FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/10 p. 15
  • Ny vaovao tsaran’ny Fanjakana any Aostralia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny vaovao tsaran’ny Fanjakana any Aostralia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpialokaloka vietnamiana
  • Vehivavy teratany voatohin’ny fahamarinana
  • Antso an-telefaonina tsy nampoizina
  • Manaiky ny vaovao tsara ireo any Belzika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • “Avy Amin’ny Vavan’ny Zazakely”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • “Nanohina ny foko izay andalan-teny rehetra novakiny”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mahery Noho Ireo Fahavalony i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/10 p. 15

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Ny vaovao tsaran’ny Fanjakana any Aostralia

TOY ny any amin’ny tany 211 hafa, dia amin-jotom-po no itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsara any Aostralia. Manandrana fitahiana lehibe ireo Vavolombelona maherin’ny 49 000 any amin’io tany an-tsisin’izao tontolo izao io. Araka ny fandehan’ireo taona, dia mpifindra monina maro avy amin’ny firenena samihafa no tonga nanorim-ponenana tao, hany ka kongregasiona 58 miteny amin’ny fiteny hafa no mandray anjara amin’ny fitoriana amin’izao andro izao. Nampita taminay ireto fitantarana zava-nitranga mampahery vitsivitsy ireto ny sampana aostralian’ny Fikambanana Watch Tower:

Mpialokaloka vietnamiana

Ny mpialokaloka vietnamiana iray monina any Aostralia izao, dia nahazo fanabeazana mampisongadina ny fanompoana razana, ny konfisianisma, ny bodisma sy ny filozofia tatsinanana sy tandrefana. Hatreo amin’ny 1975, dia niasa tao amin’ny tafika vietnamiana tatsimo izy. Tamin’ny 1979, dia voatery notapahina ny sandriny havia noho ny fivontosana teo amin’ny hatotanana. Naniry fahafahana fatratra izy ka tamin’ny 1983 dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’ny olona 24 hafa mba handositra an’i Vietnama. Taorian’ny nihaonana tamin’ny fomba nahariki-tahotra tamin’ny jiolahin-tsambo dia nivily lalana nandritra ny enina andro teo amin’ny ranomasin’i Shina atsimo ilay sambo, teo ambanin’ny hainandro nigaingaina, talohan’ny hahataongavana teo amin’ny morontsirak’i Malezia. Rehefa avy nandany dimy volana tany amin’ny tobin’ny mpialokaloka io lehilahy io dia nomen-dalana ho any Aostralia. Rehefa afaka telo volana, dia nandre firesahana ny amin’ny fahamarinana izy. Ireo tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Jaona 8:32 dia namaly ny faniriany fahafahana lalina: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo.” Naneho fitiavana be dia be taminy ireo Vavolombelona. Vavolombelon’i Jehovah izy ankehitriny ary mba manampy olona maro miteny vietnamiana indray kosa hahafantatra ny fahamarinana izay manafaka.

Vehivavy teratany voatohin’ny fahamarinana

Tany avaratra andrefan’i Aostralia, raha mbola nitory tamin’ireo anisan’ny foko teratany tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe “La lainerie”, ny tanora mpitory maharitra iray sy ny namany dia tafahaona tamin’ny vehivavy iray. Rehefa nahafantatra ny anton’ny fitsidihan’izy ireo ilay vehivavy, dia naka fanalahidy niambozonany mba hamohana vata vy makadiry. Toy inona ny fahagagan’ireo Vavolombelona roa rehefa nahita, teo afovoan’ny entana manokana, bokikelin’ny Fikambanana Watch Tower anankiroa sy Baiboly tonta iray. Nipetraka teo amin’ny tany izy ireo ary nanomboka fianarana tamin’ny fampiasana ny anankiray tamin’ireo bokikely. Na dia tsy nahay namaky teny sy nanoratra aza io vehivavy io dia noheveriny ho zava-dehibe ireo bokikely ireo izay azony teo aloha. Toy inona moa ny fifaliany mandray soa amin’ny fianarana tsy tapaka izao.

Antso an-telefaonina tsy nampoizina

Tany Sydney, tanàna misy mponina eo amin’ny telo tapitrisa, ny ankizivavy kely telo taona iray izay nilalao tamin’ny telefaonina dia namorona maridaharana (nomerao) araka ny kisendrasendra. Hita fa ny an’ny vehivavy kristiana iray Vavolombelon’i Jehovah izany. Raha vao nandray ny telefaonina izy dia nihevitra aloha fa ny zafikeliny izay. Avy eo, dia nandre feon’olon-dehibe izy, ny an’ny renin’ilay ankizivavy kely izay niala tsiny taminy. Nisy resaka nanaraka izany, nanaovan’ilay anabavy fanambarana. Nihiaka toy izao tamin’izay ilay niresahany: “Nanantena indrindra aho ny handalovan’ny Vavolombelona indray atỳ an-tranoko. Maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho!” Ary dia nanazava izy fa tany Pérou izy roa volana talohan’izay ary nanaitra ny sainy tokoa ny fitondrantenan’ny nenitoany sy ireo havany akaiky, izay tonga Vavolombelon’i Jehovah daholo. Hoy ny nanampiny: “Tonga anjely ireo ankizy izay tena demonia kely!” Nisy fandaharana natao ho amin’ny fianarana ny Baiboly, ary manohy mandroso tsara io vehivavy io — izany rehetra izany dia noho ny telefaonina tsy nampoizina nalefan’ny zanany vavy kely.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara