Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana
“Nanohina ny foko izay andalan-teny rehetra novakiny”
“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny apostoly Paoly. (Hebreo 4:12). Niharihary ny fahamarinan’izany teo amin’ny fiainan’ny vehivavy iray avy any Vietnama izay nobeazina tao amin’ny fivavahana bodista. Indro ny tantarany.
“Ny ray aman-dreniko, izay mbola any Vietnama, dia bodista anarana fotsiny, hany ka nobeazina tamin’ny naha-bodista aho mandra-pahatongan’ny fotoana nanambadiako teo amin’ny faha-22 taonako. Nanandrana nanery ahy hatao batemy tany amin’ny fiangonana katolika ny fianakavian’ny vadiko. Nilaza izy ireo fa voasakana tsy ho any an-danitra ny rafozam-baviko efa maty satria bodista aho! Tamin’ny voalohany aho dia nanda tsy hanao izany, nefa natao batemy ihany aho tatỳ aoriana mba hahafaly azy ireo. Na dia izany aza, tao am-poko lalina dia nahatsapa tena ho nahatsikaiky aho satria halako ny fihatsarambelatsihy tao amin’ny fiangonana katolika. Tsy misy maha-hafa azy amin’ny fivavahana bodista izany. Hita indrindra izany tamin’ny fitsabahana amin’ny ady sy ny politika, ary samy nampirisika ny fivavahana amin’ny razana ireo fivavahana roa ireo.
“Raha nijanona tany Vietnama aho, dia tena faran’izay kely ny fanantenana ny hianatra ny fahamarinana. Nihalehibe tao amin’ny fotoana nampirongatra ny fihetsiketsehana ara-politika nanerana an’i Vietnama Atsimo aho, ary nipetraka tao amin’ny vohitra iray lavitra be an’i Saïgon. Noho izany, dia fitahiana ho ahy ny nahafahako nandositra nankany Aostralia.
“Anisan’ny olona zatra sambo ambinina kokoa aho. Niaraka tamin’ny zanako kely roa volana teo an-trotroako aho, dia nihazakazaka tao anatin’ny haizina mba hiafina ny pôlisy, ka niditra tao amin’ilay sambo kely fanjonoana. Taorian’ny fito andro teny an-dranomasina izahay dia tonga tany Malezia, izay nijanonanay volana vitsivitsy tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana iray, talohan’ny hahatongavana tany Aostralia.
“Taorian’ny roa taona sy tapany nipetrahana tany Aostralia, dia nohatonin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny fanompoana isan-trano nataon’izy ireo. Tamin’ny fitsidihana voalohany, dia nanaiky hanao fianarana Baiboly tsy tapaka aho satria tsapako fa fahafahana tsara iray hianarana teny anglisy izany. Nefa tena nanohina ahy lalina ny fitondrantenan’ilay Vavolombelona nahita ahy sy ny fahamarinana nampianariny ahy. Nanohina ny foko izay andalan-teny rehetra novakiny, ary tsy nahita fihatsarambelatsihy tao amin’ny fandaminan’i Jehovah aho. Taorian’ny herintaona sy tapany nianarana ny Baiboly, dia nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah aho ary natao batisa.
“Tsy maintsy lazaiko fa nanova ny fomba fiheverako ny fiainana rehetra ny fahamarinana. Tsy mpino ny vadiko, nefa i Jehovah dia nanampy sy nanohana ahy, niaraka tamin’ny fianakaviana keliko. Izy no Mpampianatra ahy Lehibe, ary nampianatra ahy ho tonga vady sy reny tsaratsara kokoa. Tsy mitsahatra ny misaotra an’i Jehovah aho noho izy nanampy ahy hiala tamin’ny fahamaizinana ara-panahy ho amin’ny fahazavan’ny fahamarinan’ny Baiboly.”
Marina tokoa fa nampihatra hery mitaona ho amin’ny tsara ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra tamin’izany lafiny izany. Ny fianarana ny Baiboly sy ny fampiharana izay nianarana dia mampisy heviny sy zava-kendrena ny fiainana, ary mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, araka ny nasain’Andriamanitra nambaran’i Mosesy ara-tsindrimandry hoe: “Tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo.” — Deoteronomia 32:47.