Fanombanana ny ho lany amin’ny fifindrana ho any amin’ny tany manankarena iray
ITY dia fisehoan-javatra mahazatra any amin’ireo masoivohom-panjakana, hatraiza hatraiza any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana: efitrano fiandrasana hipoky ny olona miandry amim-pahataitairana ny fanadinadinana azy. Miankina amin’izany resadresaka fohy nefa lehibe izany, no hamaritana raha ho afaka hahazo fahazoan-dalana ho any amin’ny tany manankarena iray any Andrefana izy na tsia. Maro be no mino fa ho ny karatra hitondra azy ho amin’ny fanambinana izany. “Niasa mafy aho nandritra ny efa-taona, ary tsy afaka nahazo radiao akory”, hoy ny fitarainan’ny tanora afrikana tandrefana iray. “Raha mba tany Angletera aho mantsy na tany Etazonia, dia ho efa mba nahazo fiara sy toeram-ponenana ahy manokana tahaka izay.”
Tsy sarotra ny mahatakatra ny antony ananan’ny olona maro be any amin’ny firenena mahantra sy ny eo an-dalam-pandrosoana eritreritra toy izany. Ho azy ireo, dia sarotra ny mahita asa, ary ambany ny karama. Lanin’ny fitotonganan’ny sandam-bola ny tahiry. Sarotra tadiavina sady efa feno mponina ny toerana hipetrahana. Manao fitafiana efa narian’ny any amin’ireo tany manankarena ny olona. Maro be no mahatsiaro ho tafahitsoka ao anatin’ny faharendrehana ara-toekarena.
Ary toy inona ny fanintonan’ny tany tandrefana manankarena! Nilaza toy izao ny zatovolahy iray any Sierra Leone: “Ny sasany izay lasa tany andafy dia niverina ary nilaza taminay tantara izay nanome anay ny herimpo handehanana ka hizaha mihitsy ireo tany manankarena. Nilaza izy ireo fa voatery miasa mafy ianao, nefa mahazo vola be ka afaka mamelon-tena sy mahazo zavatra aingitraingitra sasany aza, toy ny fiara. Ary rehefa miverina atỳ ianao miaraka amin’ny vola eo amin’ny roa arivo dôlara eo ho eo, dia afaka manangana raharaham-barotra sy manambady.”
Tsy mahagaga raha manjohy hevitra toy izany ny mpanompon’Andriamanitra sasany. Hoy ny anabavy afrikana iray: “Izahay tanora ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra dia mihaino resadresaka ny amin’ny zavatra mahafinaritra ataon’ny hafa izay lasa any andafy. Noho izany dia manontany tena aho indraindray hoe: ‘Ahoana ny amiko? Nahoana aho no hijaly eto? Tokony handeha aho sa tokony hijanona?’ ”
Raha miaina any amin’ny tany mahantra ianao, dia mety hanontany tena toy izany koa sao ny fifindrana no hanatsara ny toe-piainanao. Kanefa, ny fifindra-monina ho any amin’ny tany hafa dia raharaha goavana iray, dingana iray vidina lafo sady lehibe. Izany dia mety hahafaoka fianarana fiteny vaovao iray, fahaizana asa iray vaovao, fizàrana amina kolontsaina vaovao iray, fiaretana ny fanavakavahana hasehon’ny maro be amin’ny vahiny, ary fianarana fomba fiaina iray vaovao tanteraka. Kanefa, misy kristiana maro be nanao toy izany tamim-pahombiazana ary niseho ho tena tombontsoa ho an’ny kongregasiona tany amin’ny fonenany vaovao, tamin’ny fanompoana amin’ny maha-mpitory tsotra, mpitory maharitra, loholona, mpikarakara momba ny asa fakan-tahaka.
Tsy ny rehetra anefa no niafara tamin’ny fomba tsara toy izany. Ny fihenjanana sy ny fiezahana mafy noho ny fifindram-ponenana dia niafara tamin’ny fahasimbana ara-panahy ho an’ny sasany. Miharihary àry, fa ny fifindrana toy izany dia tsy tokony hatao tsy misy fieritreretana lalina sy ao amin’ny vavaka. Manoro hevitra toy izao ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Eny, irinao ny hahazo antoka fa manao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ianao. (Jakoba 4:13-15). Ary Jesosy dia nanome torohevitra azo ampiharina sasany mba hanampiana anao hanao izany rehefa nampirisika ny mpihaino azy ‘hanombana ny ho lany’ izy. (Lioka 14:28, MN). Mahafaoka mihoatra noho ny fandaniana ara-bola izany. Izany dia milaza fanombanana ny mety ho vidin’ny fifindra-monina eo amin’ny ara-panahy.
Ny tena marina ny amin’ny fiainana any andafy
Alohan’ny hifindrana na aiza na aiza, dia tokony hanana fahalalana tsara sy araka ny tena izy ny amin’izay ampoizinao rehefa tonga any ianao. Raha azo atao, dia manaova fitsidihana mialoha ka ianao mihitsy no mijere hoe toy inona ny toe-piainana any. Raha tsy izany dia ho voatery hiantehitra amin’ny fanazavana miampitampita ianao. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Ny kely saina [tsy ampy fanandraman-javatra, MN] mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany”. — Ohabolana 14:15.
Ny sasany nahazo ny fanazavana ilainy momba ny fiainana any amin’ireo tany tandrefana avy amin’izay asehon’ny sarimihetsika sy ny televiziona. Mino izy ireny araka izany fa manankarena daholo ny olona rehetra any, mitondra fiara vaovao, ary mipetraka amin’ny trano tsara tarehy. Ny tena zava-misy anefa dia hafa mihitsy. Tany manankarena maro be no manana fari-piainana mahantra, ahitana tsy fisian’ny trano ipetrahana, ary tsy fisiana asa, mahatahotra. Ary maro be amin’ireo mponina mahantra indrindra no mpifindra monina vaovao. Manazava toy izao ny mpiasa iray ao amin’ny masoivohon’ny fanjakan’i Etazonia any amin’ny tany mahantra iray: “Tsy takatry ny olona fotsiny tsotra izao ny hasarotry ny fanorenam-ponenana any Amerika. Ny sasany manoratra taratasy milaza izay zavatra ataony — ny fomba nividianany fiara roa sy trano iray — nefa raha ny marina, dia miady mafy tokoa izy ireny.”
Mitovy amin’izany daholo ny toe-javatra any an-toeran-kafa. Atoa. Sahr Sorie dia afrikana tandrefana mpampianatra iray nipetraka sy nianatra tany Angletera. Nanazava toy izao izy: “Tsy mora ny mifindra avy any Afrika honina any Angletera. Mpifindra monina sesehena no manana fiainana tena mahantra. Ahitanao soritry ny fijaliana eny amin’ny endriny. Sarotra amin’ny sasany ny hahita vola 20 penny indray miaraka hiantsoana an-telefaonina indray mandeha. Mazàna izy ireo no mizara amin’ny maro be hafa efitrano kely iray, misy fanafanana kely iray monja mba hampahafana azy. Tsy afaka mahazo afa-tsy asa an-trano fotsiny izy ireo, ary izany aza dia tsy ampy handoavany ny lazam-bidin-javatra (factures) akory. Ireo izay mandao an’i Afrika mba handositra ny fahantrana, dia matetika no mahatsapa ny tenany ho vao mainka voa kokoa any amin’ireo faritanàna ratsy sady maloto indrindra any Eoropa.”
Ireo fanerena ara-bola manaraka ny fanorenam-ponenana any amin’ny tany vaovao iray dia mangeja mora foana ny fiainana ara-panahin’ny olona iray. (Matio 13:22). Marina fa deraina ny fanaovana asa mafy ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 10:4; 13:4). Nefa maro amin’ireo mandeha any andafy no miezaka manao asa roa na telo mba hanatratrarana ny zava-kendreny ara-bola — na manao izay hahampy hatramin’ny faran’ny volana fotsiny. Kely sisa na tsy misy intsony ny fotoana tavela hanarahana ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. Atao tsirambina ireo fivoriana kristiana, ny fianarana ny Baiboly, ary ny fizarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa. Miharihary fa marina amin’ny fomba mahatahotra ireto tenin’i Jesosy Kristy ireto: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [harena] hianareo.” — Matio 6:24.
Ireo fanerena ara-pitondrantena
Tokony hihevitra ny amin’ny rivo-piainana ara-pitondrantenan’ilay tany vaovao antenainao koa ianao. Milaza amintsika ny Baiboly fa nifidy ny honina tany amin’ny distrikan’i Jordana i Lota. Raha ny amin’ny lafiny ara-nofo, dia toa feno fahendrena ny fanapahan-keviny, satria “azon-drano avokoa izy rehetra (...), tahaka ny sahan’i Jehovah.” (Genesisy 13:10). Kanefa, ireo mpiara-monina vaovao tamin’i Lota dia “mpanota indrindra tamin’i Jehovah” — mpanova ny fanao momba ny lahy sy ny vavy ho ratsy! (Genesisy 13:13). Ho vokany, “izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna”. — 2 Petera 2:8.
Tahaka izany koa, amin’izao andro izao, ny fifindrana mankany Andrefana, dia mety hametraka anao sy ny fianakavianao eo ambanin’ireo fanerena ara-pitondrantena sy fakam-panahy maro mahery vaika kokoa noho ny any amin’ny tany niavianao. Ankoatra izany, ny olona be taona dia mety tsy hohajaina toy ny any an-trano. Mety tsy hampirisihana ny fanajana ny ray aman-dreny. Mety tsy hifaneho fiheverana firy ny mpiara-monina. Amin’ny ahoana no mety hahakasika anao sy ny fianakavianao ny fanerena toy izany? Izany dia zavatra tokony hoeritreretina ao amin’ny vavaka.
Ireo ray aman-dreny tsy eo
Ny ray aman-dreny sasany nifidy ny handao ny ankohonany ka lasa mandeha irery any andafy. Ny fikasany dia ny handefa vola ho an’ny ankohonany raha vao mahazo toerana any na angamba hiverina hody miaraka amin’ny vola be. Fahendrena ve ny hanaovana fandaharana toy izany?
Ny Soratra masina dia mandidy ny ray aman-dreny hanome izay zavatra ilain’ny ankohonany eo amin’ny ara-nofo, ary amin’ny toe-javatra tsy azo anoharana sasany, dia mety hisy ray na reny iray hifidy ihany ny hiasa any andafy mba hanaovana ny fandaharana toy izany. (1 Timoty 5:8). Kanefa, didiana koa ireo ray aman-dreny hiahy izay ilain’ny ankohonany eo amin’ny ara-panahy. Milaza toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN] izy.” — Efesiana 6:4.
Moa ve ny ray iray afaka hanao izany tokoa raha lavitra ny ankohonany mandritra ny volana na taona maromaro izy? Azo inoana fa tsia. Noho izany dia tsy maintsy mandinika ianao raha misy tombontsoa ara-nofo na inona na inona azonao misy vidiny kokoa noho izay mety ho fiantraikan’ny tsy maha-eo anao eo amin’ireo zanakao. Ankoatra izany, dia matetika ireo mpifindra monina no mahatsapa fa tsy mora araka ny niheverany azy velively ny mahazo “harena”. Raha tsy vitan’ilay mpifindra monina ny manefa ny saran-dalan’ny ankohonany, dia mety hitarazoka an-taonany maro ny fisarahan-toerana. Izany indray kosa, dia mety hiteraka loza ara-pitondrantena lehibe. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:1-5.) Mampalahelo ny milaza fa, ny sasany izay tao anatin’izany toe-javatra manahirana izany dia nivarilavo tamin’ny fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy.
Mitokia amin’ireo fandaharan’Andriamanitra.
Raha mbola mikororosy ny toe-piainana ara-toekarena eo amin’izao tontolo izao, dia tsara ny hitadidiana fa tsy tokony hatahotra ny hafoy ny mpanompon’Andriamanitra. Nilaza toy izao i Jesosy: “Aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:31-33.
Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia miasa ho an’ny tombontsoan’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin-jotom-po. (Matio 24:14; 28:19, 20). Any amin’ny firenena mahantra maro be, dia ilaina betsaka ny mpitory ilay Fanjakana. Tena ilaina indrindra ny loholona sy mpikarakara momba ny asa matotra. Toy izay handeha any amin’ny tany mandroso ara-toekarena tsy ilàna mpitory maro, dia maro be no nifidy ny hijanona eo amin’ny tany nahaterahany ihany. Nanao ahoana ny sasany tamin’ny olona toy izany?
Nilaza toy izao i Alethia, Afrikana tandrefana iray nanompo teo amin’ny asa manontolo andro tany amin’ny tany nahaterahany nandritra ny 30 taona: “Nanana fahafahana ny hipetraka tany andafy aho. Ny antony tsy nanaovako izany dia noho izaho tia ny niaraka tamin’ny mpiray firenena amiko sy ireo havako. Tiako ny hanampy azy ireo hianatra ny fahamarinana mba hahafahanay manompo an’i Jehovah miaraka. Tsy nisy zavatra nafoiko na dia iray aza tamin’ny fitoerana teto, ary tsy misy na inona na inona anenenako.”
Toy izany koa i Winifred, mipetraka any amin’ny tany afrikana. Ny toe-piainana ara-nofo any dia anisan’ny ambany indrindra maneran-tany. Nefa taorian’ny 42 taona tao amin’ny asan’ny mpitory maharitra manontolo andro, dia hoy izy: “Tsy mora foana akory ny misahana ny ara-bola. Manandrana manasaro-javatra i Satana, nefa nanome ho ahy sy niahy ny amin’izay nilaiko mandrakariva i Jehovah.”
Tamin’ny andro fahiny, i Abrahama dia “natoky indrindra fa izay nolazainy [Andriamanitra] dia hainy hatao koa.” (Romana 4:21). Moa ve ianao matoky toy izany koa fa hain’i Jehovah ny manatanteraka ny fampanantenany sy ny miahy anao raha mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao ianao? Moa ve ianao miombon-kevitra amin’ilay mpanao salamo izay nanoratra toy izao: “Ny lalàn’ny vavanao [ny an’Andriamanitra] no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo”? (Salamo 119:72). Sa, sao dia misy ilànao hampihatra amin’ny fomba feno kokoa ny torohevitry ny apostoly Paoly? Ao amin’ny 1 Timoty 6:8 izy dia nanoratra toy izao: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Moa ve ny zavatra mampiseho fahendrena tokony hatao mety ho ny fanaovana izay hahatsara indrindra ny efa misy anao, fa tsy ny hikatsaka toerana iray vaovao?
Ny toe-piainana ara-toekarena any amin’ny tany maro be dia mety hiteraka fisedrana mafy ho an’ny kristiana. Araka izany, raha toa efa avy nandinika ny anton-javatra rehetra tafiditra ny fianakaviana iray, ka manapa-kevitra ny hifindra monina, dia tsy misy antony tokony hanakianan’ny hafa azy. (Galatiana 6:5). Ireo izay mijanona dia afaka mangataka hatrany ny fanampian’i Jehovah mba hizakana ny fisedrana entin’ity fandehan-javatra ity, raha mbola mifaly amin’ireo fitahiana ara-panahy omen’Andriamanitra azy izy ireo. Tadidio fa tsy ho ela ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinan’ity tontolo ity dia halamina eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany dia ho araka izao nosoratan’ny mpanao salamo izao: “Manokatra ny tànanao Hianao [Jehovah] ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” — Salamo 145:16.