FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/8 p. 25-30
  • Manohiza mamafy voa — I Jehovah hampitombo izany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manohiza mamafy voa — I Jehovah hampitombo izany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ohatra sy fampiofanana tsara avy amin’ny ray aman-dreny
  • Teo amin’ny asan’ny mpitory maharitra
  • Fanendrena — Irlanda
  • Ny herisetram-bahoaka
  • Mitsimoka ny voan’ny fahamarinana
  • Fiovam-pihetsika
  • Fiofanana manokana tao amin’ny Sekolin’i Gileada
  • Mitohy ny fitahian’i Jehovah
  • Ny Zavatra Tsara Indrindra Nanokanako ny Fiainako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Tahin’i Jehovah Izay Manaiky ny Asa Ampanaoviny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • ‘Mitoby Manodidina An’izay Matahotra An’i Jehovah ny Anjely’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/8 p. 25-30

Manohiza mamafy voa — I Jehovah hampitombo izany

NOTANTARAIN’I FRED METCALFE

TANY am-piandohan’ny 1948, teny am-panaovana fanompoana isan-trano aho, dia nitsidika toeram-piompiana kely iray tany amin’ny zanabohitr’i Cork, any atsimon’i Irlanda. Rehefa nanazava ny momba ahy tamin’ilay tompony aho dia nivoara-mena ny endriny. Nisafoaky ny hatezerana izy, nihiaka mafy fa hoe kaominista aho, ary nihazakazaka nandray ny fisoitrany (fourche). Tsy nanana segondra nieritreretana aho, fa nanao tsoa-pe nivoaka ny tokotany ary namonjy nitsambikina haingana nankeo ambony bisikilety ka naka sisin-dalana. Mideza aoka izany ilay havoana teo, nefa dia nidina izany haingana araka izay azoko natao aho, tsy niherika, ary araka ny nahazoako sary an-tsaina azy dia nanipy ny fisoitrany tao aoriako toy ny lefompohy ilay rangahy.

NIZATRA tamin’ny fihetsika toy izany aho nandritra ny roa taona, nanomboka tamin’ny nahatongavako teto amin’ny Repoblikan’i Irlanda, avy any Angletera, tamin’ny naha-mpitory maharitra manokana, tamin’ny 1946. Ilay antokon’olom-bitsy mpitory ilay Fanjakana izay niarahako, tsy nisy afa-tsy 24 teo ho eo monja, dia efa niaina tamin’ny fanakantsakanana tamin’ny alalan’ny fankahalana sy ny fanaratsiana. Nefa natoky aho fa hanome vokatra ny fanahin’i Jehovah amin’ny farany. — Galatiana 6:8, 9.

Alohan’ny hitantarako ny fizotran’ny toe-javatra anefa, dia mamelà ahy hilaza kely aminareo momba ny fiainako taloha sy ny fampiofanana nanampy ahy hijoro teo ambanin’ny fisehoan-javatra feno fisedrana toy izany.

Ohatra sy fampiofanana tsara avy amin’ny ray aman-dreny

Nahita ny fahamarinana ny raiko tany am-piandohan’ny taona 1914. Teny am-pandehanana nody avy tany amin’ny lalao baolina kitra iray tany Sheffield, any Angletera izy, dia namaky traktra momba ny Baiboly iray nanazava ny amin’ny toetry ny maty. Efa niditra tany amina fiangonana maro izy mba hitady valin’ireo fanontaniany saingy tsy dia nahita fahombiazana. Izay novakiny tao anatin’ilay traktra izao dia nanaitra ny sainy. Nanafatra ireo boky enina tamin’ny Etudes des Ecritures (anglisy) izay nanaovana fampahafantarana tao amin’ilay traktra izy, ary namaky azy ireo tamim-pahalianana fatratra, matetika aloha be amin’ny maraina. Nanaiky haingana ny fahamarinana i Dada.

Tsy ela izy dia nanomboka nifanerasera tamin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, fikambanana iray nisy efa maherin’ny 40 taona, izay nanompoany tamin’ny naha-mpiandraikitra prezidà nandritra ny ankamaroan’ireo taona ireo. Faly tokoa ny raiko satria nanaiky ny fahamarinana ny roa tamin’ireo rahalahiny sy izy telo mirahavavy anabaviny. Nitory tamina tanora iray mpanampy tao amin’ny trano fivarotana ny iray tamin’ireo rahalahiny ka nanjary vita fanoloran-tena sy tonga kristiana voahosotra io zazavavy io sy ny rahavaviny. Nanambady ireo vehivavy tanora roa ireo ny raiko sy ny rahalahiny.

Tao amin’ny fianakaviako, dia anisan’ireo zazalahy efatra notezaina tamin’ny “fanabeazana sy ny fananaran’ny Tompo” aho. (Efesiana 6:4, Dikantenin’ny Mpanjaka Jacques). Faly aho fa tsy very maina ny fiezahana nataon’ireo ray aman-dreniko tamin’ny fampiorenana ny fahamarinana tao aminay. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy zavatra vita an-tsoratra natao manokana hanampiana ireo ray aman-dreny hampianatra ny zanany ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly; nefa izahay kosa dia nanana fianaram-pianakaviana tsy tapaka momba ny Baiboly indroa isan-kerinandro tamin’ny fampiasana ilay boky hoe La Harpe de Dieu (anglisy), ary koa tamin’ny fiaraha-mandinika tsy tapaka ny andinin-teny natao hovakina isan’andro. — Deoteronomia 6:6, 7; 2 Timoty 3:14, 15.

Ohatra nampitolagaga koa ireo ray aman-dreniko teo amin’ny fankamamiany ireo fivoriana sy ny zotom-pony ho amin’ny fanompoana. Ankoatra izany toetra ara-panahy tsara dia tsara izany, dia nanana fahaizana manao vazivazy tsara ny raiko, izay nafindrany tamin’ny zanany. Nitondra vokany tsara ny fiezahana nataon’ireo ray aman-dreniko. Ireo zanany efa-dahy, izay eo amin’ny faha-60 taonany izao, dia samy mbola eo am-panompoana an’i Jehovah amim-pifaliana avokoa.

Teo amin’ny asan’ny mpitory maharitra

Tamin’ny aprily 1939, teo amin’ny faha-16 taonako, dia nahavita ny fianarako aho ka tonga mpitory maharitra mandavantaona. Niaraka tamiko teny amin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra ny raiko ary nanome ahy ny fampiofanana taona voalohany. Nandeha bisikilety izahay namita tanteraka ny faritany manontolo mielanelana 11 kilaometatra avy eo aminay. Isan’andro izahay mianaka dia samy nitondra bokikely 50, ary tsy nody tany an-trano raha tsy efa nahapetraka an’ireo.

Roa taona taorian’izay, dia nanana tombontsoa ho anisan’ireo mpitory maharitra manokana voatendry ho any Grande-Bretagne aho. Fifaliana ny nandray izany fitahiana izany, nefa naharary koa ny nandao ny fiarovana mahasambatry ny ankohonana teokratika iray. Rehefa nandeha ny fotoana, ary noho ny fanampian’i Jehovah, dia nanitsy ny fomba fihevitro aho.

Tapaka ny asako tamin’ny naha-mpitory maharitra nandritra ny Ady lehibe faharoa, rehefa nampidirina am-ponja niaraka tamina Vavolombelona tanora maro hafa, noho ny raharaha momba ny fialanalanana, aho. Tao amin’ny fonjan’i Durham aho, dia nokilasina ho anisan’ny YP (Mpigadra Tanora). Milaza izany fa tsy maintsy manao pataloha fohy aho — fahavoazana lehibe tamin’ny andro nangatsiaka. Alao sary an-tsaina kely i Wilf Gooch (Mpampifandrindra ny Komitin’ny Sampana any Grande-Bretagne ankehitriny), i Peter Ellis (mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana any Grande-Bretagne), i Fred Adams, ary ny tenako — izay samy eo amin’ny 1,80 metatra eo ho eo amin’ny halavana, miara-mijoro sy manao pataloha fohy sahala amin’ny ankizilahy mpianatra!

Fanendrena — Irlanda

Nanaraka ny fanafahana ahy avy tany am-ponja, dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra tany amin’ny faritra maro samy hafa tany Angletera aho nandritra ny telo taona. Avy eo aho dia naharay fanendrena iray natao hahitana fisedrana sy fahafahampo lehibe tokoa, dia ny Repoblikan’i Irlanda. Ny hany fantatro momba ny faritra any atsimon’i Irlanda, dia saika ny olona rehetra any no katolika romana. Nefa nodiako tsy fantatra ireo fanazavana tsy manorina nataon’ny sasany ka tsy nisalasala aho nanaiky ilay fanendrena. Izany dia fotoana ho an’ny fampielezana ny fanompoam-pivavahana marina, ary azoko antoka tamin’izany fa i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny masina, dia hanampy ahy.

Ny ankamaroan’ireo Vavolombelona atỳ amin’ny Repoblikan’i Irlanda dia monina eto Dublin renivohitra, ary iray na roa monja no mba miely any an-toeran-kafa. Noho izany, ny ankamaroan’ny olona dia mbola tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Niaraka tamin’ny mpitory maharitra manokana telo, dia nanomboka niasa tao amin’ny tanànan’i Cork aho. Tsy mora ny nahita olona nihaino. Tao amin’ny lamesa nataony, ireo pretra dia tsy nitsahatra nampitandrina ny aminay, ary niantso anay ho “kaominista devoly”. Nampitandrina ny amin’ny asa nataonay ihany koa ireo gazety.

Indray andro, dia nanety ny voloko ny mpanety iray, ary nampiasa hareza mahitsy (maranitra). Nandritra ny resadresaka, dia nanontany ahy ny amin’izay ataoko ao Cork izy. Rehefa nilaza taminy aho, dia nisafoaky ny hatezerana izy ary nanompa ahy. Nihetsiketsika mafy tamim-pahatezerana ny tanany, ary naka sary an-tsaina ny tenako nandeha nivoaka ilay toeram-panetezana nanafina ny lohako tamin’ny sandriko aho! Toy inona ny fahamaivanana nivoaka ilay toeram-panetezana tsy nisy afa-tsy efitrano tokana ihany!

Ny herisetram-bahoaka

Indraindray izahay dia tsy maintsy niatrika herisetram-bahoaka. Ohatra, indray andron’ny volana Martsa 1948, raha mbola variana tamin’ny fanompoana isan-trano izahay, dia nisy vahoaka nanafika an’i Fred Chaffin, namako. Narahin’ny vahoaka i Fred, ka nihazakazaka nankeny amin’ny fitobian’ny fiarambahoaka iray ary niantso mpitondra fiarambahoaka iray sy mpamily iray mba hanampy azy. Vao mainka koa ireo nanampy iretsy mpanafika. Nihazakazaka lavitra kokoa ny lalana i Fred, ary nanao izay hiafenana tao ambadiky ny tamboho avo iray namefy ny tranon’ny pretra.

Nandritra izany, dia nandeha tamin’ny bisikiletiko aho. Mba hahatongavana tany ampovoan-tanàna, dia nandeha tamin’ny lalana iray hafa aho, nefa rehefa nipoitra teo amin’ny lalana lehibe indrindra aho dia efa niandry ny vahoaka. Nisy lehilahy roa nandrombaka ny kitapoko sady nanaparitaka ny tao anatiny. Avy eo dia nanomboka namely totohondry sy nandaka ahy izy ireo. Tampoka teo dia nisy lehilahy iray nipoitra. Pôlisy tsy nanao fanamiana izy io, ary nampiato ilay fanafihana, ka nitondra ahy sy ireo mpanafika tany amin’ny paositry ny pôlisy.

Io fanafihana io dia nanome fototra ho an’ny ‘fiarovana sy ny fampiorenana ara-dalàna ny vaovao tsara’. (Filipiana 1:7, MN). Rehefa tonga tany amin’ny fitsarana ny raharaha, ilay pôlisy namonjy ahy, izay katolika romana mihitsy, dia nanome porofo, ka olona enina no voaheloka ho nampihatra famelezana. Ilay toe-javatra dia nampiseho fa nanana zo hitory isam-baravarana izahay, ary nampiasaina ho toy ny fampitandremana ny hafa izay nety hieritreritra ny hanao herisetra izany.

Teo am-boalohany, dia noheverina fa tena nampidi-doza ny fandefasana anabavy hanao ny asan’ny mpitory maharitra any amin’ny toerana sahala amin’i Cork. Kanefa, matetika dia toa tsara kokoa raha anabavy no mitsidika ireo vehivavy maneho fahalianana. Noho izany, talohan’io fanafihana io indrindra, ny Fikambanana dia nanendry anabavy mpitory maharitra mahafinaritra roa tany Cork. Ny iray, i Evelyn MacFarlane, tatỳ aoriana dia tonga misionera ary nanao asa tsara dia tsara tany Chili. Ny faharoa, i Caroline Francis, izay nivarotra ny tranony tany Londres mba hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra eto Irlanda, dia tonga vadiko tatỳ aoriana.

Mitsimoka ny voan’ny fahamarinana

Mora tamin’izany ny nihevitra fa lany fotoana namafazana ny voan’ny fahamarinan’ilay Fanjakana teo ambanin’izany toe-piainana izany izahay. Ny fahitana ny fahamarinana nitsimoka tetsy sy teroa anefa dia namelona ny fitokianay ny fahafahan’i Jehovah hampitombo zavatra. Indray andro, ohatra, ny Fikambanana dia nandefa ny anarana sy ny adiresin’ny lehilahy iray izay nanoratra fangatahana iray tamin’ilay boky hoe Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina (anglisy). Any Fermoy, vohitra kely iray eo amin’ny 35 kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ny tanànan’i Cork, ilay adiresy. Nandeha tany tamin’ny bisikiletiko àry aho indray alahady maraina mba hitady an’io olona io.

Rehefa tonga tany Fermoy aho, dia nanontany lalana tamin’ny lehilahy iray. “Eisy”, hoy izy, “mbola misy 14 kilaometatra manaraka iny lalana iny koa izany.” Lasa indray aho nandeha ary farany dia tonga tao amin’ny toeram-piompiana iray teo ambanin’ny lalan-kely iray. Nijoro teo am-bavahady ilay tovolahy nanafatra ilay boky. Rehefa nampahafantatra ny tenako aho, dia hoy izy: “Sarobidy toy ny volamena mihitsy ity boky ity!” Nanao fifanakalozan-kevitra nahafinaritra izahay, ary saiky tsy tsaroako hatramin’ny lalana am-bisikilety 50 kilaometatra nody. Na dia ankehitriny aza, 40 taona mahery atỳ aoriana, dia mahita fifaliana betsaka tokoa aho rehefa mifankahita amin’io “tovolahy” io, dia i Charles Rinn, isan-taona, any amin’ireo fivoriambe. Amin’izao fotoana izao, dia misy kongregasiona folo any amin’ny faritr’i Cork.

Nandritra ireo taona 1950, izahay sy i Caroline dia nampiely ny voan’ny fahamarinana tany amin’ny faritra afovoan’i Irlanda. Tonga ny fampaherezana hahafahana hiaritra tamin’ny 1951, rehefa nisy olona tso-po toa an’i “Granny” Hamilton sy ny vinantovaviny namaly haingana. I “Granny” Hamilton dia tonga ny mpitory vita batisa voalohany tany County Longford. — 1 Tesaloniana 2:13.

Zava-nanahirana tamin’izany ny fampiantranoam-bahiny. Raha vantany vao tojo fanerena ny tompon-trano, dia niangavy anay handeha izy ireny. Noho izahay tsy nahazo toeram-pialofana telo samy hafa nisesisesy àry, dia nividy lay sy lafika ary kitapo fatoriana izahay, ka nitondra izany nivezivezy tamin’ny fiara iray Y-model Ford. Nanangan-day tany amin’izay rehetra azonay nanaovana izany izahay isaky ny faran’ny andro nitoriana. Tatỳ aoriana izahay dia nahazo tranofiara iray 4 metatra ny halavany. Kely dia kely ilay izy, vitsivitsy ny kojakoja fanamorana asa araka ny toetr’andro ka voatery nandeha an-tongotra antsaka-kilaometatra izahay mba hahazoana rano fisotro, ary tsy nisy fanafanana koa, nefa zava-tsoa taminay izy io. Notsapaina indray andro ny fahaizako manao vazivazy rehefa nibolisatra teo ambonin’ny fakan-kazo iray aho ary nianjera avy any an-damosina tao anaty fantsakana iray lavalava sady tery nefa tsy dia lalina loatra. Mbola tao anatin’io tranofiara io ihany no nampiantranoanay ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny vadiny rehefa nitsidika anay izy ireo.

Indraindray dia nisy olona tso-po naneho hatsaram-panahy tsy nampoizina. Ohatra, nandeha tany Sligo, any andrefan’i Irlanda izahay tamin’ny 1958, valo taona taorian’ny nandroahana ny mpivady mpitory maharitra hafa avy tao an-tanàna. Nivavaka izahay mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah mba hahitana toerana ho an’ilay tranofiara, ary taorian’ny ora maro nitadiavana, dia sendra toeram-pitrandraham-bato iray tsy nampiasaina intsony sady nalalaka izahay. Nisy rangahy iray niandry andiam-biby terỳ ampitan-dalana nilaza taminay fa an’ny fianakaviany ilay toeram-pitrandraham-bato. “Azonay ampiasaina ve izy io?” hoy izahay nanontany azy, ary nilaza taminy fa iraky ny fikambanana ara-baiboly iray izahay. Nilaza izy fa tsara dia tsara izany.

Tsy ela taorian’izany dia namotopototra izy hoe: “Fikambanana ara-baiboly inona no misy anareo?” Fotoana fohy nampitebiteby izany. Nilaza taminy izahay fa Vavolombelon’i Jehovah. Nampihena aoka izany ny tahotray ny nisehoany ho tsara fanahy hatrany. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanolotra ho anay rosia ho an’ny hofan’ilay toerana mandritra ny herintaona izy. “Tsy mitady vola mihitsy izahay”, hoy izy. “Nefa fantatray ny fanoheran’ny olona anareo, koa raha misy manontany anareo ny amin’ny zonareo ho eto amin’ity toerana ity, dia ity no porofo hasehonareo.”

Raha mbola tany Sligo izahay, dia nandre ny amin’ny lehilahy iray, mpivarotra sady mpilalao baolina kitra malaza, izay naneho fahalianana fony mbola tao an-tanàna ireo mpitory maharitra teo alohanay. Nifanerasera tamin’ny kongregasiona ihany izy nandritra ny valo taona, kanefa ta hahafantatra izahay hoe manao ahoana izy izao. Ny tsikitsiky feno haravoana teny amin’ny endrik’i Mattie Burn rehefa nampahafantatra ny amiko taminy aho no nanome ny valiny. Tsy maty maso akory ny voan’ny fahamarinana nambolena taona maro teo aloha. Mbola mpikambana ao amin’ny kongregasiona kely iray marisika any Sligo izy.

Fiovam-pihetsika

Ny toerana iray izay nanome santionan’ireo fihetsika feno fanoherana nasehon’ny olona maro be taminay dia ny tanànan’i Athlone. Rehefa nanomboka natao tany ny fitoriana goavana tamin’ireo taona 1950, dia nanao fandaharana ireo pretra ho an’izay rehetra nonina tao amin’ny faritra na aiza na aiza tao an-tanàna mba hanao sonia fangatahana iray milaza fa tsy irin’izy ireo ny hahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tranony. Nalefan’izy ireo tany amin’ny fitondram-panjakana izany, ka nahatonga ny asa tany Athlone ho sarotra tokoa nandritra ny taona vitsivitsy. Indray andro dia nisy andian-jatovo nahafantatra ahy ho Vavolombelona ka nanomboka nitora-bato. Rehefa nandeha nijoro teo anoloan’ny fitaratry ny trano fivarotana iray aho, dia nasain’ilay tompony niditra tao an-tsenany, mba hiarovana ny fitarany tsy ho vaky fa tsy hoe mba hiarovana ahy akory, ary dia navelany hivoaka teo amin’ny varavarana mankany ambadiky ny trano aho.

Vao haingana anefa, tamin’ny aogositra 1989, rehefa nitarika lahateny momba ny fandevenana rahalahy nahatoky iray tany Athlone aho, dia tsy afaka nanampy, kanefa nahagaga ny fomba nampitomboan’i Jehovah zavatra tany. Teo anilan’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona, dia nisy olona 50 teo ho eo avy eo an-toerana nihaino tamim-panajana ny lahateny fandevenana tao amin’ny Efitrano Fanjakana nahafinaritra iray naorin’ireo rahalahy.

Fiofanana manokana tao amin’ny Sekolin’i Gileada

Tamin’ny 1961, dia nasaina hanatrika ny fitohitohizam-pampianarana iray naharitra folo volana tany amin’ny Sekolin’i Gileada, an’ny Watchtower Bible aho. Natao ho an’ny rahalahy ihany io fitohitohizam-pampianarana manokana io, noho izany dia nihevitra tao amin’ny vavaka an’io fanasana io izahay sy Caroline. Mbola tsy nisara-toerana izahay nandritra ny 12 taona. Ankoatra izany, satria nanana faniriana fatratra ny ho any amin’ny Sekolin’i Gileada sy ho misionera koa ny vadiko, dia diso fanantenana indrindra izy tsy mba voantso tany. Nefa, noho izy nanana toe-tsaina ambony, dia nametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana teo amin’ny toerana voalohany izy ary nanaiky fa tokony handeha aho. Tena tombontsoa mahatalanjona ilay fitohitohizam-pampianarana. Nefa fifaliana ny niverina nody sy nirotsaka tamin’ny asa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana, tamin’ny fanomezana fampaherezana ireo Vavolombelona 200 na mihoatra, izay nambolena sy notondrahana teto Irlanda, tany am-piandohan’ireo taona 1960.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1979, dia niainga ho any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York i Caroline, rehefa nasaina ho any amin’ny fitohitohizam-pampianarana manokan’i Gileada natao ho an’ny mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana aho. Io no fisehoan-javatra niavaka tamin’izay nanjary hita ho ny tapany farany tamin’ny fiainany. Roa taona taorian’izay tokoa mantsy dia maty izy. Tao anatin’ireo 32 taona niarahanay nanompo tao amin’ny asa manontolo andro, dia tsy nanary na oviana na oviana ny zotom-pony ho an’ny asan’i Jehovah i Caroline na nanary ny fatokiany fa hampitombo zavatra i Jehovah.

Nitondra fahabangana lehibe teo amin’ny fiainako ny tsy naha-teo azy. Ny zavatra iray nanampy ahy handresy izany dia lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Mifohaza! (anglisy) tamin’izany andro izany, mitondra ny lohateny hoe “Fianarana miaina tsy misy ny olona iray tianao”. (8 Febroary 1981). Latsa-dranomaso aho rehefa nieritreritra ilay namako maty, nefa nataoko izay natoron’ilay lahatsoratra ary nanao izay hahavariana ahy tamin’ny asan’i Jehovah aho.

Mitohy ny fitahian’i Jehovah

Herintaona taorian’izay, tamin’ny Aprily 1980, dia teo aho rehefa nitokana tranon’ny sampana iray teto Dublin ny rahalahy Lyman Swingle, anisan’ny Kolejy Foibe. Toy inona ny fahagagana nahita mpitory 1 854 teny amin’ny saha fitoriana, ka anisan’ireo koa ny avy any Irlanda Avaratra! Ary amin’izao fotoana izao, folo taona atỳ aoriana, ny Diary dia milaza fa nisy tampon’isa 3 451 tamin’ny 1990!

Nandritra izany fotoana izany, dia nahazo fitahiana fanampiny aho. Raha tany am-panaovana fanompoana tamin’ny naha-mpampianatra tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ilay Fanjakana iray aho, dia nifankahita tamin’i Evelyn Halford, anabavy iray manintona sady be zotom-po, izay nifindra ho eto Irlanda mba hanompo any amin’izay ilàna izany betsaka kokoa. Nivady izahay tamin’ny May 1986, ary hita fa tena fanampiana marina ho ahy izy eo amin’ny asa teokratika rehetra ataoko.

Tamin’ireo 51 taona nanaovako fanompoana manontolo andro hatramin’ny nandaozako ny sekoly, dia laniko teto Irlanda ny 44 taona. Mampientam-po ny mahita ireo olona maro be nampiako mbola eo am-panompoana an’i Jehovah hatrany; loholona sy mpikarakara momba ny asa ny sasany. Afaka milaza tsy misy hambahamba aho fa anisan’ny fifaliana iray lehibe indrindra mety hananan’ny rehetra ny fanampiana olon-kafa ho amin’ny lalana mankamin’ny fiainana.

Manatanjaka ny finoana ny mahita ny vonin’ny fanompoam-pivavahana marina any amin’ny toerana samy hafa eto Irlande, na dia eo aza ny fanoherana feno halozana. Ankehitriny dia misy mpitory eo amin’ny 3 500 mpikambana ao amin’ny kongregasiona maherin’ny 90 manerana ilay tany. Marina tokoa fa tsy voafetra ny zavatra hain’i Jehovah atao. Hampitombo zavatra izy raha mamboly sy manondraka amim-paharisihana isika. ( 1 Korintiana 3:6, 7). Hitako fa marina izany. Hitako ny nitrangan’izany teto Irlande.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara