Tadidinao ve?
Hitanao ho misy vidiny azo ampiharina ve ireo nomerao faramparany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, nahoana no tsy mitsapa ny fitadidianao amin’ny fanontaniana manaraka?
◻ Zava-misy inona no manohitra ny fankamasinana ilay heverina ho toerana nahaterahan’i Jesosy?
Ny Baiboly dia tsy manonona ny amin’ny toerana marina nahaterahan’i Jesosy. Ny fitantaran’ny filazantsaran’i Matio sy Lioka dia tsy manonona afa-tsy izay tena ilaina ihany. (Matio 2:1, 5; Lioka 2:4-7) Ny famakiana ny Jaona 7:40-42 dia mampiseho fa ny olona tamin’ny ankapobeny dia tsy nahafantatra ny toerana nahaterahany, fa nihevitra ny sasany hoe teraka tany Galilia izy. Nandritra ny fiainan’i Jesosy teto an-tany koa dia tsy nanao resaka be ny amin’ny tsipirian-javatra momba ny toerana nahaterahany na oviana oviana izy. — 15/3/91, pejy faha-5.
◻ Ahoana no ahafahan’ny kristiana iray mihazona ny fifaliany eo am-piatrehana ny fitsapan’ny aretina ara-batana sy ny fahaketrahana ary ny fahasahiranana ara-bola?
Ny Tenin’Andriamanitra dia manome ny fampiononana sy ny torolalana ilaina. Ny famakiana ny salamo na ny fihainoana ny famakiana izany noraisina feo dia afaka manome ny famelombelomana ilaina betsaka. Manoro hevitra antsika i Davida hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” Nanome antoka antsika koa izy fa tena “Mpihaino vavaka” tokoa i Jehovah. (Salamo 55:22; 65:2). Ny fandaminan’i Jehovah, amin’ny alalan’ny zavatra vitany an-tsoratra sy ny loholona ao amin’ny kongregasionany, dia vonona hanampy antsika mandrakariva hiatrika ireo zava-manahirana antsika. — 1/4/91, pejy faha-14-15.
◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy teny am-pandehanana hohomboana hoe: “Fa raha ataony amin’ny hazo maitso izany, hatao ahoana amin’ny maina?” (Lioka 23:31).
I Jesosy dia nanisy fitenenana ny amin’ny hazon’ny firenena jiosy. Noho ny naha-teo an’i Jesosy sy ny jiosy sisa izay nino azy, dia mbola nisy hamandoan’ny fahavelomana kely tao amin’ilay firenena. Kanefa rehefa esorina avy ao amin’ilay firenena ireo, dia hazo maty ara-panahy no ho sisa tavela, fandaminam-pirenena malazo. — 15/4/91, pejy faha-9.
◻ Ahoana no ahafahan’ny “madio am-po” resahina ao amin’ny Matio 5:8 “mahita an’Andriamanitra”?
“Mahita an’Andriamanitra” izy rehefa mandinika azy eo am-panaovan-javatra mba hahasoa ireo mpihazona tsy fivadihana. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 33:20; Joba 19:26, MN; 42:5.) Kanefa, ny teny grika ao amin’ny Matio 5:8 nadika hoe “mahita” koa dia midika hoe “mahita amin’ny saina, mahazo hevitra, mahafantatra”. Koa satria nanome taratry ny toetran’Andriamanitra tamin’ny fomba tanteraka i Jesosy, ny fahatakarana tsara izany toetra izany dia namela “ny madio am-po” ‘hahita an’Andriamanitra’. (Jaona 14:7-9) — 15/4/91, pejy faha-16.
◻ Nahoana isika no manatsoaka hevitra fa i Jesosy no ilay Mikaela arikanjely?
Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy miresaka afa-tsy arikanjely iray ihany, ary miresaka momba io anjely io izy rehefa manisy fitenenana momba an’i Jesosy Tompo tafatsangana amin’ny maty hoe: “Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra.” (1 Tesaloniana 4:16). Ao amin’ny Joda 9 isika dia mahita fa Mikaela no anaran’io arikanjely io. — 1/5/91, pejy faha-17.
◻ Faritra efatra inona avy no ahafahantsika manome voninahitra ny olon-kafa?
Tokony hanome voninahitra ireo mpanapaka ara-politika, ireo mpampiasa, ireo mpikambana eo anivon’ny fianakaviantsika, ary ireo izay ao anatin’ny kongregasiona, isika. — 1/5/91, pejy faha-20-22.
◻ Fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, ohatra tsara dia tsara inona no naoriny ho an’ireo izay manana ray aman-dreny be taona?
Raha mbola fadiranovana mafy teo am-pihantonana tamin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia naneho fiheverana izay hahasoa ny reniny tamin’ny ara-nofo sy ara-panahy tamin’ny fanankinana azy io hokarakarain’ilay apostoly tiany indrindra. (Jaona 19:25-27) — 15/5/91, pejy faha-8.
◻ Nahoana i Jesosy no tsy maintsy nijaly?
Ny fahorian’i Jesosy dia nampiasaina handaminana ilay raharaha mikasika ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra. Izany koa dia nanomana azy ho amin’ny anjara asany amin’ny maha-Mpisoronabe feno famindrampo ho an’ny taranak’olombelona. (Hebreo 4:15) — 15/5/91, pejy faha-14, 15.
◻ Raharaha lehibe iankinan’ny aina inona avy no napoitran’ny fikomiana tany Edena?
Afaka manapa-tena amim-pahombiazana tsy misy an’Andriamanitra ve ny olombelona? Rariny ve ny an’Andriamanitra raha mitaky fanekena ny fiandrianany izy? Amin’ny fitarany, hisy olombelona hifidy tsy amim-pitiavan-tena ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny nahim-pony ve? — 1/6/91, pejy faha-6.
◻ Nahoana ny sasany no nandray anjara tamin’ny fomba diso tamin’ny marika amin’ny Fahatsiarovana?
Ny olona sasany tsy ampy fahamatorana dia mety tsy hanana fankasitrahana voalanjalanja an’ireo fikasan’Andriamanitra. Mety tsy hanaiky marina izy ireo fa ny fanosorana dia “tsy avy amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka (...), fa avy amin’Andriamanitra.” (Romana 9:16). Tsy anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra fa izy dia maniry ny horaisina ao anatin’ny fanekena vaovao ka ho tonga mpiara-mandova amin’i Kristy. Ny fifidianan’i Jehovah no zava-dehibe, ary ny fanahiny no manao fanambarana amin’izany fifidianana izany. (Romana 8:16; 1 Korintiana 12:18) — 15/6/91, pejy faha-21.
◻ Inona moa ilay “fiteny madio” resahina ao amin’ny Zefania 3:9, MN?
Izany dia fahatakarana tsara ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. — 1/7/91, pejy faha-21-22.