FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/3 p. 30
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiadiana Amin’ny Fangejan’ny Ota eo Amin’ny Nofo Tsy Lavorary
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Aoka Ianao Hihevitra ny Fanahy ka ho Velona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Mandehana Araka ny Fanahy, dia Hahazo Fiainana sy Fiadanana Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mila Mifehy Tena Isika
    Mihirà ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/3 p. 30

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Ao amin’ny Romana 8:27, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mandika hoe “hevitra” ny teny grika hoe phroʹne·ma, nefa eo amin’ny andininy faha-6 sy faha-7 izy dia mandika azy hoe “fihevitra”. Nahoana ny teny grika iray no adika amin’ny fomba samy hafa?

Manondro ny fifidianana ireo dikan-teny roa ireo ny teny manodidina azy ireo.

Ny sasin-tenin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ho an’ny Soratra grika kristiana (1950) dia nanambara hoe: “Ny teny lehibe tsirairay dia nomenay dikany iray ary nitana izany dikany izany izahay raha mbola mamela izany ny teny manodidina.” Mety hisy tsy hihevitra ny hoe phroʹne·ma ho toy ny teny lehibe, satria tsy miseho afa-tsy inefatra monja izy io. Mifandray amin’ny teny izay ampiasaina matetika kokoa anefa izy io. Ny iray amin’izany dia ny hoe phro·neʹo, izay midika hoe “mihevitra, mirona ho amin’ny fiheverana iray”. (Matio 16:23; Marka 8:33; 12:3; 15:5). Ny teny grika hafa mifandray aminy dia mitondra ny hevitra hoe: mampiasa fahendrena azo ampiharina, fisainana na fahamalinana. — Lioka 1:17, MN; 12:42; 16:8; Romana 11:25; Efesiana 1:8.

Ny Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra ho an’ny Soratra grika (anglisy) dia mampiseho fa miseho inefatra ny hoe phroʹne·ma ao amin’ny Romana 8:6, 7, 27 ary koa fa tsy miova fa hoe “fihevitra” foana ny dikany ara-bakiteny. Ireo manam-pahaizana momba ny teny grika atao hoe Bauer, Arndt ary Gingrich dia manazava ny hoe phroʹne·ma toy izao: ‘Fomba fihevitra, fomba fisaina, zava-kendrena, faniriana mafy, fiezahana mafy’. — A Greek-English Lexicon of the New Testament and Other Early Christian Literature.

Ao amin’ny Romana toko faha-8, ny apostoly Paoly dia manome torohevitra ny kristiana mba tsy handeha araka ny nofo tsy tanteraka. Mba hahombiazana amin’izany, dia tokony hitandrin-tena amin’ireo fironana na fanirian’ny nofo izy ireo ary koa amin’ny fomba fanjohian-kevitry ny fo tsy tanteraka. ‘Ny fiheverana’ izay zavatra araka ny fanahy masin’Andriamanitra dia hanampy amin’ny fanaovana izany. — Romana 8:1-5.

Nanolotra izao fifanoheran-javatra izao i Paoly: “Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana) satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy”. (Romana 8:6, 7). Ny olombelona no resahin’ireo andinin-teny roa ireo. Ny olombelona, ary indrindra fa ny kristiana, dia tsy tokony hampifantoka ny sainy amin’ny, na “hihevitra” ny zavatry ny nofo tsy tanteraka. Tokony hampifantoka ny sainy amin’ny, na “hihevitra” ny zavatra araka ny fanahy na ampirisihin’ny fanahy kosa izy ireo.

Mifanohitra amin’izany, ny Ro 8:27 andininy faha-27 dia miresaka momba ny tenan’Andriamanitra. Mamaky toy izao isika ao: “Ary Izay mandinika ny fo [Jehovah] no mahalala, izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.” Eny, ilay “Izay” eto dia i Jehovah, ilay Mpandre vavaka.

Azo nadika hoe “fihevitra” ny teny hoe phroʹne·ma eto amin’ny Ro 8:27 andininy faha-27 eto. Kanefa tsy persona izay afaka misaina tokoa na hoe manana ny fiheviny manokana akory ny fanahy masina. Ny fanahy dia hery miasan’Andriamanitra, izay mahafantatra ny fomba fiasan’ny fanahiny masina mba hanatanteraka ny sitrapony. Fanampin’izany, dia tsy mitovy amin’ny dikan’ny Romana 8:6, 7 ny dikan’ity andininy ity. Ireo andininy voalohany ireo dia mampisongadina ny ilàn’ny olombelona hifehy ny eritreriny sy ny ataony. Kanefa i Jehovah dia tsy mila ny miezaka, na miady mafy, mba hifehy ny tenany. Fantany izay noraketina ao amin’ny Baiboly teo ambanin’ny tsindrimandry, toy ireo fanambarana milaza ny sitrapony ho an’ny mpanompony eto an-tany. Nanazava toy izao momba ny Romana 8:27 ny Dr. Heinrich Meyer: “Fantatr’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra ny zava-kendren’ny Fanahy.”

Noho izany àry, ny fandikana hoe “hevitra” dia mifanaraka amin’ny teny manodidina na ny tara-kevitry ny Romana 8:27, ary eken’ny teny grika. Mandika azy io toy izao ny The Translator’s New Testament: “Ilay mandinika ny fo dia mahalala izay hevitry ny Fanahy.”

◼ Nahoana ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao indraindray no mandika ny teny grika pi·steuʹo amin’ny hoe “mino” (toy ny ankamaroan’ny fandikan-teny) ary indraindray hoe “maneho finoana”?

Izany dia natao mba hampisehoana ireo fahasamihafana kely eo amin’ny hevitra asehon’ny teny grika hoe pi·steuʹo.

Ohatra, ny Fitsipi-pitenenan’ny teny grika ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), nataon’i James Moulton, dia manamarika fa ireo kristiana voalohany dia nahafantatra mazava tsara “ny maha-zava-dehibe ny fahasamihafana misy eo amin’ny finoana tsotra fotsiny (...) sy ny fieken’ny tena manokana.” Samy azo ambara amin’ny alalan’ny teny grika hoe pi·steuʹo ireo hevitra roa ireo.

Matetika, dia fantatra noho ny teny manodidina ireo fahasamihafana kely eo amin’ny hevitry ny teny hoe pi·steuʹo. Indraindray anefa, dia manampy antsika hahita izay tao an-tsain’ilay mpanoratra ireo rafitra ara-pitsipi-pitenenana samy hafa. Ohatra, raha arahin’ny anarana iray amin’ny “cas datif” (endrika ara-pitsipi-pitenenana iray isehoan’ny anarana) fotsiny ny pi·steuʹo, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao amin’ny ankapobeny dia mandika azy fotsiny hoe “mino” — raha tsy hoe manondro zavatra hafa angaha ny teny manodidina. (Matio 21:25, 32; jereo anefa ny Romana 4:3, MN.) Raha arahin’ny teny hoe e·piʹ, “eo ambonin’ny”, ny pi·steuʹo, dia adika hoe “mino ny” amin’ny ankapobeny. (Matio 27:42, MN; Asan’ny apostoly 16:31, MN). Raha arahin’ny eis, “amin’ny”, izy io dia adika amin’ny ankapobeny hoe “maneho finoana ny”. — Jaona 12:36, MN; Jn 14:1, MN.

Io fandikana azy farany io (izay mampahatsiahy antsika fa mifandray amin’ilay teny grika hoe pi·stisʹ, “finoana”, ny teny hoe pi·steuʹo) dia mifanaraka amin’ny fanazavana iray ao amin’ny Fampidirana ho amin’ny fitsipi-pitenenana ny teny grika ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), nataon’i Paul Kaufman. Milaza toy izao io boky io: “Ny rafitra hafa iray izay fahita ao amin’ny Testamenta Vaovao (indrindra fa ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona) dia ny πιστεύω [pi·steuʹo] miaraka amin’ny εἰς [eis] ary amin’ny “cas accusatif” (endrika ara-pitsipi-pitenenana hafa iray isehoan’ny anarana). (...) Tsy maintsy adika miaraka ilay rafitra manontolo misy ny εἰς sy ilay “cas accusatif” toy izay hanandrana handika ilay mpampiankin-teny hoe εἰς mitokana. Ny finoana dia heverina ho toy ny asa iray, zavatra izay ataon’ny olona, izany hoe fanehoana finoana amin’ny olona iray.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara