka io fanompoana io tamin’ny Novambra 1976 aho. Tamin’ny Septambra 1977, dia tanteraka ny hafaliako rehefa naharay fanendrena ho mpitory maharitra manokana tany amin’ny kongregasionan’i Katako-Kombe aho.

Tamin’ny fomba ahoana no nahafahako nanatontosa izany? Nitory tao amin’ny faritaniko tamin’ny alalan’ny seza mikorisa fampiasako aho noho ny fanampian’ny vady malalako sy ireo rahalahy tao amin’ny kongregasiona. Indraindray aza aho dia nandeha irery nampiasa hazo fitehenana tao ambany helika. Nisy fotoana nianjerako. Tamin’izay, dia niandry fotsiny aho, tsy nihetsika teo amin’ny tany, mandra-panampian’ny mpandalo iray ahy hitsangana sy hanomezany ahy ireo hazo fitehenako. Tsaroako foana ny fahavononan’ireo apostoly sy mpianatr’i Jesosy. (Asan’ny apostoly 14:21, 22; Hebreo 10:35-39). Isaky ny nianjera aho, dia nivavaka mba tsy hamelan’i Jehovah ahy ho kivy, fa hanomezany ahy hery mba tsy hitsahatra hanompo azy kosa. Notadidiko tao an-tsaina ilay fampanantenana mahafinaritra voarakitra ao amin’ny faminanian’i Isaia manao hoe: “Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa”. — Isaia 35:6.

Isaky ny nampitombo ny fanompoako aho dia nihaafaka nandresy ireo fahasahiranako ara-batana. Tamin’ny 1978 aho dia nahazo ny tombontsoa hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana ilay Fanjakana tany Lubumbashi, izay nanaovako dia nahatratra 2 000 km nandeha kamiao, sambo ary fiarandalamby. Marina mihitsy fa ho an’io dia io, dia nomen’i Jehovah hery be tokoa aho. (Isaia 12:2; 40:29). Izao aza aho dia afaka mandeha an-tongotra — fa sahirana mafy — hatramin’ny 100 m, tsy mampiasa hazo fitehenana. Mino mafy aho fa nandre ny vavaka nataoko tamin’ny 1973 mba hanomezany ahy ny hery hanompo azy amim-pahavononana i Jehovah.

Fanendrena vaovao

Tamin’ny 1984, rehefa avy nijanona fito taona tao amin’ny kongregasionan’i Katako-Kombe aho dia nahazo fanendrena vaovao hiara-miasa amin’ny kongregasiona any Lodja-Centre. Herintaona taorian’izay, dia nanomboka fianarana ny boky vaovao tany amin’ny 12 km avy teo izahay, ary tsy ela taorian’izay dia nanomboka iray hafa tany amin’ny 30 km avy teo indray. Tsy ela ity farany dia nekena ho toy ny antokon’olona mitokana ary tamin’ny 1988, ho toy ny kongregasiona ary loholona ao aho amin’izao fotoana izao.

Tena nahatsara ahy tokoa ny asan’ny mpitory maharitra, teo amin’ny ara-panahy sy teo amin’ny ara-batana. Teny amin’ny saha fitoriana aho, nampiasa ireo hazo fitehenako, dia afaka nanao ireo fanazaran-tena nasain’ny dokotera nataoko. Matanjaka kokoa aho izao noho ny tamin’ny vao nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra, ary ny faniriako dia ny haharitra amin’io asa io hatramin’ny farany. Miandry mafy aho ny hahita ny fomba hanampian’i Jehovah ahy “hitsambikina tahaka ny diera” amin’ny fotoana tsy hahavoatery ahy intsony hiaritra ny fanaintainana mafy avy amin’ity aretiko ity.

Amin’ny foko manontolo, dia misaotra ny Raintsika any an-danitra, izay nanome ahy ny hery sy ny herim-po ary ny fanompoana manontolo andro aho. Enina amby telopolo taona aho izao, ary rehefa avy nanao ny asan’ny mpitory maharitra nandritra ny 11 taona aho dia mbola manantena ny hanohy, na inona na inona miandry ahy amin’ny hoavy. Tapa-kevitra ny hampiasa ny herim-piainako rehetra aho hanomezana voninahitra sy hiderana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra lehibe.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara