Ireo horonambokin’ny Ranomasina maty — Harena tsy manam-paharoa
TEO am-pototr’i Wadi Qumran, teo amin’ny lafiny avaratra andrefan’ny Ranomasina maty, dia nahitana sisan-javatra rava tranainy vitsivitsy. Noheverina ho sisa tamin’ny manda romana izy ireo hatry ny ela, ary somary tsy dia nanaitra ny sain’ny manam-pahaizana momba ny arkeôlôjia. Ny fahitana ny Horonambokin’ny Ranomasina maty an’i Isaia tamin’ny 1947 anefa dia nitarika fandinihana indray an’io toerana io.
Vetivety foana ny manam-pahaizana dia nampahafantatra ireo trano ho fananan’ny fitambaran’olona jiosy mpivavaka iray. Ny nahatonga ilay filazam-pananana an-kamehana dia noho ireo vahoaka ireo nanafina ireo horonamboky tao anaty zohy tany afovoan’ireo tsefatsefa-bato teo akaiky teo. Nefa ireo zavatra hita tatỳ aoriana kokoa dia toa nahatonga izany hampiahiahy.
Zavatra hita tsy manam-paharoa iray
Hain’ny Bédouin tsara ny tomban’ny soratanana efa hitany, hany ka, tamin’ny 1952, rehefa nitantara ny lahiantitra iray fa fony izy mbola tanora dia nanenjika tsipoy naratra iray izy mandra-panjavon’io tao anaty lavaka iray teo amin’ny lafin’ny vatolampy, dia tao no nahitany zavatra vita tamin’ny tanimanga sy fanaovan-jiro solika tranainy, ka nihetsika ny fanaovana fikarohana vaovao.
Mbola hain’ilay lahiantitra ny namantatra ny vavan’ilay zohy tany afovoan’ireo tresatresaka lalin’ilay tsefatsefa-bato mikitoantoana. Nanjary hita fa zohy nataon’olona ilay izy, ary fantatra amin’ny anarana hoe Zohy faha-4 amin’izao fotoana izao. Tao no nahitan’ny Bédouin tapatapaka soratanana maromaro, teo amin’ny iray metatra eo ho eo ambanin’ny haavon’ilay fanambaniny tamin’izany fotoana izany. Tsy nisy voatahiry tao anaty siny na iray aza ireo tapatapaka soratanana ireo, hany ka lo, nihamainty, ary tena motraka be ny ankamaroany. Rehefa ela ny ela, dia nisy tapatapany 40 000 hita, ka nahavita efa ho soratanana 400. Ireo bokin’ny Soratra hebreo manontolo, afa-tsy ny bokin’i Estera, dia anisan’ireo soratanan’ny Baiboly zato tamin’ireo. Maro be tamin’ireo zavatra hita tao amin’ny Zohy faha-4 no mbola tsy navoaka.
Ny iray tamin’ireo soratanana lehibe kokoa dia ny bokin’i Samoela, natao kopia teo amin’ny horonana tokana. Ny andalan-teniny amin’ny fiteny hebreo, voatahiry tao anatin’ireo tsanganana 47 avy amin’ny 57 novinavinaina, dia tena mitovy amin’izay ampiasain’ireo mpandika ny fandikan-teny grikan’ny Septante. Misy koa tapatapany amin’ny Septante amin’ny teny grika avy amin’ny bokin’ny Levitikosy sy ny Nomery, izay efa tany amin’ny taonjato voalohany al.fan.ir. tany ho any. Ny soratanana amin’ny Levitikosy dia mampiasa ny hoe IAO mba hilazana ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo יהוה, fa tsy mampiasa ny teny grika Kyʹri·os, “Tompo”.a
Ao amin’ny tapany iray avy amin’ny Deoteronomia, ny andalan-teny amin’ny teny hebreo dia mahafaoka ny ampahany manomboka eo amin’ny De toko faha-32, andininy faha-43, hita tao amin’ny Septante ary tononina ao amin’ny Hebreo 1:6, manao hoe: “Ary aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany.” Teo no voalohany nahitana io andalan-teny io ao amin’izay mety ho soratanana hebreo rehetra, amin’ny fampisehoana andinin-teny iray miharihary fa mifototra amin’ny fandikan-teny grika. Tamin’izany no nahazoan’ireo manam-pahaizana fahatakarana vaovao ny andinin-tenin’ny Septante, araka ny anononana azy matetika ao amin’ny Soratra grika kristiana.
Misy horonamboky iray momba ny Eksodosy natao tamin’ny volana fahasivy amin’ny taonjato fahatelo al.fan.ir., iray momba an’i Samoela tany amin’ny faran’ny taonjato fahatelo, ary horonamboky iray momba an’i Jeremia teo anelanelan’ny 225 sy ny 175 al.fan.ir. Nisy fitaovana ampy, nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo ka hatramin’ny taonjato voalohany al.fan.ir., hita mba hanoritana ireo fiovana eo amin’ny fomba fanoratra sy taratasy manokana momba ny abidy hebreo sy arameana, zavatra misy vidiny lehibe eo amin’ny famerana ny daty nisian’ilay soratanana.
Ilay fahitan-javatra tsy nampoizina tao amin’ny Zohy faha-11
Tamin’ny farany, dia sady voazahan’ny Bédouin teo an-toerana no voazahan’ny manam-pahaizana momba ny arkeôlôjia tanteraka ny faritra manontolo manodidina an’i Quamran. Kanefa, indray andro, tamin’ny taona 1956, dia nisy Bédouin nahatsikaritra ramanavy maromaro nipoitra avy tamin’ny tresatresaka tamin’ireo tsefatsefa-bato, avaratry ny Zohy voalohany. Niakatra izy ireo ka nahita zohy hafa iray, ary voasakana ny fidirana mankamin’izy io. Vato nianjera roa taonina no tsy maintsy nesorina mba hampisehoana azy io. Tena nahavariana ny zavatra hita tao anatiny — soratanana roa feno sy tapany dimy lehibe hafa.
Ny zavatra hita tena lehibe indrindra dia horonamboky iray tsara tarehy momba ny Salamo. Ny hatevin’ilay hoditra dia mahatonga hihevitra fa angamba hoditr’omby ilay izy fa tsy hoditr’osy. Ny fitambaran’ny takelaka dimy sy ireo ravin-taratasy efatra azo sarahina ary ireo tapatapany efatra, dia mahatonga ny halavany hihoatra ny 4 metatra. Na dia voaro tsara aza ny tendron’io horonamboky io, ny moron’ny tendrony ambany kosa dia lo be. Efa hatrany amin’ny tapany voalohany amin’ny taonjato voalohany am.fan.ir. izy io ary mirakitra tapany maromaro amin’ireo salamo 41. Voasoratra in-105 eo ho eo amin’ny tarehintsoratra paleo-hebreo ny tetragrama, ka mahatonga azy io hiavaka eo anivon’ny soratra amin’ny abidy hebreo eo amin’ny teny manodidina.
Misy soratanana hafa, momba ny Levitikosy, voasoratra manontolo amin’ny soratra hebreo tranainy, nefa izany indrindra no mahatonga azy io tsy ho voazava araka ny tokony ho izy. Io no tahirin-kevitra lava indrindra misy ka mampiasa io endri-tsoratra io, izay nampiasaina fony lasa tany amin’ny fahababoana babyloniana ny Jiosy tamin’ny faran’ny taonjato fahafito al.fan.ir.
Misy kopia iray amin’ny “Targum”, fivoasan-teny arameana iray, amin’ny bokin’i Joba koa hita. Anisan’ireo “Targums” taloha indrindra natao hosoratana izy io. Nisy sasantsasany tamin’ireo fanazavana momba ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa hita tany amin’ny zohy samy hafa. Ahoana no nahatonga ireo horonamboky rehetra ireo ho voafina tsara toy izany tany anatin’ireny zohy ireny?
Araka ny efa nomarihina taloha kokoa, dia nety ho nafenin’ny fitambaran’olona Quamran ny sasany. Nefa araka ny porofo, dia toa azo inoana mihitsy fa maro be tamin’izany no napetrak’ireo Jiosy nandositra ny fananihan’ny Romana an’i Jodia tamin’ny 68 am.fan.ir., talohan’ny fandravana farany an’i Jerosalema, roa taona tatỳ aoriana. Ny efitr’i Jodia no fiarovana voajanahary azo antoka ho an’ireo soratanana sarobidy, tsy ny any amin’ireo zohy akaikin’i Qumran ihany, fa ireo any amin’ny kilaometatra maro any avaratra, manodidina an’i Jeriko, sy any atsimo, akaikin’i Masada koa. Velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny fiarovana azy ireny! Manome porofo hafa amboniny ny amin’ny tsy fiovan’ny Teny ara-tsindrimandrin’i Jehovah izy ireny. Marina tokoa “fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.” — Isaia 40:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Baiboly misy fakàn-teny (anglisy), Appendix 1C (5) sy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Levitikosy 3:12, izay anondroana an’io soratanana io amin’ny famantarana 4Q LXX Lev/b.
[Efajoro, pejy 13]
MAROMARO VE NO HISEHO TSY HO ELA?
Na dia efa hita am-polony taona maro lasa aza izay ny maro be tamin’ireo tapatapany amin’ny Horonambokin’ny Ranomasina maty, dia mbola tsy navoaka ihany. Nanebaka toy izao ny The New York Times tamin’ny 23 Desambra 1990: “Na dia ireo sariny aza dia nobodoin’ny antokona manam-pahaizana tia fitokoana izay niafina tamin’ny mpiara-miasa taminy ka nanda tsy hamoaka ny maro tamin’ireo fitaovana teo am-pelatanany.” Nitatitra anefa ilay taratasy fa nisy fanovana mpikambana vao haingana tao amin’io fiaraha-miasa amin’ny famoaham-boky io, ka izany dia mety ho dingana iray ho amin’ny fanapahana “ny fitokotokoana manodidina ny horonamboky (...), ka dia hahalala misimisy kokoa momba ny vanim-potoana iray niavaka teo amin’ny tantara izao tontolo izao.”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.