FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/7 p. 14-15
  • Ireo fisehoan’i Jesosy hafa koa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo fisehoan’i Jesosy hafa koa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo fisehoana hafa koa
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Niseho Tamin’ny Olona Maro i Jesosy Efa Natsangana Tamin’ny Maty
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Kleopasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Miditra ao Amin’ny Efitrano Mihidy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/7 p. 14-15

Jesosy — ny fiainany sy ny fanompoany

Ireo fisehoan’i Jesosy hafa koa

MBOLA ketraka ireo mpianatra. Tsy azony ny hevitr’ilay fasana foana, sady tsy nino ny filazan’ireo vehivavy izy. Tatỳ aoriana kokoa tamin’io alahady io, dia nandao an’i Jerosalema ho any Emaosy, tany amin’ny 11 kilaometatra avy teo, i Kleopasy sy ny mpianatra hafa iray.

Teny an-dalana, raha niresaka ny amin’ireo zava-nitranga tamin’io andro io izy ireo, dia nisy olona tsy fantany iray niray dia taminy. “Ahoana izao zavatra resahinareo etỳ am-pandehanana izao?”, hoy izy nanontany.

Nijanona ireo mpianatra, ny endriny nalahelo mafy, ary namaly i Kleopasy hoe: “Vahiny mitoetra irery ao Jerosalema angaha ianao no tsy mba mahalala izay zavatra nitranga tao tato ho ato?”

“Zavatra inona?”, hoy ny fanontaniany.

“Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta”, hoy ny navalin’izy ireo. “Natolotry ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika ho amin’ny fanamelohana ho faty izy ary nohomboany tamin’ny hazo fijaliana. Nefa nantenainay fa izy no ilay efa hanavotra ny Isiraely.”

Nanazava ireo zava-nitranga nahavaky vava tamin’io andro io — ny filazana ny amin’ny fahitana ireo anjely tsy takatry ny sain’olombelona sy ny amin’ilay fasana foana — i Kleopasy sy ny namany, nefa avy eo dia nitsotra fa nahavery hevitra azy ny hevitr’izany zavatra izany. Nananatra mafy toy izao ilay olona tsy fantany: “Ry adala sy votsa fo ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany! Tsy tokony ho niaritra izany ve i Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny?” Dia nanambara taminy ny hevitry ny andalan-tsoratra avy ao amin’ny soratra masina izay nilaza momba an’i Kristy izy.

Tamin’ny farany dia tonga teo akaikin’i Emaosy izy ireo, ary niseho ho toy ny hanohy ny diany ilay olona tsy fantany. Naniry ny hahare nisinisy kokoa ireo mpianatra ka nangataka azy mafy hoe: “Mijanòna eto aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro.” Nijanona hisakafo àry izy. Raha nanonona vavaka sy namaky ny mofo ka nanolotra izany azy ireo izy, dia tsapan’izy ireo fa hay i Jesosy naka vatan’olombelona izy io. Avy eo anefa dia nanjavona tsy hita izy.

Takatr’izy ireo tamin’izay hoe nahoana no nahafanta-javatra aoka izany ilay olona tsy fantany! “Tsy nangorakoraka ve ny fontsika”, hoy izy ireo nifanontany, “raha niresaka tamintsika teny an-dalana izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra masina tamintsika?” Tsy nangataka andro izy ireo, fa nitsangana ka niverina haingana hatrany Jerosalema ary nahita ireo apostoly mbamin’izay niara-nivory taminy tao. Talohan’ny nahafahan’i Kleopasy sy ny namany hiloa-bava, dia nilaza tamim-pahataitairana be ireo hafa hoe: “Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’i Simona!” Avy eo dia nitantara izy mirahalahy fa niseho taminy koa i Jesosy. Inefatra tamin’izay no nisehoany tamin’ny mpianany samy hafa tao anatin’io andro io.

Na dia nihidy lakile aza ireo varavarana satria natahotra ny Jiosy ny mpianatra, dia niseho tampoka fanindiminy i Jesosy. Nitsangana teo afovoany izy ka nanao hoe: “Fiadanana ho anareo.” Natahotra mafy izy ireo satria nihevitra fa nahita fanahy (esprit). Nanazava àry i Jesosy fa tsy matoatoa akory izy ka nanao hoe: “Nahoana no sahiran-kevitra ianareo, ary nahoana no feno fisalasalana ny fonareo? Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa izaho no izy; tsapao aho ka jereo, fa ny fanahy (esprit) tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo ahy izao.” Na izany aza, dia tsy nety nino izy ireo satria toa nahafinaritra loatra ka tsy azo ninoana ny hoe velona izy.

Mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa tena i Jesosy tokoa izy, dia hoy izy nanontany: “Misy azo hohanina ve ato aminareo?” Rehefa avy nandray hazandrano voatono sy nihinana izany izy, dia nanomboka nampianatra azy ireo toy izao: “Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola teo aminareo aho [talohan’ny nahafatesako], fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.”

Raha nanohy izay azo lazaina fa fampianarana Baiboly i Jesosy dia nampianatra hoe: “Izany no voasoratra, fa hijaly i Kristy ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra — manomboka eto Jerosalema, ary ianareo no ho vavolombelon’izany.”

Nisy antony tsy naha-teo an’i Tomasy tamin’io fivoriana lehibe dia lehibe tamin’ny alahady hariva io. Nitantara taminy tamim-pifaliana àry ny hafa nanao hoe: “Efa nahita ny Tompo izahay!”

“Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny marika nisy ireo fantsika”, hoy i Tomasy nanohitra, “ka ataoko eo amin’ny marika nisy ireo fantsika ny rantsantanako ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy hino mihitsy aho.”

Nony afaka havaloana, dia niara-nivory tao an-trano indray ny mpianatra. Tamin’ity indray mandeha ity, dia teo koa i Tomasy. Na dia nihidy lakile aza ireo varavarana, dia nitsangana teo afovoany indray i Jesosy ka nanao hoe: “Fiadanana ho anareo.” Avy eo, dia nitodika tany amin’i Tomasy izy ka nanasa azy toy izao: “Atehefo eto ny rantsantananao, ka jereo ny tanako, ary atehefo koa ny tananao ka ataovy amin’ny lanivoako, ary aza tsy mino intsony fa minoa.”

“Tompoko sy Andriamanitro!”, hoy i Tomasy nihiaka.

“Satria nahita ahy ve ianao dia mino?”, hoy i Jesosy nanontany. “Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.” Lioka 24:11, 13-48, MN; Jaona 20:19-29, MN.

◆ Inona avy no nanontanian’ilay olona tsy fantatr’ireo mpianatra roa taminy teny an-dalana ho any Emaosy?

◆ Inona no nolazain’ilay olona tsy fantany taminy ka nampangorakoraka ny fon’ireo mpianatra?

◆ Ahoana no nahafantaran’ireo mpianatra mazava fa i Jesosy ilay olona tsy fantany io?

◆ Rehefa niverina tany Jerosalema i Kleopasy sy ny namany, fitantarana nampientana inona no reny?

◆ Nanao ahoana ny fisehoan’i Jesosy fanindiminy tamin’ireo mpianany, ary inona no nitranga tamin’izany?

◆ Inona no nitranga valo andro taorian’ny nisehoan’i Jesosy fanindiminy, ary ahoana no naneken’i Tomasy tamin’ny farany fa velona i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara