Nahoana ianao no tokony handray ny fivavahana ho zava-dehibe?
“TSY afaka mivelona amin’ny mofo fotsiny ny olona.” (Matio 4:4, The New English Bible). Ireo teny tononina matetika ireo dia mikasika zavatra iray ilain’ny olombelona izay tsy tsapan’ny olona maro intsony ankehitriny. Milaza izy ireo fa misy tapany ara-panahy ny maha-isika antsika, izay mila omena fahafahampo. Izany no antony nahatonga an’ilay nilaza ireo teny ireo, i Jesosy Kristy, hiteny koa hoe: “Sambatra ireo izay mahafantatra fa mila an’Andriamanitra.” — Matio 5:3, NEB.
Ny fivavahana ihany no afaka manome fahafahampo ny fahatsapantsika “fa mila an’Andriamanitra”. Ny fivavahana ihany no afaka mamaly ireo fanontaniantsika lehibe indrindra mahakasika ny fiandohana, ny zava-kendrena, ary ny hevitry ny fiainana. Ary ny fivavahana ihany no afaka manome tena dikany sy heviny marina ho an’ny fiainantsika. Kanefa tsy hoe rehefa fivavahana akory dia hanao izany rehetra izany. Nilaza tamina vehivavy samaritana iray i Jesosy hoe: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23). Ny fivavahana ‘amin’ny fahamarinana’ dia milaza zavatra bebe kokoa noho ny fanarahana lovantsofina sy fombafomba nohajaina hatramin’ny ela fotsiny. Matetika izany dia zara raha manome ho an’ny mpanaraka azy fahatsiarovana ho sambatra mihelina, kanefa mamela azy ho noana ara-panahy.
Nanao izao fanamarihana izao, ohatra, i Edwin O. Reischauer, ambasadaoron’i Etazonia tany Japana taloha: “Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny fivavahana Shintoista sy ny Bodisma dia resaka fomban-drazana sy fanao eken’ny besinimaro fa tsy zavatra inoana misy heviny”. Ekena aloha fa afa-po amin’izany toe-javatra izany ny Japone maro. Mampiseho taratra tsy fahafahampo mitombo amin’ny fivavahana nentin-drazana anefa ny fipoiran’ny “fivavahana vaovao” maro miaraka any Japana.
Mirona hifantoka amina mpitarika mahay manintona sy mampientana — fa tsy amin’Andriamanitra, ireo “fivavahana vaovao”. Mihambo ho nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ny maro amin’ireny mpitarika ara-pivavahana ireny. Ny fampianarany anefa amin’ny ankapobeny, dia tsy inona fa fifangaroan’ny Bodisma sy ny Shintoisma ary finoana hafa fotsiny — nampiana fatrana filôzôfian’ilay namorona be dia be. Ny fanintonan’izy ireo olona mazàna dia miorina amin’ny fampanantenana fiainana tsaratsara kokoa ary amin’ny hery lazaina fa mifono zava-miafina na manasitrana. Kanefa, moa ve ireny fivavahana ireny manome porofo fa mampianatra ireo mpanaraka azy hanompo “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”? Zara raha misy izany. Ny antony iray dia satria misy fombafombam-pivavahana maro izay toa eo androany ary lasa rahampitso. Ny toetoetrany toa lamaody mandalo fotsiny indraindray dia manome antony kely dia kely hiheverana azy ho zava-dehibe.
Fivavahana iray tokony horaisina ho zava-dehibe
Misy fivavahana iray anefa izay efa nisy ela kokoa noho izay mety ho endri-pivavahana hafa rehetra. Izany dia ilay fivavahana ampianarin’ny Baiboly Masina. Natomboka nosoratana efa ho taonjato 35 lasa izay ny Baiboly, ary ny sasany amin’ireo ‘tantara’ voatahiry ao amin’ireo toko voalohany aminy dia efa hatramin’ny an’arivony taona maro mahery talohan’izany.a Mirakitra fitantarana tranainy indrindra misy ny amin’ny fiandohan’ny fivavahana izy io. Izany fotsiny dia efa antony tokony hanehoana fiheverana lehibe an’ilay fivavahana ao amin’ny Baiboly.
Hoy Ny Firaketana amerikana ny amin’ny Baiboly: “Ny fahazavany ‘dia niely manerana izao tontolo izao’. Izao izy io dia heverina ho harena eo amin’ny lafiny ara-pitsipi-pitondrantena sy ara-pivavahana, harena izay ny fampianarany tsy mety ritra dia mampanantena ny ho sarobidy kokoa ihany arakaraka ny itomboan’ny fanantenana sivilizasiôna iray ihany hanerana izao tontolo izao.” Kanefa raha toa ny boky iray ka mpitari-dalana ho amin’ny fivavahana marina tena mendrika inoana tokoa, moa ve ianao tsy hanampo ny haha-fatra-piely azy indrindra sy hahatongavany mora foana eny am-pelatanan’izay rehetra mitady ny fahamarinana?
Izany no izy raha ny amin’ny Baiboly. Nadika tamin’ny fiteny 1 928 izy io, manontolo na ny tapany aminy, ary izy no boky fatra-piely indrindra teo amin’ny tantara. Fanampin’izany, dia niseho ho marina ara-tantara sy ara-tsiansa izy io. Manaporofo ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba marina ny arkeôlôjia sy ny tantara. Afaka amin’izay rehetra mety ho endriky ny spiritisma sy ny fanao mifono zava-miafina ary fanao mahatafiditra ny asan’ny maizina izy io. Izany rehetra izany dia mifanaraka amin’ny filazan’ny Baiboly mihitsy ny amin’ny maha-avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra azy.b — 2 Timoty 3:16.
Ireo ‘voan’ny’ fivavahana marina
Tsy marina ve anefa fa milaza ho manaraka ny Baiboly ny fivavahana maro? Ary moa ve tsy misy fifandirana, fifandrafiana, ary fihatsarambelatsihy miharihary eo anivon’olona maro milaza tena ho kristiana? Eny, kanefa izany dia tsy antony tokony tsy hiraharahana ny Baiboly. Nasehon’ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo mihambo ho manaraka ny kristianisma. (Jereo Matio 7:13, 14, 21-23.) Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray mamantatra ireo izay manaraka ilay fivavahana marina ampianarin’ny Baiboly? Namaly toy izao i Jesosy: “Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy”. — Matio 7:16, 17, 20.
Eny, tokony ho hery matanjaka ho amin’ny tsara sy hiteraka vokany mahasoa eo amin’ny mpivavaka ny fivavahana marina. Raiso, ohatra, i Akinori, lehilahy japone izay, araka ny teniny ihany, dia “nanjary ilay toe-tsaina tia fifaninanana velona mihitsy”. Nahatratra ny zava-nokendreny tamim-pahombiazana izy: fahazoana diplaoman’ny oniversite malaza iray, ary fahitana asa tao amin’ny fikambanana mpanao raharaham-barotra mihaja iray. Tsy hitany izay nilana fivavahana teo amin’ny fiainany. ‘Ho an’ny osa mila fanohanana eo amin’ny fiainana ny fivavahana’, hoy ny eritreriny.
Nandeha tsara ny zava-drehetra mandra-pahavoan’ny aretina mafy azy noho ny fihenjanana sy havizanana. Nanjary niolana ny tendany, ary “niraikitra” teo amin’ny sorony havia ny saokany. Tsy nitondra fampiononana firy ho an’i Akinori tamin’ny fotoam-pahoriany ireo “namana” maro tao amin’ny toeram-piasany. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 17:17.) Koa nilentika tao anatin’ny fisotroan-toaka ratsy indrindra izy ary nihevitra ny hamarana ny fiainany mihitsy aza.
Tatỳ aoriana anefa, dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadin’i Akinori. Indray andro, nandritra ny resaka nifanaovana, ramatoa vadiny dia nilaza taminy ny andinin-teny ao amin’ny Galatiana 6:7 izay amakiana izao teny izao: “Izay afafin’ny olona no hojinjany”. Tohina tamin’ireo teny ireo i Akinori ka niara-nianatra taminy, ary izay nianarany dia nanova ny fomba fahitany ny hevitry ny fiainana. Raha nihanazava ny fomba fijerin’i Akinori, dia nanomboka nanjavona ny fanaintainana vokatry ny fihenjanana nahazo azy! Araka ny ilazan’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly azy hoe: “Ny fo tony dia fiainana ho an’ny vatana ara-nofo”. (Ohabolana 14:30, MN). Eny, mamoa voa tsara dia tsara ny fivavahana marina!
Toshiro dia lehilahy japone hafa iray izay nanjary nahita fa mety ho tonga hery ho amin’ny tsara ny fivavahana marina. Na dia nino aza izy fa nisy naha-tsara azy ny fanarahana fivavahana, dia tsy nanao na inona na inona momba izany. Nifantoka tamin’ny fahazoana trano ho an’ny tenany ny zavatra nahaliana azy. Tsy nitondra ny fahafahampo nantenainy anefa ny fahatratrarana izany zava-kendrena izany. Ankoatra izany, raha nijery ny nanodidina azy tany amin’ny toeram-piasany izy, dia nahamarika fa nahazatra ny fanao tsy marina ary niteraka fifandraisana manokana ratsy izany. Tsiravina noho izay hitany i Toshiro.
Indray andro, ny vadiny dia nanasa loholona iray tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana mba hitsidika azy. Tsikaritr’i Toshiro avy hatrany fa hafa noho ireo mpiara-miasa taminy ilay loholona. Inona no antony? Nampihatra tamim-pahatsorana teo amin’ny fiainany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ilay loholona. Nanohina an’i Toshiro izany ka nanaiky ny fanasana hianatra ny Baiboly izy ary nanomboka nanao ilay fivavahana ao amin’ny Baiboly ho fomba fiainany.
Manasa anao koa izahay mba hahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny “voa” vokarin’izy ireo dia manome porofo fa mivavaka “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” izy ireo. Miezaka amim-pitandremana izy ireo mba hisy vokany eo amin’ny fiainany ny fampianaran’ny Baiboly. Ary na dia lavitra ny fahatanterahana aza izy ireo isam-batan’olona, dia asehony amin’ny maha-fitambaran’olona azy fa afaka ho tonga hery ara-panahy matanjaka ho amin’ny tsara ny fivavahana marina.
Nisy fotoana tsy nahasambatra olona an’arivony maro amin’ny Vavolombelona noho ny fomba fiaina narahiny. Kanefa tamin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia afaka nanao fiovana nampiaiky volana ny maro taminy. Tamin’ny fambolena izay antsoin’ny Baiboly hoe “ireo vokatry ny fanahy”, izany hoe, ireo toetra tsara toy ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena dia nahita ny fanalahidin’ny fahasambarana manokana izy ireo. — Galatiana 5:22, 23, MN.
Soa mandrakizay avy amin’ny fanarahana ny fivavahana marina
Tsy maintsy manao zavatra mihoatra noho ny fanovana toetra sy fanamaivanana ireo zava-manahirana manokana fotsiny anefa ny fivavahana marina. Mandrahona ny handrava ny planetantsika kanto ireo zava-manahirana maneran-tany toy ny fandotoana, ny fandrahonan’ny ady noklehera, ary ny fitrandrahana ny manodidina. Manakana ny fahasambarana sy ny fiadanan’ny olona an-tapitrisany maro ireo zava-manahirana ara-toekarena. Tsy misy fivavahana azo raisina ho zava-dehibe raha tsy manolotra fampanantenana ny handamina ireo zava-manahirana maneran-tany ireo izy.
Manolotra fanantenana toy izany ilay fivavahana ao amin’ny Baiboly. Mampanantena Andriamanitra fa hampiditra tontolo vaovao marina iray eo ambany fanapahan’ny fitondrana, na “fanjakana” iray any an-danitra. (Matio 6:9, 10; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4). Io Fanjakana io no fanafodin’ny fahoriana rehetra mahazo ny olombelona. Ary, momba ny fitohizan’izany soa haneran-tany izany tsy miova, dia manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. Eny, fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana no fanantenan’ny kristiana marina tsirairay avy! (1 Jaona 2:17). Kanefa, ireo izay nihevitra ho zava-dehibe ny fanarahana ny fivavahana marina ihany no handray soa avy amin’io Fanjakana ho avy io. Mampirisika anao àry izahay hanomboka fianarana amim-pitandremana ny Baiboly.c (Jaona 17:3). Eo am-panombohanao mamela ny hazavan’ny Tenin’Andriamanitra hamiratra eo amin’ny fiainanao ianao dia hanandrana fifaliana lehibe arakaraka ny hahafapo tsikelikely ny fahatsapanao “fa mila an’Andriamanitra”. Marina tokoa fa hisy fitahiana mandrakizay ho azonao, satria nihevitra ny fivavahana — dia ny fivavahana marina — ho zava-dehibe ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo, ohatra, Genesisy 2:4; 5:1; 6:9.
b Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo ilay boky hoe: La Bible — Parole de Dieu ou des hommes?, izay azo raisina avy amin’ireo mpamoaka ity gazety ity.
c Ho faly hanampy anao amin’io lafiny io ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo atao ny mandamina fianarana ny Baiboly maimaimpoana any an-tokantrano amin’ny fifandraisana, na amin’ireo mpamoaka ity gazety ity, na amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny toerana misy anao.
[Sary, pejy 5]
Mifanaraka amin’ny filazany tena ho avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny fisian’ny Baiboly amin’ny fiteny maherin’ny 1 900
[Sary, pejy 7]
Manolotra fanantenana toe-piainana feno fiadanana haneran-tany eo ambany fanapahan’ny fitondrana iray any an-danitra ilay fivavahana ao amin’ny Baiboly