Fahasalamana sy fahasambarana — Ahoana no ahafahanao mahita an’ireo?
NAHAFANTATRA hatry ny ela ny fatorana akaiky misy eo amin’ny fahasalamana sy ny fahasambarana ny olona. Nanambara toy izao i Hippocrate, ninoana ho “ny rain’ny fahaizana ara-pitsaboana”: “Ny olona iray mahiratra dia tokony hihevitra fa ny fahasalamana no fitahiana lehibe indrindra ho an’ny olombelona”. Nanamarika toy izao ilay filôzôfa alemanina atao hoe Arthur Schopenhauer: “Ny fahavalo roa lehibe indrindran’ny fahasambaran’ny olombelona dia ny fanaintainana sy ny fahasasarana.”
Ao amin’ilay boky hoe Anatomy of an Illness as Perceived by the Patient (Famakafakana aretina iray araka ny fahitan’ny marary azy), dia mitantara ny fanandramana nataony i Norman Cousins tamin’ny fampiasana fihomehezana mba handresena ny tsy fahasalamana nahatandindomin-doza ny ainy tamin’ny fomba misoko. Nilaza izy fa avy amin’ny fihomehezana fatratra nataony rehefa mijery “films” mampihomehy, fara faharatsiny, no nahatonga ny fahasitranany. Nisy mpitsabo nanan-daza maro nanomboka namotopototra tombontsoa iray mety ho azo amin’ny fanafody sasany, antsoina hoe endorphines, izay miely ao amin’ny tenantsika rehefa mihomehy isika. Afaka mahita ny fahendrena raketin’ity ohabolana ara-tsindrimandry ity isika, araka izany: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara.” — Ohabolana 17:22.
Kanefa, mifanohitra amin’izany fa ireo mpikaroka dia nahita fa tsy voatery hiantoka fahasambarana ny fahasalamana tsara, satria misy olona maro be salama tsy sambatra akory. Ny fikarohana nifototra tamin’ny valim-panontaniana sy fanadinadinana natao tamin’ny olona maherin’ny 100 000, dia nitarika an’i Jonathan Freedman ho amin’ny tsoakevitra tsy nampoizina hoe maherin’ny 50 isan-jaton’ny olona tsy sambatra teo amin’ny fiainany no salama tamin’ny ankapobeny.
Fahasalamana sy fahasambarana — Atao indray miteny
Aiza àry no tokony hitadiavantsika ny fitambarana fahasalamana sy fahasambarana izay tsy mety ho tratra? Misy fahatakaran-javatra mahaliana toy izao nomen’i Conficius, taonjato maro lasa izay: “Manjaka ny fitondram-panjakana tsara rehefa atao sambatra ireo izay mifanakaiky, ary manana hery manintona ireo izay lavitra be.” Tatỳ akaiky kokoa ny androntsika, ilay mpitondra fanjakana atao hoe Thomas Jefferson dia nanambara fa ny hany zava-kendren’ny fitondram-panjakana dia “ny hiaro ny ambaratonga ambony indrindra amin’ny fahasambarana mety hananan’ny sarambaben’ireo izay tafakambana eo ambaniny”.
Raha ny marina, ny fandinihana akaiky dia mampiharihary fa ny valiny farany amin’ny fangatahan’ny taranak’olombelona fahasalamana sy fahasambarana dia miompana tokoa amin-javatra tokana: fitondram-panjakana.
Nandritra ireo taona, ny olombelona dia nitady ny fahasambarany tao amin’ny fitondram-panjakana. Ohatra, mirakitra ireto teny malaza ireto ny Fanambarana fahaleovantenan’i Etazonia: “Mino ireto fahamarinana ireto tsy ilàna porofo isika fa noforonina mitovy ny olombelona rehetra, nomen’ny Mpamorona azy Zo tsy azo atakalo izy, anisan’izany ny Fiainana sy ny Fahafahana ary ny fitadiavana Fahasambarana.” Mariho fa ilay fitondram-panjakana eritreretin’ny mpanoratra dia tsy nampanantena ho an’ny vahoakany afa-tsy ny zo hitady fahasambarana. Raha ny amin’ny fahasalamana, dia fitondram-panjakana maro be no nandamina fandaharana tamin’ny fomba mendrika mba hanatsarana ny fahasalaman’ireo vahoakany. Mbola niharihary ho tsy azo notratrarina ihany ny fahasalamana tsara ankapobeny ho an’ny ankamaroany.
Kanefa, ahoana ny amin’ny fitondram-panjakana iray mampanantena mihoatra noho izany aza? Ahoana raha tsy ny fikatsahana fahasambarana fotsiny no ampanantenain’izy io fa fahasambarana mihitsy? Ary ahoana raha tsy mampanantena fiantoham-pahasalamana izy io fa fahasalamana tsara mihitsy? Tsy ho faly ve ianao fa ao amin’izany no misy ny fanalahidy faran’ny fitakian’ny taranak’olombelona fahasalamana sy fahasambarana?
Maro be amin’izao andro izao no mihevitra izany ho nofinofy tsy tanteraka, kanefa tena voambara mialoha sy voalazalaza amin’ny antsipiriany ny fitondram-panjakana toy izany. Azontsika atao ny mahita ny filazalazana azo antoka ao amin’ny Baiboly masina, ary ilay fitondram-panjakana dia ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra.
Ilay Fanjakana na Fitondram-panjakan’Andriamanitra
Miresaka matetika ny amin’ny “fanjakan’Andriamanitra” ny Baiboly. Inona indrindra izy io? Ny Webster’s New World Dictionary of the American Language dia milazalaza ny “fanjakana” ho “fitondram-panjakana na faritany iray tarihin’ny mpanjaka na mpanjakavavy iray”. Toy izany koa fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana iray tarihin’ny Zanany sady Mpanjaka voahosotra, dia i Jesosy Kristy. Ahoana indrindra no maha-zava-dehibe an’io fitondram-panjakana io ao amin’ny fikasan’i Jehovah? Aoka ny tenin’i Jesosy no hamaly: “Katsaho [hatrany, MN] aloha ny fanjakany (...) Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra ity (...) Tsy maintsy manambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, satria izany no nanirahana ahy. (...) Ambara ho vaovao tsara ny fanjakan’Andriamanitra, ary mifanesika mankao ny karazan’olona rehetra.” — Matio 6:33; 24:14, MN; Lioka 4:43, MN; 16:16, NW.
Ny teny hoe “fanjakana” dia ampiasaina mihoatra ny injato ao amin’ny tantaram-piainan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara, ary indraindray dia amin’ny fomba voafaritra tsara mifandray amin’ny fahasalamana sy ny fahasambarana. Mariho ny Matio 9:35 manao hoe: “Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra.” Na dia nampifandray ny fitondrana fahasalamana tsara tamin’io fampianarana ny amin’ny Fanjakana io aza i Jesosy, dia tokony homarihintsika fa ambin-javatra tamin’ny fitoriany sy ny fampianarany ny fanasitranana nataony. Fantatra ho “Ny Mpampianatra” izy fa tsy “Ny Mpanasitrana”. (Matio 26:18; Marka 14:14; Jaona 1:38). Tsy niompana voalohany indrindra tamin’ny fanasitranana olona na ny fikarakarana ny marary izy. Ny fanahiany voalohany dia ilay Fanjakana mandrakariva. Tamin’ny fanasitranana ny aretin’ny olona, dia nampiseho ny fangorahana lehibe nananany izy ary nampiharihary fa nanana ny fanohanan’Andriamanitra izy.
Ny fanasitranana nataon’i Jesosy koa dia ampiasaina ho santionan’ny famerenana ny fahasalaman’ny olombelona izay hotanterahiny rehefa hampihatra fanapahana feno amin’ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Hamafisin’ny fahitana voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2 toy izao izany: “Izy naneho ahy ny onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.”
Nefa aiza no azontsika ifaliana amin’izany? Angamba ho toa tsara koa ny hanantenana ny hitrangan’ny fanasitranana mahatalanjona toy izany eto an-tany. Tsarovy anefa izao tenin’i Jesosy izao, izay angamba efa notononinao mihitsy tao amin’ny vavaka: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.
Ao amin’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra àry no misy ny fanantenantsika marina sady azo antoka momba ny fahasalamana sy fahasambarana amin’ny hoavy. Mbola misy fanontaniana anefa.
Afaka manana fahasalamana sy fahasambarana dieny izao ve isika?
Dieny izao, ny fanarahantsika ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia mety hahafahantsika hanana fari-pahasalamana ambony kokoa, omban’ny fahasalamana mitombo. Araka ny anintonana ny saina matetika ao amin’ireo pejin’ity gazety ity, ireo izay mampihatra ny Baiboly eo amin’ny fiainany andavanandro mazàna dia voaro amin’ny zava-manahirana ara-pahasalamana vokatry ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fifohana sigara, ny fibobohan-toaka, ary ny fanaranam-po amin’ny zava-mahadomelina. Mahatsapa ny hasoan’ny fiainana milamina kokoa sy ny fifandraisana tsara kokoa amin’ny havany sy ny hafa izy ireo.
Efa hitantsika anefa fa tsy voatery hitondra fahasambarana maharitra ny fananana fahasalamana tsara. Inona no heverinao hahafahana manana fari-pahasalamana ambony kokoa?
Tao amin’ilay fikarohana noresahina teo aloha kokoa, dia nihevitra izany fanontaniana izany tamin’ny fomba lalina i Jonathan Freedman. Nihevitra anton-javatra mahatonga izany izy, toy ny “Fitiavana sy ny maha-lahy sy vavy”, “Ny fahatanorana sy ny taona”, “Ny vola azo sy ny fanabeazana”, hatramin’ny “Vohitra sy tanàna” aza. Mety hahaliana anao ny mahafantatra fa nahita izy hoe tsy nisy akony firy teo amin’ny fototry ny fahasambaran’ny olona iray ireo anton-javatra ireo. Ohatra, raha nanonona santionany tamin’ireo olona nanan-javatra ara-nofo be nefa tsy sambatra izy, dia nanatsoaka hevitra toy izao: “Hitantsika ary tsy dia mahagaga raha toa samy tsy manana anjara lehibe eo amin’ny fahasambarana na ny vola azo na ny fanabeazana.”
Ny fanatsoahan-keviny dia namerina ny an’ny mpanoratra ny Baiboly hendry iray, dia ny apostoly Paoly, izay niteny hoe: “Efa nianatra aho, na manao ahoana na manao ahoana toe-piainana misy ahy, ny hahay hianina miaraka amin’izany.” (Filipiana 4:11, Dikan-tenin’ny mpanjaka Jacques). Tsarovy koa izao tenin’i Jesosy izao: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” — Lioka 12:15.
Nahita izao tokoa ny profesora Freedman: “Isan’andro isika rehefa mahita ireo fanambarana ataon’ny olona tsy sambatra nefa toa manana ny zavatra rehetra, dia mahatsapa azy ireny manazava fa tsy misy heviny sy tsy ampy fitarihana ny fiainany.” Nanampy toy izao izy: “Misalasala ny hanao izany ho zava-dehibe aho, nefa tena hita fa manana hery mitaona ho amin’ny tsara eo amin’ny fomba fijerin’ny tena ny zava-misy ny zava-tsarobidy ara-panahy, kanefa kosa ny tsy fananana izany, amin’ny ambaratonga sasany, dia manapoizina na manimba ny zavatra hafa rehetra.”
Amin’izao androntsika izao isika dia mahita porofon’ny fahamarinan’izany fanamarihana izany. Jereo ny manodidina anao. Moa ve ianao tsy mahita saika ny olona rehetra, ny sasany tsy manana, ny sasany manam-be, mikatsaka fahasambarana nefa tsy mahita izany firy? Marina fa nitsahatra ny sasany ary miaina ao anatin’ny fahadisoam-panantenana mangina, nefa maro be no miaina ny fiainany toy ny hoe eo ambony milina fitotoana, mikatsaka nefa tsy mahatratra na oviana na oviana izay tadiaviny. Ny sasany manambady mba hananana fahasambarana na dia misara-panambadiana noho izany zava-kendrena izany aza ny mpiara-belona aminy. Ny sasany manasa-tena amin’ny asa, kanefa ny sasany mandao ny asany mba hanaovana fialan-tsasatra maharitra ary angamba andaniam-bola be. Mikatsaka zava-kendrena tsy mety tratra mitovy ny rehetra, dia ny ho salama sy sambatra. Mahita izany ve izy ireo? Nahita izany ve ianao?
Ny fahasalamanao, ny fahasambaranao
Raha ny marina, dia afaka manana fari-pahasalamana sy fahasambarana ambony ianao dieny izao. Ahoana izany?
Tsy misy isalasalana fa fahendrena ny miezaka miahy ny fahasalaman’ny tena amin’ny fomba voalanjalanja, toy ny fampiharana ny torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly. Hanampy mba hijery zavatra araka ny tena izy koa izany. Izany dia mahafaoka fiekena fa mety ho tonga amin’ny tenantsika tsy tanteraka ny aretina, kanefa tsy ho kivy isika rehefa mitranga izany. Mety hitaky fiezahana misimisy kokoa izany mba hitanana fomba fijery manorina rehefa mifantoka amin’ny fampanantenana fahasalamana tonga lafatra ao amin’ny tontolo vaovao ho avy isika.
Mba hahitana raha manana fari-pahasambarana antonony ianao izao, dia manontania tena hoe: 1. Moa ve aho mifehy ny fiainako manokana araka ny tokony ho izy? 2. Moa ve aho mifanaraka amin’ny tenako sy amin’ireo manodidina ahy? 3. Moa ve aho amin’ny ankapobeny mankasitraka ny fahazoako fiainana araka ny fiheveran’ny Baiboly azy? 4. Moa ve izaho sy ny fianakaviako mifaly amin’ny fahafahana manompo an’Andriamanitra?
Amin’ny lafiny lehibe, dia antsika ny safidy. Maro be amintsika angamba no salama amin’ny ankapobeny, ary manana ny safidy ho sambatra koa. Nefa tsy maintsy manan-java-kendrena ara-panahy isika ary avy eo dia hiasa mba hanatratrarana izany. Tadidio izao tenin’i Jesosy izao: “Izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” (Matio 6:21). Ary manana antony miorina amin’ny Baiboly isika hanantenana fahasalamana sy fahasambarana mbola lehibe kokoa eo ambanin’ny fanapahana lavorarin’ny Fanjakana mesianika. Amin’izay dia mety hananantsika ny fahasalamana sy fahasambarana feno.
[Sary, pejy 7]
Ny olona sambatra dia faly mizara amin’ny hafa ny fanantenany fahasalamana tonga lafatra