Fahasalamana sy fahasambarana — Afaka manana an’ireo ve ianao?
RAHA mbola lehilahy sy vehivavy tsy tanteraka koa, dia efa naniry mafy hanana fahasalamana sy fahasambarana. Na dia azo antoka aza fa ireo no roa amin’ireo faniriana lehibe indrindran’ny olombelona, dia niharihary fa tsy mety tratra izany.
Nanome tolo-kevitra betsaka ho amin’izany zavatra karohiny izany ny olona ary nanolotra torohevitra betsaka momba izany. Nanamarika toy izao ny Dr. Dennis Jaffe: “Amin’izao andro izao, ny fanalahidin’ny fahasalamana sy ny fitsaboana maharitra dia matetika no mitoetra ao amin’ny fitondrantenanao manokana.” Nanazava toy izao i Abraham Lincoln indray mandeha: “Tokony ho sambatra ny olona raha manapa-kevitra ny ho toy izany izy.” Manaiky izany ve ianao? Toy inona ny haben’ny fanirianao fahasambarana? Hatraiza ny fanatratrarana izany no miankina amin’ny fananana fahasalamana tsara?
Nikatsaka fahasambarana hatraiza hatraiza ny olona tamin’ny fanarahana fomba maro toa tsy hisy farany. Nandinika lalina filôzôfia, psykôlôjia, ary metafizika izy ireo. Teo am-pitadiavana fahasambarana, dia nahita ny siansa sy ny zavakanto ary mozika ny sasany. Misy mampanahy kely anefa satria ny ampahany lehibe indrindra amin’ny tena fahasambarana dia mifandray amin’ny fananana fahasalamana tsara. “Raha manana fahasalamana ianao dia saika ny zavatra rehetra no anananao”, hoy ny dokambarotra malaza iray ao amin’ny televiziona.
Tamin’ny fanarahana izany lalana izany, dia olona maro be no nahita teôria isan-karazany momba ny fahasalamana, nifanarahana sy tsy nifanarahana. Saika ny fivarotam-boky rehetra no mampiseho ireo sakafo ara-pahasalamana mbamin’ny karazam-pitsaboana tsy misy farany mety ho hita. “Boky maro be no nosoratana momba ny fahasalamana, nanomboka hatramin’ny fahagola”, hoy ny nohazavain’ilay manam-pahaizana manokana momba ny fo, malaza atao hoe Dr. Paul Dudley White. “Anisan’ny tsara indrindra ny Regiment of Helthe, nosoratana efa ho arivo taona lasa izao.”
Na dia eo aza izany rehetra izany, dia anisan’ny nandiso fanantenana ny ankabeazan’ny olombelona ny fikatsahana fahasalamana sy fahasambarana. Mahagaga anao ve izany, raha heverina hoe hatraiza ny fandrosoana noheverina fa tratran’ny sivilizasionantsika? Mazava ho azy fa tsy nahafoana ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana ny siansa.
Nefa mbola hahagaga anao koa ve ny fahafantarana fa mbola tsy mahita fomba hanatratrarana ny fahasambarana sy tsy manana famaritana tsara ny dikan’izy io isika? Tao amin’ny lahateny iray noheverina ho “Fanakianana ny Fahasambarana”, dia nanao famaranan-kevitra toy izao i Pierre Teilhard de Chardin: “Nandritra ny taonjato maro izy io dia foto-dresaky ny boky tsy hita pesipesenina, fikarohana, fanandramana nataon’olona mitokana sy mitambatra, nifandimby; ary mampalahelo fa nisy tsy fahombiazana tanteraka teo amin’ny fanatratrarana ny firaisan-tsaina. Ho an’ny maro be amintsika, amin’ny farany, ny hany fanatsoahan-kevitra azo atao mba hialana amin’ny adihevitra manontolo dia ny hoe tsy ilaina ny manohy ny fikarohana.”
Izany ve no fiheveranao ny fahasambarana? Ny tenanao ihany anaovana fanontaniana manokana nefa koa mendrika. Tena sambatra ve ianao izao? Sa tsy maintsy any an-danitra ihany no hahitana ny tena fahasambarana? Moa ve misy fahatsinjovan-javatra azo antoka ahafahantsika manana fahasalamana sy fahasambarana, sy manana izany eto an-tany mihitsy aza?