Avy eo amin’ny renin’ny tany mankeo amin’ireo andriamanibavin’ny fahavokarana
FANTATRAO ve ilay andriamanibavy aseho an-tsary eo amin’ny fonon’ity gazety ity? Io no Isis, andriamanibavy reny fahiny tany Egypta. Raha toa ianao ka nitsidika trano fitahirizana ny rakitry ny ela iray na nandinika tsara boky iray momba ny tantara tranainy, dia azo inoana fa efa nahita sampy sahala amin’io. Hevero anefa izao: Moa ve ianao nitsaoka sy nivavaka tamin’ny andriamanibavy Isis?
Raha mpikambana amin’ny iray amin’ireo fivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana ianao, dia mety ho toa hafahafa izany fanontaniana izany. Azo inoana fa hanizingizina ianao fa mivavaka amin’ilay Mpamorona, ilay Iray anaovana ny hoe: “Rainay Izay any an-danitra”. (Matio 6:9). Ny hevitra ny amin’ny fitsaohana andriamanibavy reny iray dia mety ho toa hafahafa, haharikoriko aza. Na dia izany aza, ny fanompoam-pivavahana toy izany dia niely nandritra ny tantara, ary mety ho tafintohina ianao amin’ny fahalalana fotsiny hoe iza no mivavaka amin’ilay andriamanibavy reny lehibe amin’izao andro izao.
Kanefa alohan’ny hiresahana ny amin’izany, dia andeha isika hijery ivom-piaraha-monina sasany handinihana ny fitaran’ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy reny fahiny. Io karazam-panompoam-pivavahana io dia hita ho endrika fivavahan-diso efa hatry ny taloha ela be. Sary vongana sy sary sokitra mampiseho andriamanibavy reny mitanjaka maro be no nofongarin’ny manam-pahaizana momba ny arkeôlôjia tany amin’ireo toerana tranainy manerana an’i Eoropa manontolo ary manomboka any amin’ireo tany mediteraneanina ka hatrany India.
Ny renin’ny tany dia toa noheverina ho ny loharano maharitra niavian’ny endri-piainana rehetra, manome ny aina ary avy eo, maka izany hiverina any aminy indray amin’ny fotoana ahafatesany. Tamin’ny naha-izany azy, dia notompoina izy io nefa koa natahorana. Voalohany indrindra, dia ninoana fa sady tsy lahy no tsy vavy izy eo amin’ny fananahana. Avy eo izy, araka ny angano, dia niteraka ny Rain’ny lanitra, lehilahy, ary tonga vadin’io. Niteraka andriamanitra sy andriamanibavy tsy tambo isaina izy mivady ireo.
Ny maodely babyloniana
Teo amin’ireo andriamanitra babyloniana, dia Ishtar no andriamanibavy lehibe indrindra, sahala amin’i Innanna andriamanibavin’ny fahavokarana siomeriana. Mifanohitra amin’izany, dia sady andriamanibavin’ny ady izy no andriamanibavin’ny fitiavana sy ny fahafinaretan’ny nofo. Ao amin’ilay bokiny hoe Les Religions de Babylonie et d’Assyrie (Ireo fivavahan’i Babylonia sy Asyria), ilay frantsay mpivaofy teny antsoina hoe Édouard Dhorme dia niteny toy izao momba an’i Ishtar: “Izy no ilay andriamanibavy, ilay andriambavy, ilay reny be indrafo mihaino vavaka ary manalalana amin’ireo andriamanitra tezitra sy mampitony azy ireo (...) Misandratra ambonin’ny rehetra izy, tonga andriamanibavin’ireo andriamanibavy izy, mpanjakavavin’ny andriamanitra rehetra, tompom-piandrianana eo amin’ireo andriamanitry ny lanitra sy ny tany.”
Ireo mpivavaka amin’i Ishtar dia mivavaka aminy toy ny amin’“ny Virjiny”, “Virjiny Masina”, ary “Reny Virjiny”. Manambara toy izao ilay “Vavaka fitomaniana amin’i Ishtar”, teo amin’ny Siomeriana Akadiana fahiny: “Mivavaka aminao aho, ry ilay lehibe indrindra amin’ny vehivavy ô, andriamanibavin’ireo andriamanibavy. Ry Ishtar ô, mpanjakavavin’ny vahoaka rehetra. (...) Ry ilay tompon’ny fahefana rehetra avy amin’Andriamanitra ô, izay manao ny satroboninahitry ny fahefana. (...) Ireo trano fiangonana kely, toerana masina, sy fitoerana masina ary alitara dia mihevitra anao. (...) Aiza no misy sarinao ka tsy karakaraina? (...) Jereo aho ry andriambaviko, ekeo ny fangatahako.”a
Miely ny fivavahana amin’ny andriamanibavy reny
Miresaka ny amin’ny “fitaran’ny fivavahana amin’i Ishtar” ilay manam-pahaizana momba ny any atsinanana antsoina hoe Édouard Dhorme. Niely nanerana an’i Mezopotamia izy io, ary na i Ishtar mihitsy na andriamanibavy nanana anarana hafa nefa nanana toetra nitovy, dia notompoina tany Egypta, Fenisia, ary Kanana, ary koa tany Anatolia (Azia Minora), Gresy, ary Italia.
Ny andriamanibavy reny lehibe indrindra notompoina tany Egypta dia i Isis. Hoy ny nosoratan’ilay mpanoratra tantara atao hoe H. G. Wells: “Nahasintona mpivavaka maro be izay nanokana ny fiainany ho azy i Isis. Najoro tao amin’ny tempoly ny sary vongany, nampanaovina satroboninahitra tamin’ny naha-Mpanjakavavin’ny lanitra ary nitrotro an’i Horus zaza. Mipendrampendrana sy manaraka ny fitsokan’ny rivotra eo anoloany ny labozia, ary mihantona eo amin’ilay alitara ny fanatitra vita tamin’ny savoka.” (The Outline of History). Faran’izay nalaza tany Egypta ny fivavahana tamin’i Isis. Niely nanerana ny faritra mediteraneana koa izany, hatrany Gresy sy Roma indrindra, ary nahatratra ny faritra avaratra sy andrefan’i Eoropa koa aza.
Tany Fenisia sy Kanana, ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy reny dia niompana tamin’i Ashtoreth na Astarta, izay voalaza fa vadin’i Bala. Sahala amin’i Ishtar, babyloniana nifanitsy taminy, dia andriamanibavin’ny fahavokarana sy ny ady izy. Tao amin’ireo soratra tranainy tany Egypta, dia nahitana fa nantsoina koa hoe andriambavin’ny lanitra sady mpanjakavavin’ny lanitra i Astarta. Tsy maintsy nanao ady nitohy hanoherana ny fitaomana nampietry nampiharin’ny fanompoam-pivavahana tamin’io andriamanibavin’ny fahavokarana io ny Isiraelita.
Tany amin’ny faritra avaratra andrefan’i Anatolia, dia i Cybele, izay fantatra ho ny reny lehiben’ireo andriamanitra, no nifanitsy tamin’i Ishtar. Nantsoina koa hoe mpiteraka ny rehetra, mpitaiza ny rehetra, ary renin’izay nohasoavina rehetra izy io. Nanomboka tany Anatolia no niely voalohany ny fivavahana tamin’i Cybele, ka hatrany Gresy ary avy eo hatrany Roma, izay naharetany ela hatramin’ny fanisan-taona iraisana. Ny fivavahana tamin’io andriamanibavin’ny fahavokarana io dia nahafaoka dihy tamim-pahataitairana, fitetehan-tena nataon’ireo mpisorona, famosiran-tena nataon’ireo izay nilatsaka ho amin’ny asan’ny mpisorona, ary filaharana nilanjana ny sary vongan’ilay andriamanibavy tamin’ny fomba nanetriketrika.b
Nanompo andriamanibavy renin’ny tany iray nantsoina hoe Gaea ireo ntaolo grika. Nefa ireo fitambaran’andriamaniny dia nanjary nahafaoka ireo andriamanibavy mitovy karazana amin’i Ishtar, toa an-dry Aphrodite, andriamanibavin’ny fahavokarana sy ny fitiavana, Athena, andriamanibavin’ny ady, ary Demeter, andriamanibavin’ny fambolena.
Tany Roma, dia i Vénus no andriamanibavin’ny fitiavana, ary tamin’ny naha-izany azy, izy io dia nifanandrify tamin’i Aphrodite grika sy Ishtar babyloniana. Ny Romana koa anefa dia nanompo an-dry Isis, Cybele, ary Minerva (Athena grika) andriamanibavy, izay samy nanome taratra tamin’ny fomba iray na ny hafa an’i Isthar, maodely lehibe babyloniana.
Mazava ho azy fa nandritra ny an’arivony taona maro, ny fivavahana tamin’ny andriamanibavy reny dia fahavalo maherin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, ilay Mpamorona lehibe. Efa foana ve ny fivavahana amin’ny andriamanibavy reny? Sa mbola naharitra hatramin’izao andro izao? Vakio kely ny tohiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ancient near Eastern Texts, nosoratan’i James B. Pritchard, fanontam-pirintin’ny Princeton University, pejy faha-383-384.
b Ny andriamanibavin’ny fahavokarana hafa notompoina tany Azia Minora dia i Artemisy efesiana, izay hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 3]
ISHTAR tany Babylona, nomena endrika kintana
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of The British Museum
[Sary, pejy 4]
ISIS tany Egypta, mitrotro an’i Horus zaza sady andriamanitra.
[Sary nahazoan-dalana]
Musée du Louvre, Paris