Betlehema — Marika famantarana ny firaisan-tsaina sy ny fitiavana kristiana ve?
“BETLEHEMA (...) dia porofon’ny fitiavana tsy manam-pahataperana, fianarana ny amin’ny fanetren-tena. — Maria Teresa Petrozzi, mpanoratra ilay boky hoe Bethlehem.
Mitovy amin’izany ve ny fiheveranao an’i Betlehema? Angamba, satria an-jato tapitrisany maro ireo olona tso-po sy tia fiadanana manerana ny tany mibanjina amim-panajana an’i Betlehema, indrindra mandritra ny fotoan’ny Krismasy. Tadidin’izy ireo ao an-tsaina fa io tanàna kely any Atsinanana afovoany io dia ny toerana nahaterahan’ilay “Andrian’ny fiadanana”, i Jesosy Kristy. Nandritra ny an-jatony taona maro, dia nisy mpitsidika toerana masina sesehena nirohotra ho any mba hizaha ny iray amin’ireo toerana masina indrindra eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ary angamba mba hankalaza azy io. Izany dia ny Lava-baton’ny “Nativité” (na Lava-baton’ny nahaterahan’i Jeso), toerana heverin’ny besinimaro fa nahaterahan’i Jesosy Kristy. Ao amin’ilay toerana midadasika manan-tantara antsoina hoe Eglizin’ny “Nativité” no misy azy io. — Isaia 9:5; Matio 2:1.
Kanefa, raha ny tena izy, moa ve toerana foibe ihaonan’ny firaisan-tsaina sy fitiavana ary fanetren-tena kristiana ireo toerana heverina ho masina ireo? Inona no hotsoahinao avy amin’ireto manaraka ireto?
Manazava toy izao ao amin’ilay boky hoe Bethlehem ilay mpanoratra katolika atao hoe Maria Teresa Petrozzi: “Nanomboka tamin’ny taonjato faha-16, [i Betlehema] dia nijaly noho ireo ady feno fankahalana sy ra mandriaka teo amin’ireo Latina [katolika romana] sy ireo Grika [mpino ôrtôdôksa grika] mba hahazoana ny fahefana hitarika ny Eglizin’ny ‘Nativité’ ”. Ireo “ady feno ra mandriaka” niverimberina mba hahazoana ny fahefana hifehy ireo dia nifantoka matetika tamin’ilay kintana volafotsy ao amin’ny Lava-baton’ny “Nativité”, izay ao ambanin’ny tany eo ambanin’ny Eglizin’ny “Nativité”. Heverina ho mampiseho ny toerana marina nahaterahan’i Kristy ny misy io kintana io. Mitantara toy izao i R. W. Hamilton ao amin’ny bokiny hoe Ny Eglizin’ny “Nativité”, Betlehema (anglisy): “Fantatry ny rehetra fa ny roa tamin’ireo zava-nanahirana tafiditra tao amin’ilay fifandirana teo amin’i Frantsa sy Rosia izay nitarika ho amin’ny adin’i Crimée dia nikasika ny fitakian’ny andaniny roa ny hahazo ny fanalahidin’ireo varavaramben’ilay fiangonana sy ny an’ilay efitra ambanin’ny tany [ny Lava-baton’ny “Nativité”], ary ny fangalarana tsy nisy afaka nanazava indray alina, tamin’ny 1847, ilay kintana volafotsy nisy soratra latina napetaka teo amin’ny vatovandana (marbre) fisaka teo ambanin’ilay alitaran’ny ‘Nativité’ ”.
Ho vokatr’ireo ady tsy an-kijanona nifanaovan’ireo fivavahana nandritra ny taonjato maro mba hahazoana ny zo ho tompon’ireo toerana ireo, dia “noferana mazava tsara izao ny zon’ny tsirairay avy amin’ireo fivavahana. Amin’ireo fanaovan-jiro 53, ohatra, dia nahazo 19 ireo “Franciscains”. Ny Alitaran’ny “Nativité” dia an’ny Grika ary ny Latina dia tsy manana lalana hanao fotoam-pivavahana ao.” — Ireo toerana manan-tantara any Isiraely (anglisy).
Mandritra ny fotoan’ny Krismasy, raha mamela izany ny rivo-piainana ara-politika, dia samy manao ny lamesany amin’ny Krismasy manokana ny tsirairay avy amin’ireo antokom-pivavahana ao amin’ny fiangonana lazaina fa kristiana eo an-toerana ary samy manao filaharana manerana an’i Betlehema. Ny faha-24 sy faha-25 Desambra, ny Latina dia manao filaharana sy lamesan’ny misasakalina ao amin’ny Eglizin’ny Masimbavy Catherine, eo akaikin’ny Eglizin’ny “Nativité”, izay ampiasain’ny fiangonana grika sy ny fiangonan’ny ôrtôdôksa armeniana izao. Ny faha-6 Janoary, dia mankalaza ny lamesany amin’ny Krismasy ireo fiangonana grika, syriana ary ôrtôdôksa kôpta (kristiana egyptiana). Ny faha-18 Janoary, dia atao ny lamesa amin’ny Krismasin’ny Ôrtôdôksa armeniana ary ny faha-19 Janoary ny filaharany.
Moa ve ireo vao avy noresahina ireo milaza fa ‘porofon’ny fitiavana tsy manam-pahataperana, sy fianarana ny amin’ny fanetren-tena’ ireo toerana any Betlehema heverin’ny besinimaro ho masina ireo? Ambonin’izany, moa ve izy ireo manome taratry ny fahamarinana momba ny toe-javatra nisehoan’ny nahaterahan’i Jesosy? Ohatra, oviana izy no teraka? Teraka marina tao amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Lava-baton’ny “Nativité” ve izy? Ary tokony hankalaza ny toerana nahaterahany ve ianao na ny hafa?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.