FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Andriamanitr’ireo Firenena”
  • Andriamanitr’ireo Firenena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitr’ireo Firenena
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Andriamanitra sy Andriamanibavy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fizarana faha-3: 1942-1513 al. fan. ir. — Egypta — Saha fiadian’ireo andriamanitra
    Mifohaza!—1990
  • Avy eo amin’ny renin’ny tany mankeo amin’ireo andriamanibavin’ny fahavokarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Iza moa i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Andriamanitr’ireo Firenena”

FANAZAVANA MAHALIANA

Andriamanitr’ireo Firenena

NORARAN’NY lalàn’i Jehovah tsy hampiasa sary ny Israely rehefa nivavaka. Fanahy mantsy ilay tena Andriamanitra ka tsy mety ny manao ny sariny. Maro anefa ny sarin’ireo andriamanitry ny firenena fahiny nofongarina. “Vato aman-kazo” fotsiny izy ireny ary “nataon-tanan’olona.” (De 4:28) “Andriamanitra tsy misy dikany” izy ireny, satria nana-maso nefa tsy nahita ary nanan-tsofina nefa tsy nandre an’ireo mpivavaka taminy. (1Ta 16:26; Sl 115:4-8) Any amin’ny tranombakoka sisa izy ireny izao, nefa manampy antsika hahalala ny niandohan’ireo zavatra inoan’ny olona maro ankehitriny.

[Sary, pejy 529]

Niandoha tany Babylona ny andriamanitra telo mitambatra. Hita eto amin’ity takela-bato ity ny sarin’i Shamash, andriamanitra masoandro, sy ny marika amantarana andriamanitra telo mitambatra: Volana (Sîn), masoandro (Shamash) ary kintana (Ishtar)

[Sary, pejy 529]

Manan-doha telo (ambonin’ireo elatra) i Asyra, andriamanitra lehibe indrindran’ny Asyrianina, eto amin’ity tombo-kase ity

[Sary, pejy 529]

Andriamanitra telo mitambatra nivavahan’ny Ejipsianina. Havia: Horus, Osiris, Isis. Havanana: Isis, Horus, Nephthys

[Sary, pejy 529]

Isis andriamanibavy sy Horus zanany lahy nivavahan’ny Ejipsianina, toa an’i Maria Virjiny sy ny zanany izay ivavahan’ireo milaza azy ho Kristianina

[Sary, pejy 530]

Ela be talohan’ny Fivavahana Kristianina no efa nankamasinina ny lakroa misy boribory eo an-tampony (lakroa ejipsianina)

[Sary, pejy 530]

Nampiasaina tamin’ny fivavahana ny bibilava. Zavakanto ejipsianina: Mihazona bibilava roa ilay andriamanitra eo ankavia; bibilava be eo afovoany; andriamanibavy manana lohana bibilava eo ankavanana.

[Sary, pejy 530]

Misy bibilava miaraka amin’ny sarivongan’i Esculape andriamanitra grika. Mahaliana fa nampiasa bibilava i Satana rehefa niresaka tamin’i Eva (Ge 3:1-15; Ap 12:9)

[Sary, pejy 530]

Nahariharin’ireo loza folo tany Ejipta fa tsy nanan-kery ireo andriamaniny. Nanala baraka an’i Hapi (ambony havia: Andriamanitr’i Neily) ny loza voalohany nanova an’i Neily ho ra. Tsy nahavita nanampy an’ireo Ejipsianina i Héket andriamanibavy (sahona no amantarana azy) tamin’ilay loza faharoa. Ny nahafatesan’ireo lahimatoa tamin’ilay loza fahafolo no mafy indrindra, satria noheverina ho zanakalahin’i Amona-Ra (aseho ho toy ny ondrilahy) ny zanakalahin’i Farao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara